FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr25 Novambra p. 1-15
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2025
  • Lohatenikely
  • 3-9 NOVAMBRA
  • 10-16 NOVAMBRA
  • 17-23 NOVAMBRA
  • 24-30 NOVAMBRA
  • 1-7 DESAMBRA
  • 8-14 DESAMBRA
  • 15-21 DESAMBRA
  • 22-28 DESAMBRA
  • 29 DESAMBRA–4 JANOARY
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2025
mwbr25 Novambra p. 1-15

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

3-9 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TONONKIRAN’I SOLOMONA 1-2

Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Fitiavana?

w15 15/1 30 § 9-10

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

9 Tsy fifanekena fotsiny ny fanambadiana, fa eo koa ny fitiavana mampiray ny mpivady, izay tena tokony hampiavaka ny tokantrano kristianina. Hoatran’ny ahoana izany fitiavana izany? Ilay fitiavana tsy mitady valiny tokony haseho amin’ny olona rehetra ve? (1 Jaona 4:8) Sa ilay fitiavana voajanahary eo amin’ny mpianakavy? Sa ilay firaiketam-po eo amin’ny tena mpinamana? (Jaona 11:3) Sa ilay fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy? (Ohab. 5:15-20) Tafiditra amin’ilay tena fitiavana ilain’ny mpivady daholo ireo. Rehefa lazaina sy aseho ny fitiavana vao tena tsapa. Tokony hifaneho fitiavana foana àry ny mpivady, na eo aza ireo zavatra tsy maintsy atao isan’andro. Manampy azy ireo ho sambatra sy tsy hanana ahiahy izany. Matetika no amboarina ny fanambadiana any amin’ny firenena sasany, ka zara raha mifankahalala ny mpivady alohan’ny fampakaram-bady. Tokony ho takatr’ireny mpivady ireny fa ilainy ny milaza ny fitiavany amin’ny vadiny. Hifankatia kokoa izy ireo amin’izay ary ho sambatra ny tokantranony.

10 Misy antony hafa koa mahatsara ny mifaneho fitiavana. Nilaza ilay mpanjaka fa hanome “firavaka volamena boribory misy haingony volafotsy” an’ilay tovovavy. Nototofany teny fiderana izy, ka nolazainy fa “tsara tarehy sahala amin’ny volana fenomanana” sy “madio tahaka ny masoandro mamirapiratra.” (Tonon. 1:9-11; 6:10) Tsy nivadika tamin’ilay mpiandry ondry malalany anefa ilay tovovavy. Inona no nampahery azy rehefa tsy nifankahita izy roa? (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 1:2, 3.) Ny fahatsiarovany ny ‘fanehoam-pitiavan’ilay’ mpiandry ondry. Noheveriny ho “tsara noho ny divay” izay mampifaly ny fo izany. Namelombelona azy toy ny “menaka araraka” amin’ny loha koa ny fahatsiarovany ny anaran’ilay malalany. (Sal. 23:5; 104:15) Afaka mampaharitra ny fifankatiavan’ny mpivady ny fahatsiarovan’izy ireo ny fifanehoany fitiavana. Tena ilain’ny mpivady àry ny mifaneho fitiavana matetika.

Vatosoa Ara-panahy

w15 15/1 31 § 11

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

11 Afaka miana-javatra avy amin’ny Tononkiran’i Solomona koa ny Kristianina mpitovo, indrindra fa ireo mitady vady. Tsy raiki-pitia tamin’i Solomona mihitsy ilay tovovavy. Nampianiana ny zanakavavin’i Jerosalema izy ka nilaza hoe: “Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.” (Tonon. 2:7; 3:5) Nahoana? Satria tsy mety raha raiki-pitia amin’izay olona sendra antsika fotsiny isika. Hendry ny Kristianina te hanambady raha manam-paharetana ka tsy manambady raha tsy olona tena azony tiavina.

10-16 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TONONKIRAN’I SOLOMONA 3-5

Nahoana no Zava-dehibe ny hoe Tsara Toetra?

w15 15/1 30 § 8

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

8 Tsy miresaka momba ny bika aman’endrika daholo ny teny mamy ao amin’ilay hira. Diniho izay nolazain’ilay mpiandry ondry momba ny tenin’ilay tovovavy. (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 4:7, 11.) Nolazainy fa ‘tantely avy ao anaty tohotra no mitete avy amin’ny molony.’ Nahoana? Satria mamy sy tsara kokoa noho ny tantely efa tratran’ny rivotra ny tantely avy amin’ny tohotra. Midika koa ilay hoe ‘tantely sy ronono no eo ambany lelany’ fa toy ny tantely sy ronono ny tenin’ilay tovovavy satria mahafinaritra. Mazava àry fa tsy ny hatsaran’ilay tovovavy ihany no tao an-tsain’ilay mpiandry ondry rehefa nilaza izy hoe ‘tena tsara tarehy ianao, ary tsy misy tsininy.’

w00 1/11 11 § 17

Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Fahadiovam-pitondran-tena

17 Mpitana tsy fivadihana iray fahatelo ny tovovavy solemita iray. Tanora sady tsara bika izy, ka naharaiki-pitia tovolahy iray mpiandry ondry, ary tsy izy io ihany, fa i Solomona, mpanjaka mpanefohefo teo amin’ny Israely, koa. Manerana ilay fitantarana kanto, voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona, dia nitoetra ho nadio ilay Solemita, hany ka nahazo ny fanajan’ny olona nanodidina azy. Na dia natosi-bohon-tanana aza i Solomona, dia nahazo tsindrimandry handraikitra an-tsoratra ny tantaran’ilay Solemita izy. Nanaja ny fahadiovam-pitondran-tenan’io zazavavy io koa ilay mpiandry ondry tiany. Nisy fotoana nilazan’ilay olon-tiany tamim-pieritreretana lalina fa ohatra ny “saha voahidy” ilay Solemita. (Tononkiran’i Solomona 4:12). Teo amin’ny Israely fahiny, ny zaridaina tsara tarehy dia nahitana legioma isan-karazany nahafinaritra, voninkazo namerovero, ary hazo nijoalajoala. Tamin’ny ankapobeny, ny zaridaina toy izany dia voahodidina fefy na tamboho, ka tsy azo nidirana raha tsy teo amin’ny vavahady iray nihidy mafy. (Isaia 5:5). Teo imason’ilay mpiandry ondry, ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny hatsaran-tarehin’ilay Solemita dia nitovy tamin’ny zaridaina iray toy izany, nanana hakanto tsy fahita firy. Nadio tanteraka izy. Hatokany ho an’ilay ho vadiny ihany ny firaiketam-pony.

g16.4 15 § 1-2

Hatsaran-tarehy

Resahin’ny Baiboly fa mifandray ny hoe maotina sy ny hoe ‘hendry’ na mahay misaina. (1 Timoty 2:9) Tsy mifantoka be amin’ny bika aman’endriny ny olona maotina, fa mahay mandanjalanja. Mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa izy, ka lasa tian’ny olona sy hajainy ary ankasitrahan’Andriamanitra. (Mika 6:8) Azo inoana koa hoe hahazo namana tsara izy. Olona maniry ny hananany tokantrano sambatra sy maharitra no ho vadiny, fa tsy olona te hanao firaisana aminy fotsiny.

Tsy mahagaga ny Baiboly raha mampirisika antsika hifantoka amin’ilay “toetra miafina ao am-po”, na ny maha isika antsika. (1 Petera 3:3, 4) Tsy miova mihitsy izy io na mihantitra aza isika, ary azo hatsaraina foana. Hoy ny Ohabolana 16:31: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Tokony hanaraka ny torohevitry ny Baiboly àry isika, na tanora na antitra. Ho hitantsika amin’izay hoe ahoana no hananana ny tena hatsaran-tarehy, izay tsy mora lefy, ary ahoana no hahatonga antsika ho olona mendrika sy ho afa-po amin’ny fiainana.

Vatosoa Ara-panahy

w15 15/1 31 § 11

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

11 Afaka miana-javatra avy amin’ny Tononkiran’i Solomona koa ny Kristianina mpitovo, indrindra fa ireo mitady vady. Tsy raiki-pitia tamin’i Solomona mihitsy ilay tovovavy. Nampianiana ny zanakavavin’i Jerosalema izy ka nilaza hoe: “Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.” (Tonon. 2:7; 3:5) Nahoana? Satria tsy mety raha raiki-pitia amin’izay olona sendra antsika fotsiny isika. Hendry ny Kristianina te hanambady raha manam-paharetana ka tsy manambady raha tsy olona tena azony tiavina.

17-23 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TONONKIRAN’I SOLOMONA 6-8

Tokony ho Hoatran’ny Manda Isika fa Tsy Hoatran’ny Varavarana

it “Tononkiran’i Solomona” § 11

Tononkiran’i Solomona

Toa navelan’i Solomona hody ihany ilay Solemita. Nahita azy nanatona ny anadahiny, ka niteny hoe: “Iza iny vehivavy miakatra avy any an-tany efitra iny, izay mitehina amin’ny malalany?” (To 8:5a) Tsy nampoizin’izy ireo hoe tokam-po toy izany ilay anabaviny. Hoy ny iray tamin’izy ireo, taona maro talohan’izay: “Manana anabavy kely mbola tsy misy nono izahay. Hataonay ahoana izy rehefa hisy hangataka indray andro any?” (8:8) Namaly ny iray hoe: “Raha toy ny manda izy, dia hanorenantsika tilikambo volafotsy eo an-tampony. Fa raha toy ny varavarana kosa izy, dia hosakanantsika amin’ny hazo fisaka sedera.” (8:9) Nahatohitra ny fakam-panahy rehetra anefa ilay Solemita sady nianina tamin’ny tanimboalobony no tsy nivadika tamin’ilay olon-tiany (8:6, 7, 11, 12), ka afaka niteny hoe: “Manda aho, ary sahala amin’ny tilikambo ny nonoko. Koa vehivavy milamin-tsaina àry ny fahitany ahy.”​—8:10.

yp 188 § 2

Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Tsy hoe manampy ny tanora iray hisoroka vokatra mahatahotra fotsiny anefa ny fitoerana ho madio. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny zatovovavy iray izay nitoetra ho madio na dia teo aza ny fitiavany mafy ilay ankizilahy niarahany. Ho vokatr’izany, dia afaka niteny tamim-pireharehana izy hoe: “Manda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko.” Tsy ‘varavarana nisavilivily’ izay ‘nisokatra’ mora foana isaky ny nisy fanerena ara-pitondran-tena, izy. Teo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena, dia niseho ho toy ny manda tsy nisy afaka nananika teo amin’ny trano fiarovana iray nisy tilikambo tsy azo tafihina, izy! Mendrika ny nantsoina hoe ‘ilay madio’ izy ary afaka nilaza toy izao momba ilay ho vadiny: “Raha eo imasony dia toy ny efa mahita [fiadanana, NW ] aho.” Ny fiadanan-tsainy manokana dia nitarika ho amin’ny fisian’ny fahafaham-po teo amin’izy roa.​—Tononkiran’i Solomona 6:9, 10, NW; 8:9, 10.

yp2 33

Tovovavy Modely​—Ilay Solemita

Fantatr’ilay tovovavy solemita fa tokony handinika tsara foana izy, eo amin’ny resaka fitiavana. Mora jamban’ny fitiavana mantsy ny olona. Hoy àry izy tamin’ny namany: ‘Mampianiana anareo aho: Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.’ Fantany fa mety hampirisika azy hanaiky hiaraka amin’ny olona tsy mety aminy ny namany. Na izy mihitsy koa no mety ho lasa jamban’ny fitiavana, ka tsy handinika tsara intsony. Niezaka hatrany ho toy ny “manda” àry ilay Solemita, izany hoe tsy nanaiky horebirebena.​—Tonon-kiran’i Solomona 8:4, 10.

Mato-tsaina ilay Solemita, ka tsy noheveriny ho kilalao ny fitiavana. Ary ianao? Mandinika tsara ve ianao sa manaiky ho jamban’ny fitiavana fotsiny? (Ohabolana 2:10, 11) Mety hisy hampirisika anao hampiaraka, na dia mbola tsy vonona aza ianao. Na mety ho ianao mihitsy koa no te hampiaraka, satria mahita ny ataon’ny hafa. Inona, ohatra, no tsapanao rehefa mahita tanora mifampitantana? Maniry mafy hanao toa azy ireo koa ve ianao? Hanaiky hiaraka amin’ny olona tsy mitovy finoana aminao ve ianao? Mato-tsaina ilay Solemita, ka nandinika tsara teo amin’ny resaka fitiavana. Afaka ny ho toa azy koa ianao!

Vatosoa Ara-panahy

w15 15/1 29 § 3

Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?

3 Vakio ny Tononkiran’i Solomona 8:6. Antsoina hoe “ny lelafo avy amin’i Jah” ny fitiavana. Mifono heviny lalina izany. “Lelafo avy amin’i Jah” ny tena fitiavana satria avy amin’i Jehovah. Nataony araka ny endriny ny olombelona ka afaka mitia. (Gen. 1:26, 27) Nilaza poezia tena kanto i Adama, ilay lehilahy voalohany, rehefa natolotr’Andriamanitra azy i Eva, ilay vehivavy voalohany. Azo antoka fa nahatsiaro ho akaiky an’i Adama i Eva satria ‘nalaina avy taminy.’ (Gen. 2:21-23) Nataon’i Jehovah afaka maneho fitiavana ny olombelona, ka afaka ny haharitra sy ho mafy orina ny fifankatiavan’ny lehilahy sy vehivavy.

24-30 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 1-2

Fanantenana ho An’izay “Vesaran’ny Fahadisoany”

ip-1 14 § 8

Ny Ray Iray sy Ireo Zanany Mpikomy

8 Nanohy ny hafany tamin’izao teny mahery ho an’ny firenen’ny Joda izao i Isaia: “Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’i Jehovah izy, efa nanamavo ny Iray Masin’ny Isiraely, efa nihodina izy.” (Isaia 1:4). Afaka miavovona ka manjary toy ny enta-mavesatra mampahory ny olona iray, ireo zava-dratsy vitany. Tamin’ny andron’i Abrahama, dia nolazain’i Jehovah ho ‘navesatra indrindra’ ny fahotan’i Sodoma sy i Gomora. (Genesisy 18:20). Ny nitovy tamin’izany izao no niharihary teo amin’ny vahoakan’i Joda, satria nilaza i Isaia fa “mavesa-keloka” izy ireo. Fanampin’izany, dia nantsoiny hoe “taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka”, izy ireo. Eny, toy ny ankizy maditra ireo Jodianina. Efa “nihodina” izy ireo, na hoe “tafasaraka tanteraka” tamin’ny Rainy, araka ny ilazan’ny New Revised Standard Version azy.

ip-1 28-29 § 15-17

“Aoka Isika Hamerin-javatra Amin’ny Laoniny”

15 Vao mainka mihamaneho fitiavana sy fangoraham-po izao ny feon’i Jehovah. “Avia ary [aoka isika hamerin-javatra amin’ny laoniny eo amintsika, “NW” ], hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18). Matetika no tsy azon’ny olona ilay fanasana eo am-piandohan’io andinin-teny kanto io. Ohatra, ny Fandikan-teny Malagasy dia manao hoe: “Avia ary hifandahatra isika”​—toy ny hoe samy tsy maintsy manaiky hilefitra ny andaniny sy ny ankilany, mba hahafahany hifanaraka amin’ny farany. Tsy izany velively no izy! Tsy azo tsinìna mihitsy i Jehovah, ary indrindra fa teo amin’ny fifampiraharahany tamin’io vahoaka mpikomy sy mpihatsaravelatsihy io. (Deoteronomia 32:4, 5). Ny resahin’ilay andininy dia, tsy fifampiresahana mba hahitana marimaritra iraisana teo amin’ny olona nitovy zo, fa momba ny fitsaran’ny antoko-mpitsara iray mba hampiorenana ny rariny. Toy ny hoe nihaika ny Israely hiditra amin’ny fitsarana i Jehovah eto.

16 Toa nety hampahatahotra izany, nefa i Jehovah no ilay Mpitsara be famindram-po sy fangoraham-po indrindra. Tsy manan-tsahala ny fahaizany mamela heloka. (Salamo 86:5). Izy irery no afaka nanesotra ny fahotan’ny Israely izay “tahaka ny jaky”, sy nanadio azy ireo, ka nahatonga azy ireo ho “fotsy tahaka ny orampanala.” Tsy misy ezak’olombelona, tsy misy asa, fanatitra, na vavaka asaina atao, afaka manesotra ny loton’ny fahotana. Ny famelan’i Jehovah heloka ihany no afaka manadio ny fahotana. Manome izany famelan-keloka izany i Jehovah, miorina amin’ny fepetra naorin’ny tenany, ka anisan’izany ny fibebahana marina avy amin’ny fo.

17 Zava-dehibe aoka izany io fahamarinana io, hany ka naverin’i Jehovah, tamin’ny fampiasana voambolan-tononkalo hafa​—ny fahotana “tahaka ny sily” dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy vaovao, tsy nolokoana. Tian’i Jehovah ho fantatsika fa izy no tena Mpamela heloka marina, na dia ny fahotana tena lehibe aza, raha mbola hitany fa mibebaka amim-pahatsorana koa isika. Ireo izay mahita fa sarotra aminy ny mino fa mihatra amin’ny tenany izany, dia haneho fahendrena raha mandinika ny ohatra toy ny an’i Manase. Nahatsiravina ny fahotana vitany​—nandritra ny taona maro. Kanefa dia nibebaka izy ka nahazo famelan-keloka. (2 Tantara 33:9-16). Tian’i Jehovah ho fantatsika rehetra, anisan’izany ireo izay nanao fahotana lehibe, fa tsy diso aoriana loatra izao mba ‘hamerenana amin’ny laoniny’ ny fifandraisantsika aminy.

Vatosoa Ara-panahy

ip-1 39 § 9

Nasandratra ny Tranon’i Jehovah

9 Mazava ho azy fa amin’izao andro izao, dia tsy miangona eo amin’ny tendrombohitra iray ara-bakiteny, misy tempoly vato, ny vahoakan’Andriamanitra. Noringanin’ny tafika romanina tamin’ny 70 A.K. ilay tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Ankoatra izany, dia nataon’ny apostoly Paoly mazava tsara fa sary tandindona ilay tempoly tao Jerosalema sy ilay tabernakely talohany. Nampiseho zava-nisy ara-panahy, lehibe kokoa, dia “ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona”, izy ireny. (Hebreo 8:2). Io tabernakely ara-panahy io dia ny fandaharana hanatonana an’i Jehovah eo amin’ny fanompoam-pivavahana, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Hebreo 9:2-10, 23). Mifanaraka amin’izany, ilay “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” voalaza ao amin’ny Isaia 2:2, dia mampiseho ny fivavahana madio amin’i Jehovah, izay nasandratra, amin’izao androntsika izao. Ireo izay manaiky ny fivavahana madio dia tsy miangona eo amin’ny toerana ara-bakiteny iray, fa miara-manao fanompoam-pivavahana amim-piraisan-tsaina kosa.

1-7 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 3-5

Tian’i Jehovah Hankatò Azy ny Vahoakany Sady Mendrika An’izany Izy

ip-1 73-74 § 3-5

Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!

3 Na nihira ara-bakiteny io fanoharana io tamin’ireo mpihaino azy i Isaia na tsia, ny azo antoka dia hoe nambabo ny sain’izy ireo izy io. Azo inoana fa nahafantatra tsara ny asa fambolena voaloboka ny ankamaroan’izy ireo, ary mazava toy ny hitan’ny maso, no sady araka ny tena izy, ny filazalazan’i Isaia. Toy ny mpamboly voaloboka amin’izao andro izao, ny tompon’ilay tanimboaloboka dia namboly, tsy masombolim-boaloboka akory, fa “karazam-boaloboka tsara”, na ambony karazana​—dia taho na tsimo-kazo iray avy tamin’ny voaloboka iray hafa. Tena nety ny namboleny io voaloboka io teo “an-kavoana lonaka”, izay toerana hiroboroboan’ny tanimboaloboka.

4 Mila asa mafy vao mamokatra ny tanimboaloboka iray. Nilaza i Isaia fa ‘niasa ilay tany sy nanesotra ny vato’ taminy ilay tompony​—asa sady dridralava no manasatra! Azo inoana fa nampiasa ireo vato lehibe kokoa izy mba ‘hanaovana tilikambo iray.’ Tamin’ny andro fahiny, ny tilikambo toy izany dia toerana nitobian’ireo mpiambina, izay niaro ny vokatra tamin’ny mpangalatra sy ny biby. Afa-tsy izany koa, dia nanao fefy vato izy, mba hamaritana ireo tanimboaloboka an-tanan-tohatra. (Isaia 5:5). Fanao nahazatra izany, mba hisakanana ny nofon-tany tena ilaina, tsy ho lasan’ny rano.

5 Rehefa avy niasa mafy aoka izany mba hiarovana ny tanimboalobony ilay tompony, dia nanana ny antony rehetra hanantenana azy io hanome voa. Ho fiandrasana izany, dia nandavaka famiazam-boaloboka izy. Tanteraka ve anefa ny fanantenany? Tsia, fa voalobo-dratsy kosa no novokarin’ilay tanimboaloboka.

ip-1 76 § 8-9

Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!

8 Niantso an’i Jehovah, ny tompon’ilay tanimboaloboka, hoe “ny Malalako” i Isaia. (Isaia 5:1). Afaka niresaka momba an’i Jehovah tamin’izany fomba fanehoam-pitiavana izany i Isaia, satria nanana fifandraisana akaiky taminy. (Ampitahao amin’ny Joba 29:4; Salamo 25:14.) Kanefa toa vasobasoka izany fitiavan’ilay mpaminany an’Andriamanitra izany, raha oharina amin’ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tamin’ilay “tanimboalobony”​— ilay firenena izay ‘namboleny.’​—Ampitahao amin’ny Eksodosy 15:17; Salamo 80:8, 9.

9 ‘Namboly’ ilay fireneny tao amin’ny tanin’i Kanana i Jehovah, ary nanome azy ny lalàny sy ny didiny, izay toy ny rindrina niaro azy ireo tsy ho voaloton’ireo firenena hafa. (Eksodosy 19:5, 6; Salamo 147:19, 20; Efesianina 2:14). Ankoatra izany, dia nanome azy ireo mpitsara sy mpisorona ary mpaminany mba hampianatra azy ireo i Jehovah. (2 Mpanjaka 17:13; Malakia 2:7; Asan’ny Apostoly 13:20). Rehefa norahonan’ny fanafihana ara-tafika ny Israely, dia nanangana mpanafaka i Jehovah. (Hebreo 11:32, 33). Noho ny antony tsara àry no nanontanian’i Jehovah hoe: “Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?”

w06 15/6 18 § 1

Karakarao ity Voaloboka Ity!

Nampitovin’i Isaia tamin’ny tanimboaloboka izay lasa namokatra “voalobo-dratsy” na voalobokadia, araka ny fandikan-teny sasany, “ny taranak’Israely.” (Isaia 5:2, 7) Kely lavitra noho ny an’ny voaloboka ambolena ny voan’ny voalobokadia, ary tsy dia misy ilana azy satria mila ho voany fotsiny. Sady tsy mety hanaovana divay ilay izy no tsy azo hanina. Mety tsara hilazana an’ilay firenena mpivadi-pinoana izany, satria fandikan-dalàna fa tsy fahitsiana no novokariny. Tsy ilay Mpamboly no nahatonga an’ilay voaloboka ho tsy nisy nilana azy. Nanao izay rehetra vitany i Jehovah mba hamoa voa tsara ilay firenena. “Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?”​—Isaia 5:4.

w06 15/6 18 § 2

Karakarao ity Voaloboka Ity!

Nampitandrina i Jehovah fa harodany ilay fefy naoriny hiarovana ny vahoakany, satria tsy namokatra izy ireo. Tsy handrantsana an’ilay voalobony an’ohatra intsony izy na hihevo ny taniny. Tsy hilatsaka ny oran-dohataona izay mamelona azy, ary hameno ilay tanimboaloboka ny tsilo sy ny ahidratsy.​—Isaia 5:5, 6.

Vatosoa Ara-panahy

ip-1 80 § 18-19

Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!

18 Teo amin’ny Israely fahiny, dia an’i Jehovah ny tany rehetra, raha ny tena izy. Ny fianakaviana tsirairay dia nanana lova avy tamin’Andriamanitra, izay azony nahofa na natao bailina, fa tsy azony natao “varo-maty” kosa. (Levitikosy 25:23). Nisakana ny fanararaotana, toy ny fanaovana ampihimamba trano sy tany, io lalàna io, no sady niaro ireo fianakaviana tsy hahantra faraidiny. Natosiky ny fitsiriritana tafahoatra anefa ny sasany tao Joda, ka nandika ireo lalàn’Andriamanitra momba ny fananana. Hoy ny nosoratan’i Mika: “Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, sy trano koa ka mahalasa azy; ary mampahory olona mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany.” (Mika 2:2). Nampitandrina anefa ny Ohabolana 20:21 hoe: “Ny harena [azo amin’ny fitsiriritana tafahoatra, NW ] eo am-boalohany dia tsy hotahina any am-parany.”

19 Nampanantena ny hanaisotra tamin’ireny mpierina ireny ny tombony azon’izy ireo tamin-karatsiam-panahy i Jehovah. Ireo trano nalain’izy ireo an-keriny dia “tsy hisy mpitoetra.” Ireo tany izay notsiriritiny dia tsy hamokatra afa-tsy ampahany kely amin’izay tokony hovokariny. Tsy voalaza ny fomba sy ny fotoana marina hahatanterahan’izany fanozonana izany. Azo inoana fa nanondro ny sasany, fara fahakeliny, tamin’ireo toe-piainana hoentin’ny sesitany tany Babylona tatỳ aoriana izy io.​—Isaia 27:10.

8-14 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 6-8

“Intỳ Aho Iraho!”

ip-1 94-95 § 13-14

Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra

13 Aoka isika hihaino, miaraka amin’i Isaia: “Nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Intỳ aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Mazava fa natao hovalian’i Isaia ilay fanontaniana napoitran’i Jehovah, satria tsy nisy mpaminany olombelona hafa niseho tao amin’ilay fahitana. Tsy azo lavina fa fanasana an’i Isaia mba ho irak’i Jehovah ilay izy. Nahoana anefa i Jehovah no nanontany hoe: “Iza no handeha ho irakay?” Amin’ny fifindrana avy amin’ilay mpisolo anarana milaza tokana hoe “-ko”, ho amin’ilay mpisolo anarana milaza maro hoe “-ay”, izao i Jehovah dia mampiditra olona iray hafa, fara fahakeliny, miaraka aminy. Iza anefa? Moa ve izany tsy ilay Zanany lahitokana, izay tonga ilay lehilahy Jesosy Kristy tatỳ aoriana? Eny tokoa, io Zanany io ihany ilay nilazan’Andriamanitra hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika.” (Genesisy 1:26; Ohabolana 8:30, 31). Eny, miaraka amin’i Jehovah any amin’ny kianja any an-danitra ilay Zanany lahitokana.​—Jaona 1:14.

14 Tsy nisalasala namaly i Isaia! Na hanao ahoana na hanao ahoana ilay hafatra, dia namaly avy hatrany izy hoe: “Intỳ aho, iraho aho.” Tsy nanontany koa izy hoe inona no tombony ho azony, raha nanaiky io asa nanendrena azy io izy. Ny toe-tsainy feno fahavononana dia ohatra faran’izay tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amin’izao andro izao, izay nirahina hitory ‘ny vaovao tsaran’ilay fanjakana any amin’ny tany onenana manontolo.’ (Matio 24:14, NW ). Sahala amin’i Isaia, dia mifikitra amim-pahatokiana amin’ny asa nanendrena azy izy ireo, ary manatontosa ilay fanambarana “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, na dia eo aza ny tsy firaikan’ny olona hatraiza hatraiza. Ary mandroso amim-patokisana izy ireo, sahala amin’i Isaia, noho ny fahafantarana fa avy amin’ilay mpanome lalana ambony indrindra ny asa nanirahana azy.

ip-1 95-96 § 15-16

Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra

15 Izao i Jehovah dia manoritra izay holazain’i Isaia sy izay ho fihetsiky ny olona: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana.” (Isaia 6:9, 10). Midika ve izany fa tokony hivantambatam-piteny sy tsy hahay handanjalanja i Isaia, ka haharikoriko ny Jiosy, ary tsy hampanatona azy ireo an’i Jehovah? Tsia! Firenen’i Isaia ihany ireo, ary nahatsiaro ho mpihavana taminy izy. Ny tenin’i Jehovah anefa dia nanondro ny ho fihetsik’ilay vahoaka eo anatrehan’ilay hafatra, na nanao ahoana na nanao ahoana ny fahatokiana nasehon’i Isaia tamin’ny fanatanterahana ny asany.

16 Ilay vahoaka no nanan-tsiny. Hiteny “mandrakariva ihany” i Isaia, nefa tsy hanaiky ilay hafatra izy ireo, na hahazo hevi-javatra. Ho be kiry ny ankamaroany, ka tsy hihontsina, toy ny hoe jamba sady marenina. Amin’ny fiverimberenana mankany aminy, i Isaia dia hamela an’‘io firenena io’ hampiseho fa tsy ta hahalala, na naniry hahazo hevi-javatra, izy ireo. Hasehony fa nanidy ny sainy sy ny fony tamin’ny hafatra nentin’i Isaia​—ny hafatr’Andriamanitra​—ho azy izy. Tena marina koa izany ny amin’ny olona amin’izao andro izao! Maro be aoka izany no tsy mety mihaino ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy izy ireo.

ip-1 99 § 23

Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra

23 Rehefa naka teny avy tao amin’ny Isaia i Jesosy, dia nampiseho fa nanana fahatanterahana tamin’ny androny ilay faminaniana. Ny olona tamin’ny fitambarany dia nanana toe-po sahala amin’ny an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Isaia. Nifidy ny ho jamba sady marenina tamin’ilay hafatra izy ireo, ka niharan’ny fandringanana koa. (Matio 23:35-38; 24:1, 2). Izany dia nitranga fony nanafika an’i Jerosalema tamin’ny 70 A.K. ireo tafika romanina notarihin’ny Jeneraly Titus, ary nanapotika an’ilay tanàna sy ny tempoliny. Kanefa, nisy nihaino an’i Jesosy ka tonga mpianany. Nanambara azy ireny ho “sambatra” i Jesosy. (Matio 13:16-23, 51). Efa nampahafantariny azy ireo fa rehefa hahita an’i “Jerosalema voahodidin’ny miaramila” izy ireo, dia tokony “handositra ho any an-tendrombohitra.” (Lioka 21:20-22). Araka izany, dia voavonjy ilay “taranaka masina”, izay naneho finoana, ka voaforona ho firenena ara-panahy, dia “ny Israelin’Andriamanitra.”​—Galatianina 6:16.

Vatosoa Ara-panahy

w06 1/12 9 § 3

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia​—Fizarana I

7:3, 4​—Nahoana i Jehovah no namonjy an’i Ahaza, mpanjaka ratsy fanahy? Nikendry ny hanala an’i Ahaza tsy ho mpanjakan’i Joda intsony ny mpanjakan’i Syria sy Israely, ary hataony ho solony ny zanak’i Tabela, izay ho eo ambany fifehezan’izy ireo. Tsy taranak’i Davida anefa io lehilahy io. Raha nahomby io tetik’i Satana Devoly io, dia tsy ho tanteraka ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana, izay natao tamin’i Davida. Namonjy an’i Ahaza àry i Jehovah, mba hiarovana an’ilay taranaka hiavian’ilay “Andrian’ny fiadanana” nampanantenaina.​—Isaia 9:5.

15-21 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 9-10

Faminaniana Momba An’ilay “Hazavana Be”

ip-1 125-126 § 16-17

Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray

16 Eny, ilay “amin’ny aoriana” nambaran’i Isaia mialoha dia manondro ilay fotoana nanompoan’i Kristy teto an-tany. Tao Galilia no nandanian’i Jesosy ny ankabeazan’ny fiainany teto an-tany. Tao amin’ny zara-tanin’i Galilia izy no nanomboka ny fanompoany sy nanomboka nanambara hoe: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Tao Galilia izy no nanao ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra malaza, nifidy ireo apostoliny, nanao ny fahagagany voalohany, ary niseho tamin’ny mpanara-dia azy 500 teo ho eo, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Matio 5:1–7:27; 28:16-20; Marka 3:13, 14; Jaona 2:8-11; 1 Korintianina 15:6). Tamin’izany fomba izany no nanatanterahan’i Jesosy ny faminanian’i Isaia, tamin’ny fanomezam-boninahitra “ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly.” Mazava ho azy fa tsy noferan’i Jesosy ho amin’ny mponin’i Galilia ny fanompoany. Tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara nanerana ilay tany izy dia ‘nanome voninahitra’ ny firenen’ny Israely manontolo, anisan’izany ny Joda.

17 Ahoana anefa ny amin’ilay “mazava lehibe” tao Galilia, notononin’i Matio? Io koa dia teny avy tamin’ny faminanian’i Isaia. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.” (Isaia 9:1). Tamin’ny taonjato voalohany A.K., dia efa takon’ireo laingan’ny fanompoan-tsampy ny fahazavan’ny fahamarinana. Nanampy trotraka ilay zava-nanahirana ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy, tamin’ny fifikirana tamin’ny lovantsofiny ara-pivavahana, izay ‘nanafoana ny tenin’Andriamanitra.’ (Matio 15:6). Nampahorina ireo nanetry tena, ka sanganehana, ary nanaraka “mpitarika jamba.” (Matio 23:2-4, 16). Fony niseho i Jesosy Mesia, dia nihiratra tamin’ny fomba nahatalanjona ny mason’ny olona nanetry tena maro. (Jaona 1:9, 12). Tena nety tsara ilay filazalazana hoe “mazava lehibe” nanondroan’ny faminanian’i Isaia ny asan’i Jesosy fony izy teto an-tany sy ireo fitahiana entin’ny sorony.​—Jaona 8:12.

ip-1 126-128 § 18-19

Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray

18 Nanana antony lehibe hifaliana ireo izay nanaiky ilay hazavana. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Hamaroinao ity firenena ity, ary ampitomboinao ny hafaliany; mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny [fifalian’ny] olona, raha mizara babo.” (Isaia 9:2). Ho vokatry ny asa fitoriana nataon’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy, dia niseho sehatra ireo olona tso-po, ka nampiseho fa naniry ny hanompo an’i Jehovah tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana. (Jaona 4:24). Tao anatin’ny efa-taona latsaka, dia olona sesehena no nanaiky ny Kristianisma. Telo arivo no natao batisa tamin’ny andro Pentekosta 33 A.K. Tsy ela taorian’izay, dia “tonga tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy.” (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4). Rehefa nanome taratr’ilay hazavana tamin-jotom-po ireo mpianatra, dia “nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.”​—Asan’ny Apostoly 6:7.

19 Toy ireo mifaly noho ny vokatra tondraky ny fijinjana, na ireo miravoravo noho ny fizarana ny zavatra azo babo aorian’ny fandresena ara-tafika miezinezina iray, ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia nifaly noho ilay fitomboana. (Asan’ny Apostoly 2:46, 47). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nataon’i Jehovah namirapiratra teo amin’ireo firenena ilay hazavana. (Asan’ny Apostoly 14:27). Koa nifaly àry ny olona avy amin’ny firazanana rehetra, satria nisokatra ho azy ireo ny lalana hanatonana an’i Jehovah.​—Asan’ny Apostoly 13:48.

ip-1 128-129 § 20-21

Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray

20 Maharitra ny vokatry ny asa ataon’ny Mesia, araka ny hitantsika amin’ny tenin’i Isaia manaraka, manao hoe: “Ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny, izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midianina.” (Isaia 9:3). Taonjato maro talohan’ny andron’i Isaia, dia niara-nioko tamin’ny Moabita ny Midianita mba hamitahana ny Israelita hanota. (Nomery 25:1-9, 14-18; 31:15, 16). Tatỳ aoriana, dia nampihorohoro ny Israelita ny Midianita tamin’ny fanafihana tampoka sy tamin’ny fandrobana ny tanànany sy ny toeram-pamboleny sy fiompiany, nandritra ny fito taona. (Mpitsara 6:1-6). Tamin’izay anefa, i Jehovah, tamin’ny alalan’i Gideona mpanompony, dia nampandositra ny tafik’i Midianina. Taorian’io “andro namelezana ny Midianina” io, dia tsy nisy porofo hoe nampijalin’ny Midianita indray ny vahoakan’i Jehovah. (Mpitsara 6:7-16; 8:28). Amin’ny hoavy tsy ho ela, i Jesosy Kristy, ilay Gideona Lehibe, dia handringana ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. (Apokalypsy 17:14; 19:11-21). Avy eo, “tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midianina”, dia hisy fandresena feno sady maharitra ho azo, tsy noho ny hakingan’olombelona, fa noho ny herin’i Jehovah. (Mpitsara 7:2-22). Tsy hijaly eo ambanin’ny ziogan’ny fampahoriana intsony mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra!

21 Tsy fankalazana ny ady akory ny fanehoan’Andriamanitra ny heriny. I Jesosy tafatsangana amin’ny maty no ilay Andrian’ny Fiadanana, ary rehefa avy manafoana ny fahavalony izy, dia hampiditra fiadanana mandrakizay. Izao i Isaia dia miresaka momba ny fitaovana ara-tafika, izay kilan’ny afo tanteraka: “Ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.” (Isaia 9:4). Tsy ho tsapa intsony mihitsy ny horohoro hateraky ny figadon’ny baotin’ny miaramila miara-mamindra. Tsy ho hita intsony ny fanamiana mihosin-dran’ireo miaramila zatra ady. Tsy hisy intsony ny ady!​—Salamo 46:9.

Vatosoa Ara-panahy

ip-1 130 § 23-24

Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray

23 Ny mpanolo-tsaina dia olona iray manome torohevitra. Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, dia nanome torohevitra nahatalanjona. Ao amin’ny Baiboly isika dia mamaky fa “talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany.” (Matio 7:28). Mpanolo-tsaina hendry sy mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa izy, ary miavaka ny fahaizany mahazo ny fihevitry ny olombelona. Tsy voafetra ho amin’ny fitenenana mafy na ny fanasaziana ny toroheviny. Matetika kokoa no amin’ny endriky ny fampianarana sy ny torohevitra feno fitiavana no isehoan’ny toroheviny. Mahatalanjona ny torohevitr’i Jesosy, satria maneho fahendrena sy lavorary ary tsy mety diso. Rehefa arahina izy io, dia mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.​—Jaona 6:68.

24 Tsy vokatry ny sainy mahiratra fotsiny akory ny torohevitr’i Jesosy. Hoy kosa izy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Toy ny tamin’i Solomona, dia i Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny fahendren’i Jesosy. (1 Mpanjaka 3:7-14; Matio 12:42). Ny ohatr’i Jesosy dia tokony hanosika ny mpampianatra sy ny mpanolo-tsaina ao amin’ny fiangonana kristianina mba hampiorina foana ny fampianarany amin’ny Tenin’Andriamanitra.​—Ohabolana 21:30.

22-28 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 11-13

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mesia?

ip-1 159 § 4-5

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

4 Taonjato maro talohan’ny andron’i Isaia, dia nisy mpanoratra ny Baiboly hebreo hafa nanondro ny hiavian’ny Mesia, ilay tena Mpitarika, izay hirahin’i Jehovah ho any amin’ny Israely. (Genesisy 49:10; Deoteronomia 18:18; Salamo 118:22, 26). Izao, tamin’ny alalan’i Isaia, dia nanampy tsipiriany hafa i Jehovah. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy [tsimoka, “NW” ] mitrebona avy eo amin’ny fakany.” (Isaia 11:1; ampitahao amin’ny Salamo 132:11.) Ny hoe “Solofo” sy ny hoe “tsimoka” dia samy manondro fa ilay Mesia dia ho ilay taranak’i Jese, amin’ny alalan’i Davida zanany, izay nohosorana diloilo mba ho mpanjakan’ny Israely. (1 Samoela 16:13; Jeremia 23:5; Apokalypsy 22:16). Rehefa tonga ilay tena Mesia, io “tsimoka” io, izay avy amin’ny taranak’i Davida, dia hamoa voa tsara.

5 I Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. Ireo teny ao amin’ny Isaia 11:1 no tian’i Matio, mpanoratra filazantsara, horesahina, rehefa nilaza izy fa ny niantsoana an’i Jesosy hoe “Nazarena” dia nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany. Noho izy notezaina tao amin’ny tanànan’i Nazareta, dia nantsoina hoe Nazarena i Jesosy, anarana izay toa mifandray amin’ilay teny hebreo nampiasaina ao amin’ny Isaia 11:1 ary nadika hoe “tsimoka.”​—Matio 2:23, NW, fanamarihana ambany pejy; Lioka 2:39, 40.

ip-1 159 § 6

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

6 Ho mpanapaka hanao ahoana moa ny Mesia? Moa ve izy ho sahala amin’ilay Asyrianina lozabe sy mahery loha, izay nandringana ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra? Mazava ho azy fa tsia. Hoy i Isaia momba ny Mesia: “Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Isaia 11:2, 3a). Ny Mesia dia nohosorana, tsy diloilo, fa tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Izany dia nitranga tamin’ny batisan’i Jesosy, fony i Jaona Mpanao Batisa nahita ny fanahy masin’Andriamanitra, niendrika voromailala, nidina teo amin’i Jesosy. (Lioka 3:22). ‘Nitoetra teo amin’i’ Jesosy ny fanahin’i Jehovah, ary nanome porofon’izany izy, rehefa nanao zavatra nampiseho fahendrena, fahazavan-tsaina, fanoloran-tsaina, faherezana ary fahalalana. Toetra tsara dia tsara hananan’ny mpanapaka re izany!

ip-1 160 § 8

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

8 Inona ilay fahatahorana an’i Jehovah asehon’ny Mesia? Azo antoka fa tsy tora-kovitra eo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy, satria tsy matahotra ny homelohiny izy. Tahotra feno fanajana an’Andriamanitra kosa no ananan’ny Mesia, dia fanajana ara-pivavahana miharo fitiavana azy. Ny olona iray matahotra an’Andriamanitra dia maniry ‘hanao izay sitrany’ foana, toa an’i Jesosy. (Jaona 8:29). Tamin’ny teny sy ny ohatra, i Jesosy dia nampianatra fa tsy misy fifaliana lehibe kokoa noho ny fandehanana isan’andro ao amin’ny fahatahorana mahasoa an’i Jehovah.

ip-1 161 § 9, 11

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

9 Nilaza zavatra hafa hampiavaka ny Mesia i Isaia, tamin’ny hoe: “Tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny.” (Isaia 11:3b). Raha tsy maintsy miakatra fitsarana ianao, tsy ho velom-pankasitrahana ve ianao, raha toy izany ny mpitsara? Ny Mesia no ho Mpitsara ny taranak’olombelona rehetra, ary tsy hampitanila ny fitsarany ny fanaporofoan-kevitra diso, ny fombafombam-pitsarana natao hifetsena, ny tsaho, na ny anton-javatra ivelany fotsiny, toy ny harena. Tsikariny foana ny famitahana ary tsy ifantohany ny fisehoana ivelany tsy dia tsara, satria “ilay olona miafin’ny fo”, na “ilay lehilahy takona”, no hitany. (1 Petera 3:4, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny ohatra fanaperana omen’i Jesosy dia modely ho an’izay rehetra angatahina mba hitsara raharaha ao amin’ny fiangonana kristianina.​—1 Korintianina 6:1-4.

ip-1 161  11

11 Rehefa nila fanitsiana ireo mpanara-dia azy, dia nanome izany tamin’ny fomba nandraisan’izy ireo soa indrindra izy​—ohatra tsara dia tsara ho an’ny anti-panahy kristianina. Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay zatra manao ratsy dia afaka manampo didim-pitsarana henjana. Rehefa hampamoaka ity fandehan-javatra ity Andriamanitra, dia “hamely ny tany” amin’ny feony maneho fahefana ny Mesia, ka hamoaka didim-pitsarana ho fandringanana ny ratsy fanahy rehetra. (Salamo 2:9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:15.) Amin’ny farany, dia tsy hisy olon-dratsy tavela mba hanelingelina ny fiadanan’ny olombelona. (Salamo 37:10, 11). Manana ny hery hanatanterahana izany i Jesosy, izay hisikina fahamarinana ary hanao fehin-kibom-pahatokiana.​—Salamo 45:3-7.

Vatosoa Ara-panahy

ip-1 165-166 § 16-18

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

16 Niharan’ny famelezana voalohany ny fivavahana madio, tao Edena, fony i Satana nahavita nitaona an’i Adama sy i Eva tsy hankatò an’i Jehovah. Mandraka androany, dia mbola tsy nahafoy ny tanjony hampiala olona betsaka araka izay azony atao, amin’Andriamanitra, i Satana. Tsy hamela na oviana na oviana ny fivavahana madio hanjavona eto an-tany anefa i Jehovah. Ny anarany no voakasika amin’izany, no sady miahy ny amin’ireo izay manompo azy izy. Noho izany, dia nampiasa an’i Isaia izy mba hanome izao fampanantenana manaitra izao: “Amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese, izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra.” (Isaia 11:10). Tany amin’ny taona 537 T.K., i Jerosalema, ilay tanàna nataon’i Davida renivohi-pirenena, dia tonga faneva, niantso sisa nahatoky tamin’ilay vahoaka jiosy niparitaka, mba hiverina sy hanorina indray ilay tempoly.

17 Kanefa, manondro zavatra mihoatra noho izany ilay faminaniana. Araka ny efa hitantsika, dia manondro ny fanapahan’ny Mesia, ilay hany tena Mpitarika ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izy io. Nanonona ny Isaia 11:10 ny apostoly Paoly, mba hampisehoana fa tamin’ny androny, dia hanana ny toerany ao amin’ny fiangonana kristianina ny olona avy amin’ireo firenena. Nanonona io andinin-teny io avy tamin’ny fandikan-tenin’ny Septante izy, ka nanoratra hoe: “Hoy (...) Isaia: ‘Hisy Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa: Izy no hitokian’ny jentilisa.’ ” (Romanina 15:12). Ambonin’izany, dia mahatratra atỳ lavitra kokoa aza ilay faminaniana​—hatratỳ amin’ny androntsika mihitsy, izay ahitana olona avy amin’ireo firenena mampiseho ny fitiavany an’i Jehovah, amin’ny fanohanana ireo voahosotra, rahalahin’ny Mesia.​—Isaia 61:5-9; Matio 25:31-40.

18 Amin’ny fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny, “izany andro izany”, izay resahin’i Isaia eto, dia nanomboka fony ny Mesia nomena fiandrianana ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914. (Lioka 21:10; 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:10). Hatramin’izay, i Jesosy Kristy dia faneva mazava tsara, toerana amoriana ny Israely ara-panahy sy ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay maniry fitondram-panjakana marina. Teo ambanin’ny fitarihan’ny Mesia, dia efa tonga hatrany amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha. (Matio 24:14; Marka 13:10). Manan-kery lehibe io vaovao tsara io. ‘Misy olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra’ manaiky hofehezin’ny Mesia, ka manatevin-daharana ny sisa voahosotra ao amin’ny fivavahana madio. (Apokalypsy 7:9). Olona vaovao mihamaro hatrany no tonga mifanerasera amin’ny sisa voahosotra, ao amin’ny “trano fivavahana” ara-panahin’i Jehovah, ka vao mainka mampitombo ny voninahitry ny ‘fitoeran’ny’ Mesia, izany hoe ny tempoly lehibe ara-panahin’Andriamanitra.​—Isaia 56:7; Hagay 2:7.

29 DESAMBRA–4 JANOARY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 14-16

Tsy ho Afa-maina ny Fahavalon’ny Vahoakan’Andriamanitra

ip-1 180 § 16

Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah

16 Tsy nitranga tamin’ny 539 T.K. avy hatrany akory izany. Na izany aza, dia hitantsika mazava tsara ankehitriny fa tanteraka avokoa izay rehetra nambaran’i Isaia mialoha momba an’i Babylona. “Ankehitriny, toy ny nandritra ny an-jatony taona maro, dia toerana lao hatraiza hatraiza, antontan-javatra rava” i Babylona, hoy ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly iray. Avy eo, dia hoy ny teny nanampiny: “Tsy afaka mijery azy io ny tena, ka tsy hahatsiaro fa tanteraka araka ny marina tsara ny faminanian’i Isaia sy i Jeremia.” Mazava fa tsy nisy olombelona tamin’ny andron’i Isaia, afaka nanambara mialoha ny hianjeran’i Babylona sy ny hahatongavany ho lao. Rehefa dinihina tokoa, dia tokony ho 200 taona taorian’ny nanoratan’i Isaia ny bokiny no nianjeran’i Babylona teo an-tanan’ny Medianina sy ny Persianina! Ary ny nahatongavany ho lao dia an-jatony taona maro tatỳ aoriana. Moa ve izany tsy manatanjaka ny finoantsika hoe avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly? (2 Timoty 3:16). Ambonin’izany, koa satria i Jehovah nahatanteraka faminaniana tamin’ny andro taloha, dia afaka matoky amin’ny fomba feno isika fa ireo faminanian’ny Baiboly mbola tsy tanteraka dia ho tanteraka amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.

ip-1 184 § 24

Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah

24 Ao amin’ny Baiboly, dia ampitahaina amin’ny kintana ireo mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida. (Nomery 24:17). Nanomboka tamin’i Davida, dia nanapaka teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ireny “kintana” ireny. Rehefa avy nanorina ny tempoly tao Jerosalema i Solomona, dia nanjary nanondro ilay tanàna manontolo ny anarana hoe Ziona. Teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna, dia tsy maintsy nankany Ziona intelo isan-taona ny Israelita lahy rehetra. Noho izany, dia nanjary fantatra ho ‘tendrombohitra fivoriana’ izy io. Tapa-kevitra ny hifehy an’ireo mpanjaka jodianina, ary avy eo dia hanala azy ireo avy teo amin’io tendrombohitra io, i Nebokadnezara, ka nanambara ny fikasany hanandra-tena ho ambony noho ireo “kintana” ireo. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, noho ny nandreseny azy ireo, izy. Raha ny marina kosa aza, dia toy ny naka ny toeran’i Jehovah tamim-pizahozahoana izy.

ip-1 189 § 1

Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena

AFAKA mampiasa ireo firenena mba hanafaizana ny vahoakany, noho ny faharatsiany, i Jehovah. Na izany aza, dia tsy nalany tsiny ireo firenena ireo, noho ny halozany tsy amin’ny antony, sy ny avonavony ary ny fankahalany ny fivavahana marina. Ela be mialoha àry i Jehovah dia efa nanome tsindrimandry an’i Isaia mba hanoratra ‘ny faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Babylona.’ (Isaia 13:1). Kanefa i Babylona dia mbola fandrahonana ho amin’ny hoavy. Tamin’ny andron’i Isaia, dia i Asyria no nampahory ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. Nandringana ny fanjakan’ny Israely tany avaratra i Asyria ary nandrava ny ankabeazan’i Joda. Voafetra anefa ny fandresen’i Asyria. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, (...) dia ny hanorotoro ny Asyrianina ao amin’ny taniko ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ireo, ary ny entany ho afaka amin’ny sorony.” (Isaia 14:24, 25). Tsy ela taorian’ny nanononan’i Isaia io faminaniana io, dia nesorina avy tao Joda ny fandrahonana avy tamin’ny Asyrianina.

ip-1 194 § 12

Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena

12 Rahoviana no ho tanteraka io faminaniana io? Tsy ho ela. “Izany no tenin’i Jehovah nataony fahiny ny amin’i Moaba. Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ny telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.” (Isaia 16:13, 14). Mifanaraka tsara amin’izany, dia misy porofo hitan’ny arkeology fa, nandritra ny taonjato fahavalo T.K., dia nijaly mafy i Moaba, ary maro tamin’ireo toerana tao aminy no tsy nisy mponina intsony. I Tiglato-pilesera III dia nanonona an’i Salamanu, andrianan’i Moaba, ho anisan’ireo mpanapaka nandoa hetra taminy. I Sankeriba dia nahazo hetra avy tamin’i Kammusunadbi, mpanjakan’i Moaba. I Esara-hadona sy i Assourbanipal, mpanjakan’i Asyria, dia nanonona an’i Musuri sy i Kamashaltu, mpanjakan’i Moaba, ho olom-peheziny. Taonjato maro lasa izay, dia tsy nisy intsony ilay vahoaka moabita. Nisy sisan-javatra tamin’ny tanàna heverina ho tanàna moabita, hita, nefa tsy misy porofo azo tsapain-tanana firy ny amin’io fahavalon’ny Israely nahery taloha io, hita hatramin’izao.

Vatosoa Ara-panahy

w06 1/12 10 § 11

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia​—Fizarana I

14:1, 2​—Ahoana no nahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho “mpamabo izay namabo azy” sy “hampanompo izay nampahory azy”? Tanteraka izany faminaniana izany, rehefa nitana andraikitra ambony tany Babylona teo ambany fitondran’ny Medianina sy ny Persianina i Daniela, rehefa lasa vadi-mpanjaka persianina i Estera, ary rehefa voatendry ho praiminisitry ny Fanjakana Persianina i Mordekay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara