FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr22 Novambra p. 1-8
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2022
  • Lohatenikely
  • 7-13 NOVAMBRA
  • 14-20 NOVAMBRA
  • 21-27 NOVAMBRA
  • 28 NOVAMBRA–4 DESAMBRA
  • 5-11 DESAMBRA
  • 12-18 DESAMBRA
  • 19-25 DESAMBRA
  • 26 DESAMBRA–1 JANOARY
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2022
mwbr22 Novambra p. 1-8

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

7-13 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 5-6

“Betsaka ny Miaraka Amintsika Noho ny Miaraka Amin’izy Ireo”

it “Elisa”: “Tsy azon’ny Syrianina ny Israelita” § 1

Elisa

Tsy azon’ny Syrianina ny Israelita. Nokasain’i Syria hotafihina tampoka ny Israely, tamin’ny andro nanjakan’i Jorama. Imbetsaka no nandamòka ny tetik’i Beni-hadada II, satria nampahafantarin’i Elisa an’i Jorama mpanjakan’ny Israely foana ilay izy. Noheverin’i Beni-hadada aloha hoe nisy mpamadika tao an-tobiny. Rehefa fantany anefa fa i Elisa no tena rangory fototry ny afo, dia nandefa tafika tany Dotana izy mba haka azy. Nasian’izy ireo soavaly sy kalesin’ady nanodidina ilay tanàna. (SARY, Boky 1, p. 950) Natahotra mafy ny mpanompon’i Elisa. Nivavaka anefa i Elisa mba hampahiratina ny mason’ilay mpanompo, ary dia hitany fa “indreo feno soavaly sy kalesy afo ny faritra be tendrombohitra manodidina an’i Elisa.” Rehefa nihananatona ny Syrianina dia nivavaka indray izy mba hisian’ny fahagagana nifanohitra tamin’ny teo aloha. Hoy izy: “Mba ataovy jamba re io firenena io e!” Avy eo, dia hoy izy tamin’ny Syrianina: “Manaraha ahy.” Tsy jamba ara-bakiteny izy ireo, matoa tsy nila nitantana azy i Elisa. Ny sain’izy ireo kosa no toy ny jamba, satria lasa tsy fantany ilay Elisa tokony hosamboriny, sy ny lalana nitondrany azy ireo.​—2Mp 6:8-19.

w13 15/8 30 § 2

Mahita Kalesy Afo toa An’i Elisa ve Ianao?

Tony foana i Elisa na dia voahodidin’ny fahavalo aza izy tany Dotana. Nahoana? Satria tena nino an’i Jehovah izy. Mila manana finoana matanjaka koa isika. Aoka àry isika hangataka fanahy masina amin’Andriamanitra, mba hananantsika finoana sy toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahy.​—Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23.

it “Jamba” § 6

Jamba

Lasa jamba ny tafika syrianina noho ny fangatahan’i Elisa. Tsy jamba ara-bakiteny anefa izy ireo satria tsy voatery notantanana. Hoy fotsiny i Elisa tamin’izy ireo: “Tsy ity ilay lalana, ary tsy ity ilay tanàna. Manaraha ahy.” Izao no nolazain’i William James momba an’io karazana aretina io: ‘Mahavariana fa rehefa tsy miasa tsara ny ao amin’ny fonon’ny atidoha, dia mety ho lasa toy ny jamba ny saina. Tsy ny maso no lasa tsy mahita fa ny saina no tsy mahay mamantatra an’ilay zavatra hitan’ny maso. Azo lazaina hoe tsy misy ifandraisany intsony ny fahitan’ny maso sy ny fanazavana azon’ny atidoha momba ilay zavatra hitan’ny maso. Mitranga izany rehefa misy tapaka ny fampitana hafatra avy any amin’ny maso mankany amin’ny atidoha.’ (Toro Lalana Momba ny Psikolojia, 1981, Boky I, p. 59) Toa io karazana fahajambana io no nahazo ny tafika syrianina, fa nositranin’i Jehovah izy ireo rehefa tonga tany Samaria. (2Mp 6:18-20) Mety ho io karazana fahajambana io koa no nahazo an’ireo lehilahy tany Sodoma. Tsy nitaraina mantsy izy ireo hoe tsy nahita intsony fa mbola nikiry nitady ny varavaran’ny tranon’i Lota ihany.​—Ge 19:11.

Vatosoa Ara-panahy

w05 1/8 9 § 2

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

5:15, 16​—Nahoana i Elisa no tsy nety nandray ny fanomezan’i Namàna? Satria fantatr’i Elisa fa tsy ny herin’ny tenany no nahafahany nanasitrana an’i Namàna, fa ny herin’i Jehovah. Tsy tao an-tsainy mihitsy ny hanararaotra ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Tsy mitady tambiny avy amin’ny fanompoany an’i Jehovah koa ny mpivavaka marina, ankehitriny. Mandray am-po an’ity fampirisihan’i Jesosy ity izy ireo: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”​—Matio 10:8.

14-20 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 7-8

“Nanao Zavatra Tsy Nampoizina i Jehovah”

it “Elisa”: “Tsy azon’ny Syrianina ny Israelita” § 4

Elisa

Tsy nandefa mpandroba intsony i Beni-hadada II, fa tafika no nalefany hanao fahirano an’i Samaria. Tena mafy ilay fahirano matoa ny mpanjaka nandre tatitra iray, fara fahakeliny, nilaza fa nisy vehivavy nihinana ny zanany naterany. Nivoady ny hamono an’i Elisa i Jorama Mpanjaka, “zanaky ny mpamono olona”, izany hoe zanak’i Ahaba. Vava fotsiny anefa izany fa tsy notanterahiny. Niaraka tamin’ny manamboninahitra lefiny i Jorama nankany an-tranon’ilay mpaminany. Nilaza tamin’i Elisa izy fa tsy nanantena intsony hoe hanampy azy i Jehovah. Nanome toky an’ilay mpanjaka anefa i Elisa fa ho be dia be ny sakafo ny ampitson’io. Nihomehezan’ilay manamboninahitra io faminaniana io ka hoy i Elisa taminy: “Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy hihinana amin’izany ianao.” Nataon’i Jehovah nandre tabataba be ny tao an-tobin’ny Syrianina, ka nihevitra izy ireo hoe nitambatra ny tafik’ireo firenena ary tonga nanafika azy ireo. Lasa nandositra àry ny Syrianina, ary navelany teo ny tobiny sy ny tahirin-tsakafony. Rehefa hitan’ny mpanjaka izany, dia notendreny hiandraikitra ny vavahadin’i Samaria ilay manamboninahitra lefitra. Nirohotra nandroba an’ilay toby ireo Israelita mosarena, ka voahitsakitsaka ilay manamboninahitra, ary maty. Nahita an’ilay sakafo tokoa izy nefa tsy nihinana tamin’izany.​—2Mp 6:24–7:20.

Vatosoa Ara-panahy

it “Jiro”: “Mpanjaka taranak’i Davida” § 1

Jiro

Mpanjaka taranak’i Davida. Notendren’i Jehovah Andriamanitra ho mpanjakan’ny Israely i Davida. Mpitari-dalana sy mpitondra hendry i Davida, satria nanaraka ny toromarik’Andriamanitra, ka nantsoina hoe “jiron’ny Israely.” (2Sa 21:17) Hoy i Jehovah rehefa nanao fifanekena taminy momba ilay fanjakana: “Ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.” (2Sa 7:11-16) Ho “jiro” ho an’ny Israely àry ny mpanjaka taranak’i Davida avy amin’i Solomona zanany.​—1Mp 11:36; 15:4; 2Mp 8:19; 2Ta 21:7.

21-27 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 9-10

“Sahy Izy Sady Tapa-kevitra no Nafana Fo”

w11 15/11 3 § 2

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

Ratsy ny toe-piainana nisy teo amin’ny firenen’Israely tamin’ny fotoana nanirahana an’i Jeho hanao asa manokana. I Jorama no nanjaka, ary nitaona ny olona hanao ratsy i Jezebela reniny, izay vady navelan’i Ahaba. Nampirisika ny olona hivavaka tamin’i Bala i Jezebela, ary namono ny mpaminanin’i Jehovah. ‘Nijangajanga’ sy ‘nilalao ody’ koa izy, ka nahatonga ny olona hanao ratsy. (2 Mpanj. 9:22; 1 Mpanj. 18:4, 13) Nilaza àry i Jehovah fa tsy maintsy ringanina ny ankohonan’i Ahaba rehetra, anisan’izany i Jorama sy Jezebela. I Jeho no nirahiny hanao izany.

w11 15/11 4 § 2-3

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

Nisy iraka roa nalefa hanontany an’i Jeho nefa tsy namaly izy. Nandeha nitsena an’i Jeho àry i Jorama. Nentiny koa i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, ary samy nitondra ny kalesiny avy izy ireo. Nanontanian’i Jorama i Jeho, rehefa tafahaona izy ireo hoe: “Fihavanana ve, ry Jeho?” Namaly i Jeho hoe: “Ahoana no hisian’ny fihavanana raha mbola mijangajanga sy fatra-pilalao ody i Jezebela reninao?” Natahotra i Jorama, ka nandositra. Nahery nandeha be anefa i Jeho, ka tratra izy! Notifirin’i Jeho tamin’ny tsipìka izy ka voa teo amin’ny fony. Nianjera tao amin’ny kalesiny ilay mpanjaka, ka maty. Tafatsoaka i Ahazia nefa tratran’i Jeho, ary nasainy novonoina.​—2 Mpanj. 9:22-24, 27.

Nanohy ny diany nankany Jezirela i Jeho avy eo, mba hamono an’i Jezebela. Nantsoin’i Jeho hoe “voahozona” izy io. Hitany nitsirika teny am-baravarankelin’ny lapa io mpanjakavavy ratsy fanahy io, ka nandidy an’ireo tandapa izy mba hanjera azy. Nazeran’izy ireo tokoa io vehivavy nanimba ny Israely manontolo io, ary nohitsakitsahin’i Jeho tamin’ireo soavaly nentiny. Nisy olona maro anisan’ny ankohonan’i Ahaba koa novonoin’i Jeho taorian’izay.​—2 Mpanj. 9:30-34; 10:1-14.

w11 15/11 5 § 4-5

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

Marina fa nandatsa-dra be i Jeho. Resahin’ny Soratra Masina anefa fa nanafaka ny Israely tamin’ny fampahorian’i Jezebela sy ny fianakaviany io lehilahy be herim-po io. Tsy ho nahavita izany ny mpitarika teo amin’ny Israely, raha tsy nanana herim-po sy fikirizana ary zotom-po. Hoy ny diksionera ara-baiboly iray: “Tena sarotra ilay asa, nefa notanterahina an-tsakany sy an-davany. Azo inoana fa tsy ho foana ny fivavahana tamin’i Bala, teo amin’ny Israely, raha nalefadefaka ny fepetra noraisina.”

Mila manana ny toetra sasany nananan’i Jeho isika Kristianina, mba hiatrehana olana. Ahoana, ohatra, no hataonao raha misy fakam-panahy mahazo anao, ka te hanao ny zavatra raran’i Jehovah ianao? Tokony hanao zavatra haingana ianao, ho be herim-po, ary hanohitra mafy an’ilay izy. Tsy milefitra mihitsy isika, na iza na iza mandrafy an’i Jehovah, ary na inona na inona mitarika antsika hanao izany.

Vatosoa Ara-panahy

w11 15/11 5 § 7-8

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

Nihevitra angamba i Jeho hoe raha tian’izy ireo ny hahaleo tena foana fa tsy ho eo ambany fahefan’ny firenen’ny Joda, dia tokony hatao samy hafa ny fivavahana narahina tany Joda sy tany Israely. Navelany hitohy àry ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena mba hiarovana ny fahaleovan-tenan’izy ireo, toy ny nataon’ireo mpanjakan’ny Israely teo alohany ihany. Hita tamin’izany fa tsy natoky an’i Jehovah izy, dia ilay nanao azy ho mpanjaka.

Nidera an’i Jeho i Jehovah, noho izy ‘nanao izay mahitsy teo imasony.’ Niova anefa i Jeho, ka ‘tsy nanaraka tsara ny lalàn’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo.’ (2 Mpanj. 10:30, 31) Mety ho gaga na halahelo isika mandre izany, rehefa eritreretintsika ny zava-drehetra efa nataon’i Jeho. Andraisantsika lesona anefa izany. Hitantsika avy amin’izany hoe tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mianatra ny Teniny isika isan’andro, mba hanampy antsika tsy hivadika aminy. Mila misaintsaina izay ianarantsika koa isika, ary mivavaka amin’ny fo. Aoka àry isika hiezaka mafy hanaraka tsara foana ny lalàn’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo.​—1 Kor. 10:12.

28 NOVAMBRA–4 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 11-12

“Voasazy Ihany Ilay Vehivavy Tia Fahefana sy Ratsy Fanahy”

it “Atalia” § 2

Atalia

Toy ny nataon’i Jezebela reniny ihany no nataon’i Atalia satria nampirisika an’i Jorama vadiny hanao ratsy teo imason’i Jehovah izy, nandritra ireo valo taona nitondran’io vadiny io. (1Mp 21:25; 2Ta 21:4-6) Nandatsaka ran’olon-tsy manan-tsiny maro koa izy, toa an-dreniny ihany. Naripak’i Atalia avokoa ny tarana-mpanjaka rehetra, rehefa maty i Ahazia zanany lahy izay mpanjaka ratsy fanahy, herintaona taorian’ny nitondrany. I Joasy zaza ihany no sisa niangana, satria nafenin’ny mpisoronabe sy ny vadiny, izay nenitoan’i Joasy. Nanao ny tenany ho mpanjakavavy àry i Atalia, ka nitondra nandritra ny enin-taona (t. 905-899 T.K.). (2Ta 22:11, 12) Norobain’ireo zanakalahin’i Atalia ny tempolin’i Jehovah, ka natolotr’izy ireo ho an’ireo Bala ny zava-masina tao.​—2Ta 24:7.

it “Atalia” § 3

Atalia

Mpisoronabe natahotra an’Andriamanitra i Joiada, ka navoakany avy tao amin’izay nanafenany azy i Joasy rehefa fito taona, dia nosatrohany diadema ary nohosorany ho mpanjaka ara-dalàna. Nihazakazaka nankany amin’ny tempoly i Atalia raha vao nandre tabataba, sady niantsoantso hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” Nasain’i Joiada novonoina tany ivelan’ny tempoly izy, teo amin’ny lalana fidiran-tsoavaly teo amin’ny tranon’ny mpanjaka. I Atalia angamba no farany indrindra tamin’ny ankohonan’i Ahaba ratsy fanahy. (2Mp 11:1-20; 2Ta 22:1–23:21) Marina tokoa ilay hoe: “Tsy hisy ho raraka an-tany ny tenin’i Jehovah izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba.”​—2Mp 10:10, 11; 1Mp 21:20-24.

Vatosoa Ara-panahy

it “Joasy” § 11

Joasy

Nanao ny tsara foana i Joasy tanora, raha mbola velona i Joiada Mpisoronabe izay toy ny rainy sady mpanolo-tsaina azy. Nanambady izy rehefa 21 taona. Roa ny vadiny (Joadana no anaran’ny vadiny iray), ary niterahany zazalahy sy zazavavy ireo. Voaro àry ny razamben’ny Mesia taranak’i Davida, izay efa saika ripaka tanteraka.​—2Mp 12:1-3; 2Ta 24:1-3; 25:1.

5-11 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 13-15

“Izay Miezaka Mafy Ihany no Hahazo Fitahiana”

w10 15/4 26 § 11

Araho Foana ny Dian’i Kristy!

11 Tena zava-dehibe ny fahazotoana manompo an’Andriamanitra, araka ny hita teo amin’ny fiainan’i Joasy mpanjakan’ny Israely. Natahotra i Joasy rehefa nahita fa mety ho resin’ny Syrianina ny Israelita, ka nandeha nitomany tany amin’i Elisa izy. Nilaza taminy ilay mpaminany mba handefa zana-tsipika teo am-baravarankely nanandrify an’i Syria. Nidika izany fa hanampy ny Israelita handresy an’io firenena io i Jehovah. Azo antoka fa nampahery an’ilay mpanjaka izany. Nilaza tamin’i Joasy indray i Elisa avy eo mba haka zana-tsipika, ka hikapoka ny tany. Intelo monja izy no nanao izany. Tezitra àry i Elisa, satria raha nikapoka indimy na inenina i Joasy, dia ho ‘namely an’i Syria, ka nandringana azy.’ Tsy nahavita nandringana an’i Syria anefa i Joasy, fa nandresy azy intelo fotsiny. Voafetra ihany ny fahombiazan’i Joasy, satria tsy be zotom-po izy. (2 Mpanj. 13:14-19) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo sy be zotom-po ihany isika, vao handrotsaka fitahiana maro ho antsika izy.

w13 1/11 11 § 5-6

Ilay “Mpamaly Soa An’izay Mitady Mafy Azy”

Iza no omen’i Jehovah valisoa? Hoy i Paoly: “Izay mitady mafy azy.” Milaza ny boky iray ho an’ny mpandika Baiboly fa ilay matoanteny grika nadika hoe “mitady mafy”, dia tsy midika hoe “mandeha mikaroka” fa hoe “manompo” an’Andriamanitra. Manazava ny boky iray hafa fa manondro ezaka mafy io matoanteny grika io. Mamaly soa an’ireo mazoto manompo azy amin’ny fo manontolo àry i Jehovah.​—Matio 22:37.

Inona no valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony? Mampanantena hoavy sambatra izy, izany hoe fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Hita avy amin’izany fa tena malala-tanana sy be fitiavana izy. (Apokalypsy 21:3, 4) Efa mahazo fitahiana be ireo mitady mafy azy, dieny izao. Manana fomba fiaina mahafa-po izy ireo, noho ny fanampian’ny fanahy masina sy ny Baiboly.​—Salamo 144:15; Matio 5:3.

Vatosoa Ara-panahy

w05 1/8 11 § 4

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

13:20, 21​—Manamarina ny fankamasinana ny taolan’ny olo-masina (relìka) ve io fahagagana io? Tsia. Tsy miresaka momba ny fankamasinana ny taolan’i Elisa mihitsy ny Baiboly. Ny herin’Andriamanitra no nampisy an’iny fahagagana iny, sy ireo fahagagana rehetra nataony tamin’izy mbola velona.

12-18 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 16-17

“Misy Fetrany Ihany ny Faharetan’i Jehovah!”

it “Salmanesera”: “Nifehy an’ireo Israelita” § 1

Salmanesera

Nifehy an’ireo Israelita. Nanafika an’i Palestina i Salmanesera Faha-5, tamin’ny fotoana nanjakan’i Hosea tany Israely (t. 758-740 T.K.). Lasa nofeheziny àry i Hosea, ka nandoa hetra taminy isan-taona. (2Mp 17:1-3) Tsy nandoa an’ilay izy intsony anefa i Hosea tatỳ aoriana, sady tratra niray tetika tamin’i So mpanjakan’i Ejipta. (Jereo SO.) Nogadrain’i Salmanesera àry i Hosea, ary avy eo nataony fahirano nandritra ny telo taona i Samaria. Resy ihany ilay tanàna voaro mafy, ary natao sesitany ny Israelita.​—2Mp 17:4-6; 18:9-12; ampit. Ho 7:11; Ezk 23:4-10.

it “Fahababoana” § 4

Fahababoana

Mitovy ny antony nahababo an’ilay fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra sy ilay fanjakan’ny foko roan’ny Joda tany atsimo: Niala tamin’ny fivavahana marina tamin’i Jehovah izy ireo ka nanompo andriamani-diso. (De 28:15, 62-68; 2Mp 17:7-18; 21:10-15) Naniraka mpaminany foana i Jehovah hampitandrina azy ireo, saingy tsy nisy vokany izany. (2Mp 17:13) Tsy nisy tamin’ireo mpanjaka teo amin’ny foko folon’ny Israely nanaisotra tanteraka an’ilay fivavahan-diso noforonin’i Jeroboama mpanjaka voalohany teo amin’ireo foko folo. Tsy nanaraka ny fampitandremana nomen’i Jehovah mivantana koa ny fanjakan’ny Joda, ary tsy naka lesona rehefa lasa babo ny Israely. (Je 3:6-10) Natao sesitany daholo ny vahoakan’ireo fanjakana roa ireo, ary tsy indray mandeha ihany no nitrangan’izany.

Vatosoa Ara-panahy

it “Samaritanina” § 1

Samaritanina

Miseho voalohany ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “Samaritanina”, rehefa resy ny fanjakan’ny foko folo tany Samaria, tamin’ny 740 T.K. Tatỳ aoriana, dia niantsoana an’ireo nonina tany amin’ny fanjakana tany avaratra talohan’io faharesena io ilay anarana, mba hanavahana azy ireo tamin’ireo vahiny namponenin’i Asyria tany. (2Mp 17:29) Toa tsy nesorin’ny Asyrianina daholo ny Israelita nonina tao amin’ilay tany, satria lazain’ny 2 Tantara 34:6-9 (ampit. 2Mp 23:19, 20) fa mbola nisy Israelita tany, tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda. Tatỳ aoriana, dia lasa nantsoina hoe “Samaritanina” ny taranak’ireo tavela tany Samaria sy ny taranak’ireo vahiny namponenin’ny Asyrianina tany. Tsy maintsy nisy nifanambady anefa ireo, ka nantsoina hoe “Samaritanina” koa ny taranany. Nanjary niantsoana antokon’olona nanaraka fivavahana iray tany akaikin’i Sekema sy Samaria fahiny koa tatỳ aoriana ny hoe “Samaritanina.” Nisy tamin’ny fampianaran’io sekta io tsy nitovy mihitsy tamin’ny an’ny Fivavahana Jiosy.​—Jn 4:9.

19-25 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 18-19

“Te Hampivadika Antsika ny Mpanohitra”

w05 1/8 11 § 6

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

18:19-21, 25​—Nanao fifanekena tamin’i Ejipta ve i Hezekia? Tsia. Diso ny fiampangan’i Rabsake sy ny filazany hoe ‘nirahin’i Jehovah izy.’ I Jehovah ihany no nianteheran’i Hezekia, mpanjaka tsy nivadika.

w10 15/7 13 § 3

“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”

Tian’i Rabsake hisalasala ny Jiosy ka nofitahiny. Hoy izy: “Fa angaha moa tsy [i Jehovah] no tompon’ireo toerana avo sy alitara nesorin’i Hezekia? ... I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: ‘Miakara hanafika an’io tany io, ary ravao izy.’ ” (2 Mpanj. 18:22, 25) Te hilaza àry i Rabsake fa tsy hiady ho an’ny vahoakany i Jehovah satria tezitra amin’izy ireo. Tsy marina anefa izany. Nampifaly an’i Jehovah mantsy i Hezekia sy ireo Jiosy niverina nanompo azy.​—2 Mpanj. 18:3-7.

w13 15/11 19 § 14

Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny

14 Nitoby tao Lakisy, any atsimoandrefan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Asyria sy ny tafiny. Nandefa iraka telo izy mba handidy ny vahoakan’i Jerosalema hitolo-batana. Nampiasa tetika maromaro ilay mpitondra teniny, izay nantsoina hoe Rabsake. Niteny hebreo izy ary nampirisika ny olona hivadika amin’i Hezekia fa hanaiky hofehezin’ny Asyrianina. Nandainga izy avy eo hoe hitondra azy ireo any amin’ny tany tena tsara, ka hiadana izy ireo any. (Vakio ny 2 Mpanjaka 18:31, 32.) Nanizingizina koa i Rabsake fa tsy hahavita hiaro ny mpivavaka aminy i Jehovah, toy ny andriamanitr’ireo firenena ihany. Hendry ny vahoaka satria tsy namaly ny fanaratsian’i Rabsake. Toy izany koa matetika no ataon’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny.​—Vakio ny 2 Mpanjaka 18:35, 36.

yb96 87 § 2

Hongria

Tamin’ny fahavaratry ny taona 1943, ireo rahalahy latsaka ny 49 taona avy tany amin’ny tranomaizina rehetra teto dia novorina tao amin’ny iray tamin’ireo tanàna ambanivohitra ka nomena baiko hanao raharaha miaramila. Ireo rahalahy nahatoky, na dia nampiharana halozana indray aza, dia nitoetra ho mafy orina ka nanda, ary tsy nety nanao koa ilay akanjo miaramila natolotra azy. Nisy sivy tamin’ilay antokon’olona anefa nanao ilay fianianan’ny miaramila ka nanaiky ireo fanamiana. Tsy nitondra fanamaivanana ho azy anefa ny fanekeny lembenana. Ireo 160 rehetra nangonina teo, anisan’izany ireo mpivadika sivy, dia nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Bor (Serbia). Roa taona tatỳ aoriana, ny iray tamin’ireo mpivadika ireo, nitondra basy, dia hatsatra sady nangovitra rehefa nahita ny tenany anisan’ny antoko-miaramila iray notendrena hamono, ankoatra ny hafa koa, ny rahalahin’ny tenany ara-nofo, izay Vavolombelona nahatoky.

Vatosoa Ara-panahy

it “Arkeolojia”: “Mety ho diso ny soratra fahiny” § 2

Arkeolojia

Milaza, ohatra, ny Baiboly fa novonoin’i Adrameleka sy Sarezera zanany roa lahy i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ary i Esara-hadona zanany lahy hafa no nandimby azy. (2Mp 19:36, 37) Milaza anefa ny tantara babylonianina iray fa ny zanany lahy iray nikomy no namono an’i Sankeriba, ny faha-20-n’ny volana Tebeta. Mitovy amin’izany koa ny fitantaran’i Bérose, mpisorona babylonianina tamin’ny taonjato fahatelo T.K., sy Nabonida mpanjaka babylonianina tamin’ny taonjato fahenina T.K. Vao haingana anefa no hita ny ampahany amin’ny fitantaran’i Esara-hadona voasoratra teo amin’ny varingarina atao hoe Iraizotongotr’i Esara-hadona (ilay nandimby an’i Sankeriba). Noresahiny mazava ao fa nikomy ireo rahalahiny ka namono an-drainy ary nandositra avy eo. Hoy i Philip Biberfeld: “Diso ny Tantaran’i Babylona sy Nabonida ary Bérose. Ny fitantaran’ny Baiboly ihany no marina, araka ny porofoin’ireo tsipiriany madinika rehetra ao amin’ilay soratra nataon’i Esara-hadona. Marina kokoa noho ny soratra babylonianina ilay fitantarana momba io zava-nitranga teo amin’ny tantaran’i Babylonia sy Asyria io. Tsy maintsy tadidina izany rehefa te hamantatra hoe azo antoka ve ny soratra iray tsy mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly, na dia nosoratana tamin’ny fotoana nitrangan’ilay zavatra tantaraina aza ilay soratra.”​—Tantaran’ny Jiosy, 1948, Boky I, p. 27.

26 DESAMBRA–1 JANOARY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 20-21

“Nahatonga An’i Jehovah Hanao Zavatra ny Vavaka Nataony”

ip-1 394 § 23

Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray

23 Tokony ho tamin’ny fotoana nanafihan’i Sankeriba voalohany an’i Joda, dia narary mafy i Hezekia. Nilazan’i Isaia izy fa ho faty. (Isaia 38:1) Kivy tanteraka ilay mpanjaka, izay vao 39 taona. Ny nampanahy azy dia tsy ny fahasalaman’ny tenany manokana ihany, fa ny hoavin’ilay vahoaka koa. Norahonan’ny fanafihan’ny Asyrianina i Jerosalema sy i Joda. Raha maty i Hezekia, iza moa no hitarika ny ady? Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nanan-janaka lahy mba hiandraikitra ny fanapahana i Hezekia. Nivavaka mafy izy mba hanehoan’i Jehovah famindram-po taminy.​—Isaia 38:2, 3.

w17.03 21 § 16

Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo

16 Narary saika maty i Hezekia tatỳ aoriana. Niangavy an’i Jehovah izy mba hanampy azy sy hahatsiaro hoe tsy nivadika taminy mihitsy izy. (Vakio ny 2 Mpanjaka 20:1-3.) Nanasitrana azy àry i Jehovah. Tsy afaka manantena isika amin’izao hoe hanao fahagagana i Jehovah ka hanasitrana antsika na hahatonga antsika ho ela velona kokoa. Afaka manao hoatran’i Hezekia anefa isika, ka mivavaka amin’i Jehovah hoe: ‘Mba tsarovy re ny nandehanako teo anatrehanao tamim-pahitsiana sy tamin’ny foko manontolo e!’ Mino ve ianao fa hikarakara anao foana i Jehovah, na dia rehefa marary aza ianao?​—Sal. 41:3.

g01 8/8 13 § 4

Afaka Manampy Ahy ve ny Vavaka?

Nisy lehilahy nanam-pinoana sasany, tamin’ny andron’ny Baiboly, nahazo valim-bavaka nivantana, na tamin’ny alalan’ny fahagagana mihitsy aza. Nony fantatr’i Hezekia Mpanjaka, ohatra, fa voan’ny aretina nahafaty ny tenany, dia nitalaho famonjena tamin’Andriamanitra izy. Namaly Andriamanitra hoe: “Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho.” (2 Mpanjaka 20:1-6) Nanao zavatra nivantana toy izany koa Andriamanitra ho an’ny lehilahy sy vehivavy hafa natahotra azy.​—1 Samoela 1:1-20; Daniela 10:2-12; Asan’ny Apostoly 4:24-31; 10:1-7.

Vatosoa Ara-panahy

it “Filamatra” § 2

Filamatra

Azo nampiasaina ny filamatra raha te hanorina zavatra mahitsy tsara na te hahita raha tokony horavana ilay izy. Nilaza i Jehovah fa hohenjaniny amin’i Jerosalema mpikomy “ny tady fandrefesana nampiasaina tamin’i Samaria, sy ny filamatra nampiasaina tamin’ny taranak’i Ahaba.” Toy ny hoe norefesiny i Samaria sy ny taranak’i Ahaba Mpanjaka, ary hitany hoe tsy mahitsy satria ratsy fitondran-tena ka naringany. Hotsarainy koa i Jerosalema sy ny mpitondra ao, ka haharihariny ny faharatsiany ary horavany ilay tanàna. Izany tokoa no nitranga tamin’ny 607 T.K. (2Mp 21:10-13; 10:11) Nilazana ireo mpifehy sy mpirehareha ratsy fanahy tao Jerosalema fa hisy loza hanjo azy ireo. Hoy i Jehovah taminy: “Ny rariny no hataoko ho tady fandrefesana, ary ny fahamarinana ho filamatra.” Hampiharina ny tena rariny sy fahamarinana ka hiharihary hoe iza no tena mpanompon’Andriamanitra. Harovana àry izy ireo fa izay tsy izy kosa haringana.​—Is 28:14-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara