Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
3-9 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 3
Asehoy hoe Matoky An’i Jehovah Ianao
Ohabolana 3:5, 6: “Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao”
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo.” Mampiseho isika hoe matoky an’Andriamanitra rehefa manaraka ny heviny. Mila matoky tanteraka an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika. Rehefa miresaka momba ny fo ny Baiboly, dia ny maha izy antsika matetika no tiany horesahina, izany hoe ny fihetseham-pontsika, ny antony manosika antsika hanao zavatra, ny fomba fisainantsika, ary ny toetrantsika. Tsy hoe fihetseham-po fotsiny àry ilay hoe matoky an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo. Misafidy ny hatoky azy isika, satria tena mino sy resy lahatra tanteraka hoe mahalala an’izay tsara indrindra ho antsika ilay Mpamorona antsika.—Romanina 12:1.
“Aza miantehitra amin’ny fahaizanao.” Mila miantehitra amin’Andriamanitra isika satria tsy azo ianteherana ny fomba fisainantsika. Tsy lavorary mantsy isika. Raha miantehitra amin’ny fahaizantsika na ny fihetseham-pontsika fotsiny isika, dia mety hieritreritra hoe tsara ny fanapahan-kevitra raisintsika, nefa mety ho ratsy ny vokany avy eo. (Ohabolana 14:12; Jeremia 17:9) Hendry lavitra noho isika anefa Andriamanitra. (Isaia 55:8, 9) Hahomby izay ataontsika raha manaraka ny toroheviny isika.—Salamo 1:1-3; Ohabolana 2:6-9; 16:20.
Ohabolana 3:5, 6: “Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao”
“Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao.” Mila fantarintsika hoe inona ny hevitr’Andriamanitra, alohan’ny handraisantsika fanapahan-kevitra lehibe. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Mivavaka aminy isika mba hanoro hevitra antsika, dia manaraka an’izay lazainy ao amin’ny Teniny koa isika.—Salamo 25:4; 2 Timoty 3:16, 17.
“Hataony mandeha tsara ny fiainanao.” Ampian’i Jehovah hankatò ny lalàny isika, mba hahatonga ny fiainantsika handeha tsara. (Ohabolana 11:5) Tsy midi-kizo isika amin’izay, dia falifaly kokoa.—Salamo 19:7, 8; Isaia 48:17, 18.
Mandrosoa Hatrany
Rehefa avy niatrika toe-javatra maro isan-karazany teo amin’ny fiainana ny olona iray, dia mety halaim-panahy hieritreritra hoe: ‘Efa niainako io toe-javatra io taloha. Fantatro izay tokony hatao.’ Fahendrena ve izany? Hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 3:7: “Aza manao anao ho hendry.” Ireo zavatra efa niainantsika dia tena hampivelatra ny fomba fijerintsika ireo lafin-javatra tokony hoheverina, rehefa misetra zava-tsarotra isika. Raha mandroso ara-panahy anefa isika, izany zavatra niainantsika izany dia vao mainka tokony hampiaiky antsika, ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, fa mila ny fitahian’i Jehovah isika. Ny fandrosoantsika àry dia miharihary, tsy noho isika feno fatokisan-tena rehefa misetra zava-tsarotra, fa noho isika mitodika avy hatrany any amin’i Jehovah, mba hahazoana tari-dalana. Miseho ny fandrosoantsika rehefa matoky isika fa tsy hisy na inona na inona hitranga raha tsy avelany. Miseho koa izany rehefa mihazona fifandraisana amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay itokisantsika sady tiantsika, isika.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Ohabolana
3:3. Tokony ho sarobidy amintsika ny famindram-po sy ny fahamarinana, ka tokony hasehontsika amin’ny olona, toy ny rojo lafo vidy eo amin’ny vozontsika. Mila soratantsika ao am-pontsika koa ireo toetra ireo, izany hoe tsy tokony hisaraka amintsika.
10-16 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 4
“Arovy ny Fonao “
Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?
4 Tsy fo ara-bakiteny ilay resahin’ny Ohabolana 4:23. Ny tiana holazaina amin’izy io dia ny eritreritsika, ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika, ary ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Ny tena maha izy antsika no atao hoe fo, fa tsy izay miseho amin’ny ataontsika fotsiny.
Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?
10 Raha te hahavita hiaro ny fontsika isika, dia mila mahay mamantatra an’izay mety hanimba azy io ary manao zavatra haingana avy eo. Mampahatsiahy ny asa ataon’ny mpiambina ilay teny nadika hoe “arovy”, ao amin’ny Ohabolana 4:23. Nijoro teo amin’ny mandan’ny tanàna ny mpiambina, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Niantsoantso ry zareo raha vao nahita fahavalo nanatona. Hoatr’izany koa no tsy maintsy ataontsika, mba hisakanana an’i Satana tsy hanimba ny saintsika.
11 Niara-niasa tsara ny mpiambina sy ny mpiandry vavahady tamin’izany. (2 Sam. 18:24-26) Nifanampy ry zareo mba ho azo antoka hoe nihidy ny vavahady rehefa nisy fahavalo nanatona. (Neh. 7:1-3) Hoatran’ilay mpiambina ny feon’ny fieritreretantsika efa nozarina hanaraka ny Baiboly. Mampitandrina antsika mantsy izy io rehefa tadiavin’i Satana hosimbana ny fontsika, izany hoe ny eritreritsika, ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika, ary ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Henoy àry ny feon’ny fieritreretanao, rehefa miantsoantso na mampitandrina anao. Hidio ny vavahady avy eo, izany hoe miezaha mafy mba tsy ho resin’i Satana.
Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?
14 Ahoana koa no hiarovantsika ny fontsika? Tsy hoe sakanantsika tsy hiditra ao am-pontsika fotsiny izay zavatra mety hitarika antsika hanao ratsy. Ezahintsika ampidirina ao koa izay hahatonga antsika hanao ny tsara. Eritrereto ilay mpiandry vavahady. Nohidiany tsara ny vavahady mba tsy hisy fahavalo ho tafiditra. Nosokafany anefa ilay izy rehefa nila nampiditra sakafo na zavatra hafa izy. Tsy ho nanan-kohanina ny olona tao raha tsy izany. Mila manao hoatr’izany koa isika. Tokony havelantsika hiditra ao am-pontsika matetika ny fomba fisainan’i Jehovah.
“Arovy ny Fonao!”
Nahoana àry isika no tokony hiaro ny fontsika? Nasain’Andriamanitra hanoratra an’izao i Solomona Mpanjaka: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohabolana 4:23) Misy vokany eo amin’ny fiainantsika amin’izao sy amin’ny hoavy ny fontsika. Mijery ny fontsika mantsy Andriamanitra. (1 Samoela 16:7) Arakaraka ny fontsika na ny toetrantsika no itiavan’i Jehovah antsika na tsia.—1 Petera 3:4.
Vatosoa Ara-panahy
Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?
4 Milaza ny Ohabolana 4:18 hoe: ‘Ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ Asehon’io andinin-teny io mazava tsara fa ampahafantarin’i Jehovah tsikelikely amin’ny mpanompony ny fikasany. Manampy antsika koa anefa io andininy io mba hahita hoe mandeha tsikelikely ny fandrosoana ataon’ny Kristianina iray, fa tsy vita maimaika. Mila fotoana izy mba hiovana sy hifandraisana akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Raha mianatra tsara sy mampihatra ny torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana isika, dia hitovy tsikelikely amin’ny toetran’i Kristy ny toetrantsika. Hahafantatra kokoa an’Andriamanitra koa isika. Nilaza fanoharana momba an’izany i Jesosy.
17-23 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 5
Halaviro ny Fitondran-tena Ratsy
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
Ao amin’io ohabolana io, ilay olona maniasia dia aseho ho toy ny “vehivavy jejo”—mpivaro-tena. Mamy toy ny tantely, ary malama toy ny menaka oliva, ny teny entiny hakana fanahy izay ho voany. Tsy izany ve no fomba anombohana ny ankabeazan’ny fitaomana hanao faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy vavy? Diniho, ohatra, ny zavatra niainan’ny sekretera bikàna iray, 27 taona, antsoina hoe Amy. Nitantara toy izao io tovovavy io: “Naneho fahalianana be tamiko sy nidera ahy tamin’ny zavatra rehetra ilay lehilahy tany am-piasana. Mahafinaritra erỳ izany hoe misy mahamarika izany ny tena. Hitako mazava tsara anefa fa ny mahaliana azy amiko dia ny momba ny lahy sy ny vavy ihany. Tsy hanaiky ho voafitaky ny fandrokidrokiana ataony aho.” Mazàna no manintona ny teny fandokafana ataon’ny lehilahy na ny vehivavy iray te hitaona, rehefa tsy fantatsika ny tena fikasany marina. Raha ny amin’izany, dia mila mampiasa ny fahaiza-misaina ananantsika isika.
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
Ny vokatra aorian’ny nanaovana fahalotoam-pitondran-tena dia mangidy toy ny hazo mahafaty, sady maranitra toy ny sabatra roa lela—sady mampanaintaina no mahafaty. Feon’ny fieritreretana manenjika, fananana anaka tsy nirina, na areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana mazàna no vokatra mangidin’ny fitondran-tena toy izany. Ary eritrereto ny fanaintainana ara-pihetseham-po goavana tsapan’ny vadin’ny olona tsy mahatoky iray. Mety hiteraka ratra lalina, haharitra mandritra ny androm-piainana iray, ny famitahana indray mandeha monja. Eny, mandratra ny fahalotoam-pitondran-tena.
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
Ilaintsika ny manalavitra araka izay azo atao ny fitaoman’ny olona maloto fitondran-tena. Nahoana isika no hidi-kizo amin’ny lalan’izy ireo, amin’ny fihainoana mozika mampietry, fijerena fialam-boly maloto, na hisetra loza amin’ny fijerena sary sy soratra vetaveta? (Ohabolana 6:27; 1 Korintiana 15:33; Efesiana 5:3-5). Ary hadalana toy inona moa ny hanintonana ny sain’izy ireo amin’ny filalaovana fitia, na koa amin’ny fanaovana fitafiana sy fisehoana ankapobe tsy maotina!—1 Timoty 4:8; 1 Petera 3:3, 4.
Vatosoa Ara-panahy
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
Manantitrantitra i Solomona, araka izany, fa vidina lafo ny fanaovana fahalotoam-pitondran-tena. Mifanindran-dalana ny fanitsakitsaham-bady sy ny fahaverezan’ny fahamendrehan’ny tena, na ny hajan’ny tena. Tsy mampietry tokoa ve ny hampiasantsika ny tenantsika, sy ny an’ny hafa koa, ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana maloto fotsiny? Moa ve tsy fampisehoana tsy fahampian’ny fanajan-tena ny fanaranam-po, amin’ny fanaovana firaisana maloto, amin’ny olona tsy vadintsika?
24-30 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 6
Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vitsika?
Vitsika
“Fahendrena voajanahary.” Avy amin’ny Mpamorona io “fahendrena” io, fa tsy hoe ny vitsika akory no misaina. “Manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.” (Oh 6:8) Anisan’ny tena fahita any Palestina ny vitsika mpijinja na mpamboly (Messor semirufus), izay manangona sakafo be dia be rehefa lohataona sy vanin-taona mafana, mba hohaniny rehefa ririnina sy vanin-taona hafa mahasarotra ny fahitana sakafo. Matetika no hita eny akaikin’ny famoloana izy io satria be voa eny. Havoakany hatapy amin’ny masoandro ny voa tehiriziny, raha mando noho ny orana. Kaikeriny ka esoriny mihitsy aza, hono, ny tsimoka amin’ilay voa tehirizina mba tsy haniry. Fantatra izay misy ny tranon’ny vitsika mpijinja, satria ahitana lala-masaka sy hoditra voan-javatra eo ivelan’ny fidirana.
Toetra tsara mampiavaka azy. Tena mety àry ilay torohevitra hoe: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo. Diniho ny fanaony ka mba hendre.” (Oh 6:6) Miomana ho amin’ny hoavy mantsy ny vitsika. Be fikirizana koa izy ireo, ka matetika no mitondra na mifofotra mitarika zavatra indroan’ny lanjany na mahery, mikely aina mamita ny asany, ary tsy mihemotra na dia mety hianjera, hikorisa, na hikodiadia any amin’ny hantsana aza. Ataony madio foana koa ny tranony, tia miara-miasa izy ireo, mifampiahy, ary indraindray manampy an’izay maratra na reraka mba hiverina hody.
Tandrovy ny Lazanao
Tsy tokony hazoto hiasa toy ny vitsika ve isika? Tsara ho antsika ny miasa mafy sy miezaka mafy hanatsara ny asantsika, na arahi-maso isika na tsia. Tokony hanao araka izay fara herintsika tokoa isika, na any am-pianarana, na any am-piasana, na rehefa mandray anjara amin’ny asa ara-panahy. Toy ireo vitsika mandray soa amin’ny asa mafy ataony, dia tian’Andriamanitra ho ‘finaritra amin’ny fisasarantsika’ koa isika. (Mpitoriteny 3:13, 22; 5:18). Feon’ny fieritreretana madio sy fahafaham-po manokana no valisoa noho ny asa mafy.—Mpitoriteny 5:12.
Mba hanairana ny kamo tamin’ny fahalainany, dia nampiasa fanontaniana roa tsy miandry valiny i Solomona: “Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ny torimasonao hianao?” Naka tahaka ny fomba fiteniny ilay mpanjaka, ka nilaza hoe: “Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.” (Ohabolana 6:9-11). Raha mbola mandry iny indrindra ilay kamo, dia mamely azy tampoka toy ny hafaingan’ny jiolahy ny fahantrana, ary manafika azy toy ny lehilahy mitondra fiadiana ny tsy fisiana. Tsy ela ny sahan’ny kamo dia feno sampivato sy amiana. (Ohabolana 24:30, 31). Vetivety kely dia voan’ny fatiantoka ny fandraharahany. Hafiriana no handefitra amin’ny mpiasa kamo ny mpampiasa? Ary afaka manantena ny hahazo naoty tsara any am-pianarana ve ny mpianatra iray kamo loatra ka tsy mianatra?
Vatosoa Ara-panahy
Tandrovy ny Lazanao
Zavatra fototra ireo lafiny fito notononin’ny ohabolana, ka saika mahafaoka ny karazan-dratsy rehetra. Ny “maso miavonavona” sy ny “fo mamoron-tsain-dratsy” dia fahotana atao an’eritreritra. Ny “lela fandainga” sy izay “mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina” dia teny feno ota. “Ny tànana mandatsa-dra marina” sy ny “tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy” dia asa ratsy. Ary tena ankahalain’i Jehovah indrindra ny karazan’olona mahita fahafinaretana amin’ny fampiadiana olona izay nety ho niara-nipetraka tamim-pihavanana. Ny fitomboan’ilay isa enina lasa fito, dia toa manondro fa tsy natao ho feno ilay lisitra, satria tsy mitsahatra mampitombo ny asa ratsy mihitsy ny olombelona.
31 MARTSA–6 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 7
Halaviro Izay Mety Hahatonga Anao Hanota
“Tandremo ny Didiko, dia ho Velona Hianao”
Ilay varavarankely nitsirihan’i Solomona dia nisy makarakara, angamba hazo madinika maro narafitra ho makarakara sy nasiana sary sokitra niangaliana fatratra. Rehefa nihamatroka ilay takariva somambisamby teo iny, dia rakotry ny haizin’ny alina ny lalana. Nahita tovolahy iray izay tena mora rebirebena izy. Tsy ampy fahaiza-manavaka, na fahaiza-mitsara zavatra izy io, ka tsy ampy fo. Azo inoana fa fantany ilay karazan-toerana nidirany sy izay mety hitranga aminy ao. Nanatona ny ‘zoron-tranon’ilay vehivavy’, izay eo amin’ny lalana ho any an-tranon’izy io, ilay tovolahy. Iza moa io vehivavy io, ary hanao inona?
“Tandremo ny Didiko, dia ho Velona Hianao”
Mahay mandambolambo ny molotr’io vehivavy io. Mody miseho ho sahisahy izy, ka miteny amim-pahatokiana. Izay zavatra rehetra nolazainy dia efa nataony maty paika tamim-pitandremana mba hahasodoka an’ilay tovolahy. Niseho azy ho marina ilay vehivavy rehefa nilaza fa nanao fanati-pihavanana izy tamin’iny andro iny, ary nanefa ny voadiny. Te hilaza izy, araka izany, fa tsy hoe tsy ampy akory ny fifikirany tamin’ny zavatra ara-panahy. Ny fanati-pihavanana natao tao amin’ny tempoly tany Jerosalema dia hena sy koba sy menaka ary divay. (Levitikosy 19:5, 6; 22:21; Nomery 15:8-10). Afaka naka ny sasany tamin’ilay fanati-pihavanana mba ho an’ny tenany sy ho an’ny fianakaviany ilay mpanolotra fanatitra, ka ny tian’ilay vehivavy holazaina àry dia hoe misy zavatra be dia be azo hanina sy sotroina ao an-tranony. Mazava ny tiany holazaina: Ho finaritra ilay tovolahy raha tonga any aminy. Nivoaka ny tranony mba hitady azy manokana ilay vehivavy. Mampalahelo tokoa raha misy olona hino zavatra toy izany. “Marina fa nivoaka mba hitady olona iray izy”, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, “kanefa ingahy io mihitsy ve no tena notadiaviny? Ny vendrana ihany—angamba io iray io—no hino azy.”
Rehefa avy nataon’ilay vehivavy izay hahatonga ny tenany hahasarika tamin’ny alalan’ny fahitana azy ho mihaingo be, sy tamin’ny feon’ny teny mandrobo nataony, sy tamin’ny fahatsapana ny oroka nataony, ary tamin’ny tsiron’ny molony, dia nampiasainy indray ny fandrenesana fofon-javatra. Hoy izy: “Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta. Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.” (Ohabolana 7:16, 17). Nomaniny tamin’ny fomba kanto ny fandrianany, ka nasiany lamba landy maro loko avy any Ejipta sy zavamanitra ambony karazana, dia ny hanitry ny miora sy hazomanitra ary havozo.
“Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro”, hoy izy nanohy ny teniny, “aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.” Mihoatra lavitra noho ny fiaraha-misakafo mahafinaritra ataon’olon-droa ilay fanasana eto. Ny fampanantenany dia ny hanaovana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Tamin’ilay tovolahy dia zavatra tsara handramana sy mampientam-po ilay fanasana. Mba hisarihana bebe kokoa, dia nanampy teny toy izao ilay vehivavy: “Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, fa lasa nivahiny lavitra izy; ny kitapom-bola dia nentiny any an-tànany, ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ny volana.” (Ohabolana 7:18-20). Tsy misy na inona na inona tokony hampanahy azy ireo, hoy ilay vehivavy nanome toky azy, satria tsy ao ny vadiny fa lasa nanao dia lavitra noho ny asany ary tsy antenainy ho tonga raha tsy afaka elaela. Tena mahay mamitaka tanora tokoa izany raha vehivavy! “Tamin’ny teny maro [mampiseho fahaiza-mandresy lahatra, NW] no nampanekeny azy, tamin’ny fandroboan’ny molony no nitaomany azy.” (Ohabolana 7:21). Olona toa an’i Josefa vao afaka hanohitra fanasana maka fanahy toy izany. (Genesisy 39:9, 12). Mahavita izany ve io tovolahy io?
“Tandremo ny Didiko, dia ho Velona Hianao”
Ho an’ilay tovolahy dia hita ho tsy hay toherina ilay fanasana. Tsy noraharahainy daholo izay mety ho fanehoana fahaiza-mitsara zavatra, ka lasa izy nanaraka an’ilay vehivavy, “tahaka ny omby entina hovonoina.” Sahala amin’ny olona iray nasiana gadra vy ka tsy afa-mandositra ny sazy, dia voasarika ho amin’ny fahotana ilay tovolahy. Tsy hitany mihitsy ho mampidi-doza izany, “ambara-piboroaky ny lefompohy amin’ny atiny”, izany hoe mandra-pahazony ratra izay mety hahafaty azy. Mety ho fahafatesana ara-bakiteny no ho hitany, satria mamela ny tenany ho voan’ny aretina mahafaty azo avy amin’ny firaisana izy. Mety hahafaty ara-panahy koa anefa ilay ratra, eny, “hahafaty ny ainy izany.” Misy fiantraikany lalina eo amin’ny maha izy azy manontolo sy ny fiainany izany, ary nanao fahotana lehibe tamin’Andriamanitra izy. Noho izany, dia miantoraka ho ao ambany vahohon’ny fahafatesana izy, toy ny vorona mankao amin’ny fandrika iray!
Vatosoa Ara-panahy
“Tandremo ny Didiko, dia ho Velona Hianao”
“Afehezo eo amin’ny rantsan-tànanao izy [ny didiko]”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, ary “soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka.” (Ohabolana 7:3). Miharihary avy hatrany eo anoloan’ny masontsika ny rantsantanana, ary zava-dehibe eo amin’ny fanatanterahana ny zavatra kasaintsika hatao izy ireo. Toy izany koa fa tokony ho fampahatsiahivana tsy tapaka sy mpitari-dalana antsika amin’ny zava-drehetra ataontsika ny fianarana azo avy amin’ny fitaizana araka ny Soratra Masina sy ny fahazoana fahalalana momba ny Baiboly. Tokony hosoratantsika eo amin’ny vato fisaky ny fontsika izy ireny, ka hataontsika ho anisan’ny maha isika antsika.
7-13 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 8
Henoy ny Fahendrena
“Tiako ny Ray”
7 Hoy ny fahendrena eo amin’ny andininy faha-22: “Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ny alehany, ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha.” Tsy ny fahendrena fotsiny no resahina eo, satria tsy ‘noharìna’ na noforonina ny fahendrena. Tsy nanam-piandohana mihitsy io toetra io, satria efa nisy foana i Jehovah, sady efa hendry foana izy hatramin’izay. (Salamo 90:2) Ny Zanak’Andriamanitra kosa anefa no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” Noharìna izy, na noforonina. Izy no voalohany indrindra amin’izay rehetra nataon’i Jehovah. (Kolosianina 1:15) Efa nisy talohan’ny tany sy ny lanitra ny Zanak’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny bokin’ny Ohabolana. Koa satria izy no Teny, izany hoe Mpitondra Tenin’Andriamanitra, dia nanome taratry ny fahendren’i Jehovah tamin’ny fomba tonga lafatra izy.—Jaona 1:1.
“Tiako ny Ray”
8 Inona no nataon’ny Zanak’Andriamanitra nandritra ilay fotoana lava be, talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany? Milaza ny andininy faha-30 fa “mpità-marika” na mpiasa tena mahay teo anilan’Andriamanitra izy. Inona no dikan’izany? Manazava toy izao ny Kolosianina 1:16: “Izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ... Tamin’ny alalany, ary ho azy, no namoronana ny zava-drehetra.” Asehon’izany fa nampiasa ny Zanany i Jehovah mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra. Anisan’izany ny anjely, izao rehetra izao midadasika, ny tany sy ny zavamaniry sy ny biby maro mahavariana, ary ny tsara indrindra amin’ny zavaboary eto an-tany, dia ny olombelona. Niara-niasa toy ny mpanao maritrano sy ny mpanao trano izy mianaka. I Jehovah ilay mpanao maritrano, izay namorona ny drafitra. Ny Zanany kosa ilay Mpiasa Tena Mahay nanatanteraka an’ilay izy. Isaky ny talanjona amin’ny zavaboary isika, dia efa fiderana an’ilay Mpamorona izany. (Salamo 19:1) Tsara hotadidintsika koa anefa ilay fiaraha-miasa naharitra sy nahafinaritra teo amin’ny Mpamorona sy ilay mpiasany tena mahay.
9 Tsy mora amin’ny olona tsy lavorary ny mifanaraka indraindray, rehefa miara-miasa akaiky izy ireo. Tsy mba toy izany i Jehovah sy ny Zanany! Niara-niasa tamin’i Jehovah nandritra ny taona maro tsy hita isa ny Zanany, ary falifaly foana teo anatrehany. (Ohabolana 8:30) Finaritra tokoa izy niaraka tamin’ny rainy, ary faly koa ny rainy niaraka taminy. Nanahaka bebe kokoa ny Rainy toy ny zanaka rehetra izy, izany hoe naka tahaka ny toetrany. Tsy mahagaga àry raha vao mainka niraiki-po be izy mianaka! Mbola tsy nisy fifankatiavana lalina sy naharitra toy izany tokoa hatramin’izay.
Ankasitraho ny Asan’i Jesosy, Ilay Davida Lehibe sy Solomona Lehibe
14 Olona iray ihany no hendry noho i Solomona. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, izay “lehibe noho i Solomona.” (Mat. 12:42) Nilaza “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” mantsy izy. (Jaona 6:68) Ahitana tsipiriany sy toro lalana maro kokoa, ohatra, ny toriteniny teo an-tendrombohitra, raha ampitahaina amin’ny ohabolana nataon’i Solomona. Nitanisa zavatra maromaro mahasambatra ny mpanompon’i Jehovah i Solomona. (Ohab. 3:13; 8:32, 33; 14:21; 16:20) I Jesosy kosa nanasongadina fa ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy ny fahazoana ny fitahiana nampanantenainy no tena mahasambatra. Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 5:3) Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay “loharanon’aina”, ireo olona mampihatra ny toro lalana nomen’i Jesosy. (Sal. 36:9; Ohab. 22:11; Mat. 5:8) I Kristy koa no “fahendren’Andriamanitra.” (1 Kor. 1:24, 30) Manana ny “fanahy manome fahendrena” io Mesia Mpanjaka io.—Isaia 11:2.
Vatosoa Ara-panahy
Izany fa ‘Miantsoantso ny Fahendrena’! Henonao Ve?
▪ Ny Baiboly no “boky miely indrindra eran-tany”, araka Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). “Izy io no nadika imbetsaka indrindra, sy amin’ny fiteny be indrindra.” Misy amin’ny fiteny efa ho 2600 mantsy ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, ka afaka manana azy io ny 90 isan-jato maherin’ny olona eran-tany.
▪ Toy ny hoe ‘miantsoantso mafy’ koa ny fahendrena, satria torina eran-tany. Hoy mantsy ny Matio 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny [faran’ity tontolo ity].”
14-20 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 9
Miezaha ho Hendry fa Tsy ho Mpanesoeso
“Henoy ny Tenin’ny Hendry”
4 Mety ho sarotra be amintsika ny manaiky torohevitra mivantana. Mety ho tezitra mihitsy aza isika. Nahoana? Satria mafy amintsika angamba ny hanaiky torohevitra rehefa misy olona milaza ny zavatra tsy mety nataontsika, na dia mora amintsika aza ny miaiky hoe tsy lavorary isika. (Vakio ny Mpitoriteny 7:9.) Mety hanamarin-tena isika, na ho tezitra amin’ny fomba nanomezany an’ilay torohevitra, na hieritreritra hoe ratsy ny antony nanomezany an’ilay izy. Mety hanakiana azy mihitsy aza isika, dia hieritreritra hoe: ‘Fa izy no iza no hiteniteny an’ahy? Ny fahadisoany aza tsy hitany!’ Rehefa tsy azoazontsika ilay torohevitra, dia mety tsy horaharahiantsika, na lasa isika mitady torohevitra tiantsika kokoa.
“Henoy ny Tenin’ny Hendry”
12 Inona no hanampy antsika hanaiky torohevitra? Mila manetry tena isika, ka mitadidy hoe tsy lavorary mihitsy isika ary tena mety hanao hadalana indraindray. Hitantsika teo fa nisy fotoana i Joba diso hevitra. Nanitsy ny fomba fiheviny anefa izy, dia notahin’i Jehovah. Fa maninona? Satria nanetry tena izy. Nanaporofo an’izany izy rehefa nanaiky ny torohevitr’i Eliho, na dia mbola zandriny be aza i Eliho. (Joba 32:6, 7) Raha manetry tena koa isika dia hahavita hampihatra torohevitra, na dia mieritreritra aza isika hoe tsy mila an’ilay izy, na zandrintsika no nanome an’ilay izy. Izao no nolazain’ny anti-panahy iray any Kanada: “Hafa mihitsy ny fahitan’ny olona anao. Dia ahoana moa no ahafahanao mihatsara raha tsy misy manome torohevitra anao?” Iza amintsika tokoa moa no tsy mila mihatsara, ohatra hoe haneho ny vokatry ny fanahy bebe kokoa, ary hahay hitory sy hampianatra kokoa?—Vakio ny Salamo 141:5.
13 Raiso ho porofon’ny fitiavan’i Jehovah ny torohevitra. Izay tsara indrindra ho antsika no tadiaviny. (Ohab. 4:20-22) Tia antsika izy matoa manome torohevitra antsika amin’ny alalan’ny Teniny, ny boky sy gazety, na ny mpiara-manompo matotra. ‘Manao an’izany izy mba hahasoa antsika’, araka ny Hebreo 12:9, 10.
14 Mifantoha amin’ilay torohevitra, fa tsy amin’ny fomba nanomezana an’ilay izy. Hoatran’ny tsy mety tsara indraindray ny fahitantsika ny fomba nanomezana an’ilay torohevitra. Marina aloha hoe tokony hiezaka izay olona manome torohevitra mba ho mora raisina ny torohevitra omeny. (Gal. 6:1) Ahoana anefa raha isika no misy manitsy? Aleo mifantoka amin’ilay torohevitra, na dia hitantsika aza hoe mety ho nisy fomba tsara kokoa azony nanomezana an’ilay izy. Afaka mieritreritra isika hoe: ‘Tsy tiako aloha ny fomba nanomezany an’ilay torohevitra, nefa sao dia misy marina ihany ny teniny? Maninona moa aho raha tsy mifantoka amin’ny tsy mety ataony, amin’izay handray soa amin’ilay torohevitra nomeny?’ Hendry isika raha mitady fomba handraisana soa avy amin’izay torohevitra omena antsika.—Ohab. 15:31.
‘Hampitombo ny Androntsika ny Fahendrena’
Mifanohitra amin’ny fihetsiky ny mpaniratsira ny fihetsiky ny hendry mahazo fananarana. Hoy i Solomona: “Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao. Toroy ny hendry, dia hihahendry izy.” (Ohabolana 9:8b, 9a) Fantatry ny hendry fa “ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” (Hebreo 12:11) Tokony hamaly faty na hiaro tena ve isika, raha fantatsika fa hampahahendry antsika ny fanarahana ilay torohevitra, na dia mety hahasosotra aza ilay izy?
“Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy”, hoy ihany ilay mpanjaka hendry. (Ohabolana 9:9b) Mila mianatra foana ny olona na dia hendry sy antitra toy inona aza. Mahafinaritra tokoa ny mahita fa na ny zokiolona aza dia manaiky ny fahamarinana, ka manolo-tena ho an’i Jehovah! Enga anie isika koa ka haniry hianatra sy hampiasa ny saintsika foana.
‘Hampitombo ny Androntsika ny Fahendrena’
Anjarantsika tsirairay ny miezaka hahazo fahendrena. Manantitrantitra izany i Solomona, ka manao hoe: “Raha hendry hianao, dia hendry ho an’ny tenanao ihany; fa raha maniratsira kosa hianao, dia hianao ihany no hiharan’izany.” (Ohabolana 9:12) Soa ho an’ny hendry ny fahendreny, ary ny ataon’ny mpaniratsira ihany no mampijaly azy. Mijinja izay afafintsika tokoa isika. Koa aoka àry isika ‘hanongilan-tsofina amin’ny fahendrena.’—Ohabolana 2:2.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Ohabolana
9:17—Inona ilay “rano angalarina”, ary nahoana izy io no lazaina fa “mamy”? Oharin’ny Baiboly amin’ny fisotroana rano mamelombelona avy amin’ny lavadrano, ny fanaovana firaisana amin’ny vady. Noho izany, dia milaza firaisana miafina ataon’ny olona tsy mpivady ny rano angalarina. (Ohabolana 5:15-17) Toa faly ny olona manao izany rehefa tsy tratra, ka amin’izay heviny izay no toa mahamamy ilay rano.
21-27 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 10
Inona no Tena Mahasambatra?
‘Fitahiana ho An’ny Olo-marina’
Mandray fitahiana amin’ny fomba hafa koa ny olo-marina. “Ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin’ny asany; fa mampanan-karena ny tànan’ny mazoto. Izay manangona amin’ny fararano no zanaka hendry; fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.”—Ohabolana 10:4, 5.
Misy heviny manokana amin’ireo mpiasa mandritra ny taom-pijinjana ny tenin’ilay mpanjaka. Tsy fotoana fakana aina ny taom-pijinjana. Tokony hazoto sy hiasa mandritra ny ora maro amin’io fotoana io. Eny tokoa, fotoana mahadodona io.
Fijinjana olona, fa tsy voa akory, no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra [Jehovah Andriamanitra] mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:35-38) Maherin’ny 14 tapitrisa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny taona 2000, izany hoe avo roa heny maherin’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa iza àry no tsy hanaiky fa ‘efa masaka sahady hojinjana ny saha’? (Jaona 4:35) Ireo mpivavaka marina dia sady mangataka amin’ny Tompo mba handefa mpiasa maro kokoa, no milofo amin’ny asa fanaovana mpianatra, mifanaraka amin’ny vavaka ataon’izy ireo. (Matio 28:19, 20) Ary tena mitahy ny ezak’izy ireo i Jehovah! Vaovao maherin’ny 280 000 no natao batisa nandritra ny taom-panompoana 2000. Miezaka ho tonga mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ireny vaovao ireny. Enga anie isika ho faly sy ho afa-po amin’ ity taom-pijinjana ity, noho isika mandray anjara feno amin’ny asa fanaovana mpianatra!
Mandehana ‘Amin’ny Fahitsiana’
Nilaza i Solomona fa ilaina ny manao ny marina. Hoy izy: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy; fa ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana azy. Ho fiainana ny asan’ny marina; fa ho ota ny fitomboan’ny haren’ny ratsy fanahy.”—Ohabolana 10:15, 16.
Miaro tsara ny mponina ao aminy, ohatra, ny tanàna mimanda iray. Toy izany koa fa mety hiaro amin’ny fanahiana sasany eo amin’ny fiainana ny harena. Hiteraka fahavoazana kosa ny fahantrana, raha misy zava-mitranga tsy ampoizina. (Mpitoriteny 7:12) Kanefa te hilaza koa angamba ilay mpanjaka hendry fa samy mampidi-doza na ny fananana harena na ny fahantrana. Ny mpanefohefo mety hirona hatoky tanteraka ny hareny, satria mihevitra azy io ho toy ny “manda avo.” (Ohabolana 18:11) Ny mahantra indray kosa mety hanana ilay hevi-diso hoe tsy misy antenaina intsony izy satria mahantra. Samy tsy mahazo laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra àry ireo karazan’olona roa ireo.
Fitahiana, Tsodrano, Fisaorana
Mitahy sy mitso-drano olona i Jehovah. “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” (Oh 10:22) Tahin’i Jehovah ny olona ankasitrahany ka arovany, tarihiny, ampiany mba hahomby, ary omeny izay ilaina mba ho tsara fiafara.
Vatosoa Ara-panahy
Mahita Fifaliana ny Olona Tsy Mivadika
18 “Ny fitahian’i Jehovah” no nahatonga ny vahoakany hanan-karena ara-panahy. Mahazo toky koa isika fa “tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”, na hoe “tsy misy fijaliana ampiarahiny amin’izany”, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. (Ohabolana 10:22) Nahoana no maro amin’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika no mijaly mafy noho ny fitsapana? Miatrika olana sy fahoriana isika, noho ny antony telo. 1) Ny fironantsika hanota. (Genesisy 6:5; 8:21; Jakoba 1:14, 15) 2) I Satana sy ny demoniany. (Efesianina 6:11, 12) 3) Ity tontolo ratsy ity. (Jaona 15:19) Mamela antsika hiaritra zava-dratsy i Jehovah, nefa tsy izy no mahatonga azy ireny. “Avy any ambony” aza, raha ny marina, “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria izany midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana.” (Jakoba 1:17) Tsy mampijaly ny fitahian’i Jehovah.
28 APRILY–4 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 11
Aza Miteny Hoatr’izany!
Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy
Misy fiantraikany eo amin’ny olon-kafa koa ny fahitsian’ny mahitsy sy ny haratsiam-panahin’ny olon-dratsy. Hoy ny mpanjakan’ny Isiraely: “Ny vavan’ny mpihatsaravela-tsihy no animbany ny namany; fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.” (Ohabolana 11:9) Iza no tsy hanaiky fa manimba ny fanendrikendrehana, ny fifosana, ny resaka vetaveta sy ny resadresaka tsy misy dikany? Madio sy voahevitra tsara kosa ny resaka ataon’ny marina. Ny fahalalana no manavotra azy, satria manampy azy ny fahitsiany mba hahita ireo hevitra ilaina hanaporofoana fa mandainga ny mpiampanga azy.
Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy
Mampilamina sy mahasambatra ary mampianatra zavatra tsara ny mpiara-monina aminy ny olo-marina. Noho izany, dia misandratra na miroborobo ilay tanàna. Manakorontana, mampahory, mampisara-bazana ary mitondra zava-manahirana kosa ny olona manendrikendrika sy manao teny mandratra ary mandainga, indrindra fa raha ny manam-pahefana no manao izany. Manjary mikorontana sy feno tsolotra ny tanàna toy izany, ary miharatsy fitondran-tena ny mponina ao aminy. Mety hitotongana mihitsy ny toe-karenany.
Mihatra amin’ny vahoakan’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana, izay toy ny tanàna, koa ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 11:11. Manjary sambatra sy mazoto, tia mifanampy sy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fiangonana, noho ny fisian’ny olona araka ny fanahy ao, izany hoe ireo olona mahitsy tarihin’ny fahitsiany. Tahin’i Jehovah ilay fiangonana ka hiroborobo ara-panahy. Mety hisy olona tsy afa-po, na manakiana, na tezitra amin’ny fomba anaovan-javatra eo anivon’ny fiangonana, indraindray. Izy ireny dia toy ny “faka mangidy” izay mety hiely ka hanapoizina ny olon-kafa. (Hebreo 12:15) Matetika no mitady fahefana sy laza bebe kokoa izy ireny. Manely tsaho izy ireny hoe misy tsy rariny sy fanavakavaham-bolon-koditra na ny toy izany, eo anivon’ny fiangonana, na ataon’ny anti-panahy. Tena mety hampisara-bazana ny fiangonana ny vavan’izy ireny. Tsy tokony hihaino ny teniny isika, fa hiezaka kosa mba ho olona araka ny fanahy ka hampilamina sy hampiray saina ny fiangonana, sa tsy izany?
Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy
Ratsy tokoa ny vokatry ny ataon’ny olona tsy mahay manavaka, na “tsy ampy saina”! Tohiziny foana ny teniny tsy voahevitra ka manjary manendrikendrika sy miteny ratsy izy! Tsy maintsy manao zavatra haingana ny anti-panahy mba hamaranana izany fitaoman-dratsy izany. Tsy toy ny olona “tsy ampy saina” ny olona mahay manavaka, fa mahafantatra ny fotoana tokony hanginana. Mahay mihazona tsiambaratelo izy, fa tsy tia lazalaza, na miresadresaka. “Mahatoky”, na tsy mivadika, ny olona mahay manavaka, satria fantany fa mety hitondra voka-dratsy ny lela tsy voafehy. Tsy mivadika amin’ny mpiray finoana aminy izy sady tsy mamoaka tsiambaratelo izay mety hampidi-doza azy ireo. Tena mitondra soa ho an’ny fiangonana ireny olo-mahitsy ireny!
Vatosoa Ara-panahy
g20.1 11, efajoro
Ahoana no Hiatrehana ny Adin-tsaina?
“FANAFODIN’NY ADIN-TSAINA NY HATSARAM-PANAHY”
“Manao soa amin’ny tenany ny olona tsara fanahy sy be fitiavana, fa mitondra loza ho an’ny tenany kosa ny lozabe.”—OHABOLANA 11:17.
Miresaka momba ny adin-tsaina ny boky iray nosoratan’ny Pr. Tim Cantopher. Izao no lohatenin’ny toko iray ao amin’ilay izy: “Fanafodin’ny Adin-tsaina ny Hatsaram-panahy.” Voalaza ao hoe salama kokoa sy falifaly kokoa ny olona tsara fanahy. Tsy falifaly kosa ny olona ratsy fanahy na masiaka, satria lasa ihatakatahan’ny olona izy.
Tsy tokony ho hentitra loatra na hitaky be loatra amin’ny tenantsika isika. Mila mitandrina koa isika mba tsy hieritreritra hoe tsy misy dikany. Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Marka 12:31.