Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2022 Christian Congregation of Jehovah’s Witnesses
2-8 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 22-23
“Nahoana no Ilaina ny Manetry Tena?”
Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
Vao maraina be, dia niasa tamim-pahazotoana ireo mpanamboatra ny tempoly. Azo antoka fa velom-pankasitrahana an’i Jehovah i Josia, satria nanamboatra ny fahasimbana teo amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nataon’ireo razambeny ratsy fanahy sasany, ny mpiasa. Rehefa nandroso ilay asa, dia tonga hanao tatitra i Safana. Fa inona iny an-tanany iny? Nitondra horonana iray izy! Nanazava izy fa nahita “ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, ilay nampilazaina an’i Mosesy”, i Hilkia mpisoronabe. (2 Tantara 34:12-18) Fahitan-javatra re izany—tsy isalasalana fa ilay bokin’ny Lalàna tany am-boalohany!
May ta handre ny teny rehetra tao amin’ilay boky i Josia. Rehefa namaky i Safana, dia niezaka namantatra ny fomba niharan’ny didy tsirairay taminy sy tamin’ny vahoaka, ny mpanjaka. Ny tena nampiaiky volana azy indrindra, dia ny fomba nanantitranteran’ilay boky ny fanompoam-pivavahana marina sy ny nanambarany mialoha ny loza sy ny fanaovana sesitany ho avy, raha manaraka fivavahan-diso ny vahoaka. Takatr’i Josia tamin’izay fa tsy notanterahina daholo ny didin’Andriamanitra, ka nandriatra ny fitafiany izy, ary nanome izao baiko izao an’i Hilkia sy i Safana ary ny hafa: ‘Manontania amin’i Jehovah ny amin’ny tenin’ity boky ity; fa mafy ny fahatezeran’i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity.’—2 Mpanjaka 22:11-13; 2 Tantara 34:19-21.
Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
Nankany Jerosalema, tany amin’i Holda, mpaminanivavy, ny irak’i Josia, ary niverina nitondra tatitra. Nampita ny tenin’i Jehovah i Holda, ka nilaza fa hihatra amin’ilay firenena nivadi-pinoana ireo loza voarakitra ao amin’ilay boky vao hita. Noho izy nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah anefa, dia tsy hahita ilay loza i Josia. Hangonina any amin’ny razany izy, ary hoentina any amin’ny fasany amin’ny fiadanana.—2 Mpanjaka 22:14-20; 2 Tantara 34:22-28.
Vatosoa Ara-panahy
Afaka ny Hahomby Ianao na Nanao Ahoana na Nanao Ahoana ny Fitaizana Azonao
Nanao izay tsara mandrakariva teo imason’i Jehovah i Josia, na dia ratsy aza ny tarehin-javatra nandritra ny fahazazany. Nahomby tokoa ny fanapahany, hany ka milaza toy izao ny Baiboly: “Tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.”—2 Mpanjaka 23:19-25.
Tena ohatra mampahery tokoa i Josia ho an’ireo rehetra mety ho niaritra toe-javatra nahatsiravina nandritra ny fahazazany! Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay ohatra navelany? Inona no nanampy an’i Josia hifidy ny lalam-pitondran-tena tsara sy hanaraka azy io hatrany?
9-15 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 24-25
“Tadidio Foana hoe Kely Sisa ny Fotoana”
Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!
2 Noho ny faminanian’i Zefania, dia tsy isalasalana fa vao mainka tsapan’i Josia tanora hoe ilaina hodiovina tsy hisy fanompoam-pivavahana maloto i Joda. Nanao zavatra mba hanadiovana ilay tany tsy hisy fivavahan-diso àry ilay mpanjaka. Tsy nanaisotra ny faharatsiana rehetra teo amin’ilay firenena anefa izany, no sady tsy nanonitra koa ny fahotan’i Manase Mpanjaka raibeny, izay ‘nameno ra marina an’i Jerosalema.’ (2 Mpanjaka 24:3, 4; 2 Tantara 34:3). Koa azo antoka àry ny hahatongavan’ny andro fitsaran’i Jehovah.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jeremia
Teo amin’ny faha-11 taona nanjakany i Zedekia, tamin’ny 607 T.K. Nanao fahirano an’i Jerosalema nandritra ny 18 volana i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnezara, dia “tonga” tao Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina. (2 Mpanjaka 25:8) Teny amin’ny tobiny ivelan’ny mandan’ny tanàna angamba i Nebozaradana no nanara-maso ny toe-javatra, ary namolavola ny tetikadiny. Telo andro tatỳ aoriana, tamin’ny volana fahafolo, dia niditra tao Jerosalema izy. Ary nodorany ny tanàna.—Jeremia 52:7, 12.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa
24:3, 4. ‘Tsy nety namela ny heloky’ ny Joda i Jehovah, noho ny trosan-dran’i Manase. Sarobidy amin’Andriamanitra ny ran’ny tsy manan-tsiny. Afaka matoky àry isika fa hamaly izay nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, ka handringana azy ireny.—Salamo 37:9-11; 145:20.
16-22 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 1-3
“Tena Nisy fa Tsy Angano ny ao Amin’ny Baiboly”
Tena Nisy ve i Adama sy Eva?
Diniho, ohatra, ny tetirazana ao amin’ny Tantara Voalohany toko voalohany ka hatramin’ny faha-9, sy ny Lioka toko faha-3. Ny Tantara Voalohany mitanisa taranaka 48 nifandimby, izay tetirazan’ny mpanjaka sy mpisorona teo amin’ny Israely. Ny Lioka kosa mitanisa taranaka 74, razamben’i Jesosy Kristy. Samy hita ao amin’ireo lisitra ireo ny olo-malaza toa an’i Solomona, Davida, Jakoba, Isaka, Abrahama, Noa, ary i Adama. Tena nisy daholo ny olona voaresaka ao. Tena nisy àry i Adama, razambe nipoiran’izy ireo.
Tena Nisy fa Tsy Angano i Noa sy ny Safodrano
Misy tetirazana roa ahitana ny anaran’i Noa ao amin’ny Baiboly. Porofo koa izany fa tena nisy izy. (1 Tantara 1:4; Lioka 3:36) I Ezra sy Lioka no nanoratra azy ireo. Zatra namotopototra tsara izy roa lahy, vao nanoratra. Nilaza i Lioka fa anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy i Noa.
Tena Nisy ve i Adama sy Eva?
Ahoana, ohatra, ny amin’ny sorona nataon’i Jesosy, izay sarobidy amin’ny olona maro? Nanome ny ainy izy hanafahana ny olona amin’ny ota. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Milaza ny Baiboly fa “vidim-panavotana mifandanja” i Jesosy. (1 Timoty 2:6) Mifandanja amin’ny inona? Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:22) Mifandanja amin’ilay aina lavorary nafoin’i Adama noho izy nanota, ny aina lavorary nataon’i Jesosy sorona mba hanavotana ny olona mankatò. (Romanina 5:12) Raha tsy nisy àry i Adama, dia tsy ho nilaina ny sorom-panavotan’i Kristy.
Vatosoa Ara-panahy
it “Tetirazana”: “Anaram-behivavy” § 1-2
Tetirazana
Anaram-behivavy. Nosoratana tao amin’ny tetirazana ny anaram-behivavy indraindray, rehefa nilaina tamin’ny tantara. Voaresaka ao amin’ny Genesisy 11:29, 30, ohatra, i Saray (Saraha) satria ho avy aminy, fa tsy ho avy amin’ny vehivavy hafa vadin’i Abrahama, ilay Taranaka nampanantenaina. Noresahina tao koa i Milka, angamba noho izy reniben’i Rebeka vadin’i Isaka, mba hahitana fa havan’i Abrahama ny razamben’i Rebeka. Tsy tokony hanambady vehivavy hafa firenena mantsy i Isaka. (Ge 22:20-23; 24:2-4) Voaresaka ao amin’ny Genesisy 25:1 koa i Ketora, vadin’i Abrahama faharoa. Nanambady indray mantsy i Abrahama taorian’ny nahafatesan’i Saraha ary mbola niteraka izy, 40 taona mahery taorian’ny nanaovan’i Jehovah fahagagana mba hahafahany miteraka. (Ro 4:19; Ge 24:67; 25:20) Asehon’io tetirazana io koa ny fifandraisan’ny Midianina sy ny foko arabo hafa tamin’ny Israely.
Voaresaka ao amin’ny tetirazana koa i Lea, Rahely, ny vadikelin’i Jakoba, ary ny zanakalahin’izy ireo avy. (Ge 35:21-26) Azontsika àry hoe nahoana Andriamanitra no nifandray tamin’ireo zanakalahin’i Jakoba ireo tatỳ aoriana. Noho ireo antony ireo koa no nampidirana anarana vehivavy hafa tao amin’ny tetirazana. Mety ho nosoratana ny anaran’izy ireo, rehefa tamin’ny alalany no nifindran’ny lovan’ny fianakaviany. (No 26:33) Nisongadina i Tamara sy Rahaba ary Rota, satria lasa razamben’ny Mesia na Jesosy Kristy izy ireo noho ny zavatra miavaka nataony. (Ge 38; Rt 1:3-5; 4:13-15; Mt 1:1-5) Ahitana anaram-behivavy koa ny tetirazana ao amin’ny 1 Tantara 2:35, 48, 49; 3:1-3, 5.
23-29 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 4-6
“Hoatran’ny Ahoana Aho Rehefa Dinihina ny Vavaka Ataoko?”
Ilay “Mpihaino Vavaka”
Tia nivavaka i Jabeza. Nitalaho ny fitahian’Andriamanitra aloha izy. Nisy zavatra telo nangatahiny avy eo, ary hita avy tamin’izany fa tena nanam-pinoana izy.
Voalohany, niangavy an’Andriamanitra i Jabeza mba ‘hanitatra ny faritaniny.’ (Andininy 10) Tsy mpibodo tanin’olona na mpitsiriritra fananan’olona io lehilahy nohajaina io. Tsy resaka tany loatra angamba no tao an-tsainy. Mety ho nangataka ny hitaran’ny faritaniny izy nefa tsy hila hiady, mba ho maro ny mpanompon’ilay tena Andriamanitra hipetraka ao.
Faharoa, niangavy i Jabeza mba ‘homba azy ny tanan’Andriamanitra.’ Ny hery ampiasain’Andriamanitra hanampiana ny mpivavaka aminy, ilay tanana resahina eto. (1 Tantara 29:12) Niantehitra tamin’Andriamanitra i Jabeza mba hahazoana izay nirin’ny fony, satria tsy fohy ny tanan’Andriamanitra raha mino azy ny mpanompony.—Isaia 59:1.
Fahatelo, nivavaka i Jabeza mba ‘harovana tsy ho voan’ny loza.’ Toa te hilaza ireo teny ireo fa tsy ny hanalana ny loza manjo azy no nangatahiny. Nangataka kosa izy mba tsy halahelo na ho kivy noho ny faharatsiana.
Hita avy amin’ny vavak’i Jabeza fa nieritreritra foana momba ny fivavahana marina izy, sady nino sy natoky an’ilay Mpihaino vavaka. Ahoana no nataon’i Jehovah? Mifarana toy izao ilay tantara fohy: “Koa nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.”
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Voalohany
5:10, 18-22. Resin’ireo foko nipetraka tany atsinanan’i Jordana ny Hagarita, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Mihoatra ny avo roa henin’izy ireo anefa ny Hagarita. Natoky an’i Jehovah sy nitady ny fanampiany mantsy ireo lehilahy israelita be herim-po ireo. Enga anie isika koa hatoky tanteraka an’i Jehovah, amin’ny ady ara-panahy ataontsika, na dia maro noho isika aza ny fahavalontsika.—Efesianina 6:10-17.
30 JANOARY–5 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 7-9
“Noho ny Fanampian’i Jehovah dia ho Vitanao na dia Fanendrena Sarotra Aza”
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Voalohany
9:26, 27. Nitana andraikitra lehibe ireo Levita mpiandry varavarana. Nomena azy ireo ny lakile nahafahana niditra tao amin’ireo fitoerana masina tao amin’ny tempoly. Azo nitokisana izy ireo satria novohany isan’andro ny varavarana. Nankinina tamintsika koa ny andraikitra hitady ny olona ao amin’ny faritanintsika, sy hanampy azy ireo ho lasa mpanompon’i Jehovah. Tsy tokony hasehontsika koa ve fa azo ianteherana sy mendri-pitokisana isika, tahaka ireo Levita mpiandry varavarana?
Ry Anti-panahy, Tahafo i Finehasa
Malina sy be herim-po ary natoky an’i Jehovah i Finehasa ka vitany tsara ny andraikiny, na dia betsaka sy sarotra aza. Tian’i Jehovah izy satria tena nikarakara ny vahoakany. Hoy i Ezra, 1 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “I Finehasa zanak’i Eleazara no mpitarika teo amin’izy ireo taloha. Ary nomba azy i Jehovah.” (1 Tan. 9:20) Enga anie i Jehovah ka homba ny anti-panahy koa, ary tsy izy ireo ihany fa ny vahoakany rehetra tsy mivadika.
Vatosoa Ara-panahy
Mihirà ho An’i Jehovah!
6 I Jehovah àry no naniraka mpaminany handidy ny mpivavaka taminy mba hidera Azy amin’ny hira. Tsy nomena andraikitra hafa intsony ireo Levita mpihira, na dia anisan’ny mpisorona aza. Amin’izay izy ireo nanam-potoana handrindrana ny feon-kira sy hanaovana famerenan-kira.—1 Tan. 9:33.
6-12 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 10-12
“Ampitomboy ny Fanirianao Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra”
“Ampianaro Hanao ny Sitraponao Aho”
12 Misy toro lalana tian’i Jehovah hampitaina ao amin’ireo Lalàna nomeny. Ohatra tsara i Davida satria nahatakatra an’ireny toro lalana ireny izy, sady naniry hampihatra izany. Nangetaheta be, ohatra, izy indray mandeha, ka te hisotro “rano avy amin’ilay lavaka fanangonan-drano eo am-bavahadin’i Betlehema.” Teo ambany fifehezan’ny Filistinina i Betlehema tamin’izay. Niditra an-keriny tao Betlehema àry ny telo tamin’ireo miaramilany, ka naka rano tao ho an’i Davida. ‘Tsy nety nisotro anefa izy fa nararany ho an’i Jehovah ilay rano.’ Nahoana? Nanazava izy hoe: “Sanatria ahy ny hanao izany, noho ny fanajako an’Andriamanitro! Ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo ve no hosotroiko? Nanao vivery ny ainy mantsy izy ireo mba hitondrana rano atỳ amiko.”—1 Tan. 11:15-19.
13 Fantatr’i Davida fa milaza ny Lalàna hoe tokony hararaka ho an’i Jehovah ny ra, fa tsy hohanina. Fantany koa ny antony, dia satria “ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.” Tsy ra anefa no natolotra azy, fa rano. Koa nahoana izy no tsy nety nisotro? Satria takany ny toro lalana tian’ilay lalàna hampitaina. Sarobidy toy ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo, ny rano nalainy. Nihevitra àry izy fa tsy mety mihitsy ny misotro an’ilay rano, fa tokony hararaka amin’ny tany ilay izy.—Lev. 17:11; Deot. 12:23, 24.
Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Toro Lalan’i Jehovah
5 Tsy ampy ny mamaky na mahafantatra tsara ny lalàn’Andriamanitra, raha tiantsika hahasoa antsika izy ireny. Tsy maintsy miezaka isika mba ho tia sy hanaja azy ireny. Hoy mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.” (Amosa 5:15) Ahoana anefa no anaovana an’izany? Mila miezaka hitovy fomba fihevitra amin’i Jehovah isika. Haka ohatra isika mba hanazavana an’izany. Tsy mahita tory matetika ianao, dia asain’ny dokotera mihinana sakafo mahasalama kokoa sy manao fanatanjahan-tena. Asainy hovanao koa ny fahazaranao. Narahinao ny teniny, ary nandaitra tokoa ilay izy. Azo antoka fa tena hankasitraka an’ilay dokotera ianao.
6 Manome lalàna antsika koa ny Mpamorona antsika mba hiarovana antsika amin’ny vokatry ny ota sy hahatonga ny fiainantsika hihatsara. Misy lalàna, ohatra, ao amin’ny Baiboly hoe tsy azo atao ny mandainga, mamitaka, mangalatra, mijangajanga, mamono olona, ary mifandray amin’ny fanahy ratsy. (Vakio ny Ohabolana 6:16-19; Apok. 21:8) Eritrereto ny soa raisintsika rehefa mankatò an’izany isika. Ho tia sy hankasitraka an’i Jehovah sy ny lalàny isika, rehefa mahita hoe mahasoa antsika ny mankatò azy.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fo”: “Manompo amin’ny ‘fo manontolo’” § 1-2
Fo
Manompo amin’ny “fo manontolo.” Tsy ho velona ny olona iray raha analana ny fony ara-bakiteny. Ny fo an’ohatra kosa mety ho voazarazara. Hoy àry i Davida: “Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” Midika izany fa mety ho tsy amin’ny fo manontolo no itiavana na atahorana an’Andriamanitra. (Sl 86:11) Mety ‘hanana fo voazarazara’ ny olona iray, ka matimaty ara-panahy. (Sl 119:113, f.a.p.; Ap 3:16) Mety ‘hanana fo roa’ koa izy, izany hoe mety hanompo tompo roa na hamitaka ka hafa no lazainy nefa hafa ny ao an-tsainy. (Sl 12:2, f.a.p.) Nomelohin’i Jesosy ny mpihatsaravelatsihy toy izany.—Mt 15:7, 8.
Tsy tokony hanana fo voazarazara na hanana fo roa ny olona te hampifaly an’Andriamanitra, fa tokony hanompo azy amin’ny fo manontolo. (1Ta 28:9) Ilana ezaka mafy izany satria sarotra fehezina ny fo ary zava-dratsy foana no iriny. (Je 17:9, 10; Ge 8:21) Manampy antsika hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ny mivavaka avy amin’ny fo (Sl 119:145; Ft 3:41), mianatra tsy tapaka ny Teniny (Ezr 7:10; Oh 15:28), mazoto mitory ny vaovao tsara (ampit. Je 20:9), ary miaraka amin’ireo manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.—Ampit. 2Mp 10:15, 16.
13-19 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 13-16
“Mahomby Isika Rehefa Manaraka Tari-dalana”
Manontany ve Ianao Hoe: “Aiza Jehovah?”
12 Naniry hamindra ny fiaran’ny fanekena ho any Jerosalema i Davida Mpanjaka, rehefa naverina tany Isiraely izy io ary notehirizina taona maro tany Kiriata-jearima. Naka saina tamin’ny mpifehy ny vahoaka izy, ary nilaza fa hafindra ilay Fiara raha mety amin’izy ireo izany, sady eken’i Jehovah. Tsy nikaroka tsara anefa izy hoe inona marina no sitrapon’i Jehovah momba ilay raharaha. Raha nanao izany mantsy izy, dia tsy ho nentina tamin’ny sariety mihitsy ilay Fiara. Ho nolanjain’ny Levita Kehatita izy io, araka ny didy mazava nomen’Andriamanitra. Nanontany an’i Jehovah matetika i Davida, nefa tsy nataony araka ny tokony ho izy izany tamin’ity indray mandeha ity. Loza no vokany. Niaiky i Davida tatỳ aoriana hoe: “Nasian’i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.”—1 Tantara 13:1-3; 15:11-13; Nomery 4:4-6, 15; 7:1-9.
Manontany ve Ianao Hoe: “Aiza Jehovah?”
13 Tamin’ny farany, dia ny Levita no nitondra ilay Fiara avy tao an-tranon’i Obeda-edoma ho any Jerosalema. Nisy hira noforonin’i Davida nohiraina tamin’izay, ary izao no fampahatsiahivana voalaza tao: “Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany. Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany.”—1 Tantara 16:11, 12.
Vatosoa Ara-panahy
Manompoa An’i Jehovah, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay
14 Nentin’i Davida tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena. Fotoam-pifaliana tamin’izay ary nihira fiderana ny Levita. Mariho ny voalazan’ilay hira: “Aoka ireny hilaza amin’ireo firenena hoe: ‘Lasa mpanjaka i Jehovah!’” (1 Tan. 16:31) Mety hisy hanontany hoe: ‘Fa angaha i Jehovah tsy efa Mpanjakan’ny mandrakizay? Koa nahoana indray no lazaina fa lasa mpanjaka izy tamin’izay?’ Lasa Mpanjaka i Jehovah rehefa mampihatra ny fahefany, na manendry solontena mba hisolo azy amin’ny fotoana iray na mba handamina raharaha iray. Tena ilaina ny mahatakatra an’izany. Nampanantenain’i Jehovah i Davida talohan’ny hahafatesany fa haharitra mandrakizay ny fanjakany. Hoy izy: “Hotendreko ny taranaka handimby anao izay haterakao, ary hataoko mafy orina tokoa ny fanjakany.” (2 Sam. 7:12, 13) Nipoitra io ‘taranak’i’ Davida io 1,000 taona mahery tatỳ aoriana. Iza izy io ary oviana izy no lasa Mpanjaka?
20-26 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 17-19
“Miezaha ho Faly Foana na dia Diso Fanantenana Aza”
Mifantoha Amin’ny Hatsaran’ny Fandaminan’i Jehovah
ANISAN’NY olona miavaka indrindra voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo i Davida, Israelita fahiny. Mpiandry ondry izy, mpitendry zavamaneno, mpaminany, sady mpanjaka. Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy. Naniry hanorina trano na tempoly ho an’Andriamanitra i Davida, noho izy tia azy lalina. Io tempoly io no ho foiben’ny fivavahana marina eo amin’ny Israely. Fantatr’i Davida fa hitondra fifaliana sy soa maro ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny asa hatao ao. Izany no nahatonga azy hihira hoe: “Sambatra izay fidinao [Jehovah] ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.”—Salamo 65:4.
Mifalia Amin’izay Efa Ataonao ho An’i Jehovah Amin’izao!
11 Hoatr’izany koa fa ho faly kokoa isika raha miasa mafy araka izay azontsika atao, na inona na inona ampanaovina antsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. ‘Mifantoha tanteraka’ amin’ny fitoriana, dia mandraisa anjara betsaka araka izay vitanao amin’izay ataon’ny fiangonana. (Asa. 18:5; Heb. 10:24, 25) Omano tsara ny fivoriana mba ho afaka hanome valin-teny mampahery ianao. Ataovy tsara izay anjara ampanaovina anao mandritra ny fivoriana andavanandro. Raha misy asa asaina ataonao ao amin’ny fiangonana, dia miezaha ho mari-potoana sy ho azo ianteherana. Na inona na inona ampanaovina anao, dia aza mieritreritra hoe tsy zava-dehibe ilay izy ka tsy tokony handanianao fotoana. Miezaha hampitombo ny fahaizanao. (Ohab. 22:29) Vao mainka ianao handroso haingana kokoa sy ho faly kokoa, rehefa variana amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy amin’ny asa ampanaovina anao. (Gal. 6:4) Tsy vitan’izany fa ho mora kokoa aminao ny hiaraka hifaly amin’ny hafa, rehefa mahazo fanendrena nirinao ry zareo.—Rom. 12:15; Gal. 5:26.
Vatosoa Ara-panahy
w20.02 12, efajoro
Tena Tiantsika i Jehovah Raintsika
Mba Hitan’i Jehovah Ihany ve Aho?
Efa nieritreritra ve ianao hoe: ‘I Jehovah ve dia hiraharaha an’ahy, nefa ny olona eto an-tany aza be dia be?’ Betsaka no mieritreritra hoatr’izany. Hoy i Davida Mpanjaka: “Jehovah ô! Inona moa izay olombelona no voamarikao, ary inona moa izay zanak’olombelona mety maty no ahinao?” (Sal. 144:3) Natoky i Davida fa fantatr’i Jehovah tsara izy. (1 Tan. 17:16-18) Mampiasa ny Teniny sy ny fandaminany koa izy mba hanampiana anao hatoky hoe hitany ny fitiavana asehonao azy. Ireto misy andinin-teny vitsivitsy manaporofo fa tena hitan’i Jehovah ianao:
• Mbola tsy teraka akory ianao dia efa hitan’i Jehovah.—Sal. 139:16.
• Fantatr’i Jehovah izay any am-ponao sy any an-tsainao.—1 Tan. 28:9.
• I Jehovah mihitsy no mihaino ny vavaka tsirairay ataonao.—Sal. 65:2.
• Mety hahafaly an’i Jehovah na hampalahelo azy izay ataonao.—Ohab. 27:11.
• I Jehovah mihitsy no nitaona anao hanompo azy.—Jaona 6:44.
• Vitan’i Jehovah ny manangana anao amin’ny maty raha sanatria ka maty ianao. Haveriny amin’ny laoniny ny vatanao, ny sainao, ny fitadidianao, ary izay rehetra mampiavaka anao. Mahavita an’izany izy satria fantany tsara ianao.—Jaona 11:21-26, 39-44; Asa. 24:15.
27 FEBROARY–5 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 20-22
“Ampio Ireo Tanora Kokoa mba Hahomby”
Omeo Andraikitra ny Lehilahy Mendri-pitokisana
8 Vakio ny 1 Tantara 22:5. Nieritreritra angamba i Davida hoe tsy hahavita hiandraikitra an’izany asa goavana izany i Solomona. Tokony ho “trano faran’izay kanto” mantsy ilay tempoly, nefa i Solomona tamin’izany “mbola kely sy tanora fanahy.” Nino anefa i Davida fa hanampy azy i Jehovah. Nanao izay azony natao àry izy mba hanampiana an’i Solomona, ka nanomana fitaovana be dia be hanorenana an’ilay tempoly.
Omeo Andraikitra ny Lehilahy Mendri-pitokisana
7 Azo antoka fa diso fanantenana i Davida. Tsy hoe tsy nety nanampy an’i Solomona hanorina an’ilay tempoly anefa izy. Fantany fa tsy izy no hahazo voninahitra rehefa vita ilay izy. Nantsoina hoe tempolin’i Solomona tokoa ilay trano, fa tsy hoe tempolin’i Davida. Tsy nieritreritra be an’izany anefa i Davida, fa nanampy an’i Solomona tamin’ny fony manontolo. Nazoto nandamina antokona mpiasa izy ary nanangona vy, varahina, volafotsy, volamena, ary hazo sedera. Hoy koa izy tamin’i Solomona: “Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Jehovah, ka hahomby izay hataonao! Aoreno àry ny tranon’i Jehovah Andriamanitrao, araka izay efa nolazainy momba anao.”—1 Tan. 22:11, 14-16.
Ampio ny Zanakao mba ho Lasa Vita Batisa
14 Afaka manampy ny anti-panahy. Tokony ho hita amin’ny resaka ataony, ohatra, fa tsara ny manana tanjona ara-panahy. Tadidin’ny anabavy iray hoe nanontany azy momba ny tanjony ny Rahalahy Russell, tamin’izy enin-taona. Hoy izy: “Fahefak’adiny izahay no niresaka.” Inona no vokatr’izany? Nanao mpisava lalana nandritra ny 70 taona mahery io anabavy io tatỳ aoriana. Hitantsika amin’izany hoe mety hisy vokany maharitra ny teny mampahery. (Ohab. 25:11) Azon’ny anti-panahy asaina mandray anjara koa ny ray aman-dreny sy ny zanany, rehefa misy asa atao any amin’ny Efitrano Fanjakana. Azo omena asa mifanentana amin’ny taonany sy ny fahaizany ny ankizy.
15 Afaka manampy koa isika rehetra ao amin’ny fiangonana. Azontsika aseho hoe miahy ny ankizy sy ny tanora isika. Jereo, ohatra, ny ezaka ataon’izy ireny mba handrosoana ara-panahy. Nisy ankizy nanome valin-teny vokatry ny fo sy voaomana tsara ve, na nanao anjara tamin’ny fivoriana andavanandro? Sa ve nisy ankizy sahy nanararaotra nitory tany am-pianarana, na nahavita nanohitra fakam-panahy? Raha mahita ankizy hoatr’izany ianao, dia aza misalasala midera azy. Nahoana raha atao tanjona ny hiresaka amin’ny ankizy na tanora iray, aloha na aorian’ny fivoriana? Raha manao an’izany isika, dia ho tsapan’izy ireny fa tena anisan’ny fiangonana izy.—Sal. 35:18.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Voalohany
21:13-15. Nasain’i Jehovah natsahatry ny anjely ilay areti-mandringana, satria tsy mahatanty mahita ny mpanompony mijaly izy. “Lehibe [tokoa] ny famindrampony.”