FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 106
  • Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny olana
  • Inona no azonao atao?
  • Ahoana no hiresahana amin’ilay mpampianatra?
  • Ahoana no Ahafahako Mifandray Tsara Amin’ny Mpampianatra Ahy?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Nahoana Isika no Mila Mpampianatra?
    Mifohaza!—2002
  • Mihoatra Noho Izay Nantenainy no Vitany
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 106
Mpampianatra iray manitsy tovovavy iray eo imason’ny mpiara-mianatra aminy.

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?

  • Ny olana

  • Inona no azonao atao?

  • Ahoana no hiresahana amin’ilay mpampianatra?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Ny olana

Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hanana mpampianatra mampijaly, mampanao zavatra be loatra, na ratsy fanahy tsotra izao fotsiny ny ankamaroan’ny mpianatra.

  • Izao no nolazain’i Luis, 21 taona: “Nisy mpampianatra anay izay niteny ratsy matetika sady tsy mba nanaja ny ankizy nampianariny. Efa akaiky hisotro ronono izy tamin’izay, dia nieritreritra angamba hoe tsy ho voaroaka na dia nanao an’izany aza.”

  • I Melanie indray 25 taona, ary nilaza fa nisy mpampianatra iray nanavakavaka sy nampijalijaly azy. Hoy i Melanie: “Nilaza izy hoe tsy maintsy hampijaliny, hono, aho satria tsy anisan’ny fivavahana lehibe. Niteny izy hoe efa izany ihany no hanjo ahy rehefa lehibe aho.”

Masiaka na ratsy fanahy ve ny mpampianatra anao? Misy zavatra azonao atao mba tsy ho kivy eny foana ianao mandritra ny taom-pianarana. Andramo ireto.

Inona no azonao atao?

  • Ampifanaraho amin’ilay mpampianatra ny zavatra ataonao. Tsy mitovy ny zavatra angatahin’ny mpampianatra tsirairay amin’ny ankizy ampianariny. Ezaho fantarina hoe inona no tian’ilay mpampianatra hataonao, dia ataovy izay tsara indrindra vitanao.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany.”—Ohabolana 1:5.

    “Hitako hoe nila nizatra an’ilay mpampianatra aho. Niezaka be aho mba ho vitako tsara araka izay nangatahiny ny zavatra rehetra nataoko. Mba mora tamiko taorian’izany ny nifandray taminy.”—Christopher.

  • Hajao ny mpampianatra anao. Hajao ny mpampianatra anao rehefa miresaka aminy ianao. Aza mamalivaly azy mihitsy na dia mieritreritra aza ianao hoe diso izy. Tadidio fa mpianatra no fiheverany anao fa tsy mpampianatra mitovy aminy.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.”—Kolosianina 4:6.

    “Tsy manaja ny mpampianatra azy ny mpianatra matetika. Raha manaja ny mpampianatra anao àry ianao, dia mety ho tsara fanahy aminao izy.”—Ciara.

  • Miezaha hahatakatra ny mahazo azy. Olombelona hoatr’anao ihany ny mpampianatra. Miady saina hoatran’ny olona rehetra ihany izy ireo. Aza tonga dia mieritreritra àry hoe ‘tena ratsy fanahy mihitsy izy’ na hoe ‘tena tsy tiany mihitsy aho.’

    Toro lalan’ny Baiboly: “Manao fahadisoana imbetsaka ... isika rehetra.”—Jakoba 3:2.

    “Tena tsy mora ny asan’ny mpampianatra. Ny ankizy rehetra izao tsy maintsy hampiana ho hendry tsara sy hampianarina daholo! Hitako hoe tokony mba ho hendry aho, amin’izay mba mihena ny adin-tsainy.”—Alexis.

  • Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Ny ray aman-dreninao no tena afaka manampy anao. Tiany mantsy raha mandeha tsara ny fianaranao. Afaka manome torohevitra anao koa ry zareo mba hanampiana anao raha misy mpampianatra masiaka.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana.”—Ohabolana 15:22.

    “Mahay mamaha olana kokoa ny ray aman-dreny raha oharina amin’ny tanora, satria efa betsaka ny zavatra niainan-dry zareo. Henoy tsara ny torohevitra omeny satria tena afaka manampy anao ilay izy.”—Olivia.

Ahoana no hiresahana amin’ilay mpampianatra?

Mety mila miresaka an’ilay olana amin’ilay mpampianatra ihany ianao indraindray. Raha matahotra ianao hiresaka aminy, dia tadidio hoe tsy fifamaliana ilay izy fa resaka tsotra fotsiny. Mety ho gaga ianao avy eo hoe tsy sarotra ilay izy sady misy vokany tsara.

Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ... isika hiezaka hampisy fihavanana.”—Romanina 14:19.

“Raha hoatran’ny hoe aminao ihany izy no tena masiaka, dia anontanio izy hoe sao dia nisy zavatra nataonao ka nampahatezitra azy. Ho hitanao avy amin’izay lazainy avy eo hoe inona no azonao atao.”—Juliana.

“Tsara raha aoriana na alohan’ny fianarana ianao sy ilay mpampianatra no miresaka. Tokony ho tony tsara ianao rehefa milaza ny hevitrao momba an’ilay olana, sady tokony ho ianareo irery no eo. Mety hihaino tsara ny hevitrao izy amin’izay sady hanaja anao.”—Benjamin.

TANTARA TENA NISY

“Ratsy ny naotiko tamin’izany, sady ilay mpampianatra anay vao mainka nanampy trotraka. Tsy te hianatra intsony aho noho ny nataony.

“Nangataka torohevitra tamin’ny mpampianatra iray hafa aho, dia nilaza izy hoe: ‘Tsy tena fantany ianao, dia ianao koa tsy tena mahafantatra azy. Mila teneninao aminy hoe manana olana ianao. Mety hanampy ny mpianatra hafa tsy mahasahy miresaka aminy aza ianao amin’izay.’

“Izaho anefa tsy te hanao an’izany mihitsy! Nieritreritra tsara anefa aho dia hitako hoe marina ny teniny. Nila nanao zavatra aho raha tiako hilamina ilay olana.

“Nanatona an’ilay mpampianatra aho ny ampitson’iny, sady nanaja tsara azy. Nolazaiko taminy hoe tena tiako ny zavatra ampianariny sady te hahay tsara an’ilay izy aho, nefa mbola ratsy ny naotiko dia tsy hitako izay hatao. Nanoro hevitra ahy izy sady nilaza hoe hanampy an’ahy aorian’ny fianarana na amin’ny e-mail.

“Gaga be aho! Lasa nifandray kokoa tamin’ilay mpampianatra aho noho ilay resakay, sady tsy nahasorena be an’ahy intsony ny fianarana.”—Maria.

Maria miresaka amin’ilay mpampianatra azy aorian’ny fianarana.

Soso-kevitra: Raha manana olana amin’ny mpampianatra iray ianao, dia ataovy hoatran’ny hoe fampiofanana hanampy anao rehefa lehibe ilay izy. Izao no nolazain’i Katie, 22 taona: “Na rehefa vita aza ny fianaranao, dia mbola hisy foana ny olona manana fahefana ho ratsy fanahy aminao. Ho hainao ny hifandray amin’ireny olona ireny, raha amin’izao ianao dia efa mahay mifandray amin’ny mpampianatra anao na dia masiaka aza izy.”

Ny hevitry ny tanora toa anao

Jayza.

“Imbetsaka no nisy mpampianatra nahasorena ahy. Nanampy an’ahy foana anefa i mamanay mba hijery ny fomba fihevitr’ilay mpampianatra. Lasa nahay nandanjalanja aho avy eo fa tsy nanantena hoe hahafinaritra be foana ny mpampianatra.”—Jayza.

Victor.

“Tsy voatery ho tia ny olona iray ianao vao hanaja azy. Tokony hajaina ny mpampianatra. Na ratsy fanahy aza izy, dia hisy vokany tsara foana ny hoe manaja azy. Mety hahatonga an’ilay mpampianatra hiova mihitsy aza izany.”—Victor.

Julia.

“Rehefa tsara fanahy sy mahalala fomba ianao, na dia tsy hoatr’izany aza ilay mpampianatra, dia asehonao hoe manetry tena sy manaja azy ianao. Mety hanaja kokoa anao ilay mpampianatra amin’izay na mba ho tsara fanahy kokoa.”—Julia.

Famerenana: Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?

  • Ampifanaraho amin’ny mpampianatra ny zavatra ataonao. Ezaho fantarina hoe inona no tian’ilay mpampianatra hataonao, dia ataovy izay tsara indrindra vitanao.

  • Hajao ny mpampianatra anao. Tadidio hoe mpianatra ianao fa izy no mpampianatra, ka hajao izy rehefa miresaka aminy ianao ary aza mamalivaly azy.

  • Miezaha hahatakatra ny mahazo azy. Tsy mora ny asan’ny mpampianatra. Miezaha àry mba tsy hanampy trotraka ny mahazo azy.

  • Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Efa nifandray tamin’ny karazan’olona maro be mantsy ry zareo.

  • Miresaha amin’ilay mpampianatra. Mangataha fanampiana aminy. Tokony ho tony tsara ianao rehefa miresaka aminy, sady mitandrina mba tsy hifamaly aminy. Asehoy azy hoe ny hitady vahaolana no tanjonao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara