FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/14 p. 6
  • Aza Mamoy Fo!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mamoy Fo!
  • Mifohaza!—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 4/14 p. 6

MATOAN-DAHATSORATRA

Aza Mamoy Fo!

RAHA mahita an’i Tafitaa ianao, dia olona sariaka sy marani-tsaina ary tia namana no hitanao. Toa miramirana erỳ izy rehefa jerena etỳ ivelany, nefa ao anatiny ao tena mamoy fo. Mahatsiaro tena ho tsy misy dikany foana izy. Hoy izy: “Mieritreritra foana aho isan’andro hoe tiako aho raha maty. Mino aho fa ho tsara kokoa ny fiainana raha tsy misy an’ahy.”

“Raha olona 1 no maty namono tena, dia efa nisy 200 [hafa] nanandrana nanao izany, ary 400 nieritreritra an’ilay izy.”—NY GAZETY (ANGLISY), KANADA.

I Tafita aloha efa nilaza fa tsy hamono tena izany mihitsy. Na izany aza anefa, dia mihevitra izy fa tsy misy antony tokony hahavelona azy intsony. Hoy izy: “Tiako izao raha tratran’ny loza tampoka aho, dia maty. Amiko tsy ratsy izany hoe maty izany, fa tsara aza.”

Maro no mahatsapa hoatran’i Tafita. Misy aza efa nieritreritra na nanandrana namono tena mihitsy. Misy zavatra hitan’ny mpikaroka anefa momba an’ireny olona ireny: Ny fijaliany no tiany hifarana, fa tsy ny fiainany. Mihevitra izy fa mendrika ny ho faty. Mba mila omena toky àry izy hoe mbola mendrika ny ho velona.

Mamoy fo ve ianao, ka tsy te ho velona intsony? Ireto misy antony telo mbola tokony hiainanao.

HEVI-DISO: Tsy azo resahina na tononina akory ny hoe mamono tena, satria mampirisika ny olona hanao izany.

NY MARINA: Mety hiova hevitra ny olona te hamono tena, raha resahina aminy mivantana izany.

a Novana ny anarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara