FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 120
  • Ahoana Raha Tsy Avelan’i Dada sy Neny Mampiasa Tambazotran-tserasera Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana Raha Tsy Avelan’i Dada sy Neny Mampiasa Tambazotran-tserasera Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ho fantatrao
  • Inona no azonao atao?
  • Misy Vokany eo Amiko ve ny Fampiasana Tambazotran-tserasera?
    Manontany ny Tanora
  • Ny Ankizy sy ny Tambazotran-tserasera: Fizarana 1: Tokony Hampiasa Tambazotran-tserasera ve ny Zanako?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Mampitandrina ny Amin’ny Voka-dratsin’ny Tambazotran-tserasera eo Amin’ny Tanora ny Tompon’andraikitra Ambony Momba ny Fahasalamana: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Misy Vokany Ratsy Amin’ny Zanakao ve ny Tambazotran-tserasera? Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny ny Baiboly
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 120
Ankizivavy tsy mahazo aina mitazona ny telefaoniny. Eo akaiky eo ny mamany miezaka mampisaintsaina azy.

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Tsy Avelan’i Dada sy Neny Mampiasa Tambazotran-tserasera Aho?

Mampiasa tambazotran-tserasera daholo angamba ny namanao, dia miresaka momba an’izany foana ry zareo. Mety hoe esoesoiny mihitsy ianao satria ianao tsy manana kaonty. Inona no tsara ho fantatrao momba an’io toe-javatra io? Ary inona no azonao atao momba an’ilay izy?

Tsara ho fantatrao

Tsy ianao irery no tsy mampiasa tambazotran-tserasera. Be dia be ny ray aman-dreny tsy mamela ny zanany hampiasa tambazotran-tserasera. Mety fantatry ry zareo mantsy hoe mety hiteraka an’ireto zavatra manaraka ireto ny fampiasana an’izany:

  • Dépression sy karazana aretin-tsaina hafa;

  • fijerena sary sy video mamoafady, fandefasana hafatra vetaveta, ary fampijaliana amin’ny alalan’ny Internet;

  • olana tsy tokony hisy akory eo amin’ny mpinamana.

Be dia be ny tanora nanapa-kevitra hoe tsy hampiasa tambazotran-tserasera intsony. Tonga saina ireny tanora ireny hoe be dia be noho ny soa raisiny ny voka-dratsin’ny fampiasana tambazotran-tserasera amin-dry zareo. Diniho ireto ohatra tena nisy ireto:

  • Hitan’i Priscilla hoe tokony ho nahavitany zavatra mahasoa kokoa ny fotoana laniny tamin’ny tambazotran-tserasera.

  • Tsy tian’i Jeremy ilay hoe tsy azony fehezina izay zavatra mipoitra eo amin’ny fitaovany rehefa mampiasa tambazotran-tserasera izy.

  • I Bethany indray tonga saina hoe lasa mahatonga azy hifantoka be loatra amin’izay ataon’ny olona ny fampiasana tambazotran-tserasera.

“Nanapa-kevitra aho hoe aleo hofafako ao amin’ny fitaovako ilay tambazotran-tserasera. Tena faly aho hoe nofafako ilay izy. Tsy nalahelo an’ilay izy mihitsy aho, fa faly aza aho hoe lasa nanana fotoana malalaka hifantohana amin’ny zavatra lehibe kokoa.”​—Sierra.

“Ny zavatra tsy tiako amin’ny tambazotran-tserasera dia ilay izaho lasa miankin-doha amin’ilay izy sady miasa saina be hoe inona no hoeritreretin’ny olona momba ny zavatra avoakako ao. Tsy mora tamiko ilay hoe hamafa ny kaontiko, nefa vao voafafa ilay izy dia tonga aho dia hoatran’ireny olona afaka ireny. Milamin-tsaina kokoa aho izao tsy manao an’ilay izy intsony.”​—Kate.

Inona no azonao atao?

Araho ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao. Aza tezitra na be taraina, fa araho izay fitsipika apetraky ry zareo. Ho hitan-dry zareo amin’izay hoe matotra ianao.

Torolalan’ny Baiboly: “Avoakan’ny adala daholo ny hatezerany, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.”​—Ohabolana 29:11.

Mety hisy olona hampirisika anao hampiasa tambazotran-tserasera ihany, na dia efa tsy mamela anao hanao an’izany aza ny ray aman-dreninao. Mety hasainy hanokatra kaonty miafina koa ianao. Aleo anefa tsy manao an’izany! Raha manafinafin-javatra mantsy ianao, dia ho mahamahana eny foana sady henjehin’ny eritreritrao. Ho ratsy koa ny vokany raha tratra ianao, sady tsy hatoky anao intsony ny ray aman-dreninao.

Toro lalan’ny Baiboly: “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.”​—Hebreo 13:18.

Jiro ampola.

Soso-kevitra: Tadidio hoe tsy hoatran’ny sakafo sy rano ary rivotra ny tambazotran-tserasera. Tsy hoe maty akory ianao raha tsy misy azy.

Ataovy izay hahatonga an’ilay izy ho lasa fanapahan-kevitrao koa. Nahita antony be dia be tsy hampiasana tambazotran-tserasera ireo tanora voaresaka tetsy ambony. Afaka mieritreritra antony hoatr’izany koa ianao, dia amin’izay ianao mihitsy no hahita hoe tsy mahasoa anao ny mampiasa tambazotran-tserasera. Ianao mihitsy koa amin’izay no hanapa-kevitra tsy hampiasa, fa tsy hoe ny ray aman-dreninao fotsiny no tsy mamela anao. Raha lasa fanapahan-kevitrao mihitsy ilay izy, dia tsy hatahotahotra ianao rehefa misy namanao manontany hoe maninona ianao no tsy manana kaonty. Tsy hanesoeso anao koa ry zareo amin’izay.

Ilay ankizivavy tetsy aloha miresaka amin’ny mpiara-mianatra aminy ao amin’ny toerana famakiam-bokin’ny sekoly.
Jiro ampola.

Soso-kevitra: Mety hisy hiteny hoe: “Maninona? Tsy manana kaonty ve ianao?” Azonao atao ny mamaly amin’izay hoe: “Aleoko aloha amin’izao fa mbola tsy vitako ny mifehy an’ilay izy amin’izao.” Na koa hoe: “Mety mbola hanokatra kaonty ihany aho indray andro any, fa amin’izao aloha mbola tsy atakaloko ny fahafahako ilay izy.”

Tadidio àry izao: Araho ny fitsipiky ny ray aman-dreninao, dia ataovy izay hahatonga an’ilay izy ho lasa fanapahan-kevitrao koa. Tsy maty ianao raha tsy mampiasa tambazotran-tserasera aloha amin’izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara