FIKOMIANA
Mikomy ny olona raha tsy mankatò na manohitra na mila ady amin’izay manana fahefana. Mety hikomy ny olona noho izy mirehareha, tia tena, taomin’ny hafa, tsy mitovy hevitra amin’ny lehibe, tsy te hofehezina intsony, ary tsy te hiharan’ny famoretana intsony, na tena misy ilay izy na tsia.
Tany am-boalohany. Tany an-danitra no nanomboka ny fikomiana tamin’Andriamanitra. Anjely iray no nikomy, ary nampiasa menarana izy teto an-tany, ka nitarika an’ilay vehivavy voalohany hikomy tamin’ny Mpamorona azy. Nantsoina hoe Satana Devoly io anjely io, tatỳ aoriana. Mody nataony hoe mahaliana sy ahalalan-javatra ny fikomiana. Lasa tia tena i Eva sady te “ho tahaka an’Andriamanitra”, izany hoe tiany raha izy ihany fa tsy Andriamanitra no mamaritra ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy. (Jereo HAZO, II [Heviny an’ohatra].) Nanjary nieritreritra izy hoe misy zavatra ananany zo nefa tsy nomena azy. Nandika an-tsitrapo ny didin’Andriamanitra àry izy. Nanaiky hotaominy i Adama avy eo, ka nikomy toa azy koa. Tsy hoe voafitaka i Adama matoa nikomy. Tsy nino ny tenin’ny menarana mantsy izy. Azo inoana kosa fa nikomy izy, satria tia tena ka naleony nanaraka ny vadiny mpanota toy izay hahazo sitraka tamin’Andriamanitra.—Ge 3:1-6; 1Ti 2:14.
Maro be ny olona tsy te hanaiky an’Andriamanitra, nandritra ny taonjato maro taorian’izay. I Enoka irery no voalaza fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra, teo anelanelan’ny fotoana nahafatesan’i Abela sy ny nahaterahan’i Noa (nandritra ny 926 taona mahery). (Ge 5:22) Nisy anjely hafa nikomy koa tany an-danitra. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo ka nandao ny fonenany tany an-danitra, tamin’ny andron’i Noa. Nitafy nofo izy ireo ka nanambady sy niteraka, satria te hahatsapa fahafinaretana amin’ny firaisana ara-nofo.—Ge 6:4; 1Pe 3:19, 20; 2Pe 2:4, 5; Jd 6.
Tena efa be dia be ny fikomiana teto an-tany tamin’ny andron’i Noa, ka hitan’Andriamanitra hoe tokony handringana amin’ny alalan’ny safodrano izy. I Noa sy ny ankohonany ihany, izany hoe olona valo, no hita fa mendrika ny hotsimbinina.—Ge 6:5-8; 7:13, 23.
Teo amin’ny Israely. Nifandray manokana tamin’ny firenen’Israely i Jehovah Andriamanitra, taona maro tatỳ aoriana. Nikomy imbetsaka tamin’i Jehovah sy ny solontenany anefa ny Israely. Mety ho ilay firenena manontolo izany, na antokon’olona teo anivony, na koa olon-tokana. Tsy voatery ho olona efa mpikomy izy ireny. Nanompo an’i Jehovah Andriamanitra sy tsy nivadika taminy an-taonany maro, ohatra, i Mosesy sy Arona. Tsy nahafehy tena anefa izy roa lahy, indray mandeha, rehefa nila ady taminy ny Israelita. Nikomy izy roa lahy ary tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izay nanome rano tamin’ny fomba mahagaga. (No 20:12, 24; 27:13, 14) Nalaza ho mpikomy lava kosa ny firenen’Israely, hany ka nantsoina mihitsy hoe ‘Rafikomiana.’—Ezk 44:6.
Tsy navelan’i Jehovah Andriamanitra ho afa-maina ireny mpikomy ireny fa nosaziny. (1Sa 12:15; 15:23; 1Mp 13:21, 22, 26; Sl 5:10; Is 1:20; 63:10; Je 4:16-18; Ezk 20:21; Ho 13:16) Notakin’ny Lalàna, ohatra, ny hamonoana ho faty an’izay zanaka nikomy tamin’ny ray aman-dreniny, raha tsy nety niova izy ireny. (De 21:18-21) Nikomy tamin’i Mosesy sy Arona solontenan’Andriamanitra koa ry Kora sy Datana ary Abirama izay nieboebo sy tia laza. Naringan’Andriamanitra àry izy telo lahy sy ireo mpomba azy. Tsy faly noho ilay fandringanana ny Israelita ka nikomy tamin’i Mosesy sy Arona. Nandefa loza àry i Jehovah ka Israelita 14 700 no ringana tamin’izany. (No 16:1-3, 25-50) Matetika i Jehovah no nampiasa firenena hafa mba hanasazy an’ireo Israelita. Nanao izany izy tamin’ireo Israelita nanaiky ho voataonan’ireo firenena nanodidina ka nikomy sy niala tamin’ny fivavahana marina.—Mpts 2:3, 11-16; 3:4, 5; Ne 9:26, 27.
Nikomy i Zedekia Mpanjaka. Nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nanao fifanekena tamin’ny anaran’i Jehovah i Zedekia mpanjakan’ny Joda, rehefa nataony mpanjaka teo ambany fahefany. Nikomy tamin’i Nebokadnezara anefa i Zedekia satria tsy te ho eo ambany fahefan’ny firenena vahiny intsony. Midika izany fa nikomy tamin’i Jehovah izy, satria efa nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah hoe ho mpanjaka teo ambany fahefan’i Nebokadnezara foana. Namoaka didy àry i Jehovah fa ho babo any Babylona i Zedekia ary ho faty any.—2Mp 24:17-20; 2Ta 36:11-21; Ezk 17:12-18.
Teo anivon’ny Kristianina. Nisy olona nikomy koa teo anivon’ny Kristianina. Nilaza ny apostoly Paoly fa hisy fivadiham-pinoana, na fikomiana, eo anivon’ireo milaza azy ho Kristianina (2Te 2:3), ary efa nisy mpivadi-pinoana sahady tamin’izany. (1Ti 1:19, 20; 2Ti 2:16-19) Nanevateva an’ireo “manana voninahitra” teo anivon’ny fiangonana, ohatra, ny Kristianina sasany. Nanoratra momba azy ireny i Joda mpianatr’i Jesosy, ary nilaza hoe “efa matin’ny teny fikomian’i Kora” izy ireny. Tena azo antoka fa ho avy ilay fandringanana matoa izy nilaza hoe efa ringana izy ireny.—Jd 8, 11; jereo FIVADIHAM-PINOANA.
Tokony hekena ny mpitondra fanjakana. Tokony hankatò an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana (He 13:17), sy an’ireo mpitondra fanjakana ny mpanara-dia an’i Kristy, fa tsy hikomy amin’izy ireny, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Tit 3:1, 2) Mikomy amin’Andriamanitra izay olona mikomy amin’ireny manam-pahefana ireny, satria Andriamanitra no mamela azy ireny hisy, ary tiany ny haneken’ny Kristianina azy ireny raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàny ny zavatra takin’izy ireny.—Ro 13:1-7; As 5:29.