Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
6-12 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 13-14
“Raha Maty ny Olona, dia ho Velona Indray ve?”
Ny Fikatsahantsika Fiainana Lava Kokoa
NA AMIN’IZAO andro izao aza, dia vitsy no hitsipaka an’io hevitra vokatry ny fisaintsainana ny hafohin’ny fiainana io, na dia 3500 taona lasa teo ho eo aza izay no nanoratana azy io. Hitan’ny olona ho tsy mahafa-po foana ny hoe mandia vetivety ireo taonan’ny fahavitrihana, ary avy eo dia mihantitra sy maty. Nitombo be dia be, noho izany, ireo fomba natao hanalavana ny fiainana, nandritra ny tantara manontolo.
Tamin’ny andron’i Joba, dia nihinana ny vihim-biby ny Ejipsianina sao mba miverina indray ho amin’ny fahatanorana. Tsy nahomby anefa izany. Ny hamokarana ody faty hahazoana fiainana lava kokoa no iray tamin’ireo zava-nokendrena lehibe indrindra tamin’ny alsimia tamin’ny Moyen Âge. Mpanao alsimia maro no nihevitra fa hanome fiainana tsy ahitam-pahafatesana ny volamena voatr’olombelona, ary hanalava kokoa ny fiainana ny fihinanana sakafo amin’ny vilia volamena. Nihevitra ireo Taoista sinoa tamin’ny andro fahiny fa azon’izy ireo natao ny nanova ny toetoetra simikan’ny vatana, tamin’ny fampiasana teknika toy ny fisaintsainana, ny fampiasan-tena fanatsarana ny fisefoana, ary ny fitandreman-tsakafo, ka amin’izay, hono, dia ho azon’izy ireo atao ny hahazo ny tsy fahafatesana.
Ilay Espaniola mpamantatra tany vaovao, atao hoe Juan Ponce de León, dia fantatra ho nikaroka foana ilay loharanon’ny fahatanorana, saingy tsy nety afa-po tamin’izay fikarohana nataony. Ny dokotera iray tamin’ny taonjato faha-18 dia nanolo-kevitra toy izao, ao amin’ilay bokiny hoe Hermippus Redivivus: Tokony hisy virjiny tanora maromaro havela hihiboka ao anaty efitra kely iray, amin’ny lohataona, ka hangonina ao anaty tavoahangy ny fofonain’izy ireo, mba hampiasaina ho ranom-panafody mahela velona. Mazava ho azy fa tsy nisy nahomby ireny fomba rehetra ireny.
Mbola Hitsimoka Indray ve ny Hazo Raha Tapahina?
TSY dia manaitra noho ny hazo sedera mijoalajoala any Libanona angamba ny hazo oliva, amin’izato vatany miolakolaka sy marokoroko. Mahavariana anefa fa mafy toto ny hazo oliva. Mahatratra 1 000 taona eo ho eo ny sasany aminy. Misandrahaka be ny fakany ka afaka ny ho velona indray ilay hazo, na dia potika aza ny vatany. Mitsimoka izy raha mbola velona ny fakany.
Nino i Joba fa mbola ho velona indray izy na dia tsy maintsy ho faty aza. (Joba 14:13-15) Niresaka momba ny hazo izy mba hampisehoana fa natoky hoe afaka manangana azy Andriamanitra. Hazo oliva angamba no noresahiny. Hoy izy: “Mbola misy fanantenana na ho an’ny hazo aza. Raha tapaka mantsy izy, dia mbola hitsimoka indray.” Velona indray ny fototry ny hazo oliva efa maina, rehefa avy ny orana aorian’ny hain-tany mafy. Misy tsimoka mipoitra avy amin’ny fakany, ka lasa misy “rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry” ilay hazo.—Joba 14:7-9.
“Haniry Mafy Hahita” Azy Ianao
Andraisantsika lesona sarobidy momba an’i Jehovah ny tenin’i Joba: Tena tiany ny olona, toa an’i Joba, izay manaiky hovolavolainy mba ho lasa olona mahafinaritra eo imasony. (Isaia 64:8) Sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika. ‘Maniry mafy hahita’ an’ireo olona maty tsy nivadika taminy izy. Milaza ny manam-pahaizana iray fa “tena mety tsara ilazana fihetseham-po lalina” ilay teny hebreo nadika hoe maniry mafy. Tsy vitan’ny hoe tsaroan’i Jehovah fotsiny ny mpanompony, fa tsy andriny mihitsy izay hananganana azy amin’ny maty.
Vatosoa Ara-panahy
it Lavenona § 5
Lavenona
Ilazana zavatra tsy misy vidiny koa ny lavenona. Niaiky teo anatrehan’i Jehovah, ohatra, i Abrahama fa “vovoka sy lavenona” ny tenany. (Ge 18:27; jereo koa Is 44:20; Jb 30:19.) Nanao “ohabolana tsy misy ilana azy toy ny lavenona”, hoy i Joba, ireo mody nampionona azy.—Jb 13:12.
13-19 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 15-17
“Aza Manahaka An’i Elifaza”
Tohero ny Fiheveran-diso!
Nilaza i Elifaza tamin’ireo lahateny telo nataony, fa faran’izay sarotra ampifalina Andriamanitra, ka tsy misy mahafa-po azy izay ataon’ny mpanompony. Hoy i Elifaza tamin’i Joba: “Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra [na ahitany tsiny].” (Joba 4:18) Nanontany izy avy eo hoe: “Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina hianao?” (Joba 22:3) Niray hevitra taminy koa i Bildada satria nilaza hoe: “Ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imason[’Andriamanitra].”—Joba 25:5.
Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanaiky izany fomba fihevitra izany. Mety hahatonga antsika hieritreritra mantsy izany fa mitaky be loatra amintsika Andriamanitra. Manimba ny fifandraisantsika aminy izany. Raha izany koa no fisainantsika, mety hanao ahoana moa isika rehefa mahazo famaizana? Mety ho ‘sosotra amin’i Jehovah’ ny fontsika, ka ho tezitra aminy isika, fa tsy hanetry tena ka hanaiky hahitsy. (Ohabolana 19:3) Tena hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah izany!
Miezaha Hanetry Tena sy Hangoraka toa An’i Jesosy
16 Ny tenintsika: Mandrisika antsika “hanao teny mampahery ny kivy” ny fangorahana. (1 Tes. 5:14) Inona no azontsika lazaina mba hampaherezana azy ireny? Hampahery azy ireny isika raha tsapa amin’ny tenintsika fa tena tia sy miahy azy. Azo atao ny midera azy amin’ny fo mba ho tsapany fa manana toetra tsara sy fahaizana izy. Azo ampahatsiahivina azy koa fa sarobidy amin’i Jehovah izy matoa notaominy mba hanara-dia ny Zanany. (Jaona 6:44) Afaka manome toky azy koa isika fa tena miahy an’ireo mpanompony “torotoro fo” sy “ketraka” i Jehovah. (Sal. 34:18) Mety hampitraka an’ireo mila fampiononana ny teny feno fangorahana lazaintsika.—Ohab. 16:24.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joba
7:9, 10; 10:21; 16:22—Midika ve ireo tenin’i Joba ireo hoe tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy? Mahakasika ny zavatra niandry an’i Joba ireo teny ireo. Ny tiany holazaina angamba dia hoe tsy hisy hahita azy ny mpiara-belona aminy raha ho faty izy. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy hiverina any an-tranony intsony izy, ary tsy hisy hahalala azy intsony, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Ny tian’i Joba holazaina koa angamba dia hoe tsy misy mihitsy afaka manangan-tena avy any am-pasana. Hita amin’ny Joba 14:13-15, fa nanantena ny fitsanganana amin’ny maty izy.
20-26 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 18-19
“Aza Ariana ny Mpiara-manompo Aminao”
Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Ranomason’i Jesosy?
9 Afaka mampahery an’izay nidonam-pahoriana ianao. Niara-nitomany tamin’i Marta sy Maria i Jesosy, ary nihaino an-dry zareo sy nilaza teny mampahery taminy. Afaka manao hoatr’izany amin’ny olona manana havana na namana maty koa isika. Izao no notenenin’i Dan, anti-panahy any Aostralia: “Tena nila fampaherezana aho rehefa maty ny vadiko. Nisy mpivady maromaro vonona hihaino ahy, na andro na alina. Navelan-dry zareo hampiseho ny alaheloko aho, ary tsy sadaikatra ry zareo nahita ahy nitomany. Nanampy tamin’ny fomba hafa koa ry zareo. Nisy fotoana aho tsy nahavita nanadio aotomobilina sy niantsena na nahandro sakafo, dia ry zareo no nanao an’izany. Tsy izay ihany fa nivavaka niaraka tamiko matetika ry zareo. Tena namana sady tena rahalahy ‘natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra’ ry zareo.”—Ohab. 17:17.
Misy Olona Tianao Niala Tamin’i Jehovah Ve?
16 Ampio foana ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika ao amin’ilay fianakaviana. Vao mainka ry zareo izao mila ny fitiavana sy ny fampaherezana avy aminao. (Heb. 10:24, 25) Indraindray anefa ny fianakavian’ilay olona voaroaka mahatsapa hoe ataon’ny mpiara-manompo hoatran’ny voaroaka koa ry zareo. Aza avela hitranga mihitsy izany! Ny tanora no tena mila deraina sy ampaherezina raha niala tamin’ny fahamarinana ny ray aman-dreniny. Voaroaka, ohatra, ny vadin’i Maria sady nandao azy sy ny zanany. Izao no nolazainy: “Tonga tao an-trano ny namako sasany, dia nahandro ny sakafonay. Nanampy ahy hianatra Baiboly niaraka tamin’ny zanako koa ry zareo. Azon-dry zareo tsara ny alaheloko, dia niara-nitomany tamiko ry zareo. Niaro ahy koa ny namako rehefa nisy nanely tsaho momba ahy. Tena nampahery ahy ny nataony!”—Rom. 12:13, 15.
Miezaka mba handroso ve ianao?
20 Tokony ho takatry ny kolejin’ny loholona fa mety hiteraka fihenjanana eo amin’ny mpiandraikitra na mpikarakara momba ny asa taloha ny fanesorana azy ireny amin’ny toerany, na dia mahafoy an-tsitrapo ilay tombontsoa aza izy. Raha tsy voaroaka ilay rahalahy nefa hitan’ireo loholona fa ketraka, dia tokony hanome fanampiana ara-panahy feno fitiavana izy ireo. (1 Tesaloniana 5:14) Tokony hampian’izy ireo izy hahatakatra fa ilaina ao amin’ny kongregasiona izy. Na dia nilaina aza ny torohevitra, dia mety tsy ho ela akory dia hahazo tombontsoam-panompoana fanampiny ao amin’ny kongregasiona indray ny lehilahy iray manetry tena sy mankasitraka.
Vatosoa Ara-panahy
Ny Herin’ny Teny Iray Mampiseho Hatsaram-panahy
Kanefa, rehefa nila fampaherezana ny tenan’i Joba mihitsy, dia tsy namoaka teny mampiseho hatsaram-panahy i Elifaza sy ireo namany. Nanome tsiny an’i Joba izy ireo noho ny fahoriana nanjo azy, tamin’ny filazana tsy nivantana fa tsy maintsy nanana fahadisoana niafina sasany izy. (Joba 4:8) Manome fanazavana toy izao ny The Interpreter’s Bible: “Izay nilain’i Joba dia fangorahan’ny fon’olombelona. Izay azony dia fitohitohizam-pitenenana ara-pivavahana niverimberina foana, izay ‘marina’ tanteraka sy kanto tanteraka, ary fanamarihana mankaleo ara-pitondran-tena.” Sahiran-tsaina mafy aoka izany i Joba tamin’ny fandrenesana ny tenin’i Elifaza sy ireo namany, hany ka voatery nitaraina toy izao izy: “Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?”—Joba 19:2.
Tsy tokony hahatonga mpiara-manompo an’Andriamanitra hitaraina ao anatin’ny fahoriana na oviana na oviana isika noho ny tenintsika tsy mampiseho hatsaram-panahy sy fiheverana. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 24:15.) Mampitandrina toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay lazainao dia afaka mitsimbina ny aina na mandringana azy io; koa tsy maintsy manaiky ny vokatry ny teninao ianao.”—Ohabolana 18:21, TEV.
27 NOVAMBRA–3 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 20-21
“Tsy Voatery Hanan-karena ny Olo-marina”
“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?
12 Nasehon’i Jesosy fa mifanohitra ny hoe manankarena amin’Andriamanitra sy ny hoe mihary harena ho an’ny tena, na manao izay hampanan-karena ny tena. Nohazavainy tamin’izany fa tsy ny fanangonana harena, na ny fankafizana izay efa ananantsika, no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Tokony hampiasa ny fananantsika kosa isika, mba hanatsarana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Azo antoka fa hanan-karena amin’Andriamanitra isika amin’izay. Nahoana? Satria ahazoana fitahiana maro avy aminy izany. Hoy ny Baiboly: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”—Ohabolana 10:22.
Vatosoa Ara-panahy
Fandresena An’i Satana sy Ireo Asany
19 Mahaliana fa i Joba mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy nisetra “eritreritra tsy nampandrimandry” izay nampitain’i Satana tamin’ny alalan’i Elifaza sy i Zofara. (Joba 4:13-18, NW; 20:2, 3, NW) Araka izany i Joba dia nijaly noho ny ‘fahasosorana’, izay nahatonga azy hanaram-po tamin’ny ‘rediredy’ momba ny “fampitahorana” izay nampahory ny sainy. (Joba 6:2-4; 30:15, 16) Nihaino tamim-panginana an’i Joba i Eliho, ary nanampy azy tamim-pahatsorana hahita ny fomba fijery zavatra feno fahendrena tanteraka ananan’i Jehovah. Toy izany koa amin’izao andro izao, fa ireo loholona mahatakatra ny fihevitry ny hafa dia mampiseho fa miahy ireo ory izy amin’ny tsy fanampiana ‘fanavesarana’ bebe kokoa amin’izy ireny. Sahala amin’i Eliho, dia hihaino azy ireny amim-paharetana kosa izy ireo, ary avy eo dia hanosotra ilay diloilo mampitonin’ny Tenin’Andriamanitra. (Joba 33:1-3, 7; Jakoba 5:13-15) Araka izany, na iza na iza manana fihetseham-po voahelingelin’ny fikorontanana anaty tena nisy na nonofinofisina, na ‘matahotra amin’ny nofy sy amin’ny fahitana’ sahala amin’i Joba, dia afaka mahita fampiononana araka ny Soratra Masina mampitony ao anatin’ny kongregasiona.—Joba 7:14, NW; Jakoba 4:7.
4-10 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 22-24
“Mila Olona Angaha moa Andriamanitra?”
Tohero ny Fiheveran-diso!
Eo koa ilay fiheverana hoe tsy misy ilan’Andriamanitra azy ny olona. Izao no fanontanian’i Elifaza tamin’ny lahateniny fahatelo: “Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona? ... Sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?” (Joba 22:2a, 3b) Te hilaza i Elifaza fa tsy misy ilan’Andriamanitra azy ny olona. Toy izany koa ny tenin’i Bildada nanao hoe: “Aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?” (Joba 25:4) Toa te hilaza izy ireo hoe ahoana moa no hahatonga an’i Joba ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, nefa izy olombelona mety maty ihany?
Misy olona mijaly ankehitriny, satria mihevi-tena ho tsy misy ilana azy. Ny fomba nitaizana azy sy ny adim-piainana angamba no nahatonga izany, na noho ilay olona nankahalaina satria hafa foko. Faly manambany olona koa anefa i Satana sy ny demoniany. Manjary mora mamoy fo ny olona, raha vitan’i Satana sy ny demoniany ny mampiaiky azy fa tsy misy mahafa-po an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny zavatra ataony. Mety ho voatarika hiala amin’ilay Andriamanitra velona mihitsy ny olona toy izany, rehefa mandeha ny fotoana.—Hebreo 2:1; 3:12.
Tsy mahavita zavatra firy isika rehefa mihantitra sy marary. Mety ho tena kely ny fanompoana vitantsika ankehitriny, raha ampitahaina amin’ny nataontsika fony isika mbola tanora sy salama ary natanjaka kokoa. Tena ilaina ny mitadidy hoe tian’i Satana sy ny demoniany ny hieritreretantsika fa tsy mahafa-po an’Andriamanitra izay vitantsika! Tsy maintsy toherintsika izany fomba fihevitra izany.
Fianarana ny Amin’ny Fomba Hiatrehana Ireo Zava-manahirana
Ireo namany telo lahy dia nanampy trotraka ny fahorian’i Joba tamin’ny fanehoana hevitra manokana, fa tsy ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Nilaza mihitsy aza i Elifaza fa ‘Andriamanitra dia tsy matoky ireo mpanompony’ ary tsy zava-dehibe tamin’i Jehovah na olo-marina i Joba na tsia. (Joba 4:18; 22:2, 3) Sarotra ny misaintsaina fanamarihana mahakivy kokoa na tsy marina kokoa noho izany! Tsy mahagaga raha nanome tsiny an’i Elifaza sy ireo namany i Jehovah tatỳ aoriana noho io fitenenan-dratsy io. “Ianareo dia tsy mba nilaza izay marina mikasika ahy”, hoy izy. (Joba 42:7, NW) Ny fanambarana mandratra indrindra anefa dia mbola hanaraka.
Tanora Mampifaly ny Fon’i Jehovah
10 Asehon’ny Baiboly fa nolazain’i Satana hoe tsy azo antoka ny tsy fivadihan’i Joba sy ny tsy fivadihan’izay rehetra manompo an’Andriamanitra, anisan’izany ianao. Niresaka momba ny olombelona amin’ny ankapobeny izy, rehefa nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona [fa tsy i Joba irery] dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:4) Hitanao ve hoe inona no anjara asanao amin’io raharaha lehibe io? Araka ny Ohabolana 27:11, dia milaza i Jehovah fa misy zavatra azonao omena azy, mba hamaliany an’i Satana, ilay miteny ratsy azy. Eritrereto ange e! Ny Tompon’izao Rehetra Izao no manasa anao handray anjara amin’ilay raharaha lehibe indrindra hatramin’izay. Tena andraikitra sy tombontsoa tsy manam-paharoa tokoa izany! Afaka manao izay angatahin’i Jehovah aminao ve ianao? Nanao izany i Joba. (Joba 2:9, 10) Nanao izany koa i Jesosy sy ny olona be dia be, anisan’izany ny tanora maro. (Filipiana 2:8; Apokalypsy 6:9) Afaka manao izany koa ianao. Tadidio tsara anefa fa tsy maintsy misafidy ianao amin’io raharaha io. Ho hita amin’ny ataonao hoe manohana ny fitenenan-dratsin’i Satana ve ianao, sa manohana ny famalian’i Jehovah. Hiandany amin’iza àry ianao?
Miahy anao i Jehovah!
11 Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ve ny safidy ataonao? Tsy efa betsaka ve ny olona tsy nivadika taminy, ka afaka mamaly tsara an’i Satana amin’izay izy? Marina fa nilaza ny Devoly hoe tsy misy olona manompo an’i Jehovah noho ny fitiavana, ary efa voaporofo fa diso izany. Na izany aza, dia tian’i Jehovah hanohana ny zony hitondra ny olombelona ianao, satria miahy anao izy. Hoy i Jesosy: “Tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny.”—Matio 18:14.
12 Mazava àry fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny safidy ataonao. Misy fiantraikany eo aminy mihitsy aza izany. Ambaran’ny Baiboly fa mampihetsi-po lalina an’i Jehovah ny zavatra tsara na ratsy ataon’ny olombelona. ‘Nalahelo’, ohatra, izy rehefa nikomy matetika ny Isiraelita. (Salamo 78:40, 41) “Nalahelo ny fony” nahita fa “be ny faharatsian’ny olona”, talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:5, 6) Eritrereto ange ny dikan’izany e! Hampalahelo ny Mpamorona anao ianao, raha manao ratsy. Tsy midika izany hoe malemy izy na baikoin’ny fony. Midika kosa izany fa tia anao izy sady miahy izay hahasoa anao. Faly ny fon’i Jehovah, rehefa manao ny tsara ianao. Tsy noho izy afaka manamafy ny famaliany an’i Satana fotsiny no mahafaly azy, fa noho izy afaka mamaly soa anao koa. Ary tena maniry hanao izany izy. (Hebreo 11:6) Manana Ray be fitiavana tokoa ianao, dia i Jehovah Andriamanitra!
Vatosoa Ara-panahy
Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona
Diniho ny fomba namitan’i Jehovah ny famoronana an’izao rehetra izao. Hoy ny teniny, isaky ny vita ny fe-potoam-pamoronana tsirairay: “Dia nisy hariva, ary nisy maraina.” (Genesisy 1:5, 8, 13, 19, 23, 31) Fantany tsara ny tanjony ho an’ny fe-potoana tsirairay teo am-panombohan’izy ireny, ka nahavita izay nokasainy izy, dia ny famoronana. (Apokalypsy 4:11) Hoy i Joba, loham-pianakaviana fahiny: “Na inona na inona irin’ny fanahiny [ny an’i Jehovah] dia ataony.” (Joba 23:13) Tsy maintsy ho tena afa-po i Jehovah rehefa nahita “izay rehetra nataony”, ka nilaza fa “tsara indrindra” izany!—Genesisy 1:31.
Tsy maintsy maniry mafy ny hanatontosa ny tanjontsika koa isika, raha tiantsika ny hanatratra izany. Inona no hanampy antsika amin’izany? Na mbola tsy nisy endrika sady foana aza ny tany, dia efa tsinjon’i Jehovah fa ho lasa vatosoa kanto eo amin’ny habakabaka izy io, ka hanome voninahitra azy. Toy izany koa isika. Hitombo ny faniriantsika hanatontosa ny tanjontsika, raha saintsainintsika ny soa hoentin’ny fanatratrarana izany. Izany mihitsy no nitranga tamin’i Tony. Tsy hadinony mihitsy ilay fihetseham-pony tamin’izy nitsidika voalohany ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Eoropa Andrefana. Izao no fanontaniana tsy afaka tao an-tsainy, nanomboka teo: ‘Hanao ahoana re izany hoe hipetraka sy hanompo ao amin’ny toerana tahaka an’io izany e?’ Nieritreritra foana izy fa azo tanterahina ny faniriany, ka niezahiny notratrarina. Tena faly izy rehefa nekena ny fangatahany hanompo tao amin’ilay sampana, taona maromaro tatỳ aoriana!
11-17 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 25-27
“Mahavita Tsy Mivadika ny Olona Tsy Lavorary”
it Tsy Fivadihana: “Ny tsy fivadihana sy ny zon’Andriamanitra hitondra” § 4
Tsy Fivadihana
Joba. Azo inoana fa velona teo anelanelan’ny fotoana nahaveloman’i Josefa sy Mosesy i Joba. “Lehilahy tsy nanan-tsiny [heb.: tam] izy, sady marina sy natahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.” (Jb 1:1; jereo JOBA.) Nanontany momba an’i Joba i Jehovah, rehefa tonga nanatrika ny fivoriamben’ireo anjely tany an-danitra i Satana Fahavalony. Hita amin’izany fa anisan’ny niadian-kevitra teo amin’i Jehovah Andriamanitra sy Satana ny tsy fivadihan’ny olona. Nilaza i Satana fa fitiavan-tena no antony nanompoan’i Joba an’Andriamanitra, fa tsy hoe tena tia an’Andriamanitra sy nifikitra taminy izy. Te hilaza àry i Satana fa tsy azo antoka hoe tsy hivadika i Joba. Tsy nahavita nitarika an’i Joba hivadika anefa izy, na dia navela handripaka ny harem-ben’i Joba mbamin’ny zanany mihitsy aza. (Jb 1:6–2:3) Nilaza indray i Satana fa tia tena i Joba ka tsy nampaninona azy ny namoy ny fananany sy ny zanany raha mbola afaka niaro ny ainy izy. (Jb 2:4, 5) Nokikisan’ny aretina nampijaly àry i Joba, ary niaritra ny fanakivian’ny vadiny sy ny fanakianana nankarary fo nataon’ireo namany izay nanolana ny fitsipika sy ny fikasan’Andriamanitra. (Jb 2:6-13; 22:1, 5-11) Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy anefa i Joba. Hoy izy: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko. Hazoniko mafy ny fahamarinako, ka tsy havotsotro. Tsy hanome tsiny ahy na oviana na oviana ny foko.” (Jb 27:5, 6) Tsy nivadika tokoa izy ka hita amin’izany fa mpandainga ilay Fahavalon’Andriamanitra.
Aza Mivadika Mihitsy!
3 Tsy mivadika ny mpanompon’i Jehovah raha tia azy amin’ny fo manontolo sady mahafoy tena ho azy, ka izay mampifaly an’i Jehovah foana no ataony. Fa inona no tena hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “tsy mivadika”? Ilazana zavatra feno, manontolo, tsy misy kilema, ary tsy misy tsininy izy io. Rehefa nanao sorona ho an’i Jehovah, ohatra, ny Israelita, dia biby tsy misy kilema no nasain’ny Lalàna nomena. (Lev. 22:21, 22) Tsy mety raha biby tapa-tongotra, na poa-maso, na tsy misy sofina ilany, na marary no atao sorona. Zava-dehibe tamin’i Jehovah ny hoe biby manontolo, izany hoe tsy nisy kilema, no nomena azy. (Mal. 1:6-9) Rariny i Jehovah raha nitaky an’izany. Ianao ve, ohatra, dia hividy voankazo lo, na boky misy pejy efa niala, na fitaovana tsy ampy piesy? Zavatra feno sy tsy misy tsininy no tianao. Tian’i Jehovah koa raha hoatr’izany ny fitiavantsika azy sy ny tsy fivadihantsika aminy. Tokony ho feno sy tsy hisy tsininy izany.
4 Tsy maintsy lavorary ve izany isika vao hahavita tsy hivadika? Tsy izany mihitsy! Isika mantsy mpanota dia manao fahadisoana imbetsaka. Tsy tokony hatahotra anefa isika rehefa jerena ireto antony roa ireto. Voalohany, tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô?” (Sal. 130:3) Fantany hoe tsy lavorary isika, dia vonona hamela heloka izy. (Sal. 86:5) Faharoa, fantatr’i Jehovah hoe voafetra ihany ny zavatra vitantsika, ary tsy hampanao zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy. (Vakio ny Salamo 103:12-14.) Ahoana àry no hahatonga antsika ho feno na tsy misy kilema eo imason’i Jehovah?
5 Ny fitiavana no hanampy antsika mpanompon’i Jehovah tsy hivadika aminy. Tokony ho tia an’ilay Raintsika any an-danitra sy hahafoy tena ho azy isika, ary tokony ho feno sy tsy hisy tsininy izany. Tsy mivadika isika raha hoatr’izany foana ny fitiavantsika azy, na dia rehefa misy zava-tsarotra aza. (1 Tan. 28:9; Mat. 22:37) Eritrereto indray ireo Vavolombelon’i Jehovah telo teo. Tsy te hifalifaly ve ilay ankizivavy, tany am-pianarana? Te ho afa-baraka ve ilay ankizilahy teny am-pitoriana? Te ho voaroaka amin’ny asany ve ilay raim-pianakaviana? Tsy izany mihitsy. Fantatr’izy ireo hoe ny fitsipik’i Jehovah no tsara, dia izay hampifaly an’io Rainy io no ifantohany. Tiany i Jehovah ka mieritreritra azy foana izy ireo alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Nasehon’izy ireo tamin’ny nataony àry hoe tsy mivadika izy ireo.
Vatosoa Ara-panahy
Nahoana ny Vahoakan’i Jehovah no Voalamina Tsara?
3 Hita amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah fa faran’izay mahay mandamin-javatra izy. Hoy ny Ohabolana 3:19: “Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, ary fahaiza-manavaka no nanaovany izay hahamafy orina ny lanitra.” “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany” no fantatsika, ary “vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy.” (Joba 26:14) Kely fotsiny, ohatra, ny zavatra fantatsika momba ny planeta sy ny kintana ary ny vahindanitra. Hitantsika anefa hoe tena milamina tsara izy ireny. (Sal. 8:3, 4) Misy kintana an-tapitrisany ao amin’ny vahindanitra tsirairay, nefa milamina tsara izy ireny rehefa mivezivezy. Eritrereto koa ireo planeta mihodidina ny masoandro. Tsy mikorontana mihitsy izy ireny, fa toy ny fiara manaraka tsara ny lalàn’ny fifamoivoizana. Mahavariana tokoa ny lamina misy eo amin’izao rehetra izao! Hitantsika amin’izany fa nanao ny lanitra sy ny tany “tamin’ny fahiratan-tsainy” i Jehovah, ka tokony hidera sy hanompo azy isika ary tsy hivadika aminy.—Sal. 136:1, 5-9
18-24 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 28-29
“Tsara Laza Hoatran’i Joba ve Ianao?”
Anehoy Hatsaram-panahy Miharo Fitiavana Ireo Mila Fanampiana
19 Asehon’ireo tantara nodinihintsika tao amin’ny Baiboly ireo koa fa aseho amin’ny olona mila fanampiana ny famindram-po. Nila ny fanampian’i Betoela i Abrahama mba hitohizan’ny taranany. Nila ny fanampian’i Josefa i Jakoba mba hitondra ny fatiny tany Kanana. Ary nila ny fanampian-dRota i Naomy mba hananany mpandova. Tsy maintsy nila fanampiana i Abrahama sy Jakoba ary Naomy mba hahazoana izany zavatra nilainy izany. Ireo mila fanampiana koa ankehitriny no tena tokony hanehoana famindram-po. (Ohabolana 19:17) Tokony hanahaka an’i Joba isika. ‘Namonjy ny ory nitaraina izy sy ny kamboty tsy nanan-kamonjy ary izay efa ho faty.’ ‘Nampifaly ny fon’ny mpitondratena’ koa i Joba ary tonga ‘maso ho an’ny jamba sy tongotra ho an’ny mandringa.’—Joba 29:12-15.
it Fitafiana: “Heviny an’ohatra” § 3
Fitafiana
Mbola misy andininy maro miresaka fitafiana an’ohatra. Manao fanamiana mampiavaka azy ny olona ao amin’ny fikambanana na antoko iray. Amantarana izay tohanan’ny olona iray sy izay ataony koa ny fitafiana an’ohatra, ao amin’ny Baiboly, toy ny an’ireo nanatrika fampakaram-bady tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 22:11, 12; jereo KAPA; SARON-DOHA.) Hesorina ny akanjon’izay matory ara-panahy, hoy i Jesosy Kristy Tompo, izany hoe tsy hisy hamantarana intsony hoe vavolombelon’ilay tena Andriamanitra izy. Ho loza izany satria efa tena akaiky ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Ap 16:14, 15.
Ny Dikan’ny Anarana Sasany
Efa nomen’ny ray aman-drenintsika anarana isika tamin’ny vao teraka. Mety mbola hahazo anarana hafa anefa isika, arakaraka ny toetrantsika. (Ohabolana 20:11) Mieritrereta àry hoe: ‘Raha teo i Jesosy na ny apostoliny, iza no anarana ho nomeny ahy? Iza no anarana mety homen’ny olona ahy raha fantany ny toetrako na ny lazako?’
Zava-dehibe io fanontaniana farany io. Nahoana? Satria hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Aleo laza tsara toy izay harem-be.” (Ohabolana 22:1) Hajain’ny olona isika raha tsara laza. Mbola lehibe lavitra noho izany aza ny soa ho azontsika, raha tsara laza eo imason’Andriamanitra isika. Manana “boky fahatsiarovana” mantsy izy, ka mampanantena fa hosoratany ao ny anaran’izay matahotra azy, ary ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo.—Malakia 3:16; Apokalypsy 3:5; 20:12-15.
Vatosoa Ara-panahy
Mitsikia—Mahasoa Anao Izany!
Tena zava-dehibe ve ny fitsikiana? Tadidinao ve hoe nahatsiaro ho maivamaivana na nahazo aina erỳ ny tenanao rehefa nisy olona nitsiky taminao? Sa kosa ianao nanahiahy be na nahatsiaro ho nailika noho ny tsy fisian’ny tsiky? Eny, tena zava-dehibe tokoa ny tsiky. Misy vokany eo amin’ilay mitsiky sy ilay olona itsikiana izany. Ilay olona resahina ao amin’ny Baiboly atao hoe Joba dia nilaza toy izao momba ny fahavalony: “Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako ireo.” (Joba 29:24) “Ny fahazavan’ny” endrik’i Joba dia mety ho naneho ny hasambarany na ny hafaliany.
25-31 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 30-31
“Nadio Fitondran-tena Foana i Joba”
Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!
8 Mety ho resin’ny fanirian’ny maso koa ny tena Kristianina. Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra àry isika hifehy tena, ka tsy hijery na haniry zava-dratsy. (1 Kor. 9:25, 27; vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Niaiky i Joba, lehilahy marina, fa tena misy vokany eo amin’ny faniriana ny zavatra jerena. Hoy izy: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Tsy vitan’ny hoe tsy nety nikasi-behivavy hafa i Joba, fa nifehy ny sainy koa mba tsy hieritreri-dratsy. Nohamafisin’i Jesosy fa tokony hadio foana ny saintsika. Hoy mantsy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Mat. 5:28.
Eritrereto ‘Izay Hiafaranao’
Raha mitady haloto fitondran-tena àry ianao, dia eritrereto izao: ‘Inona no hiafaran’ilay izy?’ Izay fotsiny dia mety ho efa ampy hisakana anao tsy hanao zavatra hisy vokany ratsy be eo aminao. Inona no nanjo an’ireo tsy niraharaha ny torohevitr’Andriamanitra? Nisy voan’ny SIDA na aretina hafa azo avy amin’ny firaisana, nanana anaka tsy nirina, na nanala zaza. Ny hafa nenjehin’ny eritreriny, na lasa tsy tian’ny vadiny na ny olon-kafa. Milaza mazava tsara koa ny apostoly Paoly fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpijangajanga.—1 Korintianina 6:9, 10.
Ry Tanora, Ekeo ny Tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra
15 Araka ny hevitrao, rahoviana isika no tena mora voataona hivadika amin’Andriamanitra? Rehefa miaraka amin’ny olona, sa rehefa irery? Azo antoka fa mitandrina kokoa ianao rehefa any an-tsekoly na any am-piasana. Mety ho varimbariana anefa ianao rehefa miala voly irery, ka mety ho mora resin’ny fakam-panahy.
16 Nahoana ianao no tokony haniry hankatò an’i Jehovah na dia rehefa irery aza? Tadidio fa mety hampalahelo an’i Jehovah ny zavatra ataonao na mety hampifaly azy. (Gen. 6:5, 6; Ohab. 27:11) Misy vokany amin’i Jehovah ny ataonao, satria ‘miahy anao izy.’ (1 Pet. 5:7) Tiany hankatò azy ianao mba hahitanao soa. (Isaia 48:17, 18) Ory i Jehovah rehefa tsy niraharaha ny toroheviny ny Israelita sasany. (Sal. 78:40, 41) Faly kosa izy rehefa misy mpanompony tsy mivadika aminy. Tena tiany, ohatra, i Daniela mpaminany matoa nisy anjely nilaza tamin’i Daniela hoe: “Tena tiana ianao.” (Dan. 10:11) Nahoana i Jehovah no tia azy? Satria tsy nivadika taminy mihitsy izy na teny imason’olona na rehefa irery.—Vakio ny Daniela 6:10.
Vatosoa Ara-panahy
Mahaiza Mihaino Sady Maneho Fitiavana
Tsy latsaka ny folo ny lahatenin’i Joba ren’ireo namany. Nilaza ihany anefa i Joba hoe: “Enga anie ka hisy hihaino ahy!” (Joba 31:35) Fa nahoana? Satria tsy nampionona azy ny fihainoan’izy ireo. Tsy niraharaha an’i Joba izy ireo, sady tsy niezaka hahafantatra ny fihetseham-pony. Tsy mba niara-niory taminy izy ireo, satria tsy nahay nangoraka rehefa nihaino azy. Manoro hevitra anefa ny apostoly Petera hoe: “Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena.” (1 Petera 3:8) Ahoana no ahafahana miara-miory amin’ny hafa? Mila miezaka hahafantatra ny fihetseham-pony sy ny anton’izany isika. Hita fa miahy azy sy miombom-pihetseham-po aminy isika raha milaza hoe: “Nalahelo erỳ izao ianao tamin’izay e?” na “Tsy azon’ny olona mihitsy angamba ny nahazo anao tamin’izay”, na teny mitovitovy amin’izany. Maneho fiahiana koa isika, raha miezaka mamerina izay nolazainy amin’ny fomba fitenintsika, mba hampisehoana fa azontsika ny teniny. Ny hoe mihaino sady maneho fitiavana, dia tsy midika fotsiny hoe mihaino ny teny lazaina, fa midika koa hoe miezaka hahafantatra ny fihetseham-po fonosin’izy ireny.