FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb26 Janoary p. 12-13
  • 16-22 Febroary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 16-22 Febroary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
mwb26 Janoary p. 12-13

16-22 FEBROARY

ISAIA 36-37

Hira 150 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Aza Matahotra na dia Naheno An’izany Teny Izany aza Ianao”

(10 min.)

Nampitahotra ny vahoakan’i Jehovah tany Jerosalema ny Rabsake (Is 36:1, 2; it “Hezekia” No. 1 § 14)

Nataon’ny Rabsake izay hahatsapan-dry zareo hoe malemy ry zareo ary tsy maintsy ho resy (Is 36:8; ip-1 387 § 10)

Nesoiny ry zareo hoe natoky ny mpitarika azy sy natoky an’i Jehovah (Is 36:7, 18-20; ip-1 388 § 13-14)

Rabsake miantsoantso eo ambony kalesy, miresaka amin’ny miaramila eny ambonin’ny mandan’i Jerosalema.

Tsy tokony hatahotra an’izay mampijaly azy ny vahoakan’i Jehovah.​—Is 37:6, 7.

AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA: Jereo ilay VIDEO hoe “Jehovah ô! ... Ianao no Itokisako” ary iaraho midinika izay lesona nianaranareo.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 37:29​—Inona no dikan’ny hoe asian’i Jehovah lamboridy eo amin’ny vavan’i Sankeriba Mpanjaka? (it “Lamboridy” § 4)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Is 37:14-23 (th lesona 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd lesona 1, hevitra 4)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd lesona 3, hevitra 5)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. ijwbq lahatsoratra 110 § 1-4​—Foto-kevitra: Inona no Atao hoe Batisa? (th lesona 17)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 118

7. “Inona koa Izany mba Atokisanao Izany?”

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Efa nisy naneso anao na nanao an’izay hampisalasala anao ve satria ianao mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly sady nanapa-kevitra ho lasa Vavolombelon’i Jehovah? Natahotra angamba ianao tamin’izay, na tsy hitanao izay hotenenina. Mety hampisalasala anao mihitsy koa aza izay lazain’ny olona. Ahoana no hisorohana an’izany?

Vakio ny Isaia 36:4. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana no zava-dehibe ilay hoe manana porofo mazava fa tena marina ny zavatra inoantsika?

Alefaso ilay VIDEO hoe Ny Fiainanay Tanora: Nahoana Aho no Mino fa Misy Andriamanitra? Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona no nataon’i Elibaldo sy Crystal mba ho azony antoka kokoa ny zavatra inoany?

  • Inona no mandresy lahatra anao hoe misy Andriamanitra?

  • Inona ny andinin-teny mahatonga anao hahazo antoka hoe...

    tia anao i Jehovah?

    hanampy anao foana i Jehovah?

    anisan’ny vahoakan’Andriamanitra ianao?

Rahalahy tanora any am-pianarana, lasa saina rehefa asehon’ny mpampianatra ny iray kilasy ny karandoha iray. Manangan-tanana ny ankamaroan’ny ankizy.

Tiako ho azo antoka kokoa hoe...

Inona no hataonao mba ho azonao antoka kokoa ny zavatra inoanao?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb lesona 62-63

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 9 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara