Iza no mampianatra azy ireny momba ny lahy sy ny vavy?
FIFALIANA toy inona moa no entin’ny zaza vao teraka iray! Ravoravo aminy ny ray aman-dreniny, milalao miaraka aminy, ary milaza amin’ny namany saika izay zavatra rehetra ataony. Kanefa tsy ela dia manomboka tsapan’izy ireo fa mitondra andraikitra vaovao lehibe ho azy koa izy io. Tsy ny kely indrindra amin’ireny dia ny ilàna hampianatra azy mba hiarovany tena eo amin’izao tontolo izao izay miharatsy fitondrantena hatrany.
Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanaka kely tiany ho tonga olon-dehibe matotra izay hanana fiainam-pianakaviana mafana sady sambatra ary angamba hitaiza zanaka ho an’ny tenany izay hatahotra an’Andriamanitra? Ny ray aman-dreny sasany dia mety hahita izany ho toy ny adidy lehibe loatra, koa tsy isalasalana fa hankasitrahana ny fanipazan-kevitra sasany.
Azo inoana fa ianao dia mampianatra betsaka ny zanakao araka ny fomba nampianaran’ny ray aman-dreninao anao. Kanefa ray aman-dreny maro no tsy nampianarina firy, na tsy nampianarina mihitsy, momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Na dia nampianarina tsara aza ianao, izao tontolo izao dia efa niova, ary tahaka izany koa ny zavatra ilain’ny ankizy. Afa-tsy izany, dia mpamaky maro an’ity gazety ity no lasa nanaraka fari-pitsipika ambony kokoa sy fomba fiaina tsaratsara kokoa. Noho izany, dia tokony hanontany tena ianao hoe: ‘Moa ve ny fomba fampianatro ny zanako maharaka ny fomba fijeriko amin’izao fotoana izao sy ireo zavatra mitombo ilain’ny zanako?’
Ny ray aman-dreny sasany dia mamela ny zanany hanangona irery ny fahalalana toy izany. Nefa ny fanaovana izany dia mahatonga fanontaniana mampatahotra toy ireto: Inona no hianaran’izy ireny? Rahoviana? Avy amin’iza, ary ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana?
Izay ampianarin’ny sekoly
Ray aman-dreny maro no milaza hoe: “Hianatra izany any an-tsekoly re izy e!” Mampianatra momba ny lahy sy ny vavy tokoa ny sekoly maro, nefa vitsy amin’izy ireny no mampianatra ny amin’ny fitsipi-pitondrantena. Tamin’ny 1987, dia nilaza i William J. Bennett, Sekreteram-panjakana amerikana teo aloha momba ny Fanabeazana, fa ireo sekoly dia maneho “fankahalana tsapa hanorina fanavakavahana ara-pitondrantena.”
I Tom, rain’ny zazavavy roa tsara tarehy dia nanontany ny solontenan’ny sekolin’izy ireo hoe: “Nahoana raha lazainareo fotsiny fa ratsy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana?” Namaly ilay ramatoa fa ho tiany ny hilaza izany, saingy tsy azon’ny sekoly atao ny manafintohina ny renin’ireo ankizy, dia ireo reny tsy manambady, sy ny sakaizany miara-mipetraka aminy. Araka izany, ireo sekoly dia hilaza amin’ireo mpianatra fa manana safidy izy ireo, nefa mahalana no hilaza aminy izay safidy tsara izy.
‘Hividy boky aho’
Mety hilaza ny ray aman-dreny sasany hoe: “Hividianako boky izy.” Mety hanampy angamba ny boky tsara iray, nefa tokony ho tena azonao antoka tsara fa miray hevitra amin’izay lazainy ianao. Vitsy amin’ireo boky miresaka ny amin’io foto-kevitra io no miditra amin’ny fitsipi-pitondrantena na miresaka akory momba izay tsara sy ratsy. Ny sasany dia tena mampirisika ny fanao ratsy ara-pitondrantena. Ary tsy fahita firy ny boky milaza fa tokony hoferana ho amin’ny fanambadiana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy.
Araka izany, ny andraikitra hampianatra ny ankizy ny amin’ny fitsipi-pitondrantena dia mianjera avy hatrany eo amin’izay nametrahan’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany — eo amin’ny ray aman-dreniny tia azy. Hoy ny Baiboly amin’ireo raim-pianakaviana: “Dia ampianaro tsara ny zanakao izany [ireo lalàn’Andriamanitra], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 6:7.
Raha ny marina, dia afaka ny ho tonga ny mpampianatra tsara indrindra ho an’ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy misy mihitsy boky na sekoly afaka misolo ny herin’ny fiekena mafy ananan’izy ireo na ny ohatra tsara omen’ny fianakaviana. Hoy ny nolazain’i William Bennett: “Asehon’ny fandinihana fa rehefa ny ray aman-dreny indrindra no iavian’ny fampianarana momba ny lahy sy ny vavy, dia azo inoana kokoa fa tsy hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy ny ankizy. (...) Ny anjara asan’ny ray aman-dreny no zava-dehibe, mihoatra noho ny an’ny olon-kafa rehetra.”
Kanefa, ny ray aman-dreny sasany dia matahotra sao hitarika ny zanany ho amin’ny fanandramana ny fahalalana. Miharihary fa izany dia miankina be dia be amin’izay ampianarina sy ny fomba ampianarana azy. Ny zava-misy dia hoe tsy maintsy hianatra momba ny lahy sy ny vavy ireo tanora. Moa ve tsy tsara lavitra ho azy ireny ny mianatra amin’ny fomba mety sy mendri-kaja avy amin’ny ray aman-dreny manaraka fitsipi-pitondrantena sy tia azy, toy izay avy amin’ny olona eny an-dalana na eny an-tokotanin-tsekoly na avy amin’ny olon-dehibe maloto fisaina?
Mbola mitoetra anefa ilay fanontaniana hoe: Ahoana no ahafahanao mampianatra ireny zavatra ireny amin’ny fomba itiavan’Andriamanitra azy sy amim-pahamendrehana? Rehefa mandre ny tanora fa “manao izany daholo ny olona”, ahoana no ahafahanao mandresy lahatra azy fa tsy mba manao izany ny olona tsara sy sambatra indrindra? Ahoana no ahafahanao manampy azy hahatakatra fa ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’ny Baiboly mandidy ny ‘hifadiana ny fijangajangana’, dia tsy vitan’ny hoe mitondra ho amin’ny fiainana tsara sy mahasambatra indrindra, fa izany koa no hany fomba ankasitrahan’Andriamanitra? Ny lahatsoratra manaraka dia hanome valiny sarobidy amin’ireo fanontaniana lehibe ireo. — 1 Tesaloniana 4:3.
[Teny notsongaina, pejy 3]
“Ny zavatra misy vidiny ampianarin’ny ray aman-dreny tsikelikely an’ireo zanany no toa mbola misy lanjany indrindra.” — U.S.News & World Report