FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb26 Martsa p. 6-7
  • 23-29 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 23-29 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
mwb26 Martsa p. 6-7

23-29 MARTSA

ISAIA 48-49

Hira 89 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Ankatoavy Izay Ampianarin’i Jehovah Anao

(10 min.)

Mampianatra ny mpanompony i Jehovah (Is 48:17; it “Mpampianatra, Fampianarana” § 2)

Tsy maintsy mifidy ny hankatò an’i Jehovah isika (Is 48:18a; ijwbq lahatsoratra 44 § 2-3)

Ho “toy ny renirano” ny fiadanantsika ary ho lasa “hoatran’ny onjan-dranomasina” ny fahamarinantsika amin’izay (Is 48:18b; lv 199 § 8)

Anabavy mandehandeha eny amoron-dranomasina rehefa mody ny masoandro.

FAMARITANA: Ilay teny hebreo nadika hoe “fiadanana” dia mety manana heviny hoe salama, tsy misy maninona, mahasoa, fihavanana, na hilazana zavatra manontolo.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 49:8​—Intelo no tanteraka io faminaniana io. Oviana avy izany? (it “Fotoana Fanehoana Fankasitrahana” § 1-3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Is 48:9-20 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hanatrika lahateny manokana sy Fahatsiarovana ny havanao iray tsy mivory intsony. (lmd lesona 5, hevitra 3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Hazavao amin’ny olona iray te hanatrika Fahatsiarovana hoe hoatran’ny ahoana ny fizotran’ilay izy. (lmd lesona 9, hevitra 3)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) TSY ARA-POTOANA. Mamaly fanontanian’ny olona iray avy nanatrika ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ianao. (lmd lesona 8, hevitra 3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 107

7. Inona no Azonao Atao mba Handray Soa Amin’ilay Andro Miavaka Indrindra Amin’ny Taona?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Isaky ny manatrika Fahatsiarovana isika isan-taona dia mampiseho hoe mankatò ny didin’i Jesosy sy mankasitraka ny vidim-panavotana nomen’i Jehovah. (Lk 22:19) Mampahatsiahy antsika koa io fotoana io hoe tena tia be antsika i Jehovah sy ny Zanany. (Ga 2:20; 1Jn 4:9, 10) Inona no azontsika atao mba handraisana soa faran’izay betsaka amin’io fanomezana avy amin’i Jehovah io? Ahoana no hanampiantsika ny olona liana mba handray soa hoatr’izany koa?

  • Mamakia ampahany amin’ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana, isan’andro, mba hanomanana ny fo

  • Saintsaino ny vidim-panavotana sy ny fomba azonao ampisehoana hoe mankasitraka an’io fanomezana io ianao

  • Mandraisa anjara betsaka amin’ilay ezaka manokana ka asao ny havanao, ny olom-pantatrao, ary ny olona eny amin’ny faritaninareo mba hanatrika ny lahateny manokana sy Fahatsiarovana

  • Raiso tsara ny vahiny tonga manatrika Fahatsiarovana dia miezaha hitsikitsiky sy ho tsara fanahy. Mazava ho azy hoe hiahy manokana ny olona nasainao ianao, nefa aza hadinoina ny olon-kafa nisy nanasa tamin’ny ezaka manokana dia asao hipetraka eo akaikinao

  • Valio ny fanontaniana apetrak’ireo vahiny

  • Raiso tsara ny olona tsy nivory na tsy nitory intsony. Ny anti-panahy no tena ho mailaka handray tsara an’ireo nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana

Sary avy amin’ilay video hoe: “ ‘Tonga Hitady sy Hamonjy ny Very’ i Jesosy.” Rahalahy sy anabavy mifampiresaka tsara any amin’ny Efitrano Fanjakana, amin’ny Fahatsiarovana.

Alefaso ilay VIDEO hoe “Tonga Hitady sy Hamonjy ny Very” i Jesosy. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana no zava-dehibe ny mandray tsara an’ireo tsy mivory sy tsy mitory intsony rehefa Fahatsiarovana?

    Sary avy amin’ilay video hoe: “ ‘Tonga Hitady sy Hamonjy ny Very’ i Jesosy.” Anabavy tsy mitory intsony tonga amin’ny Fahatsiarovana ary fihinin’ny anabavy iray.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb lesona 72-73

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 134 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara