FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/4 p. 18-20
  • Ahoana Raha Tsy Te Hiaraka Aminy Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana Raha Tsy Te Hiaraka Aminy Aho?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa tsy tia azy ianao
  • Nahoana no sarotra ny mandà?
  • Manehoa fahaiza-mandanjalanja sy fiheverana
  • Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hiaraka Amiko ny Ankizivavy Iray?
    Mifohaza!—2005
  • Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy?
    Mifohaza!—2004
  • Ahoana Raha Mandà Izy?
    Mifohaza!—2005
  • Ahoana Raha Tsy Miraika Amiko Izy?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/4 p. 18-20

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Ahoana Raha Tsy Te Hiaraka Aminy Aho?

“Tsy ela izay, dia nisy anadahy tao amin’ny kongregasionako nanjary raiki-pitia tamiko. Tsy dia tena tia azy aho. Ka izao ny olana: Tsy haiko ny nanda azy, no sady tsy handratra ny fony.” — Sariaka.a

“AFAKA mifankahalala bebe kokoa aminao ve aho?” Efa mba nisy tovolahy nanontany anao toy izany ve? Tovovavy ianao,b ka angamba sambatsambatra sy faly erỳ tamin’izay — taitaitra be mihitsy aza! Tetsy an-danin’izany, dia very hevitra be koa angamba ianao, ka tsy nahita izay havaly azy.

Rehefa milaza aminao ny olona iray fa tia anao, dia mety hampihetsi-po be izany. Tena marina izany, raha toa ka efa ampy taona hanambady ianao, ka afaka ny hamaly ny fitiavany koa!c Na izany aza, ny fihetsikao dia hiankina betsaka amin’ny hoe iza ilay olona. Raha matotra ara-pihetseham-po izy sady manintona anao, dia tsy ho sarotra aminao angamba ny hamaly ny fanontaniany. Ahoana anefa raha miharihary fa tsy manana ireo toetra ilaina mba ho vady tsara izy? Na ahoana raha tsy tia azy fotsiny ianao, na dia manana toetra faran’izay tsara aza izy?

Hevero koa izao toe-javatra izao: Misy tovovavy iray efa niaraka tamin’ny tovolahy iray. Nanjary takany anefa fa tsy te hiara-miaina amin’izy io izy. Tsy manapaka ny fifandraisan’izy ireo anefa izy, fa mbola miaraka aminy ihany. Manontany tena izy hoe: “Ahoana no hilazako aminy fa tsy te hiaraka aminy aho?”

Rehefa tsy tia azy ianao

Niharihary fa nanambady izay olona nofidin’ny ray aman-dreniny ho azy ny olona tamin’ny andron’ireo patriarika. (Genesisy 24:2-4, 8). Afaka mifidy izay ho vadiny ny ankamaroan’ny Kristianina any amin’ny tany tandrefana. Iray monja no fepetra takin’ny Baiboly: Tsy tokony hanambady afa-tsy “ao amin’ny Tompo ihany” ny Kristianina iray. — 1 Korintiana 7:39.

Midika ve izany fa tokony hanambady mpiray finoana tia anao, na efa niarahanao nandritra ny fotoana kelikely, ianao, na iza izy na iza? Diniho ny ohatra iray ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tovovavy iray avy tao Sonema, tanàna tany ambanivohitra tany Moyen-Orient. Nahita azy i Solomona mpanjakany, ka raiki-pitia be taminy. Rehefa nitady hiombom-pitia taminy anefa i Solomona, dia tsy vitan’ny hoe nanda azy ilay tovovavy, fa niangavy mafy koa an’ireo vehivavy nanompo ny mpanjaka tao an-dapa, nanao hoe: “Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.” (Tonon-kiran’i Solomona 2:7). Tsy nirin’io tovovavy hendry io ny hanandraman’ny hafa hanery azy handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny fihetseham-po fotsiny. Tsy tia an’i Solomona fotsiny izy, satria mpiandry ondry tsotra iray no tiany.

Izany dia manome lesona lehibe ho an’izay mieritreritra ny hanambady ankehitriny: Tsy afaka ny ho raiki-pitia amin’izao karazan’olona rehetra izao ianao. Koa mety ho takatry ny tovovavy iray àry fa tsy tia an’ilay tovolahy izy, na dia efa niaraka nandritra ny fotoana elaela aza izy ireo. Angamba ny nahatonga izany fihetseham-pony izany dia ny nanamarihany kileman-toetra sasany ananan’ilay tovolahy. Na koa mety ho tsy manintona azy ilay tovolahy. Ho hadalana ny tsy hiraharahana ny fihetseham-po toy izany. Tsy hampanjavona azy mantsy ny tsy firaharahana azy fotsiny.d “Nisy fisalasalana be dia be momba azy tato an-tsaiko”, hoy i Tamara momba ilay tovolahy niarahany. “Tsy hoe fisalasalana madinidinika fotsiny izany, fa fisalasalana lehibe, izay tena nanelingelina ahy, ka nampitebiteby mafy ahy rehefa niaraka taminy aho.” Tatỳ aoriana, dia takatr’i Tamara fa tsara kokoa ny namarana ny fifandraisan’izy ireo, noho ireny fisalasalana ireny.

Nahoana no sarotra ny mandà?

Na izany aza, dia mora lazaina fa sarotra atao ny mandà tovolahy iray. Tahaka an’i Sariaka, voatonona tetsy am-piandohana, dia mety hatahotra ianao sao handratra ny fony. Marina aloha fa tokony haneho fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa isika. Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba ‘hitafy famindram-po sy fiantrana’ ary hitondra ny hafa amin’ny fomba tiany hitondran’ny hafa ny tenany. (Kolosiana 3:12; Matio 7:12). Midika anefa ve izany hoe tokony hody hiseho ho tia an’ilay tovolahy ianao, mba tsy handiso fanantenana azy na handratra ny fony fotsiny? Na ho ela na ho haingana mantsy, dia tsy isalasalana fa ho fantany ny fihetseham-ponao marina, ka raha tsy milaza ny marina na mampihemotra ny fotoana hifanazavana aminy ianao, dia hampitombo ny alahelony fotsiny izany. Vao mainka ho ratsy aza ny vokany, raha manambady an’ilay tovolahy ianao, satria fotsiny hoe mangoraka azy ianao. Tsy fototra tsara hanorenana fanambadiana ny fangorahana olona.

Mety ho sahiran-tsaina anefa ianao mieritreritra hoe: ‘Raha tsy manambady azy aho, dia mety tsy hahita vady intsony.’ Araka ny voalazan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky hoe Zatovo (anglisy), dia mety hieritreritra ny tovovavy iray hoe: “Tsy izy aloha no tiako ho vadiko, saingy izy aloha no mba eo — ary tsy te ho irery aho, raha ny marina.” Ekena aloha fa mafy ny faniriana hana-namana. Tsy ampy fotsiny anefa ny manambady an’iza na iza mba hanomezana fahafaham-po an’io faniriana io. Tokony ho olona iray azonao tiavina tokoa sady afaka hiantsoroka ireo andraikitra ara-panambadiana voalazan’ny Soratra Masina ilay olona. (Efesiana 5:33). Koa aza maika ny hanapa-kevitra àry! Maro mantsy no nanjary nanenina noho izy ireo maimaika ny hanambady.

Farany, dia misy tovovavy sasany mety hanohy hiaraka amin’ilay tovolahy, na dia miharihary izao aza fa manana kileman-toetra lehibe izy io. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha omeko fotoana bebe kokoa izy, dia mety hiova.’ Fahendrena tokoa ve izany? Matetika mantsy no tena latsa-paka, ka faran’izay sarotra ovana, ny fahazarana sy ny toetra ratsy. Ary na dia manao fiovana be tampoka aza izy, moa ve tena azonao antoka fa haharitra ireny fiovana ireny? Tao anatin’ny toe-javatra tahaka izany ny tovovavy iray atao hoe Karen. Nanapa-kevitra tamim-pahendrena ny hisaraka tamin’ilay tovolahy niarahany izy, rehefa fantany fa tsy nitovy tanjona izy roa. Niaiky izy hoe: “Tena mafy ilay izy, satria nanintona ahy izy. Fantatro anefa fa izay no tokony hatao.”

Manehoa fahaiza-mandanjalanja sy fiheverana

Marina aloha fa tsy mora ny mandà olona iray. Tahaka ny fonosana iray misy entana mora vaky ilay toe-javatra, ka tsy maintsy mila fitandremana tsara. Ireto misy torohevitra sasantsasany mety hanampy anao.

Resaho amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olona matotra hafa iray ao amin’ny kongregasiona ilay raharaha. Mety ho afaka hanampy anao izy ireo hahatakatra sao tsy araka ny zava-misy loatra ny zavatra antenainao.

Ataovy mazava tsara sy mivantana ny teninao. Aza avela hisalasala mihitsy izy momba ny fihetseham-ponao. Ny milaza fotsiny hoe “An an an! Misaotra!” dia hanakivy ny ankamaroan’izay mitady hiombom-pitia aminao. Raha ilaina, dia ataovy hentitra kokoa ny fandavanao, toy ny hoe “Miala tsiny fa tena tsy liana mihitsy aho.” Tandremo anefa sao mahatonga azy hieritreritra hoe mety hiova hevitra ianao raha misisika kely izy. Tsy tokony hampisalasala intsony ny filazanao mazava tsara aminy fa tsy tia azy ianao, ka ho mora kokoa aminy, amin’izay, ny hionona.

Lazao ny marina, nefa koa mahaiza mandanjalanja. Milaza ny Ohabolana 12:18 hoe: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”. Zava-dehibe ny firesahana amim-pahatsorana, nefa lazain’ny Baiboly koa fa tsy maintsy ‘ho [mahafinaritra, NW ], ho mamy sira’ ny tenintsika. — Kolosiana 4:6.

Tano hatramin’ny farany ny fanapahan-kevitrao. Mety hanery anao hiaraka indray amin’ilay tovolahy ny namana tsara fikasa, izay azo inoana fa tsy mahafantatra firy ireo antony nahatonga anao handray ilay fanapahan-kevitra. Raha ny tena izy anefa, dia ianao no tsy maintsy hiatrika ny vokatry ny fanapahan-kevitrao — fa tsy ireo namanao tsara fikasa akory.

Manaova zavatra mifanaraka amin’ny teninao. Angamba mpinamana be ianareo teo aloha, ary ara-dalàna raha maniry ny mbola hinamana aminy toy ny teo aloha ihany ianao. Matetika anefa no sarotra ampiharina no sady tsy azo tanterahina izany. Nanjary raiki-pitia taminao mantsy izy. Ka heverinao ve fa tsy hiraharaha fotsiny izany fihetseham-pony izany izy, ka hanao toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga? Koa na marina aza fa tsara kokoa ho anareo ny mifaneho fahalalam-pomba, dia azo inoana fa tsy hanao afa-tsy ny hanampy trotraka ny fahoriany fotsiny ny fifampiresahanareo tsy tapaka an-telefaonina na ny fiarahanareo matetika be any amin’ny fiaraha-mikorana. Mety hilalao ny fihetseham-pony ianao amin’izany, ka tsy haneho hatsaram-panahy.

Nampirisika mafy ny Kristianina ny apostoly Paoly mba ‘hifampilaza ny marina’. (Efesiana 4:25). Mety ho tena sarotra izany, nefa mety hanampy anareo mba samy hanohy ny fiainanareo avy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Na miantefa amin’ny tovovavy aza ity lahatsoratra ity, dia mihatra amin’ny tovolahy koa ireo fitsipika voalaza ato.

c Nodinihina tao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2001 ireo loza mety hanjo an’ireo mampiaraka raha mbola tanora loatra.

d Jereo ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, pejy faha-256-257, eo ambanin’ny lohateny hoe “Tokony Hisaraka ve Izahay?”

[Teny notsongaina, pejy 19]

Tsy afaka ny ho raiki-pitia amin’izao karazan’olona rehetra izao ianao

[Sary, pejy 20]

Ataovy mazava tsara sy mivantana ny teninao rehefa milaza ny fihetseham-ponao ianao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara