FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb26 Martsa p. 12-13
  • 20-26 Aprily

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 20-26 Aprily
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2026
mwb26 Martsa p. 12-13

20-26 APRILY

ISAIA 54-55

Hira 86 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Vonona Hamoy Inona Ianao mba Hampianarin’i Jehovah?

(10 min.)

Nampanantena i Jehovah hoe hampianariny ny zanany (Is 54:13; w09 15/9 21 § 3)

Tsy maintsy mahafoy fotoana isika mba hividianana ny fahamarinana (Is 55:1, 2; w18.11 4-5 § 6-7)

Mila miezaka isika vao hahavita hifantoka tsara, nefa iankinan’ny aintsika izany (Is 55:3; be 14 § 3-5)

Rahalahy iray manangan-tanana any am-pivoriana.

SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no azoko atao mba hanatsarana ny fianarako samirery sy hanaovako an’ilay izy tsy tapaka?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 54:17​—Mampahatsiahy antsika hevitra telo lehibe ny tapany voalohany amin’io andininy io. Inona avy izany? (w19.01 6 § 14-15)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Is 54:1-10 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd lesona 1, hevitra 4)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) AMPAHIBEMASO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd lesona 2, hevitra 3)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(2 min.) AMPAHIBEMASO. Omeo karatra jw.org ilay olona. (lmd lesona 9, hevitra 3)

7. Lahateny

(5 min.) be 28 § 3–31 § 2​—Foto-kevitra: Ny Fomba Fianatra. (th lesona 14)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 97

8. Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hanakana Anao Tsy Hianatra Samirery

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Vehivavy iray mamaky Baiboly ary mbola matory ny zanany vavy.

Sarotra ilay hoe mahavita mianatra samirery foana. Eritrereto hoe misy mpiara-manompo iray tsy mahavita mianatra samirery tsy tapaka sady tsy mamaky Baiboly isan’andro, dia hanampy azy ianao. Resahiny aminao hoe ireo ambany ireo ny olany. Manorata soso-kevitra iray, fara fahakeliny, na torolalana iray, na loharanon-kevitra iray mety hanampy azy, ho an’ny olana tsirairay.

  • “Tsy mahay mamaky teny tsara aho”

  • “Tsy tia mianatra aho”

  • “Tsy haiko hoe aiza no hanombohana an’ilay famakiana Baiboly, dia hoatran’ny ahoana no tokony hovakina isan’andro”

  • “Inona no tokony hianarako isan-kerinandro? Be loatra ange ny zavatra azo ianarana e!”

  • “Be atao loatra aho dia tsy manam-potoana hianarana”

  • “Tsy mahavita mifantoka aho. Indraindray aza tsy tadidiko ny zavatra vao avy novakiko”

Alefaso ilay VIDEO hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Samirery? Iaraho midinika ity avy eo:

  • Inona tamin’ireny soso-kevitra momba ny fianarana samirery ireny no tianao?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb lesona 78-79

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 70 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara