Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
5-11 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 17-20
Ny “Anjaran’ireo Mamabo Antsika”
“Tsy Anisan’ity Tontolo ity ny Fanjakako”
16 Tena mila miova hoatr’izany koa isika rehetra. Oharina amin’ny ranomasina misamboaravoara sady tsy mety mitony ny olombelona, ao amin’ny Baiboly. (Isaia 17:12; 57:20, 21; Apok. 13:1) Matetika ny resaka politika no mahatonga ny olona ho tezitra sy hisara-bazana ary hahery setra. Isika kosa tsy hoatr’izany fa miray saina sy mihavana foana. Azo antoka fa faly be i Jehovah mahita hoe miray saina ny mpanompony, na dia misara-bazana aza ity tontolo ity.—Vakio ny Zefania 3:17.
Aza Manohana An’ity Tontolo ity Mihitsy!
4 Mbola tsy manenjika ny fivavahana marina angamba ny mpitondra ao amin’ny tany misy anao, sady tsy manery anao hanao politika. Mety hiova anefa izany, satria efa kely sisa dia ho rava ny tontolon’i Satana. ‘Tsy azo ifanarahana’ sy “be di-doha” ny ankamaroan’ny olona, ka vao mainka hisara-bazana ity tontolo ity. (2 Tim. 3:3, 4) Any amin’ny tany sasany aza efa mahita olana ny rahalahintsika, satria niova tampoka ny toe-draharaha politika ao amin’ilay tany. Dieny izao àry isika dia efa tokony hanomana ny saintsika hoe tsy hanao politika mihitsy. Raha miandry hoe teren’ny olona hanao politika mantsy isika vao manao an’izany, dia mety hanaiky lembenana. Inona àry no tokony hataontsika raha tsy te hivadika mihitsy isika? Handinika zavatra efatra isika ato.
Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
20 Inona no ho vokany? Hoy i Isaia: “Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’izay mamabo antsika, sy tambin’izay mandroba antsika.” (Isaia 17:14). Maro no mandroba ny vahoakan’i Jehovah, ka mitondra azy ireo amin’ny fomba henjana sy tsy misy fanajana. Noho izy ireo tsy anisan’ireo fivavahana lehiben’ity tontolo ity—no sady tsy maniry ho anisany, dia heverin’ny mpanakiana feno fanavakavahana sy ny mpanohitra mirehitra fatratra, ho remby mora azo ny Kristianina marina. Matoky anefa ny vahoakan’Andriamanitra fa mihamanatona haingana ilay “maraina”, rehefa hifarana ny fahoriana mahazo azy.—2 Tesalonianina 1:6-9; 1 Petera 5:6-11.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I
20:2-5—Nandeha tsy nitafy tanteraka nandritra ny telo taona tokoa ve i Isaia? Rehefa jerena ny teny tany am-boalohany, dia azo inoana fa ny akanjony ivelany ihany no nesorin’i Isaia, ka zara raha nitafy izy rehefa nandeha.
12-18 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 21-23
Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Tantaran’i Sebna?
Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika
7 Hiresaka olona roa nanarin’i Jehovah isika, mba hahitantsika fa tena ilaina ny fananarana. I Sebna, Israelita tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka, ny iray, ary i Graham, rahalahy amin’izao androntsika izao ny iray. Nanana fahefana be i Sebna. Mety ho mpiandraikitra ny tranon’i Hezekia Mpanjaka mantsy izy. (Isaia 22:15) Lasa nanambony tena sy te hohindrahindrain’ny olona anefa izy. Nitaingina ‘kalesim-boninahitra’ izy, ary nampanao fasana lafo be ho azy mihitsy aza.—Isaia 22:16-18.
8 Naongan’i Jehovah ‘hiala tamin’ny andraiki-panjakana notanany’ i Sebna, noho izy te hahazo voninahitra. I Eliakima no nataony solony. (Isaia 22:19-21) Tamin’i Sankeriba nitady hanafika an’i Jerosalema izany no nitranga. Nandefa manam-pahefana sy miaramila maro be nankany Jerosalema io mpanjaka asyrianina io tatỳ aoriana. Te hampitahotra ny Jiosy mantsy izy, ary tiany hitolo-batana i Hezekia. (2 Mpanj. 18:17-25) I Eliakima no voairaka hiresaka tamin’ireo manam-pahefana ireo, ary nisy olona roa niaraka taminy. I Sebna ny iray, ary mpitan-tsoratra izy tamin’izany. Toa midika izany hoe tsy tezitra na nitana lolompo i Sebna rehefa nanarina. Nanetry tena kosa izy, ary nanaiky nomena andraikitra tsy dia misongadina noho ny teo aloha. Misy zavatra telo ianarantsika avy amin’izany.
9 Voalohany, mampahatsiahy antsika ny nanjo an’i Sebna hoe “ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.” (Ohab. 16:18) Hiezaka hanetry tena foana àry ve ianao, raha manana tombontsoa manokana eo anivon’ny fiangonana ka angamba misongadina kokoa? Ekenao ve hoe avy amin’i Jehovah daholo izay zavatra hainao na vitanao? (1 Kor. 4:7) Hoy ny apostoly Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.”—Rom. 12:3.
Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika
10 Faharoa, toa nanantena i Jehovah hoe mbola hiova i Sebna matoa izy nananatra azy mafy. (Ohab. 3:11, 12) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tokony ho tezitra na hitana lolompo isika, raha nisy tombontsoa nesorina tamintsika. Afaka manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana isika, ary mitadidy hoe tiany isika matoa nanariny. Tadidio foana fa hamaly soa an’izay manetry tena ilay Raintsika any an-danitra. (Vakio ny 1 Petera 5:6, 7.) Mety hananatra antsika amim-pitiavana izy mba hamolavolana ny toetrantsika. Miezaha foana àry hanetry tena ka ho toy ny tanimanga mora volavolaina.
Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika
11 Fahatelo, miana-javatra avy amin’izay nataon’i Jehovah tamin’i Sebna ireo nomena alalana hananatra ny hafa. Anisan’izany ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy. Matoa i Jehovah mananatra olona iray, dia satria halany ny fahotana vitany. Mbola tia an’ilay olona anefa izy, ary mifantoka amin’ny toetra tsarany. Hanahaka an’i Jehovah àry ve ianao, raha mila mananatra ny zanakao na ny mpiara-manompo aminao?—Joda 22, 23.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I
21:1—Faritra aiza no antsoina hoe “Efitra Ranobe” na “Efitra Ranomasina”, araka ny fanamarihana ambany pejy? Ny faritr’i Babylona no antsoina toy izany, na dia tsy nisy ranomasina aza teo akaikin’izy io. Nisy tondra-drano avy tamin’ireo reniranon’i Eofrata sy Tigra mantsy teo amin’io faritra io isan-taona, ka nahatonga ‘ranomasin-keniheny.’
19-25 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 24-27
“Izy no Andriamanitsika!”
“Izy no Andriamanitsika!”
21 Eritrereto ny ankizikely manondro ny rainy sady faly sy mirehareha erỳ milaza amin’ilay namany hoe: “Iny i dadanay!” Tokony hahatsapa toy izany momba an’i Jehovah koa ireo mpivavaka aminy. Efa nilaza ny Baiboly fa ho avy ny fotoana hilazan’ny olona tsy mivadika hoe: “Izy no Andriamanitsika!” (Isaia 25:8, 9) Ho tsapanao kokoa, arakaraka ny hahatakaranao ireo toetran’i Jehovah, fa manana Ray tsara indrindra ianao.
Mofo Azo Tamin’ny Fomba Mahagaga
14 Niresaka momba ny hoe “sakafo sahaza anay anio” i Jesosy. Tamin’izay koa izy no niresaka momba ny fotoana hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra “etỳ an-tany ... tahaka ny any an-danitra.” (Mat. 6:9-11) Hoatran’ny ahoana re ny fiainana amin’izany e? Asehon’ny Baiboly fa anisan’ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany ny hoe ho tsara be ny sakafo. Ho feno sakafo tsara azo ankafizina eto rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny Isaia 25:6-8. Milaza koa ny Salamo 72:16 hoe: “Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.” Efa tsy andrinao ve ny hikarakara ny sakafo tianao indrindra, na hanandrana hikarakara sakafo vaovao? Hankafy ny vokatra azo avy amin’ny voaloboka nambolenao koa ianao. (Isaia 65:21, 22) Hoatr’izany daholo ny iainan’ny olona eran-tany amin’izany.
Inona ny Soa Azontsika Noho i Jehovah Tia Antsika?
11 Eritrereto ny fiainanao ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Tsy hatahotra ny harary na ho faty intsony ianao. (Isaia 25:8; 33:24) Homen’i Jehovah anao izay zavatra tsara rehetra irinao. Inona izao no mba tianao hianarana? Momba ny biby ve? Sa mozika? Sa hoso-doko? Azo inoana hoe mila tantsaha sy olona mahay resaka momba ny trano any amin’ny Paradisa. Mba hanohanana an’ireo asa ireo koa anefa dia ilaina ny mpikarakara sakafo, mpanamboatra fitaovana, ary olona hanatsara ny endriky ny manodidina. (Isaia 35:1; 65:21) Hanam-potoana hianarana an’izay rehetra tianao hianarana ianao satria misokatra eo anoloanao ny mandrakizay.
12 Hahafinaritra ny hitsena an’ireo olona hatsangana amin’ny maty! (Asa. 24:15) Hitombo koa ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah rehefa mandinika ny zavaboary be dia be noforoniny ianao. (Sal. 104:24; Isaia 11:9) Ny tena hahafinaritra indrindra anefa dia hoe tsy hahatsiaro tena ho meloka mihitsy ianao rehefa manompo an’i Jehovah. Izany rehetra izany ve dia hatakalonao ‘fifaliana vetivety amin’ny fahotana’? (Heb. 11:25) Tsy misy dikany ny zavatra tsy maintsy afointsika amin’izao raha oharina amin’ireo fitahiana ireo. Tadidio fa ho lasa zavatra iainanao isan’andro ny Paradisa eto an-tany fa tsy hijanona ho fanantenana foana. Tsy ho nisy izany rehetra izany raha tsy tia be antsika i Jehovah ka nanome antsika ny Zanany.
Vatosoa Ara-panahy
Nohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Nahoana no lasa maro kokoa ny toko natao miendrika tononkalo? Rehefa nosoratana ny Baiboly tany am-boalohany, dia maro ny ampahany natao miendrika tononkalo. Matetika no miady rima ny tononkalo ankehitriny. Tsy toy izany kosa no tena fanaon’ny Hebreo rehefa nanoratra tononkalo, fa ny hevitra no ampifanitsiny sy ampifanoheriny. Tsy atao miady rima ilay izy, fa ny hevitra no atao mifandray sy mirindra.
Natao miendrika tononkalo ny Joba sy ny Salamo tao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao teo aloha, mba hahitana hoe natao hohiraina na hotononina toy ny tsianjery ilay izy. Misongadina koa amin’izay ny hevitra tiana hohamafisina sady mora tadidy ilay izy. Natao miendrika tononkalo koa àry ny bokin’ny Ohabolana sy ny Tononkiran’i Solomona ary ny toko maro ao amin’ny boky nosoratan’ireo mpaminany, ao amin’ilay Baiboly nohavaozina. Natao izany mba hahitana hoe tononkalo ilay izy tany am-boalohany, ary misy hevitra mifanitsy na mifanohitra ao anatiny. Diniho, ohatra, ny Isaia 24:2. Misy hevitra mifanohitra isaky ny andalana ao, ary mifandray amin’ny eo aloha ny hevitra eo amin’ny andalana manaraka. Tiana hasongadina hoe tsy misy afa-miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Natao miendrika tononkalo ny andininy toy ireny, amin’izay hitan’ny mpamaky hoe tsy mamerina an’izay voalazany teo aloha fotsiny ilay mpanoratra, fa te hanamafy hevitra.
Rehefa jerena ny asa soratra hebreo, dia tsy mora indraindray ny manavaka hoe lahatsoratra tsotra ilay izy sa tononkalo. Tsy mitovy àry ny Baiboly maro. Misy andinin-teny natao miendrika tononkalo, ohatra, ao amin’ny Baiboly sasany, nefa natao lahatsoratra ao amin’ny Baiboly hafa. Ilay mpandika teny no mandinika sy manapaka hoe iza no andininy hatao miendrika tononkalo. Natao lahatsoratra ilay izy, ao amin’ny fandikan-teny sasany, nefa hita ihany hoe miendrika tononkalo. Nasiana sarin-teny sy tsilalaon-teny ary hevitra mifanitsy be dia be mantsy ilay izy, mba hisongadina ny hevi-dehibe.
26 JANOARY–1 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 28-29
Manaja An’i Jehovah Amin’ny Fo Isika fa Tsy An-tendro-molotra Fotsiny
Nanambara Mialoha ny ‘Zavatra Hafahafa Hataon’i Jehovah’ i Isaia
23 Nilaza tena ho malina ara-panahy ireo mpitarika ara-pivavahana teo amin’ny Joda, nefa nandao an’i Jehovah izy ireo. Nampianatra ny heviny manokana sady voaolana ny amin’izay tsara sy ratsy izy ireo, ka nitady hanamarina ny tsy fananany finoana sy ny fahalotoam-pitondran-tenany ary ny fitarihany an’ilay vahoaka hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny ‘zava-mahatalanjona’ iray—ilay ‘zavatra hafahafa hataony’—dia hampamoaka azy ireo, noho ny fihatsarambelatsihiny, i Jehovah. Hoy izy: “Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’olombelona ampianariny azy ihany, dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; ka ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ny mazava sainany.” (Isaia 29:13, 14). Ho foana izay lazain’ny Joda hoe fahendren’ny tenany sy fahalalany, rehefa hitantana ny toe-draharaha i Jehovah mba handripahan’i Babylona—ny Fanjakana natanjaka indrindra—ny fandaminany ara-pivavahana nivadi-pinoana manontolo. Nisy zavatra toy izany koa nitranga tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nitarika an’ilay firenena haniasia ireo mpitarika nilaza tena ho hendry teo amin’ny Jiosy. Hisy zavatra toy izany ihany koa hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’izao androntsika izao.—Matio 15:8, 9; Romanina 11:8.
Tsy Misy Mahatafintohina ny Olo-marina
7 Sahy nanameloka ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy, satria ry zareo nihatsaravelatsihy. Izany, ohatra, no nataony tamin’ny Fariseo. Zava-dehibe kokoa tamin-dry zareo mantsy ny fomba fanasana tanana, toy izay ny fikarakarana ny ray aman-dreniny. (Mat. 15:1-11) Gaga angamba ny mpianatr’i Jesosy naheno azy nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana ireo. Nanontany azy mihitsy ry zareo hoe: “Fantatrao ve fa tafintohina ny Fariseo nony nandre izay nolazainao?” Izao no navalin’i Jesosy: “Hongotana ny zavamaniry rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra. Avelao izy, fa mpitarika jamba. Koa raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady izy ireo.” (Mat. 15:12-14) Tezitra tamin’i Jesosy ny mpitondra fivavahana, nefa tsy nahasakana azy tsy hilaza ny marina izany.
Miezaha ho Vahinin’i Jehovah Mandrakizay
8 Tsy mody miseho hoe mankatò ny lalàn’Andriamanitra eny imason’olona ireo “milaza ny marina ao am-pony”, nefa mandika an’izany rehefa tsy misy mahita. (Isaia 29:13) Tsy fetsifetsy izy rehefa manao zavatra. Mety hanomboka hieritreritra ny olona iray fetsifetsy fa tsy tena fahendrena ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah sasany. (Jak. 1:5-8) Mety tsy hankatò an’i Jehovah izy amin’izay zavatra heveriny hoe tsy dia zava-dehibe. Raha hitany hoe hoatran’ny tsy misy vokany ratsy ny tsy fankatoavany, dia mety ho vao mainka izy ho sahisahy handika ny lalàn’Andriamanitra, ka lasa fihatsarambelatsihy fotsiny ny fanompoana ataony. (Mpito. 8:11) Isika kosa te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.
Vatosoa Ara-panahy
it “Ariela” § 1; it “Ariela” No. 3
Ariela
(Arièla) [Fitoeran’afo eo Amin’ny Alitaran’Andriamanitra; na Lionan’Andriamanitra].
3. Anarana mifono zava-miafina niantsoana an’i Jerosalema ao amin’ny Isaia 29:1, 2, 7. Tany Jerosalema ny tempolin’Andriamanitra izay nisy ny alitara fanaovana sorona. Izany no mahatonga an’ilay tanàna ho fitoeran’afo eo amin’ny alitaran’Andriamanitra. Tokony ho foiben’ny fivavahana marina tamin’i Jehovah koa io tanàna io. Nilaza loza anefa ny hafatra nampitain’ny Isaia 29:1-4, sady nilaza mialoha ny handravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Amin’izay dia hiova ny fahazoana ny hoe “fitoeran’afo eo amin’ny alitara.” Hanjary hidika izy io hoe: Tanàna feno ra mandriaka sy kila forehitra, ary feno fatin’olona ringana tamin’ny afo. Lazain’ny andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-16 ny anton’ilay loza. Araka ny Isaia 29:7, 8 anefa, dia tsy nahatratra ny tena tanjony ireo firenena tamin’izy ireo nandrava an’i Jerosalema.
2-8 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 30-32
Mialofa ao Ambany Elatr’i Jehovah
Fiarovana ho Antsika i Jehovah
7 Fiarovana ho antsika i Jehovah, ka mampionona antsika izao teny izao: “Ny volon’elany no anaronany anao, ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.” (Salamo 91:4) (Ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany, dia manondro ampinga mahatakona olona iray ny ampinga kely, fa manondro manda kosa ny ampinga lehibe) Toy ny iarovan’ny vorona ny zanany amin’ny elany no iarovan’Andriamanitra antsika. (Isaia 31:5) ‘Ny volon’elany no anaronany antsika.’ Manondro ny elatry ny vorona ihany ny ‘volon’elany.’ Anaronany ny zanany ireny, mba hiarovana azy amin’ny fahavalo. Toy ny zana-borona isika, tsy manana ahiahy eo ambany elatr’i Jehovah, satria mialoka ao amin’ny tena fandaminany.—Rota 2:12; Salamo 5:1, 11.
Hanampy Anao i Jehovah Rehefa ao Anatin’ny Sarotra
13 Ny mila ataontsika. Aza manaiky hitokantokana. Rehefa mitokantokana mantsy isika, dia matetika no lasa tsy mieritreritra afa-tsy ny tenantsika sy ny olana mahazo antsika. Mety hisy vokany amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika anefa izany. (Ohab. 18:1) Mazava ho azy fa mba mila mihataka kely amin’ny hafa isika indraindray, indrindra rehefa manana olana lehibe. Raha mitokantokana mandritra ny fotoana ela be anefa isika, dia lasa hoatran’ny hoe isika indray no manilika an’ilay fanampiana omen’i Jehovah. Raiso àry ny fanampiana omen’ny fianakavianao sy ny namanao ary ny anti-panahy, na dia mafy be aza ny manao an’izany rehefa ao anatin’ny sarotra. Aza hadinoina hoe ry zareo ireo no ampiasain’i Jehovah mba hanohanana anao.—Ohab. 17:17; Isaia 32:1, 2.
‘Hanatanjaka Anao Izy’
19 Inona no hanampy anao hatoky kokoa ny fanantenanao? Raha manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, ohatra, ianao, dia vakio sy saintsaino izay resahin’ny Baiboly momba an’ilay Paradisa. (Isaia 25:8; 32:16-18) Eritrereto ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Ataovy hoatran’ny hoe efa any ianao. Iza no hitanao? Inona no feo henonao? Hoatran’ny ahoana no tsapanao? Jereo ireo sarina Paradisa ao amin’ny boky sy gazetintsika, mba hanampiana anao haka sary an-tsaina an’ilay izy. Jereo koa ny hirahira ao amin’ny tranonkalantsika, ohatra hoe Ilay Tontolo Vaovao, Efa ao Ambadika Ao, na ilay hoe Alao Sary An-tsaina. Raha mifantoka foana amin’ilay fanantenana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika, dia ho “vetivety sy maivana” ny olana mahazo antsika. (2 Kor. 4:17) Hanatanjaka anao izany fanantenana omen’i Jehovah izany.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mofo” § 13
Mofo
Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra ny hoe lehem (heb.) nadika hoe “mofo” na koa hoe “sakafo” na “hanina” ao amin’ny andininy maro. Nilaza, ohatra, i Josoa sy Kaleba fa ‘sakafon’ny’ Israelita ny Kananita, izany hoe mety ho resiny mora foana. Hampahery ny Israelita koa ilay fandresena. (No 14:9) Mety ho nalahelo be ny olona iray raha tsy nankasitraka azy intsony i Jehovah Mpiandry ny Israely, matoa hoe ‘ranomaso no nataony sakafony.’ (Sl 80:5) ‘Fahoriana no mofo homen’i Jehovah’ ny olony, ‘ary fampijaliana no rano homeny’ azy ireo. Tanteraka izany rehefa natao fahirano izy ireo, satria lasa nahazatra azy toy ny mofo sy rano ny fijaliana.—Is 30:20.
9-15 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 33-35
“Izy no Mahatonga Anao Hilamina sy Tsy Hitebiteby”
Hanampy Anao i Jehovah Rehefa ao Anatin’ny Sarotra
7 Ny olana. Rehefa miatrika fitsapana mafy isika, dia mety hikorontana daholo na ny fihetseham-pontsika na ny saintsika na ny zavatra ataontsika, fa tsy ho hoatran’ny mahazatra. Hoatran’ny sambo atopatopan’ny onja isika, rehefa mifamahofaho be ny fihetseham-pontsika. Nilaza i Ana, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe izany mihitsy no tsapany taorian’ny nahafatesan’i Luis. Hoy izy: “Mahatsiaro ho banga be izany aho indraindray, dia manomboka mitsetra tena. Lasa tezitra koa aho hoe tsy eo intsony izy.” Tsy vitan’izay fa nahatsiaro ho manirery i Ana. Sosotra koa izy rehefa nila nandray fanapahan-kevitra tamin’ny zavatra sasany, satria i Luis no tena nahay an’ilay izy. Indraindray izy mahatsapa hoatran’ny hoe anaty tafio-drivotra eny afovoan-dranomasina. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa manomboka misamboaravoara hoatr’izany ny fihetseham-pontsika?
8 Ny ataon’i Jehovah. Manome toky antsika izy hoe ataony milamina sy tsy mitebiteby isika. (Vakio ny Isaia 33:6.) Rehefa sendra tafio-drivotra ny sambo, dia mety hanomboka hitongilangilana be nefa mampidi-doza izany. Betsaka amin’ny sambo àry no manana fitaovana manampy azy tsy hihetsiketsika. Eo amin’ny andaniny roa amin’ilay sambo no misy an’ilay izy, ary tsy tazana etỳ ambony rano. Tsy dia atahorana hitongilangilana na ho rendrika ilay sambo amin’izay, sady mahazo aina kokoa ny mpandeha. Betsaka amin’ireny fitaovana ireny anefa no mandaitra kokoa rehefa manohy mandroso ilay sambo. Hanampy antsika hilamina sy tsy hitebiteby koa i Jehovah ao anatin’ny fotoan-tsarotra, raha manohy manompo azy isika.
Inona no Hanampy Anao ho Faly Foana na dia Miatrika ny Mafy Aza?
10 Vahaolana: Mangataha fahendrena amin’i Jehovah. Inona no zavatra voalohany tokony hataontsika raha te hahavita hiaritra isika sady ho faly foana? Tsy maintsy mangataka fahendrena amin’i Jehovah isika, amin’izay hahavita hanapa-kevitra tsara. (Vakio ny Jakoba 1:5.) Ahoana anefa raha hoatran’ny hoe tsy tonga dia mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah? Nilaza i Jakoba hoe tsy tokony “hitsahatra hangataka” aminy isika. Tsy ho sorena amintsika i Jehovah na dia imbetsaka aza isika no mangataka fahendrena. Tsy manome tsiny na mandatsa antsika koa izy. Tena “malala-tanana” ilay Raintsika any an-danitra. Rehefa mivavaka mba hahazo fahendrena àry isika dia azo antoka fa hanome an’izany izy, amin’izay isika hahavita hiaritra. (Sal. 25:12, 13) Hitany ny olana mianjady amintsika, dia malahelo antsika izy ary tena vonona hanampy. Tsy hitanao hoe mahafaly ve izany? Ahoana àry no fomba anomezan’i Jehovah fahendrena antsika?
11 Ny Teniny no ampiasain’i Jehovah mba hanomezana fahendrena antsika. (Ohab. 2:6) Mila mianatra ny Baiboly sy ny boky sy gazety àry isika, raha te hahazo an’izany fahendrena izany. Tsy ampy anefa ny manangona fahalalana. Tsy maintsy ampiharintsika koa izay hitantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izao no nosoratan’i Jakoba: “Aoka ... ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany.” (Jak. 1:22) Inona no vokany rehefa mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika? Vao mainka isika mahay mifandray tsara aman’olona sy mahay mandanjalanja kokoa ary mamindra fo kokoa. (Jak. 3:17) Raha manana an’ireo toetra ireo isika, dia ho faly foana na inona na inona olana zakaintsika.
“Tsy Hisy Amin’ny Mponina ao Hilaza hoe: Marary Aho”
21 Kanefa, manana fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny io faminanian’i Isaia io. Nahazo fanasitranana ara-panahy koa ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Nafahana avy tamin’ny fampianaran-diso, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny Andriamanitra Telo Izay Iray ary ny afobe mirehitra, izy ireo. Nahazo tari-dalana ara-pitondran-tena, izay nanafaka azy ireo tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena ary nanampy azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara, izy ireo. Ary noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia mitana ny toeran’ny olona madio eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, no sady manana feon’ny fieritreretana madio. (Kolosianina 1:13, 14; 1 Petera 2:24; 1 Jaona 4:10). Mitondra soa ara-batana koa io fanasitranana ara-panahy io. Ohatra, raha manalavitra ny fanaovana firaisana maloto sy ny fampiasana sigara sy paraky ny Kristianina, dia voaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana sy ny kansera sasany.—1 Korintianina 6:18; 2 Korintianina 7:1.
22 Ambonin’izany, dia hanana fahatanterahany lehibe kokoa ireo teny ao amin’ny Isaia 33:24, aorian’i Haramagedona, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakana Mesianika, dia homban’ny fanasitranana ara-batana lehibe ny fanasitranana ara-panahin’ny olombelona. (Apokalypsy 21:3, 4). Tsy ho ela aorian’ny fandringanana ny fandehan-javatr’i Satana, dia tsy isalasalana fa ho hita manerana ny tany ny fahagagana toy ireo nataon’i Jesosy, fony izy teto an-tany. Hahita ny jamba, handre ny marenina, handeha ny mandringa! (Isaia 35:5, 6). Izany dia hahatonga an’ireo ho tafita velona rehetra amin’ny fahoriana lehibe handray anjara amin’ilay asa lehibe ho famerenana ny paradisa eto an-tany.
Vatosoa Ara-panahy
Mandehana Foana Amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana”
8 Mety hisy hieritreritra izao hoe: ‘Eny e, mahaliana aloha izany e! Fa inona moa no idirantsika amin’izay nitranga tamin’ny Jiosy tany aloha be tany?’ Misy ka! Satria hoatran’ny hoe mandeha amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” isika amin’izao. Na voahosotra isika na “ondry hafa”, dia mila mandeha amin’io “Lalan’ny Fahamasinana” io foana. Izy io mantsy no mitondra antsika mamakivaky an’ilay paradisa ara-panahy, ka hahatonga antsika hahazo ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. (Jaona 10:16) An-tapitrisany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy niala tao amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, nanomboka tamin’ny 1919. Nanomboka nandeha tamin’io lalana an’ohatra io ry zareo. Azo inoana hoe anisan-dry zareo ianao. Marina hoe efa 100 taona teo ho eo izay no nisokafan’io lalambe io, nefa efa taonjato maro talohan’izay izy io no nanomboka nomanina.
16-22 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 36-37
“Aza Matahotra na dia Naheno An’izany Teny Izany aza Ianao”
it “Hezekia” No. 1 § 14
Hezekia
Tsy nahavita nanafika an’i Jerosalema i Sankeriba. Tsy nahavita nanafika an’i Jerosalema i Sankeriba. Nitranga tokoa ilay nampoizin’i Hezekia: Tapa-kevitra ny hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba. Raha mbola nanao fahirano ny tanàna voaro mafin’i Lakisy i Sankeriba sy ny tafiny, dia nandefa miaramila niaraka tamin’ny manamboninahitra vitsivitsy izy mba hanery ny olona tany Jerosalema hitolo-batana. Tena nahay niteny hebreo ilay mpitondra tenin’ireo iraka ireo, izay nantsoina hoe Rabsake (tsy anaran’ilay lehilahy fa anaram-boninahitra tao amin’ny tafika). Niteny mafy izy ka naneso an’i Hezekia sy nihantsy an’i Jehovah. Tsy ho vitan’i Jehovah, hono, ny hanafaka an’i Jerosalema eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria, satria na ireo andriamanitry ny firenen-kafa aza tsy nahavita namonjy ny tanin’ireo mpivavaka taminy.—2Mp 18:13-35; 2Ta 32:9-15; Is 36:2-20.
Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray
10 Nanaraka izany, dia nampahatsiahy an’ireo Jiosy i Rabsake fa nihoatra lavitra noho ny azy ireo ny tafiny. Namoaka izao fihantsiana feno fizahozahoana izao izy: “Homeko soavaly roa arivo hianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.” (Isaia 36:8). Raha ny tena izy anefa, zava-dehibe ve ny hamaroana na ny havitsian’ny mpitaingin-tsoavaly voaofan’ny Joda? Tsia, satria tsy niankina tamin’ny tanjaka ara-tafika nahery kokoa ny famonjena ny Joda. Manazava izany toy izao ny Ohabolana 21:31: “Voaomana ny soavaly ho amin’ny andro iadiana; fa an’i Jehovah ihany ny fandresena.” Avy eo, dia nilaza i Rabsake fa ny Asyrianina, fa tsy ny Jiosy, no nahazo ny fitahian’i Jehovah. Raha tsy izany, hoy izy, dia tsy ho tafatsofoka lavitra be toy izao tany amin’ny tanin’ny Joda, ny Asyrianina.—Isaia 36:9, 10.
Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray
13 Naka fiadiana am-bava iray hafa avy tao amin’ny tahiriny i Rabsake. Nampitandremany ireo Jiosy mba tsy hino an’i Hezekia, raha sendra hilaza i Hezekia hoe: “Jehovah no hamonjy antsika.” Nampahatsiahivin’i Rabsake tamin’ireo Jiosy fa tsy afaka nisakana an’ireo foko folo tsy ho resin’ny Asyrianina ireo andriamanitr’i Samaria. Ary ahoana ny amin’ireo andriamanitry ny firenena hafa izay resin’i Asyria? “Aiza moa ny andriamanitr’i Hamata sy Arpada?”, hoy izy. “Ary aiza koa ny andriamanitr’i Sefarvaima? Nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tànako va ireo andriamaniny?”—Isaia 36:18-20.
14 Mazava ho azy fa tsy takatr’i Rabsake, izay mpivavaka tamin’andriamani-diso, fa nisy fahasamihafana be teo amin’i Samaria nivadi-pinoana sy i Jerosalema teo ambanin’ny fanapahan’i Hezekia. Tsy nanan-kery hamonjy an’ilay fanjakan’ny foko folo ireo andriamani-dison’i Samaria. (2 Mpanjaka 17:7, 17, 18). Tetsy an-danin’izany, dia efa nihodina tamin’ireo andriamani-diso sy niverina nanompo an’i Jehovah i Jerosalema teo ambanin’ny fanapahan’i Hezekia. Kanefa, tsy nanandrana nanazava izany tamin’i Rabsake ireo solontena jodianina telo lahy. “Nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.” (Isaia 36:21). Niverina tany amin’i Hezekia i Eliakima sy i Sebna ary i Joa, ka nanao tatitra ny amin’ireo tenin’i Rabsake.—Isaia 36:22.
Vatosoa Ara-panahy
it “Lamboridy” § 4
Lamboridy
Hoy i Jehovah tamin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria: “Hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin’ny vavanao, ka hotaritiko hiverina any amin’ny lalana niavianao ianao.” (2Mp 19:28; Is 37:29) Teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema tokoa i Sankeriba no noteren’i Jehovah hiverina tany Ninive. Novonoin’ny zanany roa lahy izy tatỳ aoriana. (2Mp 19:32-37; Is 37:33-38) Hasian’i Jehovah lamboridy eo amin’ny valanoranon’ny fahavalony, izany hoe hofeheziny tanteraka izy ireo toy ny biby asiana lamboridy.—Is 30:28.
23 FEBROARY–1 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 38-40
“Toy ny Mpiandry Ondry Izy ka Hokarakarainy ny Andian’ondriny”
Mampiharihary Momba An’ilay Nampanoratra Azy ny Baiboly
3 Vakio ny Isaia 40:8. Efa an’arivony taona ny Tenin’Andriamanitra no nanome tari-dalana mahasoa ho an’ny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika. Ahoana no netezan’izany? Efa ela be mantsy no nosoratana ny Soratra Masina. Zavatra mora simba koa no nanoratana azy io, ary tsy misy an’ireo soratra tany am-boalohany intsony amin’izao. Nataon’i Jehovah anefa izay hanaovana dika mitovy ny Soratra Masina. Tsy lavorary ireny mpanao dika soratra ireny nefa nitandrina be. Izao, ohatra, no nolazain’ny manam-pahaizana iray momba ny Soratra Hebreo: “Tsy diso isika raha milaza fa tena nampitaina tamin’ny fomba marina tsara izy io. Tsy misy asa soratra tranainy natao hoatr’izany mihitsy.” Afaka matoky àry isika fa mbola ny hevitr’i Jehovah no ao amin’ny Baiboly amin’izao, na dia nandeha teny aza ny fotoana, mora simba ny zavatra nanoratana azy, ary tsy lavorary ireo mpanao dika soratra.
4 Avy amin’i Jehovah “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17) Ny Baiboly no anisan’ny fanomezana tsara indrindra nomeny antsika. Matetika no hita amin’ny fanomezana azontsika hoe mahalala tsara antsika sy izay ilaintsika ve ilay nanome. Hoatr’izany koa ny amin’ilay nanome ny Baiboly. Mianatra zavatra be dia be momba an’i Jehovah isika rehefa mandinika an’io fanomezana io. Ianarantsika hoe mahafantatra tsara antsika sy izay ilaintsika izy. Hodinihintsika ato hoe ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hahita an’ireto toetra telon’i Jehovah ireto: Ny fahendreny, ny fanaovany ny rariny, ary ny fitiavany. Andao àry aloha hojerentsika hoe ahoana no ampihariharian’ny Baiboly hoe hendry Andriamanitra.
Hery Hiarovana: ‘Fialofana ho Antsika Andriamanitra’
7 Mampitaha ny tenany amin’ny mpiandry ondry i Jehovah, mba hanomezan-toky antsika fa tena maniry hiaro antsika izy. (Ezekiela 34:11-16) Tadidio ny fomba ilazan’ny Isaia 40:11 an’i Jehovah, noresahina tao amin’ny Toko 2 amin’ity boky ity: “Toy ny mpiandry ondry izy ka hokarakarainy ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, dia hotrotroiny eo an-tratrany ireny.” Ahoana no hahatongavan’ilay ondrikely eny ‘an-tratran’ny’ mpiandry azy, izany hoe eny amin’ilay lamba miaraka amin’ny akanjony ambony? Manatona an’ilay mpiandry angamba izy, na mandona ny tongony mihitsy. Tsy maintsy miondrika mandray an’ilay ondry anefa ilay mpiandry, ka mametraka tsara ilay ondry ho eo an-tratrany. Hita amin’izany tokoa fa tena vonona hiaro antsika ilay Mpiandry Lehibe tia antsika!
“Omeny Hery ny Reraka”
4 Vakio ny Isaia 40:26. Mbola tsy nisy olona nahavita nanisa ny kintana rehetra. Milaza ny mpahay siansa hoe mety hahatratra 400 000 tapitrisa ny isan’ny kintana ao amin’ny vahindanitra misy ny tany. Omen’i Jehovah anarana anefa ny kintana tsirairay. Koa raha zavatra tsy mananaina aza sarobidy amin’i Jehovah hoatr’izany, tsy mainka ve fa ianao! Sarobidy aminy ianao satria noho ianao tia azy no mahatonga anao hanompo azy, fa tsy noho ianao hoe voatery manao an’izany. (Sal. 19:1, 3, 14) Fantatr’ilay Raintsika be fitiavana ny momba anao rehetra. ‘Na ny volon-dohanao aza voaisany’ daholo. (Mat. 10:30) Manome toky antsika koa ny mpanao salamo hoe: “Fantatr’i Jehovah ny fiainan’ny tsy manan-tsiny.” (Sal. 37:18) Hitany ny olana rehetra atrehinao, ary afaka manome anao hery hiaretana ny olana tsirairay izy.
5 Vakio ny Isaia 40:28. Avy amin’i Jehovah ny angovo na ny hery rehetra. Eritrereto ange ny habetsahan’ny angovo ao amin’ny masoandro e! Nilaza ilay mpanoratra atao hoe David Bodanis fa ‘mitovy amin’ny angovo avoakan’ny baomba ataomika an’arivony tapitrisa ny angovo avoakan’ny masoandro isaky ny iray segondra.’ Nilaza koa ny mpikaroka iray hafa hoe ‘ampy ho an’ny olona eran-tany mandritra ny 200 000 taona ny angovo avoakan’ny masoandro ao anatin’ny iray segondra.’ Raha vitan’i Jehovah ny manisy angovo be dia be hoatr’izany ao amin’ny masoandro, dia tsy ho vitany ve ny hanome izay hery ilaintsika mba hiatrehana ny olana rehetra mahazo antsika?
6 Vakio ny Isaia 40:29. Tena mahafaly ny manompo an’i Jehovah. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ento ny ziogako.” Hoy koa anefa izy: “Ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Tena marina izany! Vizana be angamba isika indraindray, nefa mandeha mivory na manompo ihany. Inona no tsapantsika rehefa avy eo? Mahatsiaro ho velombelona indray isika! Lasa vonona kokoa isika hiatrika an’izay olana mitranga. Tena mora entina tokoa ny ziogan’i Jesosy.
Vatosoa Ara-panahy
“Ampionòny ny Oloko”
7 Tsy ilay famerenana tamin’ny laoniny tamin’ny taonjato fahenina T.K. ihany no fahatanterahan’io faminaniana io. Nanana fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany A.K. koa izy io. I Jaona Mpanao Batisa no ilay feon’olona ‘niantso mafy tany an’efitra’, ho fahatanterahan’ny Isaia 40:3. (Lioka 3:1-6). Teo ambanin’ny tsindrimandry, dia nampihatra ny tenin’i Isaia tamin’ny tenany i Jaona. (Jaona 1:19-23). Nanomboka tamin’ny 29 A.K., dia nanomana ny lalana ho an’i Jesosy Kristy i Jaona. Ny fanambarana mialoha nataon’i Jaona dia nandrisika ny olona hitady ny Mesia nampanantenaina, mba hahafahan’izy ireo kosa hihaino azy sy hanaraka azy. (Lioka 1:13-17, 76). Amin’ny alalan’i Jesosy, i Jehovah dia hitarika an’ireo mibebaka ho amin’ilay fahafahana izay ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manome azy—fanafahana amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana. (Jaona 1:29; 8:32). Nanana fahatanterahany lehibe kokoa ny tenin’i Isaia, rehefa nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, tamin’ny 1919, ka naverina hanaraka ny fivavahana marina.