FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 114
  • Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?
  • Manontany ny Tanora
  • Mitovitovy Aminy
  • Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Maninona moa Aho Raha Maty E?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Inona no Hataoko Raha Kivy Be Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Maninona moa Aho Raha Maty E?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 114
Ankizivavy kivy be ary efa aretina ilay izy. Mitazana eo am-baravarankely amin’ny andro avy orana izy.

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?

“Nitebiteby loatra aho indray taona izay. Hoatran’ireny miezaka mamono afo miredareda be ireny foana aho isan’andro. Imbetsaka aho tamin’ireny no te hamono tena. Tsy hoe tena te ho faty anefa aho, fa tsy te hijaly intsony fotsiny.”​—Jonathan, 17 taona.

Nisy tatitra natao, indray mandeha, tamin’ny mpianatra 14 000 teo ho eo teny amin’ny lise. Efa ho iray isaky ny mpianatra dimy no nieritreritra hoe hamono tena tamin’iny taona lasa iny.a Ianao koa ve mieritreritra hoe tsy te ho velona intsony? Inona no azonao atao?

  • Andraso aloha. Reseo lahatra ny tenanao amin’ireny fotoana ireny hoe tsy tonga dia hanao an’izay tonga ao an-tsainao fotsiny. Mety hoe tena tsy zakanao intsony ny olana mahazo anao, kanefa mbola misy azo atao ihany. Afaka mianatra miatrika an’ireny ianao.

Ankizivavy mitady lalana hivoahana, satria hoatran’ny hoe voafandrika ao anaty lalana isan-karazany.

Mieritreritra angamba ianao hoe voafandrika dia tsy ho tafavoaka intsony. Zavatra tsapanao fotsiny anefa izany, fa tsy voatery hoe tena izay no zava-misy. Betsaka ny vahaolana azo iatrehana ny mahazo anao. Efa kely sisa dia ho tafavoaka ianao fa tsy araka ny eritreretinao, saingy mila an’ilay tena fanampiana fotsiny.

  • Toro lalan’ny Baiboly: “Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.”​—2 Korintianina 4:8.

    Soso-kevitra: Raha mitady tsy ho voatohitrao ilay hoe te hamono tena, dia mitadiava fanampiana, ohatra hoe miantso na manatona dokotera. Efa nampiofanina mba hamonjy ain’olona mantsy izy ireny, sady tena te hanampy anao.

  • Miresaha amin’olona. Misy olona tia anao sady te hanampy anao, ohatra hoe ny namanao, na ny fianakavianao. Tsy ho fantatr’izy ireo mihitsy izay mahazo anao raha tsy teneninao aminy.

Ankizivavy manao solomaso.

Tsy mahita tsara ny olona sasany raha tsy manao solomaso. Afaka manampy anao hahita tsara koa ny namana, izany hoe hanampy anao hisaina tsara rehefa misy olana, sady ho tonga saina indray hoe mahafinaritra ny miaina.

  • Toro lalan’ny Baiboly: “Ny tena namana ... natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

    Soso-kevitra: Izao, ohatra, no azonao anombohana ny resaka: “Hoatran’ny kivikivy izany foana ho’aho izaho tato ato e. Dia te hiresaka an’ilay izy aminao. Tsy maninona ve?” Na hoe: “Misy zavatra mampiady saina be an’ahy izay, dia tena hoatran’ny mitady tsy zakako intsony ilay izy. Afaka manampy an’ahy ve ianao?”

  • Manatòna dokotera. Lasa tsy te hiaina intsony ny olona rehefa marary, ohatra hoe mitebiteby loatra na kivy loatra. Soa ihany fa azo tsaboina tsara ireny aretina ireny.

Ankizivavy mivandravandra fotsiny. Tsy mihinana ny sakafo napetraka eo alohany izy.

Tsy te hisakafo ianao rehefa voan’ny gripa. Dia hoatr’izany koa fa tsy te hiaina intsony ianao rehefa kivy loatra ka efa aretina mihitsy ilay izy. Samy azo tsaboina tsara anefa ireo aretina roa ireo.

  • Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”​—Matio 9:12.

    Soso-kevitra: Manaova ampy torimaso tsara, manaova fanatanjahan-tena, ary mihinàna sakafo mahasalama. Raha vao tsy salama mantsy ianao, dia misy vokany amin’ny fihetseham-ponao izany ka mety lasa tsy te hiaina intsony ianao.

  • Mivavaha. Milaza ny Baiboly fa “lehibe noho ny fontsika” ilay Mpamorona antsika “sady mahalala ny zava-drehetra.” (1 Jaona 3:20) Maninona raha miresaka aminy androany? Antsoy amin’ny anarany hoe Jehovah izy, dia resaho aminy daholo izay ao am-ponao.

Ankizivavy miezaka mibata baoritra ngezabe.

Mavesatra loatra ny entana sasany dia tsy ho zakanao mihitsy. Vonona hanampy anao hitondra an’ilay izy anefa i Jehovah, ilay Mpamorona anao.

  • Toro lalan’ny Baiboly: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”​—Filipianina 4:6, 7.

    Soso-kevitra: Resaho amin’i Jehovah ny olana mahazo anao, kanefa mieritrereta koa zavatra tsara hisaorana azy androany, fara fahakeliny anankiray. (Kolosianina 3:15) Rehefa tia misaotra mantsy ianao, dia ho hitanao hoe hay be dia be ny zavatra tsara azo ankafizina eo amin’ny fiainana.

Mitadiava fanampiana raha mieritreritra ianao hoe te ho faty. Izany no nataon’i Jonathan, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Tena nanampy an’ahy ilay niresaka foana tamin’ny dadanay sy mamanay. Nanatona dokotera koa aho. Efa mba tsy dia maninona intsony aho izao. Indraindray aloha izaho mbola kivy kanefa tsy hoe te hamono tena intsony.”

a Tamin’ny 2019 no natao io tatitra io, ary ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia, no nanao an’ilay tatitra.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Alexandra.

“Mitovy amin’ny aretina mahazo ny vatana ihany ny aretin-tsaina. Samy mafy ilay izy, saingy misy maha samy hafa azy kely fotsiny. Raha misy olona tapa-tongotra, ohatra, dia tonga dia hita etỳ ivelany izy hoe marary. Tsy hoatr’izany ny olona marary saina, fa any anatiny lalina any no mijaly. Aza matahotra ny hiresaka amin’olon-kafa raha mijaly hoatr’izany ianao. Tsy olana mihitsy ny mitady fanampiana.”​—Alexandra.

Ian.

“Notenenin’ny dadanay sy mamanay foana aho tamin’ny mbola kelikely hoe tsy misy olana tsy voavaha izany eo amin’ny fiainana, fa fara faharatsiny vitanao ny miatrika an’ilay izy. Ny ahy dadanay sy mamanay no firesahako ny olana mahazo an’ahy, dia izany no tena nanampy an’ahy tsy ho kivy be rehefa misy olana.”​—Ian.

Andinin-teny afaka manampy

Maninona raha manao lisitra-na andinin-teny maromaro mety hanampy anao rehefa kivy ianao? Ireto misy vitsivitsy:

Salamo 34:18: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay kivy.”

Inona no dikan’izany? Misy olona mieritreritra hoe tena tsy zakany intsony ny olana mahazo azy. Ireny olona ireny no tena ifantohan’i Jehovah. Tena te hanampy azy ireny izy.

Salamo 46:1: “Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra. Vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.”

Inona no dikan’izany? Afaka mivavaka amin’i Jehovah foana ianao isaky ny mitebiteby na miady saina. Vonona hanampy anao hiaritra ny mahazo anao izy sady tena te hanao an’izany.

Salamo 94:18, 19: “Rehefa nilaza aho hoe: ‘Mibolisatra ny tongotro’, dia ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao no nanohana ahy, Jehovah ô! Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.”

Inona no dikan’izany? Afaka mampahery anao amin’ny alalan’ny Teniny, na ny Baiboly, Andriamanitra. Aza avela hisy andro iray mandalo tsy hamakianao Baiboly àry.

Salamo 139:23, 24: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary ... fantaro izay mampitebiteby ahy. Jereo sao misy zava-dratsy ato anatiko, Dia tariho mankany amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.”

Inona no dikan’izany? I Jehovah mbola mahafantatra tsara kokoa anao noho ny tenanao. Afaka manampy anao hanitsy ny fomba fisainanao izy raha manimba anao ilay izy, dia amin’izay ianao lasa falifaly amin’ny fiainana indray.

Isaia 41:10: “Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.”

Inona no dikan’izany? Vitan’i Jehovah ny manome hery ilaintsika hiaretana ny olana mahazo antsika, na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ilay izy.

Famerenana: Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?

  • Andraso aloha. Reseo lahatra ny tenanao hoe tsy tonga dia hanao an’izay tonga ao an-tsainao fotsiny. Betsaka ny zavatra azonao atao hiatrehana ny olana mahazo anao.

  • Miresaha amin’olona. Tsy ho fantatry ny namanao sy ny fianakavianao mihitsy izay mahazo anao raha tsy teneninao aminy.

  • Manatòna dokotera. Raha imbetsaka ianao no te ho faty, dia mety ho efa aretina izany. Azo tsaboina tsara anefa izany.

  • Resaho amin’Andriamanitra izay ao am-ponao. Izy mantsy mbola mahafantatra tsara kokoa anao noho ny tenanao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara