Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
7-13 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 12-13
“Ho Afa-baraka Izay Sahisahy Ratsy”
Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsy
17 Raha vao jerena ny nataon’i Saoly, dia toa azo nohamarinina. Rehefa heverina tokoa, dia “poritra” ny vahoakan’Andriamanitra, “ory indrindra”, ary tora-kovitra noho ilay toe-javatra nampamoy fo nisy azy. (1 Samoela 13:6, 7). Azo antoka fa tsy ratsy ny fahasahiana hanombo-javatra, rehefa mitaky izany ny tarehin-javatra. Tadidio anefa fa afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah, ka mahita ny antony manosika antsika lalina indrindra. (1 Samoela 16:7). Koa tsy maintsy ho nahita lafin-toetra sasany tao amin’i Saoly, izay tsy voalaza mivantana ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, izy. Ohatra, nety ho hitan’i Jehovah fa ny avonavona no nahatonga an’i Saoly tsy hanam-paharetana. Angamba sosotra mafy i Saoly fa ny tenany, izay mpanjakan’ny Isiraely manontolo, dia voatery niandry olona iray izay noheveriny ho mpaminany efa antitra sady mpangataka andro lava! Na ahoana na ahoana, dia nihevitra i Saoly fa nanome azy ny zo handray an-tanana ny raharaha sady tsy hiraharaha ny toromarika mazava tsara nomena azy, ny fahataran’i Samoela. Inona no vokany? Tsy nidera ny fahasahian’i Saoly hanombo-javatra i Samoela. Mifanohitra amin’izany aza fa nandevilevy an’i Saoly toy izao izy: “Tsy haharitra ny fanjakanao (...), satria tsy nitandrina izay nandidian’i Jehovah anao hianao.” (1 Samoela 13:13, 14). Teo indray koa, dia nitondra fahafaham-baraka ny fahasahisahian-dratsy.
Sarobidy Amin’i Jehovah ny Fankatoavanao Azy
8 Tena ilaina ny mankatò, araka ny asehon’ny tantaran’i Saoly Mpanjaka. Nanetry tena i Saoly, tamin’izy vao nanomboka nanjaka. ‘Nihevitra ny tenany ho kely izy.’ Nihevi-tena ho ambony sy nanana hevi-diso anefa izy tatỳ aoriana, ka nisy vokany teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny izany. (1 Samoela 10:21, 22; 15:17) Hiady tamin’ny Filistinina izy, indray mandeha. Nasaina niandry ny hahatongavan’i Samoela izy, satria ho avy hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah i Samoela sady hanome tari-dalana fanampiny. Tsy tonga ara-potoana anefa i Samoela, ary nanomboka nandao an’i Saoly ny olona. Raha vao nahita izany i Saoly, dia natolony “ny fanatitra odorana.” Tsy nahafaly an’i Jehovah izany. Rehefa tonga i Samoela dia nanala tsiny ny tenany ny mpanjaka, ary nilaza fa tara i Samoela ka voatery nanao an’ilay fanatitra izy, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah. Nihevitra i Saoly fa zava-dehibe kokoa noho ny fankatoavana an’ilay toromarika, ny fanaovana fanatitra. Hoy i Samoela taminy: “Nanao adala hianao; tsy nitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao hianao.” Tsy nankatò an’i Jehovah i Saoly, ka nesorina tsy ho mpanjaka intsony.—1 Samoela 10:8; 13:5-13.
Vatosoa Ara-panahy
Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah ve Ianao?
15 Nihevitra angamba ny Israelita hoe azo ianteherana kokoa noho i Jehovah ny mpanjaka olombelona, ka niantehitra tamin’ilay mpanjaka izy ireo. Nitoky tamin’ny “zava-poana” izy ireo tamin’izany. Izay mitoky amin’ny “zava-poana” anefa, dia mety hanaraka “zava-poana” hafa koa avy amin’i Satana. Mety ho nitarika ny Israelita hanompo sampy mantsy ny mpanjaka olombelona. Mety hihevitra ireo olona manompo sampy hoe azo ianteherana kokoa noho i Jehovah ny sampy, satria hita maso ny vato aman-kazo fa tsy hita maso kosa i Jehovah, ilay namorona ny zava-drehetra. “Tsinontsinona” anefa ny sampy. (1 Kor. 8:4) Tsy mahita, na mandre, na miteny, na manao zavatra izy ireny. Marina fa hita maso sy azo tsapain-tanana ny sampy, kanefa zava-poana izy ireny. Hahita loza izay manompo azy ireny.—Sal. 115:4-8.
14-20 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 14-15
“Ny Mankatò no Tsara Noho ny Sorona”
Sarobidy Amin’i Jehovah ny Fankatoavanao Azy
4 Efa an’i Jehovah ny zava-drehetra satria izy no Mpamorona. Mbola misy zavatra tena sarobidy azontsika omena azy anefa. Inona izany? Ny fankatoavantsika azy. Hoy mantsy ny Ohabolana 27:11: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Nilaza i Satana Devoly fa hivadika amin’Andriamanitra ny olombelona rehefa iharam-pitsapana. Afaka mamaly izany fiampangany izany daholo anefa isika raha mankatò, na dia samy hafa aza ny toe-javatra misy antsika sy ny fitaizana azontsika. Voninahitra lehibe tokoa izany!
it “Fankatoavana”: “Tena ilaina ny mankatò an’Andriamanitra” § 2
Fankatoavana
Tsy maintsy mankatò isika, ary tsy misy mahasolo ny fankatoavana raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Hoy i Samoela tamin’i Saoly Mpanjaka: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah kokoa noho ny mankatò [endriny hafa amin’ny hoe shamaʽ] ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò [a.b.t.: mihaino] no tsara kokoa noho ny sorona, ary ny mihaino no tsara kokoa noho ny tavin’ondrilahy.” (1Sa 15:22) Rehefa tsy mankatò ny olona, dia mandà ny tenin’i Jehovah sady mampiseho hoe tsy tena mino na matoky an’izany teny izany sy Ilay nilaza izany. Mitovy amin’ny manao sikidy na manompo sampy ihany àry ny tsy mankatò. (1Sa 15:23; ampit. Ro 6:16.) Tsy misy dikany ny tenin’ny olona iray raha manaiky hanao zavatra izy nefa tsy manao akory. Tsy mino na tsy manaja an’ilay naniraka azy ilay olona matoa tsy manaraka izay nolazainy. (Mt 21:28-32) Misy koa olona mandre ny fahamarinana ary manaiky an’izany any an-tsainy fotsiny, fa tsy manao izay takin’izany akory. Mamita-tena amin’ny fiheveran-diso ny olona toy izany, ary tsy hahazo fitahiana. (Jk 1:22-25) Misy koa olona manao zavatra mitovitovy amin’izay asaina ataony, ary tsy araka ny fomba tokony hanaovana azy no anaovany azy, sady ratsy ny antony mahatonga azy hanao izany. Notsorin’ny Zanak’Andriamanitra fa na ny olona toy izany aza tsy hiditra mihitsy ao amin’ilay Fanjakana fa holavina tanteraka.—Mt 7:15-23.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fangorahana”: “Rahoviana no tsy tokony hangoraka?” § 2
Fangorahana
Mety ho ratsy be ny vokany raha manaiky hoteren’ny hafa hangoraka olona tsy tian’Andriamanitra hangorahana isika. Hita mihitsy izany tamin’i Saoly Mpanjaka. Nodidiana mantsy izy mba hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Amalekita izay firenena voalohany nanafika tsy ahoan-tsy ahoana an’ireo Israelita tamin’izy ireo niala tany Ejipta. Tsy tokony hangoraka an’ireo Amalekita i Saoly. Noteren’ny vahoakany anefa izy ka tsy tena nankatò an’ilay didy. Nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka àry izy. (1Sa 15:2-24) Tsy hamerina ny fahadisoan’i Saoly ny olona iray, raha tena mankasitraka ny fitsipika marin’i Jehovah, ary tsy mivadika aminy voalohany indrindra. Hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana koa izy raha manao izany.
21-27 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 16-17
“An’i Jehovah ny Ady”
“An’i Jehovah ny Ady”
Te hanome toky an’i Saoly i Davida ka notantarainy izay nataony tamin’ilay liona sy ilay orsa. Tsy hoe nirehareha anefa izy tamin’izay. Fantany kosa ny antony nahatonga azy handresy an’ireo bibidia. Hoy izy: “I Jehovah izay namonjy ahy teo an-tanan’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy eo an-tanan’io Filistinina io.” Nanaiky ihany i Saoly tamin’ny farany, ka hoy izy: “Mandehana àry, ary homba anao anie i Jehovah!”—1 Samoela 17:37.
Te hanam-pinoana hoatran’i Davida ve ianao? Mariho fa tsy hoe ninonino fahatany an’i Jehovah Andriamaniny i Davida. Nino azy kosa izy satria nahalala azy sady efa nampiany. Fantany hoe Mpiaro i Jehovah, be fitiavana, ary Mpanatanteraka ny teniny. Raha te hanam-pinoana hoatr’izany koa isika, dia mila mianatra momba an’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Handray soa isika rehefa mampihatra izay ianarantsika, ary hanatanjaka ny finoantsika izany.—Hebreo 11:1.
“An’i Jehovah ny Ady”
Hita tamin’ny valin-tenin’i Davida fa tena nanam-pinoana izy. Alao sary an-tsaina izy niantsoantso hoe: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao.” Fantatr’i Davida hoe tsy ny tanjak’olombelona na ny fitaovam-piadiana no zava-dehibe. Tsy maintsy hanao zavatra i Jehovah, satria tsy nohajain’i Goliata. Hoy i Davida: “An’i Jehovah ny ady.”—1 Samoela 17:45-47.
Hitan’i Davida tsara ny hangezan’i Goliata sy ny fitaovam-piadiany. Tsy navelany hampahatahotra azy anefa izany. Tsy nanao hoatran’i Saoly sy ny miaramilany i Davida. Tsy nampitaha ny tenany tamin’i Goliata izy. Nampitahainy tamin’i Jehovah kosa i Goliata. Marina fa lava noho ny olon-drehetra izy satria nirefy 2,90 metatra. Faran’izay bitika anefa izy raha nampitahaina tamin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao! Hoatran’ny bibikely no fahitan’i Jehovah azy ka tsy ho sarotra aminy ny hamono azy.
“An’i Jehovah ny Ady”
Tsy mandray anjara amin’ny ady intsony izao ny mpanompon’Andriamanitra. (Matio 26:52) Mila manahaka ny finoan’i Davida anefa isika. Tokony ho tena misy amintsika koa i Jehovah, ka izy irery no tokony hotompointsika sy hatahorantsika. Mety hahatsapa ho bitika isika indraindray raha oharina amin’ny olana mahazo antsika. Bitika anefa ireny olana ireny raha oharina amin’ny herin’i Jehovah tsy misy fetra. Tsy hisy hampahatahotra antsika, raha izy no tompointsika ary manam-pinoana toa an’i Davida isika. Tsy misy zavatra tsy resin’i Jehovah mantsy!
Vatosoa Ara-panahy
it “Saoly”: “Nolavin’Andriamanitra” § 2
Saoly
Niala tamin’i Saoly ny fanahin’i Jehovah taorian’izay sy rehefa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely i Davida. “Nisy fikorontanan-tsaina avy amin’i Jehovah nahatonga azy hihorohoro”, nanomboka teo. Nanaisotra ny fanahiny tamin’i Saoly i Jehovah, ka fikorontanan-tsaina no lasa naka ny toeran’ny fanahin’Andriamanitra. Lasa nikorontan-tsaina izy, ary zava-dratsy foana no tao am-pony sy nalehan’ny eritreriny. Matoa izy tsy nankatò an’i Jehovah, dia porofo izany fa te hanao ratsy foana izy tao an-tsainy sy tao am-pony. Tsy nisakana izany ny fanahin’Andriamanitra, izay tsy niasa taminy intsony. Azo lazaina hoe “fikorontanan-tsaina avy amin’i Jehovah” ilay izy, satria navelany hisolo ny fanahiny ilay “fikorontanan-tsaina”, ka nampihorohoro an’i Saoly. Nolazain’ireo mpanompon’i Saoly hoe “fikorontanan-tsaina avy amin’Andriamanitra” ilay izy. Nanolo-kevitra ny mpanompony iray hoe hitady mpitendry zavamaneno, mba hampitony an’i Saoly rehefa mahazo azy ilay “fikorontanan-tsaina.” Nasainy hitendry zavamaneno ho azy tao an-dapa àry i Davida.—1Sa 16:14-23; 17:15.
28 MARTSA–3 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 18-19
“Manetre Tena Foana na dia Mahomby aza Ianao”
Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao
4 Tsy ela dia lasa olo-nalaza teo amin’ny fireneny io zazalahy mpiandry ondry io. Nantsoina izy hikarakara ny mpanjaka sy hitendry mozika ho azy. Novonoiny ho faty i Goliata, ilay mpiady goavam-be sy lozabe, nefa na dia ny miaramilan’ny Israely efa zatra ady aza natahotra ny hifanandrina taminy. Resin’i Davida koa ny Filistinina rehefa natao mpifehy ny miaramila izy. Tiam-bahoaka izy, ka namorona hira niderana azy izy ireo. Taloha kelin’izay, dia nilaza toy izao momba an’i Davida tanora ny mpanolo-tsain’i Saoly Mpanjaka: “Mahay mitendry” lokanga izy, sady ‘lehilahy mahery sy mpanafika ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy.’—1 Samoela 16:18; 17:23, 24, 45-51; 18:5-7.
Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?
6 Lasa mirehareha ny olona sasany satria tsara tarehy, lasa malaza, mahay mitendry zavamaneno, matanjaka be, na lasa manana toerana ambony. Nananan’i Davida daholo ireo, nefa nanetry tena foana izy. Rehefa avy namono an’i Goliata, ohatra, izy, dia nilaza taminy i Saoly Mpanjaka hoe azony alaina ho vadiny ny zanany vavy. Hoy anefa i Davida: “Zinona moa aho, ary inona eto amin’ny Israely moa ny havako sy ny fianakavian-draiko, no ho lasa vinanton’ny mpanjaka aho?” (1 Sam. 18:18) Inona no nanampy an’i Davida hanetry tena foana? Fantany fa matoa izy nanana toetra tsara sy fahaizana ary tombontsoa, dia satria i Jehovah ‘niondrika nijery’ azy, izany hoe nanetry tena ka nanampy azy. (Sal. 113:5-8) Niaiky izy hoe avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra nananany.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 4:7.
7 Manahaka an’i Davida isika vahoakan’i Jehovah ka miezaka mafy mba hanetry tena. Tena manohina ny fontsika ny hoe i Jehovah no Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, nefa manetry tena izy. (Sal. 18:35) Miezaka mampihatra an’ity torohevitra ity isika: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” (Kol. 3:12) Fantatsika koa fa ny fitiavana “tsy mirehareha, tsy mieboebo.” (1 Kor. 13:4) Mety ho te hahafantatra an’i Jehovah ny olona rehefa mahita antsika manetry tena. Mety ho voataona hanompo azy mihitsy aza izy, toy ny lehilahy mety ho voataona hanompo an’i Jehovah rehefa mahita ny toetra tsaran’ny vadiny.—1 Pet. 3:1.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mpaminany”: “Fanendrena sy fitarihan’ny fanahy” § 2
Mpaminany
Notendren’ny fanahin’i Jehovah ny mpaminany, kanefa tsy hoe avy amin’ny fanahy daholo ny teny nolazainy. Indraindray kosa vao ‘tonga taminy’ ny fanahin’Andriamanitra, sy nampahafantatra azy izay tokony holazainy. (Ezk 11:4, 5; Mi 3:8) Nanentana azy hiteny io fanahy io. (1Sa 10:10; Je 20:9; Am 3:8) Nanao zavatra tsy nahazatra izy sady hita tamin’ny teniny sy ny fihetsiny hoe nafana fo sy nientanentana be izy. Izany angamba no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘manao hoatran’ny mpaminany.’ (1Sa 10:6-11; 19:20-24; Je 29:24-32; ampit. As 2:4, 12-17; 6:15; 7:55.) Hafahafa na adaladala mihitsy aza angamba no fahitan’ny olona azy, noho izy sahisahy sy be zotom-po ary nifantoka tanteraka tamin’ny asa nanirahana azy. Izany, ohatra, no fahitan’ireo lehiben’ny tafika an’ilay mpaminany tonga nanosotra an’i Jeho. Ninoan’izy ireo anefa ny tenin’ilay lehilahy, rehefa fantatr’izy ireo hoe mpaminany izy. (2Mp 9:1-13; ampit. As 26:24, 25.) “Nanao hoatran’ny mpaminany” koa i Saoly rehefa nanenjika an’i Davida. Nesoriny ny akanjony ary nandry “nitanjaka [izy] nandritra iny andro iny sy ny alina tontolo”, ka afa-nandositra i Davida. (1Sa 19:18–20:1) Tsy hoe fanaon’ny mpaminany ny nandeha nitanjaka, satria ny mifanohitra amin’izany no resahin’ny Baiboly. Mpaminany roa monja no voalaza fa nandeha nitanjaka, ankoatra an’i Saoly, mba hampisehoana ny fomba hahatanterahan’ny faminaniany. (Is 20:2-4; Mi 1:8-11) Tsy hay hoe nahoana i Saoly no nitanjaka. Tiana haseho angamba hoe toy ny olon-drehetra ihany izy rehefa tsy nanao ny akanjon’ny mpanjaka, ary tsy afa-nanoatra nanoloana ny fahefana sy ny herin’i Jehovah Mpanjaka.
4-10 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 20-22
“Namana Tsara ve Ianao?”
Miezaha ho Mpinamana Be Dieny Mbola Tsy Tonga ny Farany
18 Miatrika olana isan-karazany koa ny mpiara-manompo amin’izao. Be dia be, ohatra, no mijaly satria nisy rivo-doza na horohoron-tany na ady tao amin’ny faritra nisy azy. Rehefa mitranga ny hoatr’izany, dia mety ho afaka hampiantrano an’ireny namantsika ireny ny sasany amintsika. Misy indray mety ho afaka hanome vola. Azontsika rehetra atao anefa ny mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy ireny. Ary ahoana raha maheno isika hoe kivy ny rahalahy na anabavy iray? Mety tsy ho haintsika izay holazaina aminy na izay tokony hatao. Misy azontsika rehetra atao foana anefa. Afaka manokana fotoana hiarahana aminy, ohatra, isika. Afaka mihaino azy sy mangoraka azy koa isika. Ary maninona raha resahina aminy izay andinin-teny mampahery antsika indrindra? (Isaia 50:4) Ny tena zava-dehibe dia hoe eo akaikiny eo isika rehefa mila antsika izy.—Vakio ny Ohabolana 17:17.
Mandehana Amin’ny Lalan’i Jehovah
7 Tian’Andriamanitra ho namana mendri-pitokisana isika. (Ohab. 17:17) Lasa naman’i Davida i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka. Rehefa reny fa nahafaty an’i Goliata i Davida, dia ‘raiki-pitia taminy ny fanahiny, ka tia azy hoatra ny tenany izy.’ (1 Sam. 18:1, 3) Nampitandrina an’i Davida mihitsy aza izy, rehefa nitady hamono an’i Davida i Saoly. Nandositra àry i Davida. Nihaona izy roa lahy tatỳ aoriana, ary nanao fifanekena. Saika novonoin’i Saoly i Jonatana, fa niresaka momba an’i Davida. Nihaona indray anefa izy roa lahy, ary nifanome toky fa mbola mpinamana. (1 Sam. 20:24-41) Nampahery ny tanan’i Davida “tamin’Andriamanitra” i Jonatana, rehefa nihaona farany izy ireo.—1 Sam. 23:16-18.
Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana
11 Aza mivadika. Hoy i Solomona: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohab. 17:17) Mety ho ny fifandraisan’i Davida rainy sy Jonatana no tao an-tsain’i Solomona, tamin’izy nanoratra an’ireo teny ireo. (1 Sam. 18:1) I Jonatana no tian’i Saoly Mpanjaka handimby azy. I Davida anefa no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka, ary neken’i Jonatana izany. Tsy nialona an’i Davida izy, na dia nanao izany aza i Saoly. Tsy sosotra izy rehefa noderain’ny olona i Davida. Tsy nino ny lainga naelin’i Saoly momba an’i Davida koa izy. (1 Sam. 20:24-34) Manahaka an’i Jonatana ve isika? Faly ve isika rehefa mahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny namantsika? Mampahery sy manampy azy ve isika rehefa miatrika olana izy? Tonga dia mino ny fanaratsiana ataon’ny olona momba azy ve isika? Sa isika tsy mivadika aminy sy miaro azy, toy ny nataon’i Jonatana?
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany
21:13, 14. Takin’i Jehovah ny hampiasantsika ny fahaiza-misaina sy ny fahaizantsika, rehefa miatrika zava-tsarotra isika. Nomeny antsika ny Teniny, izay manome fahendrena sy fahalalana ary fahaiza-misaina. (Ohabolana 1:4) Manampy antsika koa ny anti-panahy kristianina.
18-24 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 23-24
“Mahareta Rehefa Miandry An’i Jehovah”
Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao
8 Tsy nanaiky hanisy ratsy an’i Saoly i Davida. Naneho finoana sy faharetana izy, ary naleony nankinina tamin’i Jehovah ilay raharaha. Rehefa nivoaka ilay lava-bato ny mpanjaka, dia niantso azy i Davida hoe: “Jehovah no hitsara ahy sy hianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tànako tsy mba haninona anao.” (1 Samoela 24:13) Fantatr’i Davida fa tsy rariny ny nataon’i Saoly, nefa tsy namaly faty izy. Tsy nanevateva azy koa izy, na nanaratsy azy. Imbetsaka i Davida no nifehy tena tsy hamaly faty. Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy mba hanitsy ny tsy nety.—1 Samoela 25:32-34; 26:10, 11.
Misy Vokany eo Amin’ny Ataonao ve ny Zava-mitranga Aminao?
Izao no lesona fahatelo: Tokony hiandry an’i Jehovah isika, fa tsy tokony handika ny fitsipiky ny Soratra Masina, mba handaminana ilay zava-manahirana antsika. Hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra: ‘Avelao hamita ny asany ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’ (Jakoba 1:4) Mamela ny fiaretana “hamita ny asany” isika, raha miaritra an’ilay fisedrana hatramin’ny farany, fa tsy mandika ny fitsipiky ny Soratra Masina, mba hanafoanana ilay izy haingana. Hatanjaka tsara ny finoantsika, rehefa avy nosedraina, ka tena afaka hanampy antsika hiaritra. Izany karazana fiaretana izany no nananan’i Josefa sy Davida. Tsy nanandrana nitady vahaolana, izay fantany fa mety tsy hahafaly an’i Jehovah, izy ireo. Nataony kosa izay hampiasana tsara ilay fotoana niaretany fisedrana. Niandry an’i Jehovah izy ireo, ka nahazo fitahiana lehibe! Samy nampiasain’i Jehovah hanafaka sy hitarika ny vahoakany izy ireo.—Genesisy 41:39-41; 45:5; 2 Samoela 5:4, 5.
Mety halaim-panahy handika ny fitsipiky ny Soratra Masina koa isika, rehefa manan-java-manahirana sasany. Ohatra, ketraka ve ianao satria mbola tsy mety mahita vady sahaza anao? Raha izany, dia aoka ianao tsy halaim-panahy handika ilay didin’i Jehovah hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Misy olana ve ao an-tokantranonao? Aza mieritreritra ny hisara-toerana na hisara-panambadiana toy ny fanaon’ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa miaraha mamaha ilay olana amin’ny vadinao. (Malakia 2:16; Efesianina 5:21-33) Tsy arakao ve ny fikarakarana ny ankohonanao, satria kely ny fidiram-bolanao? Raha miandry an’i Jehovah ianao, dia tsy hanao asa mampiahiahy na asa tsy ara-dalàna mba hahazoam-bola. (Salamo 37:25; Hebreo 13:18) Tsy maintsy miezaka mafy mba hampiasa tsara ny fotoanantsika àry isika, na dia manan-java-manahirana aza. Hotahin’i Jehovah izany ezaka mafy ataontsika izany. Eo am-panaovantsika izany, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hiandry azy, satria hanome antsika ny vahaolana tsara indrindra izy.—Mika 7:7.
Vatosoa Ara-panahy
Aza Avela Hisy Hahasakana Anao Tsy Hahazo An’ilay Loka!
11 Tsy ho mora mialona isika raha miezaka mafy mba ho be fitiavana sy ho tsara fanahy. Hoy ny Baiboly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona.” (1 Kor. 13:4) Inona àry no azontsika atao mba tsy ho lasa be fialonana isika? Tsy maintsy miezaka hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah isika, izany hoe hitadidy fa anisan’ny fiangonana daholo ireo rahalahy sy anabavy, toy ny rantsambatana amin’ny vatana iray. Hanampy antsika izany mba hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Raha misy rantsambatana omem-boninahitra, dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:16-18, 26) Tsy hialona àry isika fa ho faly, rehefa mahazo zavatra tsara ny mpiara-manompo amintsika na misy zavatra tsara mitranga aminy. Tadidio i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka. Tsy nialona an’i Davida izy rehefa voatendry ho mpanjaka i Davida. Izy indray aza no nampahery azy. (1 Sam. 23:16-18) Nahoana àry raha miezaka ho tsara fanahy sy ho be fitiavana hoatran’i Jonatana?
25 APRILY–1 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 25-26
“Mieritreritra Tsara Ianao sa Tonga dia Manao Zavatra?”
Ilay Vehivavy Malina
10 Tena sahirana ny miaramilan’i Davida, nefa tsy nangalarany mihitsy ny ondrin’izy ireo, na dia mora taminy aza izany. Niaro ny andian’ondrin’i Nabala sy ny mpanompony kosa aza ry Davida, ka toy ny manda nanodidina azy ireo. (Vakio ny 1 Samoela 25:15, 16.) Be dia be mantsy ny zavatra nampidi-doza tamin’izany. Feno biby masiaka, ohatra, tany. Akaikin’ny sisin-tany atsimon’i Israely koa ilay toerana, ka matetika ny mpiandry ondry no notafihin’ny mpangalatra avy any an-tany hafa.
11 Tsy mora tamin’i Davida ny nitady sakafo ho an’ny miaramilany rehetra, noho izy ireo tany an-tany efitra. Naniraka folo lahy àry i Davida, indray andro, mba hangataka fanampiana tamin’i Nabala. Nofidiny tsara anefa ny fotoana hanaovana izany. Niandry ny fotoana fanetezana ondry izy. Manao fety be sy malala-tanana mantsy ny olona amin’io. Nofidin’i Davida tsara koa ny teny holazaina, ary nahalala fomba izy. Nasainy niteny mihitsy aza ireo iraka hoe “Davida zanakao”, angamba ho fanajana an’i Nabala satria be taona noho i Davida izy. Ahoana anefa no navalin’i Nabala?—1 Sam. 25:5-8.
12 Tezitra be izy! Nitantara tamin’i Abigaila ilay tovolahy voalaza tany aloha hoe: “Vazavaza sy teny henjana no nataony.” Kahihitra loatra izy ka tsy nety nanome, na mofo na rano na hena. Nambaniny i Davida ary nolazainy fa mpanompo nitsoaka sady tsy misy ilana azy. (1 Sam. 25:10, 11, 14) Hoatr’izany koa angamba ny fiheveran’i Saoly an’i Davida. Nankahala azy mantsy i Saoly. Tsy izany mihitsy anefa ny fahitan’i Jehovah an’i Davida. Tian’i Jehovah izy, ary tsy hoe mpanompo nikomy fa ho mpanjakan’ny Israely.
Ilay Vehivavy Malina
18 Noraisin’i Abigaila ho toy ny hoe izy no diso, ka nifona tamin’i Davida izy. Niaiky izy fa adala araka ny anarany ny vadiny. Nilaza an-kolaka izy hoe lehilahy mendri-kaja hoatran’i Davida ve dia hiady amin’olona adala! Natoky izy fa solontenan’i Jehovah i Davida satria niady “ny adin’i Jehovah.” Fantany koa ny fampanantenan’i Jehovah hoe ho lasa mpanjaka i Davida, matoa izy niteny hoe: “Hanendry anao ho mpitarika ny Israely i Jehovah.” Niangaviany avy eo i Davida mba tsy handatsa-dra ka ho meloka amin’izany na “henjehin’ny eritreriny.” (Vakio ny 1 Samoela 25:24-31.) Manohina ny fo tokoa ny teniny, ary tsara fanahy izy!
Vatosoa Ara-panahy
Ilay Vehivavy Malina
16 Nanohitra ny fahefan’ny vadiny ve i Abigaila satria hoe tsy niera? Tsy izany mihitsy. Tadidio fa voahosotr’i Jehovah no nataon’i Nabala tsinontsinona, ka olona maro tsy manan-tsiny no ho faty. Diso koa àry i Abigaila raha tsy nanao na inona na inona. Lasa tsy mankatò an’Andriamanitra izy raha izay, nefa Andriamanitra no tokony hankatoaviny voalohany vao ny vadiny.