FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb26 Janoary p. 14-16
  • 23 Febroary–1 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 23 Febroary–1 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
mwb26 Janoary p. 14-16

23 FEBROARY–1 MARTSA

ISAIA 38-40

Hira 4 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mamihina zanak’ondry iray eo an-tratrany ny mpiandry ondry iray be fitiavana.

Mamihina ondry iray eo an-tratrany ny mpiandry ondry iray tany Israely fahiny

1. “Toy ny Mpiandry Ondry Izy ka Hokarakarainy ny Andian’ondriny”

(10 min.)

Avy amin’i Jehovah ny Baiboly ary notehiriziny ilay izy mba hanampiana antsika ho akaiky azy (Is 40:8; w23.02 2-3 § 3-4)

Tsara fanahy izy mikarakara antsika (Is 40:11; cl 70 § 7)

Fantany isika tsirairay dia ampiany hiatrika ny olana mahazo antsika (Is 40:26-29; w18.01 8 § 4-6)

Anti-panahy roa mitsidika anabavy iray sy ny zanany roa any an-tranony.

SAINTSAINO IZAO: Inona no tsapanao momba an’i Jehovah rehefa misaintsaina ny Isaia 40:11 ianao?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 40:3​—Ahoana no nahatanteraka an’io andininy io tamin’ny taonjato voalohany? (ip-1 400 § 7)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Is 40:21-31 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Mitadiava hirika hiresahana amin’ilay olona momba ny zavatra iray nianaranao vao haingana tany am-pivoriana. (lmd lesona 4, hevitra 3)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Mitadiava hirika hilazana amin’ilay olona hoe mampianatra Baiboly ianao. (lmd lesona 4, hevitra 4)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(2 min.) ISAN-TRANO. (lmd lesona 7, hevitra 5)

7. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff lesona 18, famintinana sy famerenana ary tanjona. Mifidiana lahatsoratra na video iray eo amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto” mba hanampiana an’ilay mpianatra hahatsapa hoe mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah. (lmd lesona 11, hevitra 3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 160

8. Tatitra Isan-taona

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Vakio ilay taratasy misy ny tatitra isan-taona avy amin’ny biraon’ny sampana. Asao ny mpanatrika avy eo mba hiresaka tsipiriany hafa mahaliana ao amin’ny Tatitra Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-panompoana 2025. Manadinadìna mpitory vitsivitsy manana fitantarana mampahery momba ny fanompoany tamin’ny taon-dasa.

Sary: Rahalahy sy anabavy mandray anjara amin’ny fanompoana maneran-tany. 1) Anabavy mampianatra Baiboly vehivavy iray amin’ny boky “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” 2) Mpivady mitory isan-trano dia mamaky andinin-teny amin’ny lehilahy iray. 3) Anabavy mitory amin’ny vehivavy iray. 4) Anabavy iray any anaty bisy manome karatra jw.org amin’ny vehivavy iray eo akaikiny. 5) Mpivady mampianatra Baiboly lehilahy iray amin’ny bokikely “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” 6) Anabavy mampiseho video amin’ny vehivavy iray. 7) Mpivady mitory amin’ny vehivavy iray amin’ny tenin’ny tanana sady mampiseho video.

Based on NASA/Visible Earth imagery

Nanohy nitory isan-trano sy nampianatra Baiboly foana ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 2025

  • Inona no tsipiriany mahaliana anao ao amin’ilay Tatitra Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-panompoana 2025?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb lesona 64-65

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 161 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara