FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Ramole”
  • Ramole

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ramole
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampondra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitaterana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Lamboridy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy: mahakasika anao ny fihazakazahany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Ramole”

RAMOLE

(Ramòlè) [Heb.: pered; pirdah (ramolevavy)].

Zanaky ny ampondralahy sy soavalivavy. Toy ny an’ny soavaly ny vatany, fa itovizany amin’ny ampondra kosa ny lohany fohy sy lehibe, sofiny lava, volo fohy amin’ny hatony, tongony kely, ary rambony izay misy volo lava ny tendrony. Tsy mora mianjera sy manam-paharetana ary mafy toto toy ny ampondra ny ramole (Equus asinus mulus), nefa koa matanjaka sy be herim-po toy ny soavaly. Izao kosa no tsy itovizany amin’ny soavaly: Tsy mora marary, manam-paharetana kokoa rehefa mitondra enta-mavesatra, ary ela velona kokoa. Kely kokoa noho ny ramole ny zanaky ny soavalilahy sy ampondravavy, ary tsy matanjaka na tsara bika toa azy. Saika tsy miteraka daholo ny ramole lahy sy vavy.

Anisan’ny fanomezana azon’i Solomona tamin’ireo mpanjaka te hihaino ny fahendreny ny ramole. (1Mp 10:24, 25; 2Ta 9:23, 24) Ny hafa kosa mety ho novidina tamin’ny Fenisianina, ohatra. (Ezk 27:8, 9, 14) Nitaingenan’ny olona ambony ny ramole, tamin’ny andron’i Davida. Nampitaingenina an’ilay ramolevavin’i Davida i Solomona rehefa nohosorana ho mpanjaka tany Gihona.​—2Sa 13:29; 18:9; 1Mp 1:33, 34, 38, 39.

Biby mpitondra entana ny ramole. (2Mp 5:17; 1Ta 12:40) Nilaza i Jehovah fa ho anisan’ny hitondrana ny vahoakany avy any am-pielezana hody any Jerosalema koa ny ramole. (Is 66:20) Tanteraka tokoa izany satria nanana ramole 245, ankoatra ny biby hafa mpitondra entana, ireo natao sesitany tany Babylona rehefa nody.​—Ezr 2:66; Ne 7:68.

Toroana hevitra ny olona mba tsy hanao toy ny soavaly na ramole tsisy saina, izay tsy maintsy tazonina amin’ny lamboridy sy tady mba tsy hitrifana.​—Sl 32:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara