Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana
ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
3-9 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EZRA 4-6
“Aza Sakantsakanana ny Asa”
Mahita An’izay Hitan’i Zakaria ve Ianao?
13 Mbola voarara ny fanorenana ny tempoly. “Nanomboka nanorina indray an’ilay tranon’Andriamanitra” anefa ireo lehilahy voatendry hitarika ny Jiosy, izany hoe i Jesoa na Josoa Mpisoronabe sy Zerobabela Governora. (Ezra 5:1, 2) Nieritreritra angamba ny Jiosy sasany fa hoatran’ny tsy nety ilay fanapahan-kevitra. Ho hitan’ny mpanohitra mantsy hoe naorina indray ny tempoly, dia hanao izay ho afany ry zareo mba hanakantsakanana an’ilay asa. Nila nomena toky i Josoa sy Zerobabela hoe nanohana an-dry zareo i Jehovah. Nahazo an’izany toky izany tokoa ireo mpiandraikitra roa lahy ireo. Nahoana isika no milaza an’izany?
w86 1/5 29, efajoro § 2-3
‘Nitsinjo ireo loholona’ ny mason’i Jehovah
Rehefa tafaverina avy tany Babylona ny sisa jiosy, dia nanomboka ny vanim-potoana lava nisy enina ambin’ny folo taona tsy niasana. Afaka nampihetsika ny Jiosy tamin’ny tsy firaikany Hagay sy Zakaria mpaminany, ary natao indray ny fanorenana ny tempoly. Vetivety anefa dia nanohitra ny zo hanohy io asa io ny manam-pahefana persiana sasany. “Iza no nandidy anareo hanao io trano io”? hoy ny fanontanian’ireny fahavalo ireny.—Ezra 5:1-3.
Ho fanapahan-javatra ny fomba hamalian’ny Jiosy an’io fanontaniana io. Raha manaiky hampitahorina ireo loholona, dia hitsahatra amin’ny fomba mahery vaika ny fanorenana indray ny tempoly. Raha nanaitra ny fankahalan’ireny mpanao raharaham-panjakana ireny izy ireo, avy hatrany ireo dia handidy ny hampitsaharana ny asa. Koa ireo loholona (tsy isalasalana fa notarihin’i Zerobabela governora sy Josoa mpisoronabe) dia nanao zavatra tamim-pahaiza-mandanjalanja nefa tamin’ny fomba nandaitra. Nampahatsiaroviny azy ireo ny fisian’ny didin’i Kyrosy hadino hatramin’ny ela, nahazoan’ny Jiosy lalana avy tamin’ny mpanjaka mba hanatanteraka izany fanorenana izany. Noho ny fahalalana ny fitsipika persiana hoe tsy azo foanana ny lalàna iray naorina, ireo mpanao raharaham-panjakana ireo dia nanda tamim-pahendrena ny hanohitra ny didin’ny mpanjaka. Nanome lalana ny Jiosy àry izy ireo hanohy ny asany, ary taty aoriana dia nanamarina an’io fanapahan-kevitra io Dariosa mpanjaka.—Ezra 5:11-17; 6:6-12.
Mahita An’izay Hitan’i Zakaria ve Ianao?
7 Nisy fiovana nitranga ka afaka nanohy an’ilay asa indray ireo mpanorina ny tempoly. Inona izany? Lasa mpanjakan’i Persa i Dariosy I tamin’ny 520 T.K. Hitan’io mpanjaka io, tamin’ny taona faharoa nanjakany, fa tsy ara-dalàna ilay fandrarana ny fanorenana ny tempoly. Namoaka didy àry i Dariosy fa tokony hovitaina hatramin’ny farany ilay asa. (Ezra 6:1-3) Gaga ny rehetra naheno an’ilay didy! Tsy izay ihany anefa no nataony. Tsy navelany hanakantsakana an’ilay asa ny mponina teny amin’ny manodidina, sady nasainy nanome vola sy izay rehetra nilaina mba hamitana an’ilay fanorenana. (Ezra 6:7-12) Vitan’ny Jiosy tamin’ny 515 T.K. àry ny tempoly, izany hoe tao anatin’ny efa-taona mahery kely.—Ezra 6:15.
Mahita An’izay Hitan’i Zakaria ve Ianao?
16 Manome toromarika antsika koa i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Mety tsy ho azontsika tsara ny toromarika omen’io mpanompo io indraindray. Mety hatorony antsika mazava tsara, ohatra, hoe ahoana no tokony hatao mba hiomanana amin’ny loza iray, toy ny horohoron-tany. Isika anefa mihevitra hoe hoatran’ny tsy hitranga ao amin’ny faritra misy antsika akory izany. Na isika mieritreritra fa mitandrina loatra io mpanompo io mandritra ny valanaretina iray. Inona àry no tokony hataontsika raha mieritreritra isika hoe tsy mety ny toromarika omena antsika? Azontsika saintsainina ny soa noraisin’ny Israelita rehefa nanaraka ny tenin’i Josoa sy Zerobabela ry zareo. Afaka misaintsaina ohatra hafa ao amin’ny Baiboly koa isika. Nisy fotoana ny vahoakan’Andriamanitra nahazo toromarika eritreretintsika olombelona hoe tsy mety, nefa hay tena namonjy aina ilay izy!—Mpits. 7:7; 8:10.
Vatosoa Ara-panahy
Afaka Matoky ny Baiboly ve Ianao?
Ilay vola madinika dia natao tany Tarsosy, tanàna iray any amin’ny tapany atsimo atsinanan’i Torkia amin’izao fotoana izao. Notefena ilay vola madinika nandritra ny fanapahan’ilay governora persiana atao hoe Mazaeus, tamin’ny taonjato fahefatra T.K. Izy io dia mampahafantatra azy ho governoran’ny faritany “Andafin’ny Ony”, izany hoe ny Ony Eofrata.
Nahoana anefa no mahaliana io fitenenana io? Satria hahita izany fanondroana izany ihany ianao ao amin’ny Baibolinao. Ny Ezra 5:6–6:13 dia miresaka ny amin’ny fifanoratana taratasy teo amin’i Dariosy mpanjaka persiana, sy ny governora iray antsoina hoe Tatenay. Ny niadiany hevitra dia ny amin’ny fanorenan’ny Jiosy indray ny tempoliny tany Jerosalema. Mpanao kopia nahay ny lalàn’Andriamanitra i Ezra, ary hantenainao ho hentitra sy ho marina izy ao amin’izay nosoratany. Ho hitanao ao amin’ny Ezra 5:6 sy 6:13 fa nilaza an’i Tatenay ho “governoran’ny etỳ an-dafin’ny ony” izy.
Nanoratra izany i Ezra tany amin’ny taona 460 al.f.i. tany ho any, sahabo ho 100 taona talohan’ny nanefena io vola madinika io. Misy olona mety hihevitra fa tsipirian-javatra madinika ny anarana fanondroana mpiasam-panjakana iray fahiny. Kanefa raha afaka miantehitra amin’ireo mpanoratra ny Baiboly ianao na dia amin’ny antsipiriany madinika toy izany aza, moa ve izany tsy hampitombo ny fatokianao ireo zavatra hafa nosoratany?
10-16 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EZRA 7-8
“Nanome Voninahitra An’i Jehovah ny Fitondran-tenan’i Ezra”
Fianarana—Mahafa-po Sady Mahafaly
8 Eny, ny fitiavantsika ny Tenin’i Jehovah dia tokony ho avy amin’ny fontsika, ny fitoeran’ny fihetseham-po. Tokony hahita fahafinaretana amin’ny famerimberenana andalan-teny sasany vao avy novakintsika isika. Tokony hieritreritra ireo hevitra ara-panahy lalina isika, ka hifantoka tanteraka amin’izany sy hisaintsaina azy ireo. Mitaky fandinihana amim-panginana sy vavaka izany. Toa an’i Ezra, dia ilaintsika ny manomana ny fontsika ho amin’ny famakiana sy fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Izao no voasoratra mahakasika azy: “Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10) Mariho ny zava-kendrena telo nanomanan’i Ezra ny fony: mianatra, manao fampiharana manokana, ary mampianatra. Tokony hanaraka ny ohatra navelany isika.
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-13—1 Tantara
5 Tsy nisy nahafeno fepetra tsara kokoa noho i Ezra mba hanambatra ireo fanazavana nilaina ho an’io tantara azo itokiana sy araka ny marina io. “Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10). Nanampy azy tamin’ny alalan’ny fanahy masina i Jehovah. Nanaiky ilay mpanapaka persiana teo amin’izao tontolo izao fa tao amin’i Ezra ny fahendren’Andriamanitra, ary naniraka azy tamin’ny fanomezana azy fahefana sivily be dia be teo amin’ny zara-tanin’ny Joda, izy. (Ezra 7:12-26). Nahazo fahefana avy tamin’Andriamanitra sy ny emperora toy izany i Ezra, ka afaka nanambatra ireo tahirin-kevitra tsara indrindra azony nampiasaina ka nilainy ho an’ny fitantarany.
it “Fanetren-tena”: “Ahazoana tari-dalana tsara” § 1
Fanetren-tena
Ahazoana tari-dalana tsara. Afaka manantena ny hahazo tari-dalana avy amin’Andriamanitra ny olona manetry tena. Iray amin’ireny i Ezra. Vatan-dehilahy 1 500, ankoatra ny mpisorona sy ny Netinima ary ny zaza amam-behivavy, no nentiny niala tany Babylona mba hiverina tany Jerosalema. Andraikitra navesatra tokoa izany. Nitondra volamena sy volafotsy be dia be koa izy ireo handravahana ny tempoly tany Jerosalema. Nila mpiaro àry izy ireo teny an-dalana, nefa i Ezra tsy te hangataka miaramila tamin’ny mpanjakan’i Persa. Ho niantehitra tamin’ny herin’olombelona mantsy izy raha nanao izany. Efa niteny tamin’ilay mpanjaka koa izy hoe: “Ny tanan’Andriamanitray dia momba an’izay rehetra mitady azy sy te hanao ny tsara.” Nasain’i Ezra nifady hanina àry ny olona ka hanetry tena eo anatrehan’i Jehovah. Nangataka ny fanampian’Andriamanitra izy ireo, ary nihaino azy ireo izy, ka niaro azy ireo tamin’izay fahavalo niafina mba hanafika azy ireo teny an-dalana. Tonga soa aman-tsara izy ireo, na dia nampidi-doza aza ny dia. (Ezr 8:1-14, 21-32) Nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra koa i Daniela mpaminany tamin’izy babo tany Babylona, ka niangavy an’Andriamanitra mba hanome azy tari-dalana sy hanampy azy hahazo ny hevitry ny teniny. Tena nankasitrahan’Andriamanitra izy noho izy nanetry tena, ka nisy anjely nirahina tany aminy, tao anatin’ny fahitana.—Da 10:12.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
7:28–8:20—Nahoana no tsy nazoto nankany Jerosalema niaraka tamin’i Ezra ny Jiosy maro tany Babylona? Mbola zara raha vita ilay tanàna, na dia efa 60 taona aza no lasa taorian’ny nodian’ny andiany voalohany tamin’ny Jiosy. Tsy maintsy nanomboka fiainam-baovao ny olona nody tany Jerosalema, nefa sarotra sy nampidi-doza ny fiainana tany. Tsy ho nanintona ny Jiosy mpanefohefo tany Babylona koa ny toe-karena tany Jerosalema. Ankoatra izany, dia nampidi-doza ny lalana nankany. Tsy maintsy natoky tanteraka an’i Jehovah àry izay nody tany, ary tsy maintsy nazoto tamin’ny fivavahana marina sy nanana herim-po hanaovana ilay dia. Na i Ezra aza nila nampaherezin’ny tanan’i Jehovah. Nampahery ny hafa izy avy eo, ka nanaraka azy ny fianakaviana 1 500, izany hoe olona 6 000 teo ho eo angamba. Mbola nanentana ny hafa izy taorian’izay, ka nanaraka azy ny Levita 38 sy ny Netinima 220.
17-23 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EZRA 9-10
“Hijaly Isika Rehefa Tsy Mankatò”
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
9:1, 2—Inona no tena naha ratsy ny fanambadiana ny tompon-tany? Ny firenen’ny Israely tafaverina tany Jerosalema, dia natao hiaro ny fivavahana tamin’i Jehovah mandra-pahatongan’ny Mesia. Nanambady olona hafa firenena anefa ny sasany tamin’izy ireo. Tena nety ho nanimba ny fivavahana marina izany, satria ho nifangaro tamin’ny firenena mpanompo sampy ny firenen’ny Israely, ka mety ho nanjavona ny fivavahana madio. Ho avy amin’iza moa ny Mesia raha izany no nitranga? Tsy mahagaga àry raha nalahelo mafy i Ezra nahita ny zava-nitranga!
Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?
Hotahina isika raha mankatò an-tsitrapo. Hoy i Mosesy: ‘Tandremo ny didy izay andidiako anao anio, mba hahasoa anao.’ (Andininy 13) Mahasoa antsika tokoa ny didin’i Jehovah rehetra, izany hoe izay rehetra angatahiny amintsika. Azo antoka ny amin’izany, satria milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Omeny antsika àry ny didiny, mba handraisantsika soa maharitra. (Isaia 48:17) Hisoroka olana maro isika raha manao izay rehetra angatahin’i Jehovah amintsika. Hahazo fitahiana mandrakizay koa isika, eo ambany fitondran’ny Fanjakany.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
10:3, 44—Nahoana ny ankizy no noroahina niaraka tamin’ny reniny? Natahorana kokoa hiverina tany Jerosalema ireo vehivavy ireo, raha nijanona tany ny zanany. Matetika koa no mbola mila karakarain’ny reniny ny ankizikely.
24-30 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 1-2
“Tonga Aho dia Nivavaka”
Ataovy eo Anatrehanao Mandrakariva i Jehovah
5 Mila mivavaka haingana isika indraindray, mba hahazoana fanampiana amin’Andriamanitra. Voamarik’i Artaksersesy mpanjaka persianina, indray mandeha, fa maloka endrika i Nehemia, mpandroso divay. Nanontany azy izy hoe: “Inona ary no angatahinao?” “Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra” avy hatrany i Nehemia. Tsy afaka nivalampatra izy tamin’io vavaka mangina io. Namaly an’ilay vavaka anefa Andriamanitra, satria nanampy azy hanorina ny mandan’i Jerosalema ny mpanjaka. (Vakio ny Nehemia 2:1-8.) Misy vokany tokoa na dia ny vavaka fohy sy mangina aza.
Fitenenana Tsy An-kijery Soratra
Rehefa asaina manazava ny finoanao eo no ho eo ianao, inona no hataonao mba hilazana zavatra mandaitra? Araho ny ohatr’i Nehemia: Nivavaka anakampo aloha izy, vao namaly ny fanontanian’i Artaksersesy Mpanjaka. (Neh. 2:4) Avy eo, dia manaova drafitra ao an-tsaina haingana. Ireto avy ny dingana azonao arahina amin’izany: 1) Mifidiana hevitra iray na roa tokony hiditra ao amin’ny fanazavanao (Azonao ampiasaina ny hevitra efa hitanao tao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina.) 2) Fidio izay andinin-teny hanohananao ireo hevitra ireo. 3) Eritrereto mialoha izay fomba voalanjalanja azonao ampidiran-dresaka, mba hahatonga ilay mpanontany ho vonon-kihaino. Mitenena amin’izay.
Vatosoa Ara-panahy
Fandresen’ny fanompoam-pivavahana marina
Tsia, satria ny fahafoanan’i Jerosalema no antom-bavaka notononin’i Nehemia “andro aman-alina” hatramin’ny fotoana elaela (1:4, 6). Rehefa nanana fahafahana hilaza tamin’i Artaksersesy mpanjaka ny faniriany hanorina indray ny mandan’i Jerosalema izy, dia nivavaka indray, ka namerina tamin’izany izay efa nataony imbetsaka. Nanaiky ny fangatahany i Jehovah, ary tamin’izany no nanirahana an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’ny tanàna.
Fianarana ho antsika: Nitady ny fitarihan’i Jehovah i Nehemia. Rehefa manana fanapahan-kevitra lehibe tokony hatao isika, dia tokony ‘haharitra amin’ny fivavahana’ koa sy hanao zavatra mifanaraka amin’ireo torohevitr’i Jehovah.—Romana 12:12.
31 JOLAY–6 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 3-4
“Heverinao ve hoe Manambany Anao ny Manao Asa Vatana?”
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia
3:5, 27. Tsy tokony hanao toy ireo “olona ambonimbony” teo amin’ny Tekoita isika, ka hihevitra fa manambany antsika ny asa vatana atao ho an’ny fivavahana marina. Azontsika tahafina kosa ireo Tekoita tsotsotra, izay nahafoy tena.
Inona re no Hampiasan’i Jehovah Anao E?
11 Anisan’ny nampiasain’i Jehovah mba hanamboatra ny mandan’i Jerosalema ny zanakavavin’i Saloma, taonjato maro tatỳ aoriana. (Neh. 2:20; 3:12) Zanak’andriana ry zareo nefa vonona hanao asa sarotra sy nampidi-doza. (Neh. 4:15-18) Tsy nanao hoatran’ny Tekoita sasany ry zareo. Tsy nanetry tena mantsy ny olona ambony teo amin’ireo Tekoita, ka “tsy mba nanaiky hanompo” sy handray anjara tamin’ilay asa. (Neh. 3:5) Vita tao anatin’ny 52 andro monja ilay manda, ary azo antoka fa faly be ny zanakavavin’i Saloma tamin’izay. (Neh. 6:15) Be dia be koa ny anabavy vonona hiasa ho an’i Jehovah amin’izao. Mandray anjara amin’ny karazana fanompoana manokana izy ireny, ohatra hoe manorina na mikojakoja trano ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tena mila an’ireny anabavy mahay sy mazoto ary mendri-pitokisana ireny isika mba ho vita tsara ny asa.
Tahafo ny Fiheveran’i Kristy ny Fahamboniana
16 Tokony hiezaka hanahaka ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe ny Kristianina rehetra, na tanora na antitra. Misy asa isan-karazany tsy maintsy atao eo anivon’ny fiangonana. Aza sosotra mihitsy rehefa asaina manao asa heverina ho ambany ianao. (1 Samoela 25:41; 2 Mpanjaka 3:11) Ry ray aman-dreny, moa ve ianareo mampirisika ny zanakareo, na mbola kely izy na efa zatovo, mba hanao amim-pifaliana izay asa rehetra asaina ataony, ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ny toerana anaovana fivoriambe? Ary ianareo ve hitan’izy ireo manao asa heverina ho ambany? Mahatadidy tsara ny ohatra navelan’ny ray aman-dreniny, ny rahalahy iray manompo any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Hitako fa tena zava-dehibe tamin’izy ireo ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana na ny toerana nanaovana fivoriambe. Matetika mantsy izy ireo no nanolo-tena hanao asa hanampiana ny fiangonana na ireo rahalahy, na dia mety hoheverina ho asa ambany aza ilay izy. Izany toe-tsaina izany no manampy ahy hanaiky izay asa rehetra asaina ataoko eto amin’ny Betela.”
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia
4:11, 12—Ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray manao ilay fanorenana, amin’ny tanana ilany fotsiny? Tsy olana izany ho an’ireo mpibata entana. Raha vao tafakatra eo an-dohany na eo an-tsorony fotsiny ny entana, dia vitany tsara ny mihazona azy amin’ny tanana iray, “ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.” Ireo mpanorina nila tanan-droa kosa dia “samy nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany avy, ka dia nandrafitra.” Vonona hiady izy ireo, raha vao nisy fahavalo nanafika.
7-13 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 5-7
“Te Hanompo ny Hafa i Nehemia fa Tsy Te Hotompoina”
Mpanohana ny Fivavahana Marina—Taloha sy Ankehitriny
Tsy ny fotoanany sy ny fahaizany mandamin-javatra ihany no nomen’i Nehemia. Nanome izay nananany koa izy mba hanohanana ny fivavahana marina. Ny volany ihany no nanavotany ireo rahalahiny jiosy tamin’ny fanandevozana. Nampisambo-bola izy fa tsy naka tombony. Tsy mba “nahavaky tratra”, na nampitondra enta-mavesatra an’ireo Jiosy mihitsy izy, satria tsy nitaky vola fanampiana tamin’ny naha governora azy, na dia nanana zo hanao izany aza. Nivoha malalaka kosa ny tranony, mba handrosoana sakafo ho an’ireo olona ‘dimampolo amby zato, afa-tsy izay nankeo aminy avy tamin’ny firenena manodidina azy.’ Isan’andro dia nanome “omby iray sy ondry matavy enina ary vorona” ho an’ireo vahininy izy. Nanome azy ireo “divay samy hafa betsaka” koa izy, isaky ny folo andro. Izy daholo no niantoka izany rehetra izany.—Nehemia 5:8, 10, 14-18.
“Aza Miraviravy Tanana”
16 Nampian’i Jehovah i Nehemia sy ireo niaraka taminy, ka nifampahery sady lasa nazoto hanamboatra ny mandan’i Jerosalema. Vitan’izy ireo tao anatin’ny 52 andro monja ilay izy avy eo. (Neh. 2:18; 6:15, 16) Nandray anjara tamin’ilay asa mihitsy i Nehemia, fa tsy hoe nanara-maso an’ilay izy fotsiny. (Neh. 5:16) Maro ny anti-panahy manahaka azy. Mandray anjara amin’ny fanorenana ataon’ny fandaminana izy ireny, na manadio sy mikojakoja Efitrano Fanjakana. Miara-manompo amin’ny mpitory koa ireny anti-panahy be fitiavana ireny sady mitsidika ny ondry, ka manatanjaka an’ireo miraviravy tanana sy mitebiteby.—Vakio ny Isaia 35:3, 4.
Ahoana no Hahatsiarovan’i Jehovah Anao?
Asehon’ny Baiboly amin’ny fomba tsy miovaova, fa amin’Andriamanitra, ny hoe “mahatsiaro”, dia midika ho fanaovan-javatra hentitra. Ohatra, taorian’ny nanasaforan’ny rano ny tany nandritra ny 150 andro, ‘Andriamanitra dia nahatsiaro an’i Noa ary nampandeha rivotra eran’ny tany, ka dia nihena ny rano.’ (Genesisy 8:1) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nivavaka toy izao i Samsona, izay nataon’ny Filistina jamba sy nofatorany rojo vy: “Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja.” Nahatsiaro an’i Samsona i Jehovah, tamin’ny fanomezana azy hery nihoatra noho ny herin’olombelona, mba hahafahany hamaly faty amin’ny famelezana ireo fahavalon’Andriamanitra. (Mpitsara 16:28-30) Raha ny amin’i Nehemia indray, dia nitahy ny fiezahany i Jehovah, ka tafaverina tamin’ny laoniny, tao Jerosalema, ny fanompoam-pivavahana marina.
Vatosoa Ara-panahy
“Reseo Foana Amin’ny Tsara ny Ratsy”
15 Fahatelo, Israelita iray mpamadika indray no nampiasain’ny fahavalon’i Nehemia. Semaia no anarany, ary nasain’izy ireo nitarika an’i Nehemia handika ny Lalàn’Andriamanitra izy. Hoy i Semaia tamin’i Nehemia: “Andeha isika hiditra ao an-tranon’Andriamanitra ao anatin’ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy.” Nilaza i Semaia teo fa hisy hamono i Nehemia, ka tokony hiafina ao amin’ny tempoly izy raha tsy te ho faty. Tsy mpisorona anefa i Nehemia. Manota izy raha miafina ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Handika ny Lalàn’Andriamanitra ve izy, mba hamonjena ny ainy? Izao no navaliny: “Iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.” Nahoana i Nehemia no tsy voafitaka? Satria fantany fa na dia Israelita toa azy aza i Semaia, dia “tsy Andriamanitra no naniraka azy.” Tsy hampirisika azy handika ny Lalàn’Andriamanitra koa ny tena mpaminany. Mbola tsy nanaiky ho resin’ireo fahavalo ratsy fanahy ihany i Nehemia teo. Tsy ela taorian’izay, dia nanao tatitra izy hoe: “Vita tamin’ny roa amby dimam-polo andro ny mànda, dia tamin’ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ny volana Elola.”—Nehemia 6:10-15; Nomery 1:51; 18:7.
14-20 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 8-9
“Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Manda Fiarovana Anareo”
Lesona Avy Amin’ny Vavaky ny Levita
2 Nahavita nanorina indray ny mandan’i Jerosalema ny Jiosy, iray volana talohan’ilay fivoriambe voaresaka tetsy aloha. (Neh. 6:15) Tao anatin’ny 52 andro monja no nanaovan’izy ireo izany. Niezaka nanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra izy ireo, taorian’izay. Nivory teo amin’ny tany malalaka àry izy ireo ny voalohan’ny volana Tisry, mba hihaino an’i Ezra sy ny Levita hafa namaky sy nanazava ny Lalàn’Andriamanitra. (Sary 1) Teo daholo ny fianakaviana rehetra, dia izay “rehetra afaka mihaino ka mahazo ny hevitr’izay reny.” Nijoro sy nihaino izy ireo, “nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny mitataovovonana.” Ahoana ny amintsika izay manana Efitrano Fanjakana mampahazo aina? Miriorio ve ny saintsika indraindray rehefa mivory ka mieritreritra zavatra tsy dia lehibe? Tadidio ny ohatra tsara navelan’ny Israelita, raha izany no mitranga. Sady nihaino izy ireo no nandray am-po ny zavatra reny, ka nitomany mihitsy rehefa takany fa tsy nankatò ny Lalàn’i Jehovah ny fireneny.—Neh. 8:1-9.
‘Mandeha Araka ny Fanahy’ Foana ve Ianao?
9 Fifaliana. Haravoana avy ao am-po izy io. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1 Timoty 1:11; Salamo 104:31) Mahafinaritra an’i Jesosy ny manao ny sitrapon’ny Rainy. Ary ‘fiarovana mafy ho antsika ny fifaliana avy amin’i Jehovah.’—Nehemia 8:10; Salamo 40:8; Hebreo 10:7-9.
10 Raha manana ny fifaliana avy amin’Andriamanitra isika, dia tena hahafa-po antsika ny fanaovana ny sitrapony, na dia eo aza ny zava-tsarotra, fahoriana, na fanenjehana. Mahafaly tokoa ny “fahalalana an’Andriamanitra”! (Ohabolana 2:1-5) Lasa mifandray tsara amin’Andriamanitra isika, rehefa mahalala sy mino azy, ary mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. (1 Jaona 2:1, 2) Faly isika satria anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. (Zefania 3:9; Hagay 2:7) Mahafaly koa ny fanantenana momba ilay Fanjakana sy ny tombontsoa hitory ny vaovao tsara, ary ny fanantenana fiainana mandrakizay. (Matio 6:9, 10; 24:14; Jaona 17:3) Tena tokony “hifaly” isika noho izany fanantenana faran’izay tsara izany!—Deoteronomia 16:15.
Vatosoa Ara-panahy
it “Aramianina”: “Ilay fiteny” § 6
Aramianina
Novakin’i Ezra mpisorona tamin’ny Jiosy tafavory tao Jerosalema ny bokin’ny Lalàna, elaela taorian’ny nodiany avy tany Babylona. Nohazavain’ny Levita vitsivitsy ilay izy avy eo. Hoy ny Nehemia 8:8: “Ny Levita dia namaky mafy an’ilay boky, izany hoe ny lalàn’Andriamanitra, ka namelabelatra sy nanazava ny heviny. Dia nataon’izy ireo azon’ny olona tsara izay novakina.” Mety ho nohazavain’izy ireo na novelabelariny tamin’ny teny aramianina ny soratra hebreo, satria nampiasa teny aramianina angamba ny Hebreo tany Babylona. Angamba koa novelabelarina kokoa ny hevitr’izay novakina, na dia nahay teny hebreo aza ny Jiosy.
21-27 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 10-11
“Nahafoy Zavatra ho An’i Jehovah Izy Ireo”
Jerosalema Iray Mifanaraka Amin’ny Anarany
13 Nanomana ny vahoakan’Andriamanitra fahiny ho amin’ny andro fitokanana ny mandan’i Jerosalema ilay “fanekena mafy” nasiana tombo-kase tamin’ny andron’i Nehemia. Mbola nisy anefa raharaha maika hafa nila hodinihina. Rehefa voahidy ao anatin’ny manda lehibe nisy vavahady 12 izao i Jerosalema, dia nila mponina maro kokoa. Na dia nisy Isiraelita sasany aza efa nipetraka tao, dia “malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona” tao anatiny. (Nehemia 7:4) Mba hamahana io olana io, dia “nanao filokana” ny olona mba “hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina.” Nanosika ny olona hisaotra “ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema”, ilay fahavononana nanoloana io fandaharana io. (Nehemia 11:1, 2) Izany ka ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpivavaka marina amin’izao andro izao, izay manana fahafahana hifindra any amin’ny toerana ilana bebe kokoa ny fanampian’ny Kristianina matotra!
Fandresen’ny fanompoam-pivavahana marina
Hiteraka fandaniana sy fatiantoka sasany ny fandaozana ny fananana nolovan’ny tena mba hanorenam-ponenana any Jerosalema. Angamba nisetra loza isan-karazany koa ireo izay nonina tao amin’io tanàna io. Tao anatin’izany toe-javatra izany, ny Jiosy hafa dia nihevitra fa mendrika ny hoderaina ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary tsy isalasalana fa nivavaka mba hitahian’i Jehovah azy ireny.
Tian’i Jehovah ny Olona Manana Finoana
15 Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia nivoady hoe hanao ny sitrapony na inona na inona mitranga. Efa fantatsika tamin’izay fa mila mahafoy tena isika vao hahavita an’izany. Sarotra anefa izany indraindray rehefa zavatra tsy tiantsika no asaina ataontsika. Mila manam-pinoana àry isika. Ahoana no hanaporofoantsika an’izany? Hankatò an’i Jehovah foana isika ka ho vonona hanao izay asaina ataontsika, na dia tsy azoazontsika aza ilay izy na tena mafy be amintsika. Matokia fa be lavitra noho izay zavatra mety hafoinao ny fitahiana ho azonao. (Mal. 3:10) Ary nanao ahoana ilay zanak’i Jefta?
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia
10:35—Nahoana no nasaina nanome kitay ny vahoaka? Tsy notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny fanatitra hazo. Ny zavatra nilaina tamin’izany fotsiny no antony nitakiana an’ilay izy. Kitay be dia be no nilaina handorana an’ireo fanatitra teo amin’ny alitara. Toa tsy ampy ny Netinima, dia ireo andevo tsy Israelita tao amin’ny tempoly. Natao antsapaka àry izay olona hanome kitay, mba hisian’izany foana.
28 AOGOSITRA–3 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 12-13
“Aza Mivadika Amin’i Jehovah Rehefa Mifidy Namana”
it “Amonita”: “Nifanambady tamin’ny Israelita” § 2
Amonita
Rehefa noroahina niala tao amin’ny tempoly i Tobia, dia novakina sy nampiharina ny Deoteronomia 23:3-6. Voalazan’ilay lalàn’Andriamanitra ao fa tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’Israely ny Amonita sy ny Moabita. (Ne 13:1-3) Nomena io lalàna io efa 1 000 taona teo ho eo talohan’izay, satria tsy nety nanampy an’ireo Israelita nadiva hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Amonita sy ny Moabita. Midika izy io fa tsy afaka ny ho anisan’ny firenen’Israely izy ireo, sady tsy afaka ny hanana ny zo sy tombontsoa rehetra nananan’ny Israelita. Tsy midika anefa izany hoe tsy azon’ny Amonita na Moabita natao mihitsy ny nifandray tamin’ny Israelita na niara-nonina taminy, ka nahazo ny fitahian’Andriamanitra toy ny vahoakany ihany. Efa voalaza tetsy aloha, ohatra, fa Amonita i Zaleka, izay anisan’ireo lehiben’ny miaramilan’i Davida. Moabita koa i Rota.—Rt 1:4, 16-18.
Efa Nohamasinina Ianareo
5 Vakio ny Nehemia 13:4-9. Maro ny olona mitaona antsika hanao ratsy, ka sarotra ny ho masina foana. Diniho ny ohatr’i Eliasiba sy Tobia. Mpisoronabe i Eliasiba. I Tobia kosa Amonita ary angamba niasa ho an’ny Fanjakana Persianina tao Jodia. Nanohitra an’i Nehemia i Tobia sy ny namany, rehefa niezaka nanorina indray ny mandan’i Jerosalema izy. (Neh. 2:10) Tsy nahazo niditra tao amin’ny tempoly ny Amonita. (Deot. 23:3) Nahoana anefa i Tobia no nomen’ilay mpisoronabe efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly?
6 Lasa namana akaikin’i Eliasiba i Tobia. Nanambady vehivavy jiosy koa i Tobia sy Johanana zanany lahy, ary nidera an’i Tobia ny Jiosy maro. (Neh. 6:17-19) Ankoatra izany, dia mpinamana akaiky izy sy Sanbala, governoran’i Samaria, izay rafozan’ny zafikelin’i Eliasiba. (Neh. 13:28) Nety ho izany fifandraisana izany no nahatonga an’i Eliasiba Mpisoronabe hanaraka izay nolazain’i Tobia, na dia tsy Israelita aza izy io sady mpanohitra. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa i Nehemia, ka natsipiny avy tao amin’ilay efitra fisakafoana daholo ny fanak’i Tobia.
Fiatrehana Ilay Zava-tsarotra, dia ny Tsy Fivadihana
6 Raha tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra isika, dia hanalavitra ny fisakaizana amin’izay rehetra fahavalony. Izany no antony nanoratan’i Jakoba mpianatra toy izao: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4) Irintsika ny hanana ilay tsy fivadihana izay nahariharin’i Davida Mpanjaka fony izy nilaza hoe: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” (Salamo 139:21, 22) Tsy irintsika ny hifanerasera amin’izay mety ho mpanota an-tsitrapo, satria tsy misy na inona na inona iombonantsika amin’izy ireny. Moa ve ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra tsy tokony hisakana antsika tsy hifanerasera amin’iza na iza fahavalon’i Jehovah toy izany, na mivantana, na amin’ny fanelanelanan’ny televiziona?
Vatosoa Ara-panahy
it “Mozika”: “Feon’ny mpihira” § 2
Mozika
Nitana toerana lehibe ny hira tao amin’ny tempoly, matoa resahin’ny Baiboly imbetsaka ny mpihira. “Tsy nomena andraikitra” fanaon’ny Levita hafa koa izy ireo, mba ho afaka hifantoka tanteraka amin’ny fanompoany. (1Ta 9:33) Mbola antokona Levita manokana foana izy ireo na dia taorian’ny sesitany aza, matoa navahana tao amin’ny lisitr’ireo nody avy tany Babylona. (Ezr 2:40, 41) Na i Artaksersesy (Lava Tanana) mpanjakan’i Persa aza tsy nampandoa “hetra na haba na hetran-dalana” azy ireo sy ny antokon’olona manokana hafa. (Ezr 7:24) Nandidy ny hisian’ny “fandaharana raikitra hanomezana an’ireo mpihira ny zavatra ilainy isan’andro” koa ilay mpanjaka. Azo inoana kokoa anefa hoe i Ezra no namoaka an’io didy io, noho ny fahefana nomen’i Artaksersesy azy. (Ne 11:23; Ezr 7:18-26) Tsy mahagaga àry raha avahan’ny Baiboly ny mpihira amin’ilay hoe ‘ny mpihira sy ny Levita’, na dia Levita koa aza ny mpihira.—Ne 7:1; 13:10.