Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 15-16
“Tena Ratsy ny hoe Mpamadika”
Famantarana ny Andro Farany ny hoe Hivadika ny Olona Maro
4 Voalohany, hodinihintsika ny tantaran’i Delila. Raiki-pitia taminy i Samsona, dia ilay mpitsara niady tamin’ny Filistinina, mba hanafahana ny vahoakan’i Jehovah. Tsy tena tia an’i Samsona anefa i Delila. Fantatr’ireo andriana dimy teo amin’ny Filistinina angamba izany, ka nasain’izy ireo izy hamantatra ny antony nampahatanjaka be an’i Samsona, mba hahafahan’izy ireo hamono azy. Nanome vola be izy ireo ho takalon’izany. Nanaiky i Delila, ka namitaka an’i Samsona intelo nefa tsy nahomby. “Nanontaniany tsy misy farany” i Samsona taorian’izay, ary “nosokiriny foana.” “Tsy tantin’i Samsona” izany tamin’ny farany, ‘ka te ho faty izy.’ Nolazainy tamin’i Delila fa mbola tsy tapaka mihitsy ny volony, ka tsy hatanjaka intsony izy raha tapahina izy io. Nampatorin’i Delila teo amin’ny lohaliny àry i Samsona, ka nasainy notapahina ny volony rehefa resin-tory izy. Natolony ny fahavalony i Samsona taorian’izay, ary navelany hanao izay tiany tamin’i Samsona ireo fahavalony ireo. (Mpits. 16:4, 5, 15-21) Tena ratsy tokoa ny nataon’i Delila! Vitany ny namadika ny olona tia azy, noho ny fitiavam-bola.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara
14:16, 17; 16:16. Manimba fihavanana ny fanerena olona iray hanao zavatra, amin’ny alalan’ny ranomaso sy ny filana vaniny.—Ohabolana 19:13; 21:19.
Famantarana ny Andro Farany ny hoe Hivadika ny Olona Maro
15 Inona no azon’ireo manambady atao, mba hanampy azy tsy hivadika amin’ny vadiny mihitsy? Hoy ny Baiboly: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao”, ary “ankafizo ny fiainana iarahanao amin’ny vady malalanao.” (Ohab. 5:18; Mpito. 9:9) Mila miezaka mafy hifankatia foana àry ny mpivady, rehefa mihantitra. Midika izany fa mila manao zavatra ho an’ny andaniny avy ny ankilany, izany hoe miahy azy, manokana fotoana iarahana aminy, ary mifandray akaiky aminy foana. Mila miezaka mafy izy ireo mba hiaro ny tokantranony sy ny fifandraisany amin’i Jehovah. Ho vitan’izy ireo izany, raha miara-mianatra Baiboly izy ireo, miara-manompo matetika, ary miara-mivavaka mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah.
AZA MIVADIKA AMIN’I JEHOVAH
16 Nanao fahotana lehibe ny Kristianina sasany, ka tsy maintsy nanarina mafy “mba hatanjaka amin’ny finoana.” (Tit. 1:13) Nila noroahina mihitsy aza ny sasany. Toy ny hoe ‘nampiofana’ azy ireo anefa izany famaizana izany, ka nanampy azy ireo hifandray tsara tamin’i Jehovah indray. (Heb. 12:11) Ahoana raha havanao na namanao akaiky ilay voaroaka? Amin’izay no ahitana hoe iza no tena tsy hivadihanao: Ilay olona sa Andriamanitra? Tadidio fa didin’i Jehovah ilay hoe tsy azo atao ny mifandray amin’ny voaroaka, na iza ilay voaroaka na iza. Mijery antsika i Jehovah raha hankatò azy isika na tsia.—Vakio ny 1 Korintianina 5:11-13.
Vatosoa Ara-panahy
Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
Ny hiady tamin’ny Filistinina ihany no masaka tao an-tsain’i Samsona, satria izay no tanjony. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny mpivaro-tena iray tany Gaza izy, mba hahafahany hiady amin’ny fahavalon’Andriamanitra. Tsy nisy trano hatoriana izy tamin’io alina io, afa-tsy tany an-tranon’ny mpivaro-tena. Tany amin’ny tanànan’ny fahavalo mantsy no nisy azy. Tsy nikasa ny haloto fitondran-tena akory izy. Niala tao an-tranon’ilay vehivavy izy tamin’ny misasakalina. Nongotany ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolana roa, ary nentiny 60 kilaometatra niala teo, tany an-tampon’ny tendrombohitra iray akaikin’i Hebrona. Nankasitraka izany i Jehovah matoa nanome hery azy.—Mpitsara 16:1-3.
10-16 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 17-19
“Hahita Olana Izay Tsy Mankatò ny Lalàn’Andriamanitra”
it “Mika” § 1
Mika
1. Lehilahy iray tany Efraima. Nandika ny didy fahavalo tamin’ny Didy Folo i Mika (Ek 20:15), satria nalainy ny volan-dreniny, izay farantsa volafotsy 1100. Nibaboka anefa izy, ary naveriny tamin-dreniny ilay vola. Hoy ny reniny: “Tsy maintsy hamasiniko ho an’i Jehovah io volafotsy avy amiko io ho an-janako, mba hanaovana sary sokitra sy harendrika ho sarivongana. Koa iny haveriko aminao ilay izy.” Naka farantsa volafotsy 200 tamin’ireo ny reniny ka nomeny ny mpanefy volafotsy. Nataon’ilay mpanefy ho ‘sary sokitra sy narendriny ho sarivongana’ ilay izy, ary natao tao an-tranon’i Mika. Nanana “tranon’andriamanitra” izy, ary nanamboatra efoda sy terafima. Nomeny fahefana ny iray tamin’ireo zanany lahy mba ho mpisorony. Marina fa mety hoe natao hanomezam-boninahitra an’i Jehovah io zavatra nataony io, kanefa tena fandikana an-kitsirano an’ilay didy mandrara ny fanompoan-tsampy (Ek 20:4-6), ary fanaovana tsinontsinona ny tranolay masin’i Jehovah sy ny asan’ny mpisorony. (Mpts 17:1-6; De 12:1-14) Nalain’i Mika ho any an-tranony i Jonatana taranak’i Gersoma zanak’i Mosesy, ary nokaramainy mba ho mpisorony io Levita tanora io. (Mpts 18:4, 30) Afa-po i Mika, ka hoy izy: “Fantatro tokoa ankehitriny fa hanisy soa ahy i Jehovah.” Diso hevitra anefa izy. (Mpts 17:7-13) Ankoatra izany, dia tsy taranak’i Arona i Jonatana, ka tsy afaka ny ho mpisorona mihitsy. Vao mainka nanampy trotraka ny fahadisoan’i Mika izany.—No 3:10.
it “Mika” § 3
Mika
Nanenjika an’ireo Danita i Mika niaraka tamin’ny lehilahy maro, taoriana kelin’izay. Rehefa tratra izy ireo dia nanontaniany an’i Mika ny antony nanenjehany azy. Namaly i Mika hoe: “Nalainareo ny andriamanitro izay namboariko, ary nentinareo koa ny mpisorona, dia lasa ianareo, ka inona intsony no mba ho ahy?” Nandrahona an’i Mika ny taranak’i Dana avy eo hoe raha mbola manaraka azy ireo izy na manohitra azy, dia hataony mahita faisana. Niverina nody i Mika satria hitany fa matanjaka kokoa noho izy ny Danita. (Mpts 18:22-26) Notafihin’ny Danita i Laisy taorian’izay ary nodorany. Nanorina ny tanànan’i Dana teo izy ireo avy eo. Nataon’ireo Danita ireo mpisorona teo aminy i Jonatana sy ny zanany lahy, ary “notehirizin’izy ireo ilay sary sokitra namboarin’i Mika, ka najorony ho azy ireo nandritra ny andro rehetra naha tao Silo ny tranon’ilay tena Andriamanitra”, izany hoe ny tranolay masina.—Mpts 18:27-31.
Vatosoa Ara-panahy
Baiboly Mazava Tsara sy Manohina ny Fo
6 Mihamaro ny porofo manamarina fa tokony ho ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra. Hita imbetsaka ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina ilay anarana. Mahatratra 7216 izany, izany hoe miampy 6. Ao amin’ny 1 Samoela 2:25; 6:3; 10:26; 23:14, 16 ny dimy. Nahoana no nampidirina tao ilay anarana? Tsy hita ao amin’ireo andininy ireo io anarana io ao amin’ny Soratra Hebreo nosoratan’ny Masoreta, izay nampiasaina rehefa nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny 1984. Hita ao amin’ireo andininy ireo kosa ilay anarana, rehefa jerena ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, izay efa nisy 1 000 taona mahery talohan’ilay an’ny Masoreta. Nampidirina ao amin’ny Mpitsara 19:18 koa ilay anarana, rehefa nodinihina tsara ny sora-tanana fahiny.
17-23 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 20-21
“Anontanio Foana i Jehovah”
Ry Anti-panahy, Tahafo i Finehasa
Ahitana izany ity tantara iray ity: Novetavetain’ny Benjamita tao Gibea ny vadikelin’ny Levita iray, ka maty. Tapa-kevitra àry ny foko hafa rehetran’ny Israely fa hiady amin’ny Benjamita. (Mpits. 20:1-11) Nivavaka izy ireo talohan’ny nandehanany niady, nefa indroa no resy sady be dia be no maty. (Mpits. 20:14-25) Nieritreritra ve izy ireo hoe tsy namaly vavaka i Jehovah? Tsy tian’i Jehovah hovaliana ve ny zava-dratsy nataon’ny Benjamita?
Ry Anti-panahy, Tahafo i Finehasa
Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy mety milamina ny olana eo anivon’ny fiangonana indraindray, na dia efa miezaka sy mivavaka foana aza ny anti-panahy. Tokony hitadidy an’ity tenin’i Jesosy ity izy ireo amin’izay: “Mangataha foana dia homena ianareo, mitadiava foana dia hahita ianareo, dondòny foana dia hovohana ianareo.” (Lioka 11:9) Marina fa elaela vao mivaly ny vavaka sasany. Matokia anefa fa hovalian’i Jehovah ilay izy amin’ny fotoana hitany hoe mety.
Vatosoa Ara-panahy
Fantatrao Ve?
Ahoana no nampiasana ny pilotra fahiny?
Pilotra no nampiasain’i Davida tamin’izy namono an’i Goliata, ilay lehilahy goavam-be. Tany am-piandrasan’ondry, tamin’izy mbola kely, angamba no nianarany nampiasa azy io.—1 Samoela 17:40-50.
Hita amin’ny asa tanana tany Ejipta sy Asyria fahiny ny sarina pilotra. Misy tady roa amin’ilay izy, ary afatotra amin’ny lamba na hoditra kely ny tendron’ireo tady ireo. Eo amin’iny hoditra na lamba kely iny no asiana vato kilonjy na vato boribory. Mitovitovy amin’ny haben’ny voasary ny haben’ilay vato, ary mety ho fahefa-kilao ny lanjany. Ahodinkodina ilay pilotra rehefa mampiasa azy ary avotsotra ny iray amin’ilay tady avy eo, ka lasa lavitra be ilay vato sady tsy mivilivily mihitsy.
Nahita pilotra be dia be tany Israely sy ny manodidina ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nampiasaina tamin’ny ady fahiny izy ireny. Mety ho 160 ka hatramin’ny 240 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny vato nalefan’ny mpiady mahay tamin’ny pilotra. Tsy mifanara-kevitra ny manam-pahaizana raha tonga lavitra hoatran’ny tsipìka ny pilotra. Miaiky anefa izy ireo fa mahafaty toy ny tsipìka ihany ny pilotra.—Mpitsara 20:16.
24-30 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ROTA 1-2
“Miezaha ho Be Fitiavana sy Tsy Hivadika”
Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah
5 Nety ho nieritreritra i Rota hoe any Moaba ny reniny sy ny fianakaviany, ka ho afaka hikarakara azy sy hanome izay ilainy. Tanindrazany koa i Moaba, ka efa nahazatra azy ny kolontsaina sy ny fiteny ary ny mponina tany. Tsy toy izany kosa ny any amin-dry Naomy. Nasain’i Naomy nijanona tany Moaba mihitsy aza izy. Natahotra mantsy i Naomy hoe tsy ho afaka hanome vady na trano ho an’ilay vinantovaviny. Inona àry no hataon’i Rota? Mariho fa ‘lasa nody tany amin’ny fireneny sy ny andriamaniny’ i Orpa. (Rota 1:9-15) I Rota kosa nanapa-kevitra hoe tsy hiverina any Moaba, ary tsy hanompo andriamani-diso intsony.
Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah
6 Toa efa nahalala an’i Jehovah Andriamanitra i Rota. Mety ho ny vadiny na i Naomy no nampianatra azy. Fantatr’i Rota fa tsy toa an’ireo andriamanitr’i Moaba i Jehovah, fa mendrika hotiavina sy hivavahana. Tsy ampy anefa izany, fa mbola nila nifidy izy hoe hanompo an’i Jehovah sa tsia. Nanao safidy tsara i Rota. Hoy izy tamin’i Naomy: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16) Tena tia an’i Naomy i Rota nefa mbola tiany lavitra i Jehovah. Noderain’i Boaza i Rota tatỳ aoriana, satria nitady fialofana teo ambany elatr’i Jehovah. (Vakio ny Rota 2:12.) Voronkely mialoka eo ambany elatry ny reniny angamba no tonga ao an-tsaintsika amin’izany. Fantany mantsy fa mahavita miaro azy ny reniny. (Sal. 36:7; 91:1-4) Nino koa i Rota fa mahavita miaro azy i Jehovah. Namaly soa azy àry i Jehovah ka tsy nanenenany mihitsy ny safidy nataony.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota
1:13, 21—I Jehovah ve no nampahory an’i Naomy, ka nahatonga ny fiainany hangidy taminy? Tsia, ary tsy niampanga an’Andriamanitra ho nanao zava-dratsy mihitsy i Naomy. Noheveriny ho nanohitra azy kosa i Jehovah, noho izay nitranga taminy. Tena diso fanantenana izy. Noheverina ho fitahiana avy amin’Andriamanitra koa ny zanaka tamin’izany fotoana izany, ary toy ny voaozona izay tsy miteraka. Tsy nanan-jafikely i Naomy, sady maty ny zanany lahy roa. Nety ho nieritreritra àry izy, fa rariny raha mihevitra an’i Jehovah ho nampietry azy izy.
31 JANOARY–6 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ROTA 3-4
“Miezaha ho Tsara Laza Foana”
“Vehivavy Tsara Tokoa” i Rota
Nalemy fanahy i Boaza rehefa niresaka tamin’i Rota, ka azo antoka fa nampahery azy izany. Hoy izy: “Hotahin’i Jehovah anie ianao, anaka! Fa tsara kokoa noho ilay tamin’ny voalohany izao fomba anehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana izao, satria ianao tsy nanaraka ny tovolahy, na mahantra izy na manankarena.” (Rota 3:10) Tia an’i Naomy i Rota ary tsy nandao azy mihitsy fa nanaraka azy niverina tany Israely sady nikarakara azy. Izay ilay hoe “tamin’ny voalohany” tian’i Boaza horesahina. Nilaza koa anefa i Boaza fa tsara fanahy i Rota “izao.” Mbola tanora i Rota ka afaka nanambady tovolahy. Tsy nanao an’izany anefa izy fa naleony nanao soa tamin’i Naomy sy ny vadiny efa maty, mba hisy hitondra ny anaran’izy io. Tsy mahagaga àry raha nanohina ny fon’i Boaza ny nahita fa tsy mba tia tena i Rota.
“Vehivavy Tsara Tokoa” i Rota
Faly erỳ i Rota rehefa nieritreritra ny tenin’i Boaza hoe nalaza ho “tena vehivavy tsara tokoa” izy. Azo antoka fa noho izy nazoto nianatra momba an’i Jehovah sy nanompo azy no tena nahatonga azy ho tsara laza hoatr’izany. Tsara fanahy i Rota ary te hanampy an’i Naomy sy ny mpiray firenena taminy ka nanaja ny fomba amam-panaon’izy ireo, na dia tsy nahazatra azy aza izany. Manam-pinoana toa an’i Rota isika raha tena manaja olona sy ny fomba amam-panaony. Ho tsara laza koa isika raha manao toy izany.
“Vehivavy Tsara Tokoa” i Rota
Nivady àry i Boaza sy Rota, ary “nataon’i Jehovah nanana anaka ravehivavy ka tera-dahy.” Nirary soa ho an’i Naomy ny vehivavy tao Betlehema ary nidera an’i Rota hoe tsara kokoa noho ny zanaka fito lahy izy. Lasa razamben’i Davida Mpanjaka io zanakalahin’i Rota io tatỳ aoriana. (Rota 4:11-22) Lasa razamben’i Jesosy Kristy kosa i Davida.—Matio 1:1.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota
4:6—Ahoana no mety ‘hahasimba’ ny lovan’ilay havana mahavotra, raha nitondra loloha izy? Tsy maintsy nividy ny tanin’ilay nahantra aloha izy, raha namidin’io olona io ny taniny. Faritana araka ny isan’ny taona tavela mandra-pahatongan’ny Jobily anefa, ny vidiny hividianany azy. (Levitikosy 25:25-27) Hihena be ny fananany, noho izany. Ilay zazalahy haterak’i Rota koa no handova ilay tany vao avy novidina, fa tsy ny iray amin’ireo havan’ilay nanavotra.
7-13 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 1-2
“Resaho Amin’i Jehovah Daholo Izay ao Am-ponao”
Noresahiny Tamin’i Jehovah Izay Rehetra tao Am-pony
12 Modely ho antsika rehetra àry i Hana. Tsy nisalasala niresaka tamin’i Jehovah izy, ary izany mihitsy no ampirisihin’i Jehovah hataontsika. Tiany hilaza izay rehetra ao am-pontsika isika, toy ny ankizy miresaka amin’ny rainy tena tia azy, ka matoky fa hihaino azy ilay rainy. (Vakio ny Salamo 62:8; 1 Tesalonianina 5:17.) Tena mampahery ilay tenin’ny apostoly Petera hoe: ‘Apetraho amin’Andriamanitra daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.’—1 Pet. 5:7.
Ahoana no Nananan’i Hana Fiadanan-tsaina?
Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Rehefa milaza ny fanahiantsika amin’i Jehovah isika, dia azontsika ampahafantarina azy ny fihetseham-pontsika ary azontsika lazaina aminy amim-pahatsorana ny faniriantsika. I Jehovah no tokony havelantsika handamina an’ilay zava-manahirana, rehefa tsy misy zavatra azontsika atao intsony. Izany no zavatra tsara indrindra azontsika atao.—Ohabolana 3:5, 6.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany
2:10—Nahoana i Hana no nivavaka tamin’i Jehovah mba “hanome hery ny mpanjakany”, nefa tsy nisy mpanjaka olombelona teo amin’ny Israely? Efa nilaza mialoha ny Lalàn’i Mosesy fa hanana mpanjaka olombelona ny Israelita. (Deoteronomia 17:14-18) Hoy ny faminanian’i Jakoba, taloha kelin’ny nahafatesany: “Ny tehim-panjakana [manondro ny fahefan’ny mpanjaka] tsy hiala amin’i Joda.” (Genesisy 49:10) Hoy koa i Jehovah momba an’i Saraha, razamben’ny Israelita: “Hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.” (Genesisy 17:16) Nivavaka ho an’izay ho lasa mpanjaka àry i Hana.
14-20 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 3-5
“Tsara Fanahy i Jehovah”
Mahery Indrindra Nefa Tsara Fanahy
3 Mbola kely i Samoela dia efa “nanompo an’i Jehovah” tao amin’ny tranolay masina. (1 Sam. 3:1) Naheno feo niantso ny anarany izy, indray mandeha, tamin’izy natory. (Vakio ny 1 Samoela 3:2-10.) Noheveriny hoe feon’i Ely Mpisoronabe ilay izy, dia tonga izy dia lasa nihazakazaka nankany. Hoy izy: “Intỳ aho, fa niantso ahy ianao.” Nilaza anefa i Ely hoe tsy niantso azy. Mbola nisy hoatr’izany indroa taorian’izay, dia tonga saina i Ely hoe i Jehovah no niantso an’i Samoela. Natoron’i Ely azy àry izay tokony havaly raha mbola miantso ilay feo, dia nankatò i Samoela. Azon’i Jehovah natao ny tonga dia niteny tamin’i Samoela hoe izy no niantso azy. Maninona anefa izy no tsy nanao an’izany? Tsy lazain’ny Baiboly ny antony. Hitantsika amin’ny tohin’ilay tantara anefa hoe zava-dehibe tamin’i Jehovah ny fihetseham-pon’i Samoela, dia mety ho izay no nahatonga azy tsy hanao an’izany.
Mahery Indrindra Nefa Tsara Fanahy
4 Vakio ny 1 Samoela 3:11-18. Resahin’ny Lalàn’i Jehovah hoe tokony hanaja zokiolona ny ankizy, indrindra raha manana andraikitra ilay zokiolona. (Eks. 22:28; Lev. 19:32) Dia eritrereto ange e! I Samoela ve dia ho sahy ho any amin’i Ely vao maraina sady amin’izay hilaza didim-pitsarana? Resahin’ny Baiboly hoe “natahotra ny hilaza tamin’i Ely” an’izay nitranga izy. Nataon’i Jehovah nazava tsara tamin’i Ely anefa hoe izy no niantso an’ilay ankizilahy. Hoy àry i Ely tamin’i Samoela: ‘Aza misy afenina ahy izay teny nolazainy taminao.’ Nankatò i Samoela ka ‘nolazainy taminy ny zava-drehetra.’
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany
3:3—Tena nandry tao amin’ny Masina Indrindra ve i Samoela? Tsia. Levita tsy mpisorona, zanakalahin’ny Kehatita, izy. (1 Tantara 6:18-23) Tsy nahazo ‘niditra hijery ny fitoerana masina’ àry izy. (Nomery 4:17-20) Ny kianjan’ny tranolay ihany no azon’i Samoela naleha tao amin’ny toerana masina. Tsy maintsy ho tao izy no natory. Toa natory tao amin’ilay kianja koa i Ely. Mazava àry fa manondro ny faritry ny tranolay ny teny hoe “izay nisy ny fiaran’Andriamanitra.”
21-27 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 6-8
“Iza no Mpanjakanao?”
it “Fanjakan’Andriamanitra”: “Nangataka mpanjaka olombelona” § 1
Fanjakan’Andriamanitra
Nangataka mpanjaka olombelona. Nangataka mpanjaka olombelona mba hitarika azy ireo ny Israelita, 400 taona teo ho eo taorian’ny nialany avy tany Ejipta, ary maherin’ny 800 taona taorian’ny nanaovan’Andriamanitra fifanekena tamin’i Abrahama. Amin’izay, hono, dia mba ho toy ny firenena hafa izy ireo. Nidika anefa izany hoe nolavin’izy ireo tsy ho mpanjakany i Jehovah. (1Sa 8:4-8) Ara-dalàna aloha raha nantenain’izy ireo hanorina fanjakana Andriamanitra, satria efa nampanantena izany tamin’i Abrahama sy Jakoba izy, araka ny efa voaresaka tany aloha. Nisy antony hafa koa anefa nahatonga azy ireo hanantena izany. Teo, ohatra, ilay faminanian’i Jakoba momba an’i Joda (Ge 49:8-10), ny tenin’i Jehovah tamin’ny Israelita taorian’ny nialany avy tany Ejipta (Ek 19:3-6), ny fifaneken’ny Lalàna (De 17:14, 15), ary na dia ilay hafatr’Andriamanitra nampilazainy an’i Balama mpaminany aza (No 24:2-7, 17). Niresaka momba an’io fanantenana io koa i Hana renin’i Samoela tamin’ny vavaka iray nataony. (1Sa 2:7-10) Tsy tena nahariharin’i Jehovah anefa ilay “zava-miafina masina” momba ilay Fanjakana, ary tsy nambarany ny fotoana voatondrony hananganana azy io, sy ny hoe hoatran’ny ahoana ny ho firafitr’izy io sy izay ho mpitondra ao. Tsy nolazainy koa na ho eto an-tany izy io na ho any an-danitra. Niana-kendry àry ny Israelita rehefa nangataka mpanjaka olombelona.
Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza
Nivavaka momba izany i Samoela ka izao no navalin’i Jehovah: “Henoy izay rehetra lazain’ny vahoaka aminao, satria tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.” Nampahery an’i Samoela izany, saingy nahitana fa tena nanevateva an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ilay vahoaka. Nasain’i Jehovah nampitandrina azy ireo àry i Samoela hoe hidi-kizo izy ireo raha mifidy mpanjaka olombelona. Nampitain’i Samoela izany hafatra izany, nefa hoy ihany izy ireo: “Tsia, fa aleo ihany hisy mpanjaka hifehy anay.” Nankatò an’Andriamaniny àry i Samoela ka nanosotra an’ilay mpanjaka voatendriny.—1 Samoela 8:7-19.
Ny Fitondran’i Jehovah no Tsara Indrindra!
9 Nasehon’ny tantara fa marina izay nolazain’i Jehovah. Nanjary nisy olana lehibe teo amin’ny Israely, indrindra rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra ny mpanjakany. Raha ny Israelita aza nahita olana rehefa nanana mpitondra olombelona, mainka moa fa ny firenen-kafa? Tsy nitondra vokatra tsara sy maharitra mihitsy ny fitondran’olombelona tsy mahalala an’i Jehovah. Marina fa misy mpitondra mangataka amin’Andriamanitra mba hanampy azy hampisy fiadanana sy filaminana. Ahoana anefa no hitahian’Andriamanitra azy, nefa izy ireo aza tsy manaiky ny fitondrany?—Sal. 2:10-12.
Vatosoa Ara-panahy
Nahoana Isika no Tokony Hatao Batisa?
13 Tsy maintsy miova tanteraka aloha isika vao atao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah. Atao an-tsitrapo io fiovana io, tsy misy faneriterena, rehefa tapa-kevitra amin’ny fony manontolo ny hanara-dia an’i Kristy Jesosy ny olona iray. Ialany ny fitondran-tenany ratsy teo aloha ary tapa-kevitra izy ny hanao izay tsara eo imason’Andriamanitra. Mifono heviny hoe miova na miverin-dalana ny matoanteny hebreo sy grika mifandray amin’ny hoe fiovana tanteraka ao amin’ny Soratra Masina. Midika izy io hoe miala amin’ny lalan-dratsy ka mitodika any amin’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 8:33, 34) Mitaky “asa miendrika ny fibebahana” izy io. (Asan’ny Apostoly 26:20) Takin’izy io koa ny hialantsika amin’ny fivavahan-diso sy hanarahantsika ny didin’Andriamanitra ary hifikirantsika amin’i Jehovah irery ihany. (Deoteronomia 30:2, 8-10; 1 Samoela 7:3) Miova koa ny fisainana sy ny tanjona ary ny toetrantsika. (Ezekiela 18:31) “Miverina” isika rehefa ovantsika ho toetra vaovao ny toetra ratsy taloha.—Asan’ny Apostoly 3:19; Efesianina 4:20-24; Kolosianina 3:5-14.
28 FEBROARY–6 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 9-11
“Nanetry Tena i Saoly Tamin’ny Voalohany”
Manetre Tena Rehefa Manompo An’i Jehovah
11 Eritrereto izay nitranga tamin’i Saoly Mpanjaka. Nanetry tena izy tamin’izy mbola tanora. Fantany hoe voafetra ihany ny azony natao, ary nisalasala mihitsy aza izy rehefa nahazo andraikitra fanampiny. (1 Sam. 9:21; 10:20-22) Lasa nanambony tena anefa izy, ka nanao zavatra tsy nananany fahefana. Nanomboka nanana an’io toetra ratsy io izy, taoriana kelin’izy lasa mpanjaka. Tsy nahandry an’i Samoela mpaminany izy, indray mandeha. Tokony ho nanetry tena izy tamin’izay dia natoky hoe hanao zavatra ho an’ny vahoakany i Jehovah. Inona anefa no nataony? Nanolotra fanatitra dorana izy, nefa tsy izy no tokony hanao an’izany. Lasa tsy tian’i Jehovah intsony izy, ary nesoriny tsy ho mpanjaka tatỳ aoriana. (1 Sam. 13:8-14) Hendry isika raha mandray lesona avy amin’i Saoly, ka mitandrina mba tsy hanao zavatra tsy ananantsika fahefana.
Inona no Hanampy Antsika Hahafoy Tena Foana?
8 Anatra ho antsika ny nahazo an’i Saoly Mpanjaka. Hita tamin’ny fiainany fa mety tsy hahafoy tena intsony isika raha tia tena. Nanetry tena izy tamin’izy vao lasa mpanjaka. (1 Sam. 9:21) Tsy nety nanasazy an’ireo Israelita nanao tsinontsinona ny fahefany, ohatra, izy, na dia nanan-jo hiaro ny fahefana nomen’Andriamanitra azy aza. (1 Sam. 10:27) Nanaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra koa izy, ka nitarika ny Israelita hiady tamin’ny Amonita ary nandresy izy ireo. Nanome voninahitra an’i Jehovah izy noho ilay fandresena, ka hita hoe nanetry tena.—1 Sam. 11:6, 11-13.
Ny Amonita— Vahoaka Iray Izay Namaly Fankahalana ny Hatsaram-panahy
Tamin’izay indray koa, dia namaly fankahalana ny hatsaram-panahin’i Jehovah ireo Amonita. Tsy nanakimpy ny masony tamin’izany fandrahonana feno halozana izany i Jehovah. “Nilatsaka tamin’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran’i Saoly, raha nandre izany teny [ny an’i Nahasy] izany.” Teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, i Saoly dia nanangona hery ara-tafika nisy lehilahy mpiady 330 000 izay nampandositra tanteraka an’ireo Amonita, hany ka “tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ny roa aza.”—1 Samoela 11:6, 11.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany
9:9—Nahoana no tena ilaina ireo teny hoe “izay atao hoe ‘mpaminany’ ankehitriny no natao hoe ‘mpahita’ tany aloha”? Mety hidika izany fa nasolo ny teny hoe “mpahita” ny hoe “mpaminany.” Lasa nisongadina kokoa mantsy ny mpaminany, tamin’ny andron’i Samoela sy nandritra ny fotoana nisian’ny mpanjaka teo amin’ny Israely. Mety ho i Samoela no voalohany tamin’ireo mpaminany nifandimby.—Asan’ny Apostoly 3:24.