FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb26 Martsa p. 2
  • 2-8 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2-8 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
mwb26 Martsa p. 2

2-8 MARTSA

ISAIA 41-42

Hira 8 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Aza Matahotra”

(10 min.)

Nampirisika “olona iray avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro” i Jehovah mba hahatonga ny olona hatahotra (Is 41:2, 5; ip-2 20 § 10)

Tsy nisy antony natahoran’ny mpanompon’i Jehovah (Is 41:10; ijwbv lahatsoratra 5 § 4-7)

Nampian’i Jehovah ry zareo (Is 41:13)


SAINTSAINO IZAO: Nahoana no mahasoa antsika Kristianina ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-41?​—w16.07 18 § 4-5.

Fianakaviana mipetraka any amin’ny tany anakantsakanana ny asantsika, miara-mianatra Baiboly. Mitazana eo am-baravarankely ilay raim-pianakaviana, ary mamaky Baiboly miaraka amin’ny zanany roa vavy ilay vadiny.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 41:8​—Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe namany i Abrahama? (w01 1/10 20 § 3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Is 42:1-13 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Mandray fanasana Fahatsiarovana ilay olona sady hita hoe liana. (lmd lesona 6, hevitra 4)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hanatrika Fahatsiarovana ny havanao, ary ampiasao ny jw.org mba hitadiavana ny Fahatsiarovana any amin-dry zareo. (lmd lesona 3, hevitra 5)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Lahateny. ijwbq lahatsoratra 60​—Foto-kevitra: Inona no Hanampy Anao Tsy Hatahotra ny ho Faty? (th lesona 1)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 19

7. Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fahatsiarovana Manomboka ny Asabotsy 7 Martsa

(5 min.) Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Resaho ny fandaharana ataon’ny fiangonana momba ny lahateny manokana sy ny Fahatsiarovana ary ny fomba hamitana ny faritany. Ampirisiho ny mpitory hampitombo ny fanompoany mandritra ny volana Martsa sy Aprily. Afaka manao mpisava lalana mpanampy ny mpitory dia manatratra 15 ora.

8. Zava-bitan’ny Fandaminana tokony halefa amin’ity volana Martsa ity

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Alefaso ilay VIDEO. Apetraho avy eo ny fanontaniana ao amin’ilay video.

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb lesona 66-67

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 110 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara