FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb26 Janoary p. 2-16
  • 5-11 Janoary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 5-11 Janoary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
mwb26 Janoary p. 2-16

5-11 JANOARY

ISAIA 17-20

Hira 153 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Ny “Anjaran’ireo Mamabo Antsika”

(10 min.)

Ampitovin’ny Baiboly amin’ny ranomasina misamboaravoara be ny olombelona (Is 17:12; w18.06 7 § 16)

Efa ampoizintsika hoe hampijalin’ny olona eo amin’izao tontolo izao isika satria tsy manao politika (Jn 15:18, 19; w16.04 28 § 4)

Kely sisa isika dia hafahan’i Jehovah amin’ireo “mamabo antsika” (Is 17:13, 14; ip-1 198 § 20)

Rahalahy ao am-pigadrana, mivavaka mafy. Misy mpiambina fonja eo ivelany, mitazona basy.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 20:2​—Tena nandeha nitanjaka nandritra ny telo taona tokoa ve i Isaia? (w06 1/12 11 § 1)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Is 19:1-12 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Resaho amin’ny olona iray manambady ny hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd lesona 2, hevitra 3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 8, hevitra 4)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 14​—Foto-kevitra: Tian’Andriamanitra Hivavaka Aminy Isika. (th lesona 8)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 148

7. ‘Tsarovy Ilay Vatolampy, Ilay Manda Miaro Anao’

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Vatolampy sy manda miaro antsika i Jehovah. (Is 17:10) Afahany izay mialoka aminy. (Sl 144:1, 2) Rehefa tratran’ny fanenjehana ny naman’i Jehovah dia tsy hoe faranany foana ilay izy. Ampiany foana anefa ny namany mba hahavita hiaritra.​—1Ko 10:13.

Sary avy amin’ilay video hoe “Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah: Hanania sy Misaela ary Azaria.” Tsy mety miankohoka eo anatrehan’ilay sarivongana nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka i Hanania sy Misaela ary Azaria. Tezitra be i Nebokadnezara dia naniraka miaramila hisambotra an-dry zareo.

Rehefa mankatò an’i Jehovah isika dia mampiseho hoe mahatsiaro azy. Alefaso ilay VIDEO hoe Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah: Hanania sy Misaela ary Azaria. Asao ho eny amin’ny lampihazo ny ankizy vitsivitsy nofidina mialoha mba hamaly an’ireto fanontaniana ireto, na ny mpanatrika no asao hamaly an’ireto:

  • Ahoana no namonjen’i Jehovah ny namany?​—Da 3:24-28

  • Inona no nataon’i Hanania sy Misaela ary Azaria mba hampisehoana hoe naman’i Jehovah ry zareo?

  • Rehefa inona no sarotra aminao ny mankatò an’i Jehovah?

  • Inona no azonao atao mba ho vitanao ny hankatò an’i Jehovah?

8. Manokàna Fotoana Isan’andro mba Hianarana Momba ny Naman’i Jehovah

(5 min.) Fiaraha-midinika.

Olona maromaro avy ao amin’ilay video mifampitohy hoe “Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah.” Eo aloha eo ilay mpitantara sy ny Baiboly iray ngezabe.

Natao ho an’ny ankizy vao mianatra mamaky teny ilay video mifampitohy hoe Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah, mba hampianarana an-dry zareo momba ny olona tia an’i Jehovah. Ampirisihina ny ankizy, ao amin’ireny video ireny, hoe “manokàna fotoana isan’andro mba hianarana momba ny naman’i Jehovah.”

  • Inona no azonao atao mba ho vitanao ny hianatra momba an’i Jehovah sy ny namany isan’andro?

  • Ny momba an’iza ao amin’ny Baiboly no tianao hianarana bebe kokoa? Nahoana?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb lesona 50, fampidirana ny fizarana 9, ary lesona 51

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 73 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara