19-25 JANOARY
ISAIA 24-27
Hira 159 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Izy no Andriamanitsika!”
(10 min.)
Betsaka ny antony mampirehareha antsika hoe manana an’i Jehovah ho Andriamanitsika isika (Is 25:9; cl 15 § 21)
Be dia be mihitsy ny zavatra tsara homeny antsika any amin’ny tontolo vaovao, anisan’izany ny sakafo matsiro isan-karazany (Is 25:6; w24.12 6 § 14)
Hataony velona mandrakizay isika (Is 25:7, 8; w25.01 28-29 § 11-12)
SAINTSAINO IZAO: ‘Iza no azoko iresahana momba ny fampanantenan’i Jehovah, amin’ity herinandro ity?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Is 24:2—Inona no mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina ka hita eo amin’io andininy io? (w15 15/12 15 § 4–17 § 2)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Is 25:1-9 (th lesona 10)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) AMPAHIBEMASO. Fantaro izay foto-kevitra mahaliana an’ilay olona. Asehoy azy hoe ahoana no hikarohana fanazavana ao amin’ny jw.org. (lmd lesona 1, hevitra 3)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd lesona 9, hevitra 4)
6. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(5 min.) Fampisehoana. ijwbq lahatsoratra 160—Foto-kevitra: Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra? (th lesona 3)
Hira 144
7. Miantehera Tanteraka Amin’i Jehovah Rehefa Miomana ho Amin’ny Fitsaboana na Fandidiana
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Arovan’i Jehovah “izay miantehitra tanteraka [aminy].” (Vakio ny Isaia 26:3.) Raha ampiasaintsika ny fanampiana omen’i Jehovah rehefa miomana ho amin’ny fitsaboana isika, dia asehontsika amin’izany hoe miantehitra tanteraka aminy isika.
Alefaso ilay VIDEO hoe Efa Vonona ve Ianao Raha Sendra Mila Fitsaboana? Iaraho midinika ireto avy eo:
Inona ny zavatra telo manampy antsika hiomana ho amin’ny fitsaboana?
Nahoana no manampy antsika ny fanazavana hafa momba ny fitsaboana?a
Rehefa inona isika no tokony hiantso ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly?
Inona no tsapanao rehefa mieritreritra an’ireo fanampiana feno fitiavana avy amin’i Jehovah ireo?
Mampanantena i Jehovah, ao amin’ny Isaia 26:3, hoe hataony ‘miadana foana’ isika. Tsy midika akory izany hoe harovany isika dia tsy harary mihitsy. Be fitiavana kosa izy dia omeny ny fandaminany isika mba hanampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina rehefa marary.
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) lfb lesona 54-55
Teny Famaranana (3 min.) | sy Vavaka
a Azo angatahina any amin’ny anti-panahy ireto rehefa ilaina: Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401), Fanazavana ho An’ny Marary Mila Fandidiana na Manaraka Fitsaboana Simika (S-407), ary Toromarika ho An’ny Ray Aman-dreny Manana Zanaka Mila Fitsaboana (S-55).