FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 1
  • Marka 1:15: “Efa Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Marka 1:15: “Efa Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Marka 1:15 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Marka 1:15?
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-41 — Marka
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 1

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Marka 1:15: “Efa Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra”

“Efa tonga ny fotoana voatondro, ary efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo, ka minoa ny vaovao tsara.”—Marka 1:15, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.”—Marka 1:15, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Marka 1:15 holazaina?

Nilaza tamin’ny mpihaino azy i Jesosy Kristy hoe “efa akaiky” na “efa manakaiky” ny Fanjakan’Andriamanitra,a satria izy no ho Mpanjakan’izy io ary niaraka tamin-dry zareo teo izy tamin’izay.

Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe efa nanomboka nanjaka ilay Fanjakana. Nilaza tamin’ny mpianany izy, tatỳ aoriana, hoe mbola amin’ny hoavy izany vao hitranga. (Asan’ny Apostoly 1:6, 7) Efa nolazain’ny Baiboly mialoha ny taona hisehoan’ilay voatendry ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra,b dia tamin’izay mihitsy i Jesosy no tonga. Afaka nilaza àry izy hoe “efa tonga ny fotoana voatondro”, izany hoe ny fotoana hanombohany ny fitoriana ny filazantsara na ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana.—Lioka 4:16-21, 43.

Raha te handray soa avy amin’ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana ny olona tamin’izany dia nila nibebaka, izany hoe nanenina tamin’ny zava-dratsy nataony ary nankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Hita tamin’izany hoe nino ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana izy.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Marka 1:15?

Tamin’izy nanomboka ny fanompoany tany Galilia i Jesosy no nilaza an’ireo teny ao amin’ny Marka ireo. Misy tantara mifanitsy amin’io ao amin’ny Matio 4:17. Resahina ao fa “tamin’izany fotoana izany” i Jesosy no nanomboka nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io no tena noresahin’i Jesosy rehefa nitory izy. Voaresaka injato mahery ao amin’ny Filazantsarac efatra izy io, ary ao amin’ny teny nolazain’i Jesosy no ahitana azy matetika. Ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra no noresahin’i Jesosy bebe kokoa noho ny zavatra hafa, rehefa jerena ny Baiboly.

Vakio ny Marka toko 1, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

a Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Andriamanitra no nanangana azy io mba hanatanteraka ny sitrapony eto an-tany. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?”

b I Jesosy ilay Mesia voalaza mialoha, ary anisan’ny anjara asany ny hoe solontenan’Andriamanitra. Tsy maintsy lasa mpanjaka anefa izy aloha vao afaka manatanteraka an’izany. Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny momba ny faminanian’ny Baiboly manaporofo hoe i Jesosy no Mesia, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Tena i Jesosy Tokoa ve no Mesia Raha Jerena ny Faminaniana Momba ny Mesia?”

c Ireo boky efatra voalohany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao, no antsoina hoe Filazantsara. Ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany no tantaraina ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara