FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 113
  • Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 2: Aza Mivadika Mihitsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 2: Aza Mivadika Mihitsy
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miareta foana rehefa misy olana
  • Tohero foana ny fakam-panahy
  • Miezaha hafana fo foana
  • Aza Manaiky ho Resin’ny Fakam-panahy
    Mifohaza!—2014
  • ‘Araho Foana’ i Jesosy Aorian’ny Batisanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Fandresena ny Fahalemen’olombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 113
Ankizivavy mitsikitsiky satria vao avy natao batisa. Sary: Ny zavatra ataony aorianan’ny batisa. 1) Mivavaka izy, eo ambony fandriana any amin’ny hopitaly. 2) Manolotra karatra jw.org amin’ny mpiara-mpianatra aminy izy. 3) Tsy manaiky hiaraka amin’ny ankizilahy manadala azy any am-pianarana izy.

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 2: Aza Mivadika Mihitsy

Milaza ny Baiboly fa “tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’ireo tsy mivadika” i Jehovah. (Salamo 84:11) Inona ny dikan’ilay hoe “tsy mivadika”? Hoe asehonao eo amin’ny fiainanao fa mitana an’ilay teny nataonao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao. (Mpitoriteny 5:4, 5) Ahoana no ampisehoanao fa tsy mivadika ianao rehefa vita Batisa?

Ho hitantsika ato hoe:

  • Miareta foana rehefa misy olana

  • Tohero foana ny fakam-panahy

  • Miezaha hafana fo foana

Miareta foana rehefa misy olana

Andinin-teny tsara hotadidina: “Tsy maintsy miatrika fahoriana maro isika vao ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—Asan’ny Apostoly 14:22.

Inona no dikan’izany? Tsy maintsy hiatrika olana daholo ny Kristianina rehetra. Mety hisy haneso, ohatra, ianao na hanohitra satria Kristianina. Indraindray anefa olana mpahazo ny olona rehetra no iaretanao, ohatra hoe olana ara-bola na aretina.

Ilay ankizivavy tetsy aloha, mivavaka eo ambony fandriana any amin’ny hopitaly.

Inona no mety ho olana? Mety hiova ny fiainanao ary matetika no tsy tianao ilay izy. Milaza ny Baiboly fa mety ho tratran’ny zavatra tsy ampoizina ny olona rehetra, na Kristianina izy na tsia.​—Mpitoriteny 9:11.

Inona no azonao atao? Afaka miomana mialoha ianao satria efa fantatrao hoe tsy maintsy hiatrika olana. Ataovy hoatran’ny hoe fomba azonao anatanjahana ny finoanao sy ianteherana kokoa amin’i Jehovah ireny olana ireny. (Jakoba 1:2, 3) Ho afaka hilaza hoatran’ny apostoly Paoly ianao any aoriana any hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13.

TANTARA TENA NISY. “Vao vita batisa kelikely aho dia niala tamin’ny fahamarinana ny zokinay lahy rehetra. Lasa narary i Dada sy Neny, dia avy eo koa izaho narary. Kivy aho dia saika tsy hiraharaha intsony hoe izaho ange ka nanokan-tena ho an’Andriamanitra dia nampanantena an’azy hoe ataoko zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako ny fanompoana azy. Ilay izaho nanokan-tena mihitsy anefa no nanampy ahy hiatrika an’ireny olana ireny.”​—Karen.

Soso-kevitra: Ianaro ny tantaran’i Josefa. Ao amin’ny Genesisy toko faha-​37 sy 39 ka hatramin’ny faha-41 no ahitanao ny tantarany. Diniho ireto avy eo: Inona avy ny olana nitranga tamin’i Josefa nefa tsy nampoiziny, dia ahoana no niatrehany an’ilay izy? Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana azy?

Hevitra hafa mety hanampy:

  • Vakio ireto:

    “Ahoana no Hiatrehako Olana Lehibe?”

    “Tsy Mora Kivy ve Aho?”

    “Ahoana no Hiatrehana Fiovana?”

  • Haka:

    “Marary ve ny Dadanao na ny Neninao?”

Tohero foana ny fakam-panahy

Andinin-teny tsara hotadidina: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin’izany.”​—Jakoba 1:14.

Inona no dikan’izany? Efa any anatintsika rehetra mihitsy ny hoe te hanao zavatra ratsy indraindray, dia raha tsy voafehintsika ilay faniriana dia lasa manao ratsy isika.

Ilay ankizivavy tetsy aloha, tsy manaiky hiaraka amin’ny ankizilahy manadala azy any am-pianarana.

Inona no mety ho olana? Mbola hanana “fanirian’ny nofo” ianao, na dia efa vita batisa aza. (2 Petera 2:18) Mety hisy fotoana aza ianao te hanao firaisana alohan’ny fanambadiana.

Inona no azonao atao? Dieny mbola tsy misy fakam-panahy dia efa miezaha ho tapa-kevitra, amin’izay tsy ny fanirianao no hibaiko anao amin’izay hataonao. Tadidio fa nilaza i Jesosy hoe: “Tsy misy mahavita manompo tompo roa.” (Matio 6:24) Afaka mifidy ianao hoe iza no hotompoinao. Enga anie mba ho i Jehovah no hotompoinao. Na mafy be tahaka ny inona aza ny fanirian-dratsy ao anatinao dia afaka mifidy ny tsy hanatanteraka an’ilay izy ianao.​—Galatianina 5:16.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Kaitlyn.

“Tsy misy zavatra azo antenaina ny olona tsy manana an’i Jehovah. Hoatr’izany no hitako rehefa mijery ny mpiara-mianatra aminay aho. Hoatran’ny hoe sambatra ry zareo nefa tsy izany akory. Mihelina fotsiny ilay ry zareo mitsikitsiky iny. Ny ampitso ihany tsinona izy dia malahelo indray. Resy lahatra aho hoe tsy misy hatakaloko ny fifandraisako amin’i Jehovah eto amin’izao tontolo izao satria tsy misy zavatra mahasambatra izany eto.”​—Kaitlyn.

Soso-kevitra: Fantaro hoe inona ny toetra tsaranao dia inona ny fahalemenao. Olona hahatonga anao hanana toetra tsara atao namana. Halaviro daholo izay mety hanasarotra ny hanaovanao ny tsara, na olona izany na toerana na zava-misy.​—Salamo 26:4, 5.

Hevitra hafa mety hanampy:

  • Vakio ireto:

    “Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?”

    “Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?”

    “Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?”

    “Miezaka Hitovy Hevitra Amin’i Jehovah ve Ianao?”

Miezaha hafana fo foana

Andinin-teny tsara hotadidina: “Mba hazoto hoatr’izany foana ... hatramin’ny farany ... Amin’izay koa ianareo tsy ho kamo.”​—Hebreo 6:11, 12.

Inona no dikan’izany? Rehefa tsy mifantoka tsara amin’ny zavatra ataony ny olona iray, dia lasa tsy rototra izy dia avy eo lasa kamokamo.

Ilay ankizivavy tetsy aloha, manolotra karatra jw.org amin’ny mpiara-mianatra aminy.

Inona no mety ho olana? Nazotozoto sy nafana fo erỳ izao ianao tamin’ny ianao vao vita batisa, sady tia be an’i Jehovah. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia mety hitanao hoe sarotra ny mankatò azy foana. Mety ho nahakivy anao izany dia lasa tsy dia nazoto be intsony ianao.​—Galatianina 5:7.

Inona no azonao atao? Izay tsara foana atao, na dia misy fotoana aza tsy te hanao an’izany ianao. (1 Korintianina 9:27) Ataovy koa izay hahatonga anao ho vao mainka lasa naman’ilay Rainao any an-danitra. Miezaha hahafantatra azy kokoa sy hiresaka aminy matetika amin’ny vavaka. Miaraha foana koa amin’ny olona tia manompo an’i Jehovah.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Adria.

“Nampahery an’ahy ny nanana namana tsara. Hitako hoe tena sambatra be ry zareo satria mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Falifaly erỳ ry zareo dia lasa vao mainka koa aho te hinamana be amin’i Jehovah.”​—Adria.

Soso-kevitra: Tadidio hoe tia be anao i Jehovah sady vonona hanampy anao. Aza mieritreritra hoe tezitra aminao izy raha misy fotoana ianao mba tsy mafana fo kely. Hozy ny Baiboly hoe: “Omeny hery ny reraka, ary ataony matanjaka be izay kely hery.” (Isaia 40:29) Hotahiny ny ezaka ataonao, rehefa mandeha ny fotoana, ka ho lasa mafana fo indray ianao.

Hevitra hafa mety hanampy:

  • Vakio ireto:

    “Ry Tanora, ‘Miezaha Mafy Foana mba Hahazo Famonjena’”

    “Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?”

  • Jereo ity:

    Ny Hevitry ny Tanora toa Anao: Tiako Be Mihitsy ny Fiainako

Tadidio àry izao: Hampifaly ny fon’i Jehovah ianao, raha tsy mivadika. (Ohabolana 27:11) Ho faly be izy satria nifidy ny hanohana azy ianao. Tsy maintsy homeny anao koa izay rehetra ilainao mba hanoherana ny fanafihan’i Satana rehetra.

Famerenana: Ahoana no hataoko mba tsy hivadika mihitsy aho rehefa vita batisa?

  • Miareta foana rehefa misy olana. Ataovy hoatran’ny hoe fomba hahafahanao manatanjaka ny finoanao ireny olana ireny sady hanampy anao ho vao mainka hiantehitra be amin’i Jehovah.

  • Tohero foana ny fakam-panahy. Dieny mbola tsy misy fakam-panahy dia efa miezaha ho tapa-kevitra, amin’izay tsy ny fanirianao no hibaiko anao amin’izay hataonao.

  • Miezaha hafana fo foana. Miezaha ho akaiky kokoa an’i Jehovah ka manaova fianarana samirery dia mivavaha. Miezaha koa minamana foana amin’izay tia manompo an’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara