Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
1-7 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 29
Aza Minomino Foana na Manao Fombafomba Tsy Tian’i Jehovah
wp16.06 6, efajoro
Fahitana Momba An’ireo Mipetraka any An-danitra
Olona an-tapitrisany no minomino foana, ka matahotra fadiranovana an’ireo fanahy ratsy. Mitahiry ody na tapa-kazo àry izy ireo mba hiarovan-tena. Tsy mila manao an’izany anefa ianao. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tantara 16:9) Mahery lavitra noho i Satana i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Hiaro anao izy raha matoky azy ianao.
Mila mianatra sy manao izay takin’i Jehovah ianao raha te ho voaro. Nangonin’ny Kristianina voalohany tany Efesosy, ohatra, ny bokiny rehetra momba ny mazia ary nodorany. (Asan’ny Apostoly 19:19, 20) Tianao koa ve ny harovan’Andriamanitra? Poteho àry izay rehetra misy ifandraisany amin’ny demonia, toy ny ody, tapa-kazo, sampy, boky momba ny mazia, ary kofehy na vakana atao fiaro.
Mitandrema Amin’ireo Fanao Momba ny Maty
13 Ary ahoana raha misy fombafomba tsy azonao antoka hoe mety na tsy mety? Mivavaha amin’i Jehovah ary mangataha fahendrena. (Vakio ny Jakoba 1:5.) Manaova koa fikarohana ao amin’ny bokintsika, ary miresaha amin’ny anti-panahy raha ilaina izany. Tsy hilaza an’izay tokony hataonao izy ireo, fa hanoro anao ny toro lalan’ny Baiboly, anisan’izany izay voaresaka ato. Manazatra ny ‘fahaizanao misaina’ ianao rehefa manao an’ireo, ka ho hainao ny “hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Heb. 5:14.
“Handeha Amin’ny Fahamarinanao Aho”
12 Fombafomba tsy tian’i Jehovah. Mety hasain’ny fianakaviana na ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra hanao fety sy fombafomba tsy tian’i Jehovah isika. Inona no hanampy antsika tsy ho voatarik’izy ireny? Tokony hotadidintsika hoe nahoana no tsy tian’i Jehovah ilay fety na ilay fombafomba. Maninona raha karohina ao amin’ny bokintsika hoe ahoana no niandohan’ilay izy? Ho hitantsika amin’izay hoe inona no lazain’ny Baiboly. Rehefa mitadidy ny antony tsy anaovantsika an’ireny fety ireny isika, dia ho azontsika antoka hoe manao “izay ankasitrahan’ny Tompo” isika. (Efes. 5:10) Tsy hatahotra olona isika raha matoky an’i Jehovah sy izay lazain’ny Teniny.—Ohab. 29:25.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fandokafana” § 1
Fandokafana
Ny hoe mandoka olona dia mampifaly azy ka manao teny fiderana amin-kafetsena, na tafahoatra, na tsy marina, na tsy vokatry ny fo, na be loatra. Ny hanaitra ny fitiavan-tenan’ilay olona na ny fieboeboany no tanjona amin’izany matetika, ka ratsy ny vokany eo amin’ilay olona. Dokafana ilay olona mba hahazoana sitraka na zavatra avy aminy, mba hahatonga azy ho voatery hanao zavatra na hanome voninahitra an’ilay mandoka. Matetika izany no atao mba hamandrihana. (Oh 29:5) Tsy manana fahendrena avy any ambony izay mandoka olona, fa baikoin’ny fahendren’ity tontolo manavakavaka sy tia tena ary mihatsaravelatsihy ity. (Jk 3:17) Halan’Andriamanitra ny mihatsaravelatsihy, ny mandainga, sy ny mandoka tafahoatra na manome voninahitra olona, ary ny manetsika ny hambom-pony.—2Ko 1:12; Ga 1:10; Ef 4:25; Kl 3:9; Ap 21:8.
8-14 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 30
“Aza Atao Mahantra Aho, Nefa Aza Atao Manankarena Koa”
Inona no Karazana Fitiavana Tena Mahasambatra?
10 Marina fa mila vola daholo isika. Fiarovana izy io. (Mpito. 7:12) Ahoana anefa raha tsy manana afa-tsy vola hividianana an’izay tena ilaintsika isika? Ho sambatra ve isika? Eny! (Vakio ny Mpitoriteny 5:12.) Nivavaka toy izao i Agora zanakalahin’i Jake: “Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Izay sakafo sahaza ahy no aoka hohaniko.” Azontsika hoe nahoana izy no tsy te ho lasa mahantra faraidiny. Nilaza izy fa tsy te ho lasa mpangalatra ka hanala baraka an’Andriamanitra. Nivavaka koa anefa izy mba tsy ho lasa manankarena. Nahoana? Hoy izy: “Sao ho voky aho ka handa anao ary hilaza hoe: ‘Fa iza moa i Jehovah?’” (Ohab. 30:8, 9) Mitoky amin’ny harenany anefa ny olona sasany, fa tsy amin’Andriamanitra. Mahafantatra olona hoatr’izany angamba ianao.
11 Tsy afaka ny hampifaly an’Andriamanitra ny olona tia vola. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” Hoy koa izy talohan’ny nitenenany an’izany: “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany, izay misy bibikely sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.”—Mat. 6:19, 20, 24.
12 Maro no mahatsapa fa lasa sambatra kokoa izy sady lasa manam-potoana kokoa hanompoana an’i Jehovah, rehefa notsoriny ny fiainany. Nanana trano be sy orinasa i Jack, any Etazonia. Namidiny anefa ilay izy mba ho afaka hanao mpisava lalana miaraka amin’ny vadiny izy. Hoy izy: “Tsy mora ny nandao an’ilay tranonay tsara tarehy sy ny fanananay tany ambanivohitra.” Nisy olana foana tany am-piasany talohan’izay, dia sorena izy isaky ny nody. Hoatr’izany foana nandritra ny taona maro. Hoy i Jack: “Ny vadiko anefa falifaly foana. Mpisava lalana mantsy izy. Nilaza tamiko izy hoe: ‘Tsy misy hoatran’ny sefoko kosa aloha e!’ Iray ihany anefa izao ny sefonay roa, dia i Jehovah, satria efa mpisava lalana koa aho.”
Matahora An’i Jehovah dia ho Sambatra Ianao
◆ 30:15, 16—Inona no asehon’ireo ohatra ireo?
Soritany fa tsy mety afa-po ny faniriana mihoa-pampana. Miboboka ra ny dinta, toy ny itakian’ny olona manana faniriana mihoa-pampana fahefana na vola betsaka kokoa hatrany. Toy izany koa, tsy mety voky mihitsy ny Fasana ary mivoha foana mba handray maty hafa. ‘Miantsoantso’ mba hanana zanaka ny kibo momba (Genesisy 30:1). Mifoka ranonorana ny tany karakaina, nefa tsy ela dia maina indray. Ny afo nandany izay nomena azy dia mandefa ny lelafony hahazo izay tratrany. Toy izany ny amin’ny olona manana faniriana mihoa-pampana. Izay tarihin’ny fahendren’Andriamanitra kosa anefa dia tsy atosiky ny fitiavan-tena foana.
Ahoana no Hahaizana Mianina Amin’izay Ananana?
Manangòna vola vao mividy. Marina fa mety ho efa nilaozan’ny toetrandro izany, kanefa anisan’ny fomba tsara indrindra hisorohana olana ara-bola. Manampy olona maro io torolalana io mba tsy hidi-trosa sy tsy hizaka ny voka-dratsin’izany. Ambony be mantsy, ohatra, ny zanabola alain’ny mpivarotra raha mitrosa ianao, ka hidangana be noho ny tena izy amin’ny farany ny vidin’ny entana novidinao. Milaza ny Baiboly fa ‘hendry’ ny vitsika, satria “manangona ny haniny mandritra ny fijinjana” mba hitsinjovana vody andro ho merika.—Ohabolana 6:6-8; 30:24, 25.
Miezaha ho Vahinin’i Jehovah Mandrakizay
18 Tsara àry ny mieritreritra hoe ahoana no fiheverantsika ny vola. Saintsaino izao: ‘Mieritreritra matetika momba ny vola sy izay azoko vidina ve aho? Ela be ve aho vao mamerina an’izay vola nindramiko, satria mieritreritra hoe tsy mila an’izany ilay olona nampisambotra ahy? Mahatonga ahy hihevi-tena ho ambony ve ny vola, dia lasa sarotra amiko ny malala-tanana? Tonga ve aho dia mitsaratsara hoe tia vola ny rahalahiko sy anabaviko, satria fotsiny hoe manam-bola ry zareo? Miezaka hinamana amin’ny olona manam-bola ve aho, nefa tsy dia miraharaha ny mahantra?’ Tombontsoa be ho antsika ny hoe nasain’i Jehovah ho vahininy. Tsy hamoy an’izany isika raha mitandrina foana mba tsy ho tia vola. Tsy handao antsika mihitsy koa i Jehovah amin’izay!—Vakio ny Hebreo 13:5.
Vatosoa Ara-panahy
Hita eo Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’i Jehovah
11 Ianarantsika lesona lehibe koa ny bitrom-bato. (Vakio ny Ohabolana 30:26.) Mitovitovy amin’ny bitro izy io, saingy kely sy boribory ny sofiny ary fohy ny tongony. Monina eny amin’ny harambato izy io. Afaka miaro tena tsara ny bitrom-bato satria matsilo ny masony. Miafina any amin’ireo lavadavaka eny amin’ny harambato izy, rehefa misy biby mpiremby mitady hanafika azy. Maro be izy ireo no miara-monina. Miaro azy amin’ny loza izany, ary mahatonga azy hafana rehefa ririnina.
12 Inona no ianarantsika avy amin’ny bitrom-bato? Mailo io biby io ka tsy mora tafihina. Jereny avy lavitra amin’ny masony matsilo ireo biby mpiremby, ary tsy miala lavitra an’ireo lavadavaka eny amin’ny harambato izy mba hiarovana ny ainy. Tokony ho mailo toy izany koa isika, ka hamantatra mialoha ireo zavatra mety hanimba ny finoantsika eo amin’ny tontolon’i Satana. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Pet. 5:8) Niambina foana i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, mba tsy ho voataonan’i Satana hivadika. (Mat. 4:1-11) Ohatra tsara ho an’ny mpanara-dia azy izy!
13 Ho afaka hiambina isika, raha mandray ny fanampiana omen’i Jehovah mba hiarovana antsika. Tsy tokony hataontsika an-tsirambina ny fianarana ny Teniny sy ny fanatrehana ny fivoriana kristianina. (Lioka 4:4; Heb. 10:24, 25) Toa an’ireo bitrom-bato izay miara-monina, dia tokony hifanerasera akaiky amin’ireo Kristianina namantsika isika. “Hisy fifampaherezana” eo amintsika amin’izay. (Rom. 1:12) Raha manaiky harovan’i Jehovah amin’izany fomba izany isika, dia hiombon-kevitra amin’i Davida mpanao salamo, izay nilaza hoe: “I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy. Andriamanitro no vatolampiko. Hialoka aminy aho.”—Sal. 18:2.
15-21 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 31
Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Torohevitra Nomen’ny Reny Iray ho An’ny Zanany Lahy?
Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao
Ampianaro daholo ny marina momba ny firaisana. Ilaina ny fampitandremana. (1 Korintianina 6:18; Jakoba 1:14, 15) Lazain’ny Baiboly anefa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisana, fa tsy fandrik’i Satana. (Ohabolana 5:18, 19; Tononkiran’i Solomona 1:2) Mety hanana hevi-diso momba ny firaisana ny zanakao, raha zava-dratsy momba izany fotsiny no resahinao. Hoy i Corrina, tanora any Frantsa: “Nanizingizina loatra momba ny firaisana maloto ny ray aman-dreniko, ka lasa ratsy ny fiheverako ny firaisana.”
Ataovy azo antoka fa fantatry ny zanakao ny marina rehetra momba ny firaisana. Hoy i Nadia, reny any Meksika: “Nataoko takatry ny zanako foana fa zavatra tsara sy voajanahary ny firaisana, ary nataon’i Jehovah Andriamanitra hankafizin’ny olombelona. Ny mpivady ihany anefa no mahazo manao azy io. Hahazoana fahafinaretana izy io na hiteraka fijaliana, arakaraka ny fomba ampiasana azy.”
Ahoana no Hanazavako Amin’ny Zanako hoe Mety ve ny Misotro Toaka sa Tsia?
Aza izy no andrasana hiresaka, fa tonga dia resaho ilay izy. Izany no nataon’i Mark, any Grande-Bretagne. Hoy izy: “Nanontaniako ilay zanako lahy valo taona hoe mety sa tsy mety ny misotro toaka. Tsy voatery ho hain’ny ankizy tsinona izany. Tsy nataoko resaka matotra be anefa ilay izy fa nataoko mahafinaritra, dia nahasahy nilaza ny heviny izy.”
Miresaha matetitetika amin’ny zanakao raha tianao hisy vokany kokoa izay lazainao. Raha efa lehibebe izy, dia azonao ampidirina tsindraindray ny resaka toaka rehefa mampianatra azy zavatra hafa ianao. Ohatra hoe rehefa manoro azy hoe mila mitandrina tsara izy eny amin’ny arabe, na rehefa miresaka aminy momba ny firaisana.
Miezaha ho modely. Hoatran’ny spaonjy ny ankizy. Mora mitroka ranon-javatra ny spaonjy. Mora maka tahaka an’izay ataon’ny olon-kafa koa ny ankizy, indrindra fa izay ataon’ny ray aman-dreniny. Izany no hitan’ny mpikaroka. Vao sorena ve ianao na vao miady saina, dia misotro toaka? Raha izany no ataonao, dia hieritreritra ny zanakao hoe mila misotro toaka izy raha te hahavaha olana. Miezaha àry ho modely. Ataovy hitany hoe mahafehy tena ianao, fa tsy misotro be loatra.
Ampianaro Hanetry Tena ny Zanakao
Ampirisiho izy mba halala-tanana. Asehoy azy fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Amin’ny fomba ahoana? Manaova lisitra miaraka aminy ary soraty ao ny anaran’ny olona mila alaina na aterina, ampiana hiantsena, na manan-javatra simba mila amboarina. Ento miaraka aminao izy rehefa manampy ny sasany amin’izy ireny ianao. Ho hitany amin’izay hoe faly sy afa-po ianao rehefa mikarakara izay ilain’ny hafa. Tena hanampy azy hanetry tena ny modely omenao.—Torolalana: Lioka 6:38.
Vatosoa Ara-panahy
w23 12 21 § 12
Ry Anabavy Tanora, Miezaha Hihamatotra
12 Miezaha hahay hifampiresaka amin’ny hafa. Mila mahay an’izany ny Kristianina. Nanome torohevitra mahasoa antsika i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny.” (Jak. 1:19) Hahay ‘hiara-ory’ amin’ny hafa ianao raha mihaino tsara rehefa miteny izy. (1 Pet. 3:8) Ahoana anefa raha tsy azonao tsara ny tiany holazaina na ny fihetseham-pony? Mametraha fanontaniana mety tsara, dia avadibadiho impito ny lela vao miteny. (Ohab. 15:28) Saintsaino izao: ‘Marina ve ilay zavatra tiako holazaina sady mampahery? Tsy mivantambatana ve ilay izy fa tsara fanahy?’ Mianara avy amin’ireo anabavy matotra mahay miresaka tsara amin’ny hafa. (Vakio ny Ohabolana 31:26.) Henoy tsara izay lazainy sy ny fomba ilazany azy. Hihatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa, arakaraka ny hahaizanao mifampiresaka aminy.
22-28 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 1-2
Miezaha Foana Hampiofana Tanora
Omeo Andraikitra ny Lehilahy Mendri-pitokisana
3 Maro amintsika no tia ny asa ampanaovina antsika eo anivon’ny fandaminana. Tiantsika koa raha manao an’ilay izy foana isika. Mampalahelo anefa fa mihantitra daholo izay taranaka nifandimby, nanomboka tamin’ny andron’i Adama. (Mpito. 1:4) Lasa mampisy zava-tsarotra tsy mahazatra ho an’ny vahoakan’i Jehovah izany tato ho ato. Be dia be mantsy ny asa fitoriana mila atao, ary mampiasa fitaovana sy teknolojia maoderina ny fandaminana mba hanaovana an’ireo tetikasa mifandray amin’izany. Vetivety dia miova anefa matetika ny teknolojia, ka mety tsy haharaka hianatra azy ireny ireo efa zokinjokiny. (Lioka 5:39) Na mahavita an’izany aza izy ireo, dia efa tsy matanjaka tsara hoatran’ny tanora intsony koa. (Ohab. 20:29) Tena mety àry raha mampiofana an’ireo tanora kokoa mba hahazo andraikitra fanampiny ireo rahalahy efa zokinjokiny. Be fitiavana izy ireo raha manao an’izany.—Vakio ny Salamo 71:18.
4 Sarotra amin’ireo manana andraikitra indraindray ny manome ny andraikiny an’ireo rahalahy tanora kokoa. Matahotra mantsy izy hoe ho lasan’olon-kafa ny andraikiny nefa tena tiany ilay izy. Misy indray manahy hoe sao dia tsy ho vita tsara ny asa raha tsy izy no miandraikitra azy. Ny hafa kosa mieritreritra hoe tsy manam-potoana hampiofanana olon-kafa izy. Mila manam-paharetana àry ireo rahalahy tanora kokoa raha mbola tsy nahazo andraikitra fanampiny.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mpitoriteny” § 1
Mpitoriteny
Kôhelet (midika hoe “Mpamory na Mpanangona na Mpampiantso vahoaka”) no iantsoana an’ilay boky ao amin’ny Baiboly hebreo. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa nandika an’io anarana io hoe Ekklesiastes, izay midika hoe “olona anisan’ny fiangonana na fivoriambe.” Mahalaza tsara ny andraikitry ny mpanjakan’ny Israely ny teny hebreo hoe Kôhelet. (Mpto 1:1, 12) Andraikiny mantsy ny nanampy an’ilay vahoaka tsy hivadika amin’ilay tena Mpanjakany sy Andriamaniny. (1Mp 8:1-5, 41-43, 66) Mpanjaka tsara àry izay nitarika an’ilay firenena hanompo an’i Jehovah. Mpanjaka ratsy kosa izay tsy nanao izany. (2Mp 16:1-4; 18:1-6) Efa nisy fotoana i Solomona, mpamory vahoaka, namory ny Israely sy ny vahiny tao amin’ny tempoly. Nanoratra ny Mpitoriteny koa izy mba hampirisihana ny vahoakan’Andriamanitra hiala amin’ny asa tsy misy dikany sy tsy mahasoa eto amin’ity tontolo ity, fa hanao kosa an’ireo asa ankasitrahan’ilay Andriamanitra nanokanan’izy ireo tena.
29 SEPTAMBRA–5 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 3-4
Ataovy Mafy Tsara Foana Ilay Tady Randran-telo
Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika
● Mety hahasoa ny mpivady ny fitaovana elektronika, raha ampiasain-dry zareo amin’ny fomba tsara. Ny mpivady sasany izao rehefa tsy tafaraka mandritra ny andro, dia mampiasa fitaovana elektronika amin’izay afaka mifandray.
“Na dia SMS kely hoatran’ny hoe ‘tiako ianao’ na hoe ‘malahelo anao aho’, dia efa tena zava-dehibe.”—Jonathan.
● Mety hanimba tokantrano ny fitaovana elektronika, raha tsy mahay mandanjalanja ny mpivady rehefa mampiasa azy. Variana amin’ny tablette na ny telefaoniny ny olona sasany, dia lasa hadinony ny vadiny sady mihena ny fotoana tokony hiarahany aminy.
“Fantatro hoe matetika ny vadiko no te hiresaka tamiko, fa izaho nefa variana tamin’ny telefaonina.”—Julissa.
● Misy olona sasany mieritreritra hoe mbola afaka miresaka tsara amin’ny vadiny ihany izy na dia mampiasa tablette sy telefaonina aza. Hoy i Sherry Turkle, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Tsy afaka manao zavatra maromaro indray miaraka ny olona.” Na dia mihevitra aza izany ny olona hoe azo atao tsara ny manao zavatra indray miaraka, dia tsy ho vitany mihitsy izany. Hoy ihany i Sherry Turkle: “Raha miezaka manao zavatra maromaro indray miaraka isika, dia misy tsy ho vitantsika tsara ny zavatra ataontsika.”
“Mahafinaritra an’ahy ny miresaka amin’ny vadiko rehefa tsy manao zavatra hafa izy. Raha sady variana manao zavatra anefa izy no miresaka amiko, dia hoatran’ny hoe tsy mampaninona azy na eo aho na tsy eo.”—Sarah.
Tadidio izao: Mety hahasoa na hanimba ny tokantranonao ny fitaovana elektronika, arakaraka izay fomba ampiasanao azy.
Aza Avela ho Faty ny “Lelafo avy Amin’i Jah”
12 Ahoana no anahafan’ny mpivady an’i Akoila sy Prisila? Eritrereto ireo zavatra be dia be mila ataonao sy ny vadinao. Maninona raha iarahana manao ny sasany amin’ireny? Niara-nitory, ohatra, i Akoila sy Prisila. Mandamina fotoana tsy tapaka koa ve ianareo mivady mba hanaovana an’izany? Niara-niasa koa i Akoila sy Prisila. Mety hoe samy manana ny asanareo ianareo roa. Maninona anefa raha mba miara-manao raharaha? (Mpito. 4:9) Rehefa mifanampy amin’izany mantsy ianareo, dia ho tsapanareo hoe tena ekipa iray ianareo sady afaka mifampiresaka kokoa. Efa nivady nandritra ny 50 taona mahery i Robert sy Linda. Hoy i Robert: “Tsoriko aloha hoe tsy dia manam-potoana hiarahana miala voly izahay. Faly be anefa aho rehefa manasa vilia ka mamafa an’izany ny vadiko, na rehefa mikarakara zaridaina aho dia iny koa izy fa manome tanana ahy. Mifandray akaiky kokoa izahay rehefa miara-manao zavatra, sady vao mainka mifankatia.”
13 Tadidio anefa fa tsy voatery hoe lasa miray saina ny mpivady, satria fotsiny hoe miaraka. Izao no nolazain’ny anabavy iray mipetraka any Brezila: “Be atao be isika amin’izao, dia mety ho diso hevitra ka hieritreritra hoe efa manokana fotoana hiarahana satria fotsiny hoe efa iray trano ao. Nianarako anefa fa tsy ampy ilay hoe miaraka eo fotsiny. Ilaina koa ny manome an’izay ilain’ny vadinao.” Mariho izay nataon’i Bruno sy ny vadiny, mba ho afaka hanome an’izay ilain’ny andaniny ny ankilany. Izao no notenenin’i Bruno: “Apetrakay mihitsy aloha ny telefaoninay rehefa miaraka izahay roa. Tianay hankafizina mantsy ilay fotoana iarahanay.”
14 Ahoana anefa raha tsy dia tia miaraka loatra ianao sy ny vadinao? Samy manana ny mahaliana anareo angamba ianareo, na mahasosotra anao ny ataony. Inona àry no azonao atao? Eritrereto indray ilay afon-dasy noresahintsika terỳ aloha. Tsy hoe tonga dia miredareda be ilay afo. Mila ampiana kitay tsikelikely ilay izy. Kitay madinidinika aloha no atao ao vao kitay lehibe kokoa. Maninona koa àry raha manokana fotoana hiarahana isan’andro, na dia hoe fohifohy fotsiny aza aloha ilay izy amin’ny voalohany? Ataovy azo antoka hoe zavatra samy mahafinaritra anareo roa no atao, fa tsy zavatra mety hampiady anareo. (Jak. 3:18) Mety hanomboka hiredareda indray ny fifankatiavanareo, rehefa manomboka amin’ny zavatra kely hoatr’izany.
Aza Avela ho Faty ny “Lelafo avy Amin’i Jah”
3 Tsy maintsy samy miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah ny mpivady, mba tsy ho faty ilay “lelafo avy amin’i Jah.” Nahoana izany no manampy ny tokantranon-dry zareo? Satria rehefa sarobidy amin’ny mpivady ilay hoe minamana amin’ilay Rainy any an-danitra, dia tonga dia mampihatra ny toroheviny izy roa. Izany indray avy eo no manampy an-dry zareo hisoroka sy hamaha an’izay olana mety hampihena ny fifankatiavany. (Vakio ny Mpitoriteny 4:12.) Ny olona mifandray tsara amin’i Jehovah koa miezaka manahaka azy sy maneho ny toetrany, ohatra hoe tsara fanahy, manam-paharetana, ary mamela heloka. (Efes. 4:32–5:1) Tsy dia sarotra amin’ny mpivady ny mifankatia kokoa rehefa maneho an’ireo toetra ireo ry zareo. Izao no nolazain’i Lena, anabavy efa mihoatra ny 25 taona nanambadiana: “Mora ny mitia sy manaja olona mifandray tsara amin’i Jehovah.”
Vatosoa Ara-panahy
it “Fitiavana” § 38
Fitiavana
“Misy fotoana itiavana.” Izay lazain’i Jehovah hoe tsy mendrika hotiavina sy mikiry manao ratsy ihany no tsy tokony hotiavina. Ny olona rehetra no tokony hotiavina, raha tsy hoe lasa mankahala an’Andriamanitra angaha izy ka tsy tokony hotiavina intsony. Tia ny fahamarinana sy mankahala fandikan-dalàna i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. (Sl 45:7; He 1:9) Tsy tokony hotiavina àry ireo mankahala mafy an’Andriamanitra. Tsy mahasoa ny hitiavana foana ny olona toy izany, satria tsy hiraharaha ny fitiavan’Andriamanitra izy ireny. (Sl 139:21, 22; Is 26:10) Ara-dalàna àry raha mankahala azy ireny Andriamanitra, ary efa misy fotoana hamaliany azy.—Sl 21:8, 9; Mpto 3:1, 8.
6-12 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 5-6
Ahoana no Ampisehoantsika hoe Manaja Lalina An’Andriamanitra Isika?
Aoka Ianao ho Mendrika mba ho Fanajana An’i Jehovah
17 Tokony ho mendrika kokoa isika, rehefa manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana. Hoy ny Mpitoriteny 4:17: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao.” Samy nasaina nanala ny kapany i Mosesy sy Josoa, rehefa nijoro teo amin’ny tany masina. (Eks. 3:5; Josoa 5:15) Fanehoana fanajana na fanomezam-boninahitra izany. Tsy maintsy nanao kalisaona na kilaoty lava vita amin’ny rongony fotsy koa ny mpisoron’ny Israely, mba “hanarona ny fitanjahany.” (Eks. 28:42, 43) Mendrika tsara àry ny fitafiany, rehefa nanompo teo amin’ny alitara izy ireo. Tokony ho mendrika koa ny fianakavian’ny mpisorona.
18 Mila maneho fanajana àry isika mba ho mendrika, rehefa manao fanompoana. Tsy maintsy manaja tena isika, raha te ho mendrika ny hohajaina. Tsy mety raha mihatsaravelatsihy isika, ka mody hoe mendrika etỳ ivelany fotsiny. Tokony ho avy ao am-po kosa ny fahamendrehantsika, ka ho araka ny fomba fijerin’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olona. (1 Sam. 16:7; Ohab. 21:2) Ny fomba fiainantsika manontolo mihitsy no tokony ho mendrika, izany hoe ny fihetsitsika, ny fisainantsika, ny fifandraisantsika amin’ny hafa, ary na dia ny fiheverantsika ny tenantsika aza. Tokony ho mendrika foana ny fitenintsika sy ny ataontsika, amin’ny fotoana rehetra. Toy izany koa ny fitondran-tena sy ny fihetsika, ary ny fitafiana sy taovolo. Hotadidintsika foana ny tenin’i Paoly hoe: “Tsy manao izay hampihemotra olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay. Fa amin’ny lafiny rehetra, dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay.” (2 Kor. 6:3, 4) Raha manao izany isika dia ‘mampamirapiratra ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny zava-drehetra.’—Tit. 2:10.
Mianara Bebe Kokoa mba Hanatsarana ny Vavaka Ataonao
21 Nanaja lalina an’i Jehovah koa i Jesosy, ary tena nino fa nohenoiny. “Niandrandra ny lanitra”, ohatra, izy talohan’ny nananganany an’i Lazarosy, ka nanao hoe: “Misaotra anao aho, Ray ô, fa efa nihaino ahy ianao. Fantatro fa mihaino ahy foana ianao.” (Jaona 11:41, 42) Maneho fanajana sy finoana toy izany ve ianao? Diniho ilay vavaka nampianariny. Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny fahatanterahan’ny sitrapony no tena nasongadiny. (Mat. 6:9, 10) Eritrereto ny vavaka ataonao. Hita ve fa zava-dehibe aminao koa ireo? Izany no tokony ho izy.
“Efao ny Voadinao”
12 Vao fiandohana anefa ny batisa. Mila manompo an’i Jehovah sy mankatò azy foana isika aorian’izay, mba hanefana an’ilay voady nataontsika. Eritrereto àry izao: ‘Nandroso tsara ve aho hatramin’izay nanaovana batisa an’ahy izay? Mbola manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ve aho? (Kol. 3:23) Mivavaka matetika ve aho, mamaky Baiboly isan’andro, mivory tsy tapaka, ary mitory matetika araka izay azo atao? Sa ve aho lasa tsy dia mazoto manao an’ireo?’ Mila mitandrina isika sao dia lasa tsy mazoto manompo an’i Jehovah. Nilaza ny apostoly Petera fa tsy hitranga izany raha miezaka hanam-pinoana sy fahalalana bebe kokoa isika, ary miaritra sy mahafoy tena ho an’Andriamanitra.—Vakio ny 2 Petera 1:5-8.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Miresaka momba ny mpitondra iray manao tsindry hazo lena sy tsy manome rariny ny mahantra ny Mpitoriteny 5:8. Tokony hotadidiny hoe misy olona ambony kokoa noho izy na manana fahefana kokoa noho izy ao amin’ny fitondrana, ary mandinika an’izay ataony. Mety hisy hanana fahefana ambony kokoa noho ireo aza. Mampalahelo anefa fa mety hanao ratsy daholo ireo manam-pahefana ireo, ary mizaka ny vokatr’izany ny vahoaka madinika.
Na dia hoatran’ny hoe tsy misy antenaina intsony aza anefa isika, dia mampahery ny mahafantatra hoe dinihin’i Jehovah na dia ny manam-pahefana ambony aza, ary “manara-maso” azy ireny izy. Afaka mitaraina aminy àry isika, dia mametraka an’izay manavesatra antsika aminy. (Sal. 55:22; Fil. 4:6, 7) Fantatsika hoe “ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 Tan. 16:9.
Mampahatsiahy antsika àry ny Mpitoriteny 5:8 hoe na iza na iza olona manam-pahefana, dia tsy maintsy misy ambony kokoa noho izy foana. Mampahatsiahy antsika koa anefa izy io hoe i Jehovah no ambony indrindra, izany hoe izy no Manam-pahefana Fara Tampony. Manjaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy izao. Manao ny rariny sy ny hitsiny foana ilay Mahery Indrindra, ary manao an’izany amin’ny olona rehetra. Hoatr’izany koa ny Zanany.
13-19 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 7-8
“Aleo Mankany Amin’ny Trano Misy Fisaonana”
it “Fisaonana” § 9
Fisaonana
Misy fotoana alahelovana sy isaonana. Milaza ny Mpitoriteny 3:1, 4 fa “misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana, misy fotoana idradradradrana ary misy fotoana itsinjahana.” Voalaza fa ao amin’ny “trano misy fisaonana” ny fon’ny hendry, fa tsy ao amin’ny “trano misy fanasana.” (Mpto 7:2, 4; ampit. Oh 14:13.) Fantatry ny hendry mantsy fa fahafatesana no iafaran’ny olombelona rehetra, ka aleony miara-miory amin’ireo mana-manjo sy mampionona azy ireo, toy izay tsy hiraharaha izany ka handeha hitady fahafinaretana. Manampy azy izany hitadidy fa mety maty koa ny tenany, ary manampy azy izany hiaro ny fony mba tsy hivadika amin’ny Mpamorona mihitsy.
Ampio ny Hafa Hizaka ny Adin-tsainy
15 Maty ny vadin’i William, taona vitsivitsy lasa izay. Hoy izy: “Tiako rehefa mba mitantara zavatra tsara momba ny vadiko ny olona, satria lasa mahazo toky aho hoe tian’ny olona izy sady nohajain’izy ireo. Tena manampy sy mampahery be an’ahy izany, satria sarobidy be tamiko izy. Hoatran’ny rano sy vary mihitsy izahay!” Maty vady koa i Bianca ary izao no nolazainy: “Lasa tsy dia malahelo aho rehefa miara-mivavaka amiko ny olona, dia mamaky andinin-teny iray na roa ho an’ahy. Mampahery an’ahy koa rehefa miresaka amiko momba ny vadiko ry zareo, na mihaino an’ahy miresaka momba azy.”
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
16 Tena tsara koa ny mivavaka ho an’ny rahalahy na anabavy nidonam-pahoriana, na miara-mivavaka aminy. Marina fa mety hihetsi-po be ianao, ka tsy ho hitanao izay holazaina rehefa mivavaka. Tsara anefa ny mitalaho amin’ny fo manontolo amin’i Jehovah, na dia mety hitomany aza ianao na hangovitra ny feonao. Mety hampahery be azy izany. Hoy i Dalene: “Rehefa misy rahavavy tonga mampahery ahy indraindray, dia asaiko mivavaka ry zareo raha mety. Miakanakana ry zareo matetika rehefa manomboka mivavaka. Rehefa avy milaza fehezanteny vitsivitsy anefa izy, dia lasa mety tsara ny feony, dia mivavaka amin’ny fo manontolo izy. Vao mainka aho matoky an’i Jehovah rehefa mahita hoe manana finoana matanjaka izy ireo ary be fitiavana sady mitady izay hahasoa ahy.”
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
17 Mety ho vetivety ny olona sasany dia tsy malahelo be intsony, fa ny sasany mety ho elaela. Amin’ny voalohany ihany matetika no mampahery an’ireo nidonam-pahoriana ny havany sy ny namany, fa variana amin’ny fiainana andavanandro izy ireo avy eo. Isika kosa tokony hanampy azy ireo foana, satria mbola mila ampaherezina izy ireo. “Tia amin’ny fotoana rehetra” mantsy “ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohab. 17:17) Tokony hampahery an’ilay nidonam-pahoriana foana isika mpiara-manompo aminy, na hafiriana na hafiriana izy no malahelo.—Vakio ny 1 Tesalonianina 3:7.
18 Tadidio fa misy fotoana mety hahatonga an’ilay olona halahelo be, ohatra hoe amin’ny vanin-taona sasany na rehefa misy daty miavaka mitsingerina. Mety ho hira, na sary, na fofona, na feo koa no hahatonga azy halahelo, na rehefa misy zavatra sasany ataony. Mety halahelo be koa izy amin’ny voalohany rehefa izy irery sisa no manao ny zavatra fanaon’izy sy ilay havany nodimandry, ohatra hoe mamonjy fivoriambe na Fahatsiarovana. Nieritreritra ny rahalahy iray hoe tena ho mafy aminy rehefa hitsingerina ny datin’ny mariaziny, ny taona voalohany taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Nalahelo be tokoa izy tamin’io andro io. Hoy anefa izy: “Nisy rahalahy sy anabavy nandamina fiaraha-mikorana kely tamin’izay. Dia nasainy izaho sy ny namako akaiky vitsivitsy, amin’izay aho mba tsy irery.”
19 Tadidio anefa fa tsy amin’ny fotoana manokana ihany ny olona nidonam-pahoriana no mila fampaherezana. Hoy i Junia: “Tena mampahery matetika rehefa misy olona mba miaraka aminao na manampy anao koa amin’ny fotoana hafa. Tena manampy be ireny fiarahana tampotampoka ireny.” Marina aloha fa tsy hahavita hanafoana tanteraka ny alahelon’ilay olona isika. Tsy hoe rehefa manampy azy koa isika, dia tsy hahatsiaro ho manirery intsony izy. Hanamaivamaivana ny alahelony anefa isika raha manao zavatra ho azy. (1 Jaona 3:18) Hoy i Gaby: “Tena misaotra an’i Jehovah aho fa nisy anti-panahy be fitiavana foana nanampy ahy isaky ny nanana olana aho. Lasa tsapako hoe tia ahy i Jehovah ary hoatran’ny hoe namihina ahy mihitsy izy.”
Vatosoa Ara-panahy
“Izany no Hahafantaran’ny Olona Rehetra fa Mpianatro Ianareo”
18 Indraindray isika mety ho te hanatona an’ilay mpiara-manompo nahasosotra antsika, dia hifanazava aminy. Tsara anefa aloha ny mieritreritra an’ireto: ‘Fantatro tsara ve ny zava-misy rehetra?’ (Ohab. 18:13) ‘Sao dia mba tsy fanahy iniany ilay izy?’ (Mpito. 7:20) ‘Efa nisy fotoana koa ve aho nanao hoatr’azy?’ (Mpito. 7:21, 22) ‘Raha manatona azy aho, sao dia vao mainka hitombo ilay olana?’ (Vakio ny Ohabolana 26:20.) Rehefa maka fotoana hisaintsainana an’ireo isika, dia mety hanapa-kevitra hoe aleo odiana tsy hita fotsiny ny tsy mety nataon’ilay rahalahintsika, satria tiantsika izy.
20-26 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 9-10
Ahoana no Tokony ho Fahitanao ny Olana Mahazo Anao?
Aza ‘Tezitra Amin’i Jehovah’ Mihitsy
20 Tadidio ny tena mahatonga ny olana mahazo antsika. Ilaina izany satria isika ihany indraindray no mahatonga ny olana sasany mahazo antsika. (Gal. 6:7) Aza manome tsiny an’i Jehovah rehefa mitranga izany. Fa nahoana izany no tsy mety? Eritrereto hoe nandeha mafy loatra ny mpamily fiara iray, teo amin’ny fiolahana tery kely. Nidona àry ilay fiara ary potika. Tokony hanome tsiny ny orinasa namorona an’ilay fiara ve ilay mpamily? Mazava ho azy fa tsia! Izy no nisafidy ny handeha mafy. Toy izany koa isika. Nataon’i Jehovah afaka misafidy isika sady nomeny tari-dalana mba hahaizantsika manapa-kevitra. Tsy tokony hanome tsiny azy àry isika, raha mahita olana noho ny safidy tsy nety nataontsika.
21 Tsy vokatry ny fahadisoantsika na ny tsy nety nataontsika daholo anefa ny olana mahazo antsika. ‘Mety ho azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ koa isika. (Mpito. 9:11) Tsy tokony hohadinointsika mihitsy koa fa i Satana Devoly no tena mahatonga ny faharatsiana. (1 Jaona 5:19; Apok. 12:9) Izy no fahavalontsika fa tsy i Jehovah.—1 Pet. 5:8.
Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena
10 Mora kokoa amintsika ny miatrika fiainana rehefa manetry tena isika. Mety hahita tsy rariny mantsy isika indraindray, na isika mihitsy no iharan’ny tsy rariny. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.” (Mpito. 10:7) Misy olona, ohatra, manan-talenta be nefa tsy misy miraharaha. Olon-kafa tsy dia mahay noho izy indray no omena voninahitra kokoa. Na izany aza, dia niaiky i Solomona fa hendry isika raha manaiky hoe efa hoatr’izany ny fiainana, fa tsy tezitra noho ny tsy rariny hitantsika. (Mpito. 6:9) Raha manetry tena isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hanaiky an’izay rehetra mitranga, na dia tsy tiantsika aza izy ireny.
Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?
MILAZA ny Baiboly fa tian’i Jehovah hankafy fiainana isika, fa tsy hoe ho velona fotsiny. Milaza, ohatra, ny Salamo 104:14, 15 fa i Jehovah no mahatonga ny “tany hamokatra sakafo sy divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty.” Izy koa no manome ‘menaka mba hampahamandimandina ny tarehin’ny olona’, sy ‘mofo mba ho tohan’aina.’ I Jehovah tokoa no mampaniry ny zavamaniry mba hahazoantsika voa sy menaka ary divay. Marina fa tsy tena ilaina mba hahavelona ny divay, kanefa ‘mampifalifaly ny fo.’ (Mpito. 9:7; 10:19) Tian’i Jehovah ho ‘faly’ àry ny fontsika.—Asa. 14:16, 17.
2 Tsy tokony hanamelo-tena isika, rehefa maka fotoana kely handinihana ny “voro-manidina” sy ny “lisy any an-tsaha”, na manao zavatra hafa mahafinaritra sy mamelombelona antsika. (Mat. 6:26, 28; Sal. 8:3, 4) “Fanomezana avy amin’Andriamanitra” ny fifaliana hitantsika eo amin’ny fiainana. (Mpito. 3:12, 13) Anisan’izany fanomezana izany ny fialam-boly, ka tokony hanao izay hampifaliana an’Andriamanitra isika rehefa miala voly.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mifosa, Manendrikendrika” § 4, 8
Mifosa, Manendrikendrika
Mety hanjary hanendrikendrika ny olona rehefa mifosa, ka ho ratsy ny vokany. Tena marina mihitsy ilay hoe: “Ny molotry ny adala kosa hitera-pahavoazana ho an’ny tenany. Hadalana no anombohany ny teniny, ary hadalana mampidi-doza koa no amaranany azy. Be resaka loatra ny olona adala.”—Mpto 10:12-14.
Tsy hoe rehefa miresaka olona dia mifosa foana, ary tsy ratsy foana ny miresaka olona. Mety hanjary hanendrikendrika anefa ny olona raha mifosa, ary ratsy foana ny manendrikendrika. Sady mandratra fo izy io no mampiady. Marina fa mety tsy ho ratsy saina ny olona manendrikendrika, nefa tsy tian’Andriamanitra izany ataony izany. Anisan’ny zavatra halan’Andriamanitra mantsy ny “mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.” (Oh 6:16-19) Diabôlôs no teny grika midika hoe “mpanendrikendrika” na “mpiampanga”, ary io no iantsoan’ny Baiboly an’i Satana “Devoly”, ilay mpanendrikendrika an’Andriamanitra. (Jn 8:44; Ap 12:9, 10; Ge 3:2-5) I Satana àry no voalohany niampanga sy nanala baraka an’Andriamanitra.
27 OKTOBRA–2 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 11-12
Ataovy Izay Hahatonga Anao ho Salama sy Hankafy Fiainana
Fanafody Voajanahary ny Rivotra Madio sy Tara-masoandro
Mahafaty mikraoba koa ny masoandro. Nanazava ny gazety iray momba ny fahasalamana hoe: “Maro ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny rivotra, nefa tsy mahatanty masoandro ny ankamaroan’ny mikraoba mahatonga azy ireny.”
Tsy mba tianao ve ny hahazo an’izany fanafody voajanahary izany? Maninona àry raha mitsangantsangana eny ivelany, ka mba mifoka rivotra madio sy mitanina andro kely? Tena hahasoa anao izany.
Fanomezan’Andriamanitra ny Aina ka Ankamamio
6 Marina hoe tsy boky momba ny fahasalamana na momba an’izay sakafo tokony hohanina sy tsy tokony hohanina ny Baiboly. Resahina ao anefa ny fiheveran’i Jehovah an’ireo. Ampirisihina, ohatra, isika hoe “aza avela hikasika ny vatanao izay zavatra mampijaly” mety hanimba azy io. (Mpito. 11:10) Raran’ny Baiboly ny hoe tendan-kanina sy misotro be loatra, satria samy mety hahafaty ireo. (Ohab. 23:20) Tian’i Jehovah hifehy tena isika rehefa manapa-kevitra hoe inona no hohanintsika sy hosotrointsika, ary hoatran’ny ahoana ny habetsahan’izany.—1 Kor. 6:12; 9:25.
7 Ahoana no ampisehoantsika hoe tena mankasitraka ny aina nomen’Andriamanitra isika? Mila mahay misaina isika rehefa manapa-kevitra. (Sal. 119:99, 100; vakio ny Ohabolana 2:11.) Mandinika tsara, ohatra, isika hoe inona no hohanintsika. Ahoana raha misy sakafo tiantsika nefa mankarary antsika? Misaina tsara isika raha tsy mihinana an’ilay izy. Asehontsika koa hoe hendry isika raha miezaka ny ho ampy torimaso, sy manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, ary ataontsika madio foana ny vatantsika sy ny tranontsika.
“Tokony ho Mpankatò ny Teny Ianareo”
2 Vahoaka sambatra isika mpanompon’i Jehovah. Nahoana? Be dia be ny antony, fa anisan’ny tena mahasambatra antsika ilay hoe mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika, ary miezaka mafy mampihatra an’izay ianarantsika.—Vakio ny Jakoba 1:22-25.
3 Betsaka ny soa azontsika rehefa “mpankatò ny teny” isika. Fantatsika, ohatra, hoe tena ilaina izany mba hampifaliana an’i Jehovah, ary mahasambatra antsika ny mahatsapa an’izany. (Mpito. 12:13) Mifandray tsara amin’ny fianakaviantsika isika sady minamana be amin’ny mpiara-manompo amintsika, rehefa mampihatra an’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azo inoana hoe efa niaina an’izany ianao. Ankoatra izay, dia tsy mahazo antsika ny olana be dia be mpahazo ny olona tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Miombon-kevitra amin’i Davida Mpanjaka isika. Niresaka momba ny lalàna sy fitsipika ary didim-pitsaran’i Jehovah izy tao amin’ny hira iray nataony, dia izao no namaranany azy: “Lehibe ny valisoa azon’izay manaraka an’ireny.”—Sal. 19:7-11.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fanahy, avy Amin’ny” § 10
Fanahy, avy Amin’ny
Tsy toy ny milina tsy manan-tsafidy ireo nofidin’Andriamanitra hanoratra ny Soratra Masina. Nahariharin’ny anjely “tamin’ny alalan’ny famantarana” tamin’ny apostoly Jaona, ohatra, ny votoatin’ny Apokalypsy, ka lasa “vavolombelona nanambara ny teny nomen’Andriamanitra sy ny fanambarana nataon’i Jesosy Kristy, dia ny zava-drehetra hitany” i Jaona. (Ap 1:1, 2) “Teo ambany herin’ny fanahy masina” izy no “tonga tamin’ny andron’ny Tompo”, ary nilazana hoe: “Izay hitanao dia soraty eo amin’ny horonam-boky.” (Ap 1:10, 11) Navelan’Andriamanitra hampiasa ny sainy àry ny mpanoratra Baiboly ka hifidy an’izay teny hilazana ny fahitana hitany (Ha 2:2), na dia nifehy sy nitari-dalana azy ireo foana aza Izy mba ho marina sy hifanaraka amin’ny fikasany ny zavatra voasoratra. (Oh 30:5, 6) Nisy ezaka tokoa nataon’ireo mpanoratra. Nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina ary nandrindra teny, ohatra, ny mpanoratra ny Mpitoriteny, mba hanoratra ‘teny mahafinaritra sy tenim-pahamarinana tsy misy diso.’—Mpto 12:9, 10; ampit. Lk 1:1-4.