FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 9
  • Ahoana no Anomezanao Tari-dalana ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Anomezanao Tari-dalana ny Zanakao?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ho fantatrao
  • Inona no azonao atao?
  • Miana-javatra avy Amin’ny Olon-dehibe
    Mifohaza!—2019
  • Modely ho An’ny Zanakao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ahoana no Ahazakako ny Faneren’ireo Mitovy Taona Amiko?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 9
Raim-pianakaviana miresaka amin’ny zanany lahy

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Anomezanao Tari-dalana ny Zanakao?

  • Tsara ho fantatrao

  • Inona no azonao atao?

  • Ny hevitry ny ray aman-dreny

Tsara ho fantatrao

Fanaon’ny ankizy any amin’ny tany sasany ny mitady tari-dalana any amin’ny ray aman-dreniny, satria mifandray tsara izy ireo. Ny ankizy any amin’ny tany hafa indray anefa any amin’ny namany no mangataka torohevitra.

Tsy dia hajain’izy ireo àry ny tari-dalana omen’ny ray aman-dreniny azy. Rehefa mihalehibe ireny ankizy ireny, dia mety hahatsapa ny ray aman-dreniny hoe tsy to teny intsony. Tsy mahagaga izany satria rehefa miaraka be loatra amin’ny namany ny ankizy, dia hoatran’ny hoe ry zareo indray no mifampitaiza fa tsy ny ray aman-dreniny intsony no mitaiza azy.

Nahoana no mora amin’ny ankizy ny mifandray akaiky amin’ny namany noho ny hoe mifandray akaiky amin’ny ray aman-dreniny? Misy antony vitsivitsy ireto:

  • Fianarana. Lasa miraiki-po amin’ny ankizy hafa ny ankizy rehefa any am-pianarana satria ireo no tena iarahany. Ny mampifaly ny namany àry no mety ho lasa zava-dehibe kokoa aminy noho ny hoe mampifaly ny ray aman-dreniny. Vao mainka mahazo vahana izany toe-tsaina izany rehefa mihalehibe izy.

    Ankizilahy manao veloma ny mpiara-mianatra aminy

    Ny hampifaly ny ray aman-dreniny no tokony ho zava-dehibe kokoa amin’ny ankizy fa tsy ny hampifaly ny namany

  • Kely ny fotoana iarahana. Tsy misy olona ao an-trano rehefa avy mianatra ny ankizy satria mbola any am-piasana ny rainy na ny reniny na izy roa. Fianakaviana maro no hoatr’izany.

  • Fomba fiaina sy toe-tsaina mampiavaka ny tanora. Te hanahaka ny fomba fiainan’ireo mitovy taona aminy ny ankizy rehefa mihalehibe, anisan’izany ny fomba fiakanjon-dry zareo, ny fomba fiteniny, ary ny fihetsiny. Ny fiheveran’ny namany azy matetika no zava-dehibe kokoa aminy noho ny fiheveran’ny ray aman-dreniny azy.

  • Varotra. Betsaka amin’ny zavatra vokarin’ny orinasa no natao ho an’ny tanora fotsiny, ary hoatr’izany koa ny fialam-boly. Vao mainka àry tsy mifandray ny ray aman-dreny sy ny tanora. Nilaza ny Profesora Robert Epstein hoe: “Orinasa lehibe maro no hikatona raha tsy manana ny fomba fiainany manokana sy ny toe-tsaina mampiavaka azy intsony ny tanora.”a

Inona no azonao atao?

  • Ataovy izay hifandraisana tsara amin’ny zanakao.

    Hoy ny Baiboly: “Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:6, 7.

    Afaka ny ho naman’ny zanakao ny ankizy hafa. Tsy tokony hoe andraikitr’izy ireo anefa ny manome tari-dalana ny zanakao. Andraikitrao izany. Aza kivy anefa satria milaza ny manam-pahaizana fa manaja ny ray aman-dreniny ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora sady te hampifaly azy ireo. Raha miezaka mifandray tsara amin’ny zanakao ianao dia ny teninao no hekeny kokoa noho ny tenin’ny namany.

    Raim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany lahy eny amin’ny zaridainam-panjakana sy mijery zavatra eo amin’ny ordinatera ary manamboatra fiara

    “Mila manokana fotoana iarahana amin’ny zanakao ianao. Azonareo atao ny miara-manao raharaha, ohatra hoe mahandro sakafo na manadio. Afaka miara-manao devoara mihitsy aza ianareo. Miaraha miala voly, ohatra hoe manao kilalao na mijery tele na mijery filma. Aza mieritreritra hoe rehefa mahafinaritra ny fotoana kely iarahanareo dia ampy izay. Tsy hifandray akaiky mihitsy ianareo raha tsy miaraka matetika.”—Lorraine.

  • Ataovy izay hahatonga ny zanakao hinamana amin’ny karazan’olona rehetra.

    Hoy ny Baiboly: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.”—Ohabolana 22:15.

    Faly ny ray aman-dreny sasany mahita hoe mana-namana be dia be ny zanany. Na izany aza anefa dia mila minamana amin’ny olona tsy mitovy taona aminy ny ankizy mba hihamatotra. Tsy afaka manome ny tari-dalana ilain’ny ankizy koa ny namany fa ny ray aman-dreny be fitiavana ihany no tena mahavita an’izany.

    “Mety hahalala zavatra sasany ny naman’ny zanakao. Mbola tsy mahay miatrika fiainana anefa ry zareo, sady tsy manana ny traikefa sy ny fahendrena ilaina mba hanampiana ny namany handray fanapahan-kevitra tsara. Mihamatotra tsikelikely kosa ny ankizy rehefa manaraka ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny.”—Nadia.

  • Omeo tari-dalana tsara izy.

    Hoy ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

    Tena hahasoa ny zanakao ny miaraka aminao na dia rehefa mihalehibe aza izy. Miezaha àry ho modely ho azy ireo.

    “Ny ray aman-dreny no modely tsara indrindra ho an’ny ankizy. Raha ampianarina ho tia sy hanaja ny ray aman-dreniny ny ankizy dia te ho lasa hoatran-dry zareo izy rehefa lehibe.”—Katherine.

Ny hevitry ny ray aman-dreny

Wendell sy Susan vadiny

“Izay traikefa kely ananany matetika no ampiasain’ny tanora rehefa hanapa-kevitra izy, dia loza ny vokany. Mahatakatra kokoa ny zava-misy anefa izy rehefa mahazo tari-dalana avy amin’ny ray aman-dreniny. Hanampy azy handray fanapahan-kevitra tsara izany.”—Wendell sy Susan vadiny.

Courtney sy Erik vadiny

“Izay zavatra mahaliana ny zanakao atao na dia tsy izay aza no tena tianao hatao. Ataovy mahafinaritra anao ny miaraka aminy. Miezaha ho modely sy ho namana azony itokisana. Tokony ho fantatry ny ankizy hoe mitady izay tena hahasoa azy ianao.”—Courtney sy Erik vadiny.

Famerenana: Ahoana no Anomezanao Tari-dalana ny Zanakao?

  • Ataovy izay hifandraisana tsara amin’ny zanakao. Afaka ny ho naman’ny zanakao ny ankizy hafa. Tsy andraikitr’izy ireo mihitsy anefa ny mitari-dalana ny zanakao fa andraikitrao.

  • Ataovy izay hahatonga ny zanakao hinamana amin’ny karazan’olona rehetra. Na dia hoatran’ny hoe mana-namana be dia be aza ny zanakao, dia mila minamana amin’ny olona tsy mitovy taona aminy izy mba hihamatotra. Tsy afaka manome ny tari-dalana ilain’ny ankizy koa ny namany fa ny ray aman-dreny ihany no tena mahavita an’izany.

  • Omeo tari-dalana tsara izy. Tena hahasoa ny zanakao ny miaraka aminao na dia rehefa mihalehibe aza izy.

a Avy ao amin’ilay boky hoe Teen 2.0—Saving Our Children and Families From the Torment of Adolescence.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara