Ampio Hifidy Vady Amim-pahendrena Izy Ireo
MOA ve ny zanakareo mahafantatra ny karazan-toetra tokony hananan’izay olona ho vadiny ary ny fomba hifidianana azy io amim-pahendrena? Tena zava-dehibe ny hisaintsainana ny amin’io raharaha io sy ny hanampiana azy ireo hanao safidy mampiseho fahendrena, satria iankinan’ny fahasambarany ho avy izany.
Any amin’ny tany izay fanao mahazatra ny fiarahana amin’ny lahy na amin’ny vavy tsy tahaka azy, dia mihamitombo ny fanerena mihatra amin’ny tanora mba hanomboka aloha kokoa ihany ny fiarahana tsiroaroa toy izany. Hoy ny Dr. Ronald W. Taffel, mpandinika ny sain’olombelona, any New York: “Milaza amiko ireo ray aman-dreny manan-janaka 10 taona fa iharan’ny fanerena mafy dia mafy ny hamela ny zanany hiaraka amin’ny lahy na amin’ny vavy tsy tahaka azy, izy ireo. Tampoka teo ireo ray aman-dreny dia manjary mifanandrina amina raharaha tsy nampoiziny hatrehina alohan’ny haha-zatovo ireo zanany.”
Inona no azo inoana fa ho vokany raha manaiky lembenana ianareo ka mamela ny zanakareo hanomboka hiaraka amin’ny lahy na amin’ny vavy tsy tahaka azy aloha be? Nanazava toy izao ny The Journal of the American Medical Association: “Ny fiarahana amin’ny lahy na amin’ny vavy tsy tahaka ny tena aloha be sy matetika dia misy fifandraisany amin’ny fianarana manao firaisana.” Eny, mety ho efa namaky tatitra momba ny “fitomboan’ny isan’ireo zazavavy 10 ka hatramin’ny 14 taona miteraka” ianareo.
Koa inona àry no azonareo atao mba hanampiana ireo zanakareo?
Ampianaro izy ireo dieny mbola kely
Ny ray aman-dreny dia mila mamboly tsikelikely toetra kristiana ao amin’ny zanany ary manampy azy ireo hampitombo izany. Ary mila koa ny manampy ireo zanany hamantatra ireny toetra ireny eo amin’izay iriny ho vady. Rehefa mampipoitra ny foto-kevitra momba ny fiarahana amin’ny lahy na amin’ny vavy tsy tahaka azy ny zanakareo, dia hazavao aminy fa tsy mety ny hiheverana an’izany ho toy ny fiaraha-miala voly ho an’ireo ankizy kely na ho an’ireo eo am-piandohan’ny taona maha-zatovo. Ataovy mazava tsara aminy fa natao ho an’ireo efa ampy taona mba hitadiavana olona hovadina kosa ny fiarahana amin’ny lahy na vavy tsy tahaka azy.
Ny ankizy dia tsy ampy fahazarana amin’ny fanombanana toetra, araka ny tokony hekeny mora foana. Nanazava toy izao indray mandeha tamin’ny mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana ny zazavavy karana iray: “Be taona kokoa ary hendry kokoa ny ray aman-drenintsika ka tsy mora voafitaka tahaka antsika. (...) Zava-dehibe aoka izany ny hoe tokony ho izay lehilahy sahaza no ho vadiko. Mety ho mora hanao fahadisoana aho raha izaho ihany no hitady azy.” Azo antoka fa afaka mandray soa amin’ny fanampian’ireo be taona kokoa ny tanora!
Matetika ny tanora dia manombana ny maha-izy ny olona mety ho tonga vadiny arakaraka ny fari-pitsipika tsy misy ifandraisany firy amin’ny fahafantarana na ho vady tsara izy na tsia. Ny zazalahy dia mety ho voasariky ny hatsaran-tarehy sy ny bika manintona — kanefa ahoana ny amin’ny any aoriana any? Miova ny vatana sy ny tarehy, ary any aoriana any dia azo inoana fa haniry fahatsaran-toetra ananan’ny vehivavy matotra ilay zazalahy, anisan’izany ny fahiratan-tsaina sy ny fahaizana miantsoroka andraikitra. Ny zazavavy mazàna dia manome ny toerana voalohany ho an’ny bika maninton’ny zazalahy iray, ny maha-ara-damody ny fiakanjony ary ny fahakingan-tsaina ananany. Tsy heverin’izy ireo firy kosa ny toetra lehibe kokoa, dia ny fananana hatsaram-panahy, fitiavana an’Andriamanitra ary fitiavana ny namana.
Koa inona àry no azonareo atao? Nahoana raha manintona ny sain’ny zanakareo ho amin’ireo olona fantany izay manana fanambadiana miorina tsara? Ho azonareo marihina fa ny sasany amin’ireny olona ireny dia nifidy tsy voatery ho ilay olona tsara tarehy indrindra na ny olona bikana indrindra tao an-tanàna, fa olona iray izay nanana toetra tsara ary nitovy zavatra tiana, nitovy zavatra mahaliana ary zava-kendrena taminy.
Nahoana raha mifanakalo hevitra momba ireo zavatra ireo amin’ny zanakareo? Fony 13 taona i Ann, dia nanontany azy ny reniny hoe inona ireo toetra niriny hananan’izay ho vadiny. Nifanakalo hevitra momba izany izy mianaka ary nanoratra lisitr’ireo toetra tsara, ka hiandry i Ann mandra-pahitany olona nanana ireo. Tsy hoe lisitra tsy mihevitra ny zava-misy akory izy io. Tafiditra tao fa olona tokony ho azony hajaina izy io, tokony hifanitsy amin’ny azy ny zavatra tiany sy mahaliana azy. Amin’izao fotoana izao, i Ann dia renibe sambatra ary mbola manipy hevitra amin’ny hafa mba hanarahan’ireo io ohatra io.
Ho an’ny Kristiana iray, ny didy araka ny Baiboly mba hanambadiana “ao amin’ny Tompo ihany”, dia tena mendrika ny fitandremany tokoa. (1 Korintiana 7:39). Ny olona iray “ao amin’ny Tompo” dia Kristiana nanolo-tena sy vita batisa ary feno fandavan-tena amin’ny fandraisana anjara amin’ilay asa mitovy amin’izay nataon’i Jesosy. Ireo izay tsy miraharaha io didy mba hanambadiana ao amin’ny Tompo ihany io matetika dia iharan’ny vokany mampalahelo. Ataovy azo antoka àry fa hampiseho amin’ireo zanakareo ianareo ny maha-zava-dehibe ny tsy hiheverany ho mety ho vadiny afa-tsy ny olona manaraka fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena sy ara-panahy mitovy amin’ny tenany ihany, ka hahay hampita izany amin’izay zanaka mety haterak’izy ireo.
Ataovy izay hanomanana azy mba handamina zava-manahirana
Rehefa nanapa-kevitra ianareo fa ampy taona ny zanakareo mba hiarahana amin’ny lahy na vavy tsy tahaka azy, dia alenteho tsara ao an-tsainy fa fahendrena ny hiarahana amin’ilay namany mba hifankahalalana aminy, any amin’ny toerana natokana ho an’ny besinimaro, ny tranom-bakoka, ny saha misy biby. Any izy ireo dia afaka hifampiresaka sy hifankahalala nefa tsy hitokana lavitra ny olon-kafa. Ampio izy hahatakatra hoe nahoana izany no mampiseho fahendrena lavitra noho ny fiaraha-mandany fotoana mitokana, ao anaty fiara na any amin’ny toerana izay tsy hisian’ny olona manodidina eo. Zava-dehibe koa ny hampianarana ireo zanakareo fa rehefa mody izy aorian’ny fiarahany, dia mety ny hifanaovana veloma eo am-baravarana fa tsy hampandroso ilay olona, raha tsy hoe mbola tsy matory angaha ianareo ary manatrika eo, mazava ho azy.
Ampitandremo ny amin’izay mety hitranga ny zanakareo. Nisy tatitra iray tao amin’ny gazety, ohatra, niresaka ny amin’ny mpianatra iray izay nanasa ilay tovolahy niarahany tao amin’ny efitranony tany amin’ny kilasimandry taorian’ny sakafo hariva, mba handihy sy hiresadresaka. Na dia nanipy hevitra an-kolaka aza io tovolahy io, dia tsy nanery azy handeha ilay zazavavy. Rehefa nanohitra kosa ity farany, dia niala tsiny ny amin’ny fihetsiny ilay tovolahy, kanefa dia nanandrana indray ny hanery azy hanana firaisana taminy io. Hoy ilay tatitra: “Tamin’ny farany, dia namarana ilay ady hevitra izy rehefa nadiva ho maraina ny andro” tamin’ny fisavihana azy. Mampalahelo tokoa izany!
Ataovy àry izay hahaizan’ny zanakareo ny fomba hanaovan-javatra amim-pahatapahan-kevitra raha misy olona manipy hevitra an-kolaka aminy mba hanao fahalotoam-pitondrantena. Tokony handositra ilay toe-javatra izy toy ny nandosiran’i Josefa ny vadin’i Potifara nanery azy. (Genesisy 39:7-12). Tokony ho fantany fa ilay fitalahoana fampiasa hatry ny ela manao hoe: “Raha tia ahy ianao dia hanana firaisana amiko” no fitaka aroson’ny mpamitaka matetika erỳ. Ny olona mampiasa io dia azo inoana fa manao toy izany tsy tapaka, ary avy eo dia mandao ilay voafitany mba hifindrana ho amin’izay hobaboiny vaovao. Tokony ho fantatry ny zanakareo, na lahy izy na vavy, fa ny tsia hentitra, lazaina tsy amim-pisalasalana, no valiny tsara indrindra amin’ny fanipazan-kevitra hanao fitondrantena maloto.
Ataovy azo antoka fa hampianatra ny zanakareo vavy handositra ireo tarehin-javatra izay mety hisavihana azy ianareo. Antitrantero ny tena ilana ny hahafantarana tsara izay tovolahy hiarahany, ary ho anao ray na reniny, dia ny hifankahalalana tsara amin’io olona io koa. Raha tsy monina ao amin’ny faritra akaikin’ny misy anao intsony ny zanakareo, dia ataovy izay hahazoanareo antoka fa hanontany ny hevitry ny mpiandraikitra kristiana iray izy momba ilay olona kasainy hovadina. Tsarovy fa misy mpamitaka izay mihambo ho Kristiana ary mitsofoka mangingina ao amin’ny kongregasiona, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. — 2 Petera 2:13-15, 17, 18.
Ary fanampin’izany dia mila mampianatra ny zanakareo lahy ianareo fa ny tena lehilahy dia tsy mandratra ny hafa amim-piniavana. Manome azy fialofana izy ary miaro azy. Ny tena lehilahy dia mifehy ny filany, fa tsy andevozin’izany. Tokony hitondra araka ny mety ny vehivavy izy, toy ny hitondrany ny reniny na ny anabaviny mihitsy, manome voninahitra sy haja azy ireo. — 1 Timoty 5:1, 2.
Aza avela na oviana na oviana ny zanakareo hanadino ilay fotopoto-pitsipika fototra ara-baiboly manao hoe: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Araka izany dia tokony ho takatry ny zanakareo ny ilana hitoerany tsy hifanerasera amin’ny olona tsy manana fiainana madio ara-pitondrantena. Hatramin’ny fahazazany dia tokony hataonareo mazava tsara aminy fa na dia mety tsy hahita izay ataony aza ny hafa, Andriamanitra dia mahita izany foana ary hampamoaka ny tsirairay avy amintsika ny amin’ny asantsika. — Romana 2:6.
Fiainana madio ara-pitondrantena ao amin’ny tontolo iray maloto fitondrantena
Na dia nitaraina aza ny manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao fa “tsy mahafantatra firy izy ireo ny amin’ny fomba hanakiviana ireo zatovo tsy manambady tsy hanandrana firaisana”, ny ray aman-dreny kristiana dia mahafantatra fa azo atao izany. Amin’ny fampianarana hatrany ny zanany hanana fitiavana an’Andriamanitra sy fanajana marina ireo lalàny, ny ray aman-dreny dia manomana azy ireny mba hanohitra ny fakam-panahy avy amin’ity tontolo maloto fitondrantena ity, ka hanana fiainana mahitsy sy madio ara-pitondrantena. Ny fitambaran’olona lehibe iray voaforon’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro dia miavaka amin’ny fifikirany amin’ireo fari-pitsipika ara-pitondrantena ambony voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Na dia ny New Catholic Encyclopedia aza dia milaza fa “ny fari-pitsipika mifehy ny fanambadiana sy ny amin’ny lahy sy ny vavy dia hentitra tokoa” ao amin’io antokon’olona io. — Boky faha-7, pejy faha-864.
Ny tanora eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah izay manana fiainana madio ara-pitondrantena dia mahafantatra fa irina ary ankasitrahan’ireo ray aman-dreniny sy ireo namany kristiana maneran-tany izy ireny. Manana fatokian-tena noho ny feon’ny fieritreretana madio izy ireo, manana anjara amin’ny fivorian’ny kongregasiona, manatsara ny fahaizany mampianatra ary mandray anjara amin’ny fampianarana Baiboly. Mampiseho fari-pitondrantena araka an’Andriamanitra izy ireo, faly mahatsapa tena ho mendrika, ary manana fanantenana ny amin’ny hoavy mamirapiratra ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra. — 1 Jaona 2:17; Apokalypsy 21:3, 4.
[Efajoro, pejy 9]
Iza no Hovadinao?
Ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques dia manolotra hevitra faran’izay tsara ny amin’ny fomba ahafahan’ny tanora hifankahalala amin’ny olona mety hiriny hovadina.a Mampiseho izy io fa ilaina ny mahafantatra ireo lafin-toetra tsara ananan’ilay olona sy ireo lafin-toetra mampahalemy azy koa, ary hoe olona manao ahoana marina izy. Ahoana no ahafahanao manao izany?
Voalohany, dia afaka mandinika ilay olona ianao. Manao ahoana ny fitondrantenany? Ahoana no fomba itondrany ny hafa? Ahoana no fomba iresahany amin’ireo ray aman-dreniny sy ireo mpianakaviny? Zava-dehibe izany satria mampiseho ny fomba mety hitondrany anao any aoriana any.
Amin’ny alalan’ny resadresaka dia mety hahatsikaritra ianao raha mitovy amin’ny anao ny zavatra mahaliana azy na ny zava-kendreny. Mety hahafantatra izay heverin’ny hafa momba azy koa ianao.
Ho tianao ny hahafantatra hoe karazan’olona manao ahoana izy io, hoe manao ahoana ny fisainany sy ny heviny ary ny tena maha-izy azy. Manao ahoana ny fihetsiny eo ambanin’ny fanerena? Iza avy no namany? Manao ahoana ny fianakaviany ary manao ahoana ny fifampitondran’izy ireo?
Ny fanaovana asa miaraka dia mety hanome anao fahafahana hamantatra tsara kokoa ny toetran’ilay olona. Avelao ny fotoana hampiseho ireo fahazarana mahasosotra mety hananany. Amin’izay, dia hoy io boky faran’izay tsara io ny amin’ireo tanora izay nanaraka ny torohevitra matotra toy izany: “Amin’ny maso mahiratra tsara dia afaka miditra amin’ny fanambadiana izy ireo, mahazo antoka fa ho hainy ny handamina ny tsy fifanarahana mety hipoitra. Ny fiarahana mahomby alohan’ny fanambadiana dia nanomana azy ho amin’ny fanambadiana mahomby sy sambatra.” — Toko faha-29-32.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io boky io dia natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., izay mpampanonta ity gazety ity.
[Sary, pejy 7]
Ny hatsaran-tarehy sy bika manintona dia mety handaitra, fa ny fahatsaran-toetra anaty no zava-dehibe kokoa
[Sary, pejy 8]
Ny fifankahalalana eny amin’ny toerana natokana ho an’ ny besinimaro dia fahendrena lavitra noho ny fiarahana mandany fotoana any amin’ny toerana mitokana