Teo amin’ny tsy finoana an’Andriamanitra nankeo amin’ny fiainana feno heviny
Tantarain’i Fred Severud
NA DIA nobeazina tao amin’ny fianakaviana norveziana tena mpivavaka aza aho dia nanjary tsy nino ny fisian’Andriamanitra. Nahoana? Ny zava-niseho anankiray nanamarika ny fahazazako dia hanampy anao hahatakatra izany.
Tamin’ny 1909, raha teo amin’ny folo taona aho, dia maty ny anabavikeliko raha vao teraka. Ny renibeko izay sahiran-kevitra tokoa dia nitady izay hahitana minisitra mpitondra fivavahana afaka hanao batisa ilay zaza mba tsy handehanany hirehitra mandrakizay any amin’ny afobe. Koa satria tsy afaka nahita anankiray izy, dia nalainy haingana ilay rano maloto avy nampandroany ilay zazekely, nafafiny tamin’ny lohany ary dia nanonona vavaka izy mba “handefasany azy any an-danitra”.
“Nahoana no tsy afaka mandeha any an-danitra mora foana toy izany ny rehetra?”, hoy aho anakampo. Tamin’izay no nitsimohan’ny fisalasalana tao an-tsaiko izay hitarika ahy ho amin’ny fahaverezan’ny finoana an’Andriamanitra tamin’ny farany. Tsy afaka nihevitra Andriamanitra anankiray mampijaly ny olona ao amin’ny lelafo mirehitra aho.
Tetsy andanin’izany dia tsy azoko nekena koa ny hevitra hoe ny hany zava-kendren’ny fiainana eto an-tany dia ny hiomanantsika ho any an-danitra. ‘Inona àry no hevitry ny fisiana?, hoy aho nanontany tena. Moa ve ny miaina fitopolo na valopolo taona fotsiny, dia maty avy eo?’ Nahatsiaro mafy ny nilana ny hahafantatra ny valin’ireo fanontaniana ireo aho. Rehefa tonga àry ny fotoana fanaovana konfirmasiona ahy dia nanda ny handray io fanokanana io tao amin’ny Fiangonana iray izay nanompoana Andriamanitra anankiray toa tsy manao ny rariny aoka izany aho. Hatreo dia tsy nandeha tany am-piangonana aho raha tsy mba hahafinaritra ny ray aman-dreniko, nefa rehefa nahita ilay minisitra ara-pivavahana aho dia nihidy vazana ary tao am-poko tao dia nikiakiaka taminy hoe: “Mpihatsaravelatsihy!” Nahazo fitafiana vaovao daholo ireo natao konfirmasiona. Nefa ho ahy dia tsy nisy konfirmasiona, tsy nisy fitafiana!
Fitarihana vaovao
Tao amin’ny oniversite, noho ny antony tsy fantatra loatra, dia izaho no mpianatra tian’ny mpampianatra indrindra. Indray andro dia nangataka tamiko izy io mba hanao famelabelarana tao an-dakilasy, momba ny evaolisiona, ary nataoko izany. Satria aho tsy nino an’Andriamanitra dia nino ny evaolisiona. Kanefa, taorian’ny famelabelarana, dia nilaza tamin’ilay mpampianatra aho fa nisy zavatra tsy azoko ihany.
“Inona no nitranga talohan’ny nitomboan’ny maso?”, hoy ny fanontaniako. Novalian’ilay mpampianatra aho fa nivoatra avy tamin’ny faritra malemy ao amin’ny karandoha ny maso. An-tapitrisany taona maro no lasa ary dia niseho ny maso. “Te-hilaza ve ianao fa teo aloha, hoy ny navaliko, dia nibolasitra foana tsy nahalala izay halehany izy ireo?” Tsy ny hifanditra akory no nokendreko, te-hahalala fotsiny aho.
Nefa ilay mpampianatra, sanganehana, dia sosotra aoka izany ka nanome isa ratsy ahy. Ary mety ho iny zavatra sendrasendra iny no nanova ny fiainako rehetra. Jerenao ange, io isa ratsy io nanakana ahy tsy ho voalohany tao amin’ireo mpianatra ho manamboninahitra tao amin’ny sekoly miaramila fanta-daza izay nianarako. Raha tsy nitranga izany dia ho afaka nifidy asa miaramila aho. Nefa hatramin’izay dia nirotsaka ho amin’ny fianarana ho injeniera aho.
Nahazo ny diplaoman’ny injenieran’ny asa vaventy, ny tetezana sy ny lalana aho ary nanambady zazavavy anankiray fantatro tany amin’ny oniversite. Tamin’ny 1923 dia nandao ny taninay izahay, dia i Norvezy, ary nankaty Etazonia izay nantenaiko hanomezana fahafahampo ny fanirian-dazako: “ho tonga ny injeniera lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao.”
Tamin’izay no nisy fiovana tampoka tonga nanome fitarihana vaovao teo amin’ny fiainako. Talohan’ny nandaozana an’i Norvezy, ireo ray aman-dreninay dia nampiomana any mba hiresaka fivavahana amin’ny dadatoako Chris izay nipetraka taty Etazonia. Fa nahoana àry? Satria toa “hafahafa” izy amin’io lafiny io, hoy ny navaliny anay. Raha ny marina dia “Mpianatra ny Baiboly” izy . Toy izany no niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.
Vinanio ange hoe iza no tonga nitsena anay teo amin’ny seranana tamin’ny fahatongavanay: dadatoa Chris! Ary mazava ho azy fa tsy nihafy tamin’ny firesahana taminay ny amin’ny “fivavahany hafahafa” izy. Kanefa dia nitolagaga noho ny valinteniny izahay. ‘Ny Andriamanitra fitiavana iray dia tsy afaka hampijaly ireo fanahy any amin’ny afobe, hoy ny nohazavainy taminay. Araka ny fikasan’Andriamanitra, ny tany dia manana ho avy mandrakizay eo anoloany. Ambonin’izany, Andriamanitra dia nampanantena ho an’ny olombelona fiainana tsy hanam-pahataperana ary fahasalamana tonga lafatra, ety ihany, eo amin’ny tany lasa paradisa’.—Mpitoriteny 9:5, 10; Salamo 146:3, 4; 104:5; Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 21:3, 4.
Voatery milaza aho fa nahatsiaro ho voasintona ho amin’io Andriamanitra io. Kanefa mbola nisalasala ihany aho. Mifanohitra amin’izany, ny vadiko dia nanaiky io hafatra io avy hatrany. Fa raha izaho dia naniry handalina io hevitra io mba hahitana raha nisy lesoka izy io. Rehefa toa nanohitra io resaky ny dadatoako ny Baiboliko, fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques, dia nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny “Exhaustive Concordance” an’i Strong aho. Ho famaranana, ny zavatra rehetra dia nanohana ireo hevitry ny Mpianatra ny Baiboly.
Tany Norvezy, ny fianarana ny Baiboly dia anisan’ny fandaharana tany an-tsekoly. Nanana ireo “silany” mahaforona ny piozila (fitambarana mahaforona sary) aho nefa tsy mbola ao ny “sary” hatambatra. Kanefa, arakaraka ny nianarako niaraka tamin’ny dadatoako, no nahitako fa nanana ny toerany ny tsirairay avy tamin’ny silany ary tsy nisy na dia iray aza tsy nilaina. Farany, tamin’ny 1935, dia nanaiky koa izay nianarako aho ary tsy ela aho dia natao batisa.
Takatro tamin’izay fa hanana fiolahana vaovao ny fiainako. Nilaiko tokoa ny nandany fotoana bebe kokoa hanompoana an’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy, sady nikarakara izay nilain’ny fianakaviako izay nitatra. Naniry foana ny ho injeniera tsara aho, nefa fantatro hatramin’izay fa hahafapo kokoa ny fiainako raha nanompo an’i Jehovah aho. Tetsy ankilany dia tsy maintsy nikarakara ny raharahako aho. Arakaraka ny nianarako ny Baiboly no nahatakarako fa hatreo dia nametraka ny fangady tarihina teo anoloan’ny omby aho. Nilaiko aloha ny nanompo an’i Jehovah, avy eo ireo zavatra hafa rehetra (ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana) dia hanampy ho ahy (Matio 6:33). Ary izany marina no nitranga.
Mialoha ny zavatra rehetra ny asan’i Jehovah
Rehefa tonga ny fahasahiranana mafy tamin’ny 1929 dia nanana fiantohan-draharaha niroborobo aho. Tamin’izany anefa aho dia tsy afaka nandoa ny karaman’ny mpitsabo ka voatery nandefa azy. Taty aoriana, rehefa niantomboka nahazo vahana indray ny toe-karena dia namaly antso fanolorana nety hanome ahy ny asa ilaina rehetra mba hampody ahy amin’ny toerako taloha aho. Kanefa injeniera maro hafa koa no nifaninana ho amin’izany.
Izany dia fandaharana momba ny trano hitoerana izay nanehoan’ny fitondram-panjakana fepetra isan-karazany. Ny anankiray tamin’izy ireny dia nitaky ny hananan’ireo trano tafo marin-tampona vita amin’ny betao nofefen’ny arofanina. Kanefa fantatro fa raha tsy nisy fitandremana sasany manokana noraisina, dia hitriatra ny arofanina amin’ny zorony (izay marihina fa efa nitranga sahady tamin’ireo fandaharam-panorenana sivy amby telopolo hafa izay reko noresahina), ary satria io tafo vita amin’ny betao mitokana io, nohafanaina tamin’ny ririnina, dia hifandray amin’ilay arofanina izay hangatsiaka foana. Nahamarika io antsipirian-javatra io ilay mpanao mari-trano ary dia nangataka ahy hiandraikitra ilay asa. Tsy nampoiziko loatra fa ny fanapahan-kevitro hametraka ny asan’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany dia ho voasedra tsy ho ela.
Tamin’izany fotoana izany tokoa, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia lasibatra noho ny fankahalana lehibe satria izy ireo nijanona nialanalana ara-politika ary nitory ampahibemaso ny Tenin’Andriamanitra. Ny onjam-pisamborana dia namely mafy, indrindra tao New Jersey izay nonenako.
Indray alarobia, dia nanana fotoam-bita tany Washington aho ho fanomanana io fanekena io. Kanefa ny zoma talohan’izay, tany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia nisy taratasy avy amin’ny Fikambanana Watchtower novakina izay nanasa ny kongregasiona rehetra tao amin’ny faritany mba hamaly ireo fisamborana tsy ara-dalàna nampiharina tamin’ireo rahalahiny.
Nangatahina izahay ny alahadin’io (izany hoe telo andro talohan’ny fotoam-bitako) hanao fitsidihana amim-pihavanana ireo mponina tao amin’ny sasantsasany amin’ireo tanànan’i New Jersey mba hamelabelatra ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha maro no nanohana ireny fandehanana amin’antokony ireny, araka izay niantsoana azy, dia hisy fanambarana tsara ho vokatr’izany. Kanefa dia nety ho nandany 120 andro any an-tranomaizina izahay. Ho ahy, raha natao an-tranomaizina a ho, dia azoko antoka fa tsy ho vita ilay fifanarahan-draharaha nilaiko aoka izany. Nefa rehefa avy nivavaka tamin’i Jehovah mba hitarika ahy aho dia nirotsaka tamin’ny fandraisana anjara amin’io asa manokana io. Nalefa talohan’ny zavatra rehetra ny asan’i Jehovah.
Raha namakivaky ny faritany nomena anay izahay, dia nanontany anay tamin’ny fomba nitratrevatreva ny pôlisy anankiray: “Inona no ataonareo eto?”, hoy ny nanontaniany anay. Niaraka tamin’izay dia nisy fihetseham-po hafahafa nibosesika tao amiko. “Veloma ry asako! Hoy ny teniko anakampo. Nefa hikarakara ahy Jehovah.” Tsitapitapitr’izay ny anabavy anankiray tao anaty fiarakodia dia nanontany an’ilay pôlisy mba hanondroany azy ny fivarotan-dasantsy akaiky indrindra, satria mila ny handeha any amin’ny trano fivoahana izy.
“Vao avy nandalo anankiray ianao”, hoy ny navaliny.
“Tamin’izay fotoana izay dia tsy mbola nila aho!, hoy ny famalin’ilay anabavy.
Nandeha tany amin’ilay fivarotan-dasantsy àry izahay. Rehefa tafaverina izahay, nino fa ho voasambotra, dia akory ny fahagaganay fa tsy hita intsony ilay pôlisy. Tsy nisy fisamborana àry. Noho izany dia nahomby tamin’ilay raharahako aho.
Mpitory manontolo andro
Nahatsiaro ho nanana faniriana nirehitra ny hanokana fotoana bebe kokoa ho an’ny asa fitoriana sy fampianarana aho. Noho izany, rehefa nampiditra indray ireo mpiasa tao amiko aho taorian’ilay fahasahiranana mafy dia nangataka tamin’izy ireo mba ho tonga mpiombona antoka amiko. Nahoana angaha hoy ianao? Satria izany dia hamela ahy tsy handany afa-tsy telo andro isan-kerinandro tany amin’ny birao sy hahafahako hanokana ireo andro hafa amin’ny fitoriana sy ny fampianarana ny Baiboly.
“Ho lasa handeha hitory foana ianao, hoy izy ireo tamiko. Tsy ho hitanay mihitsy ianao!” Nilaza marimarina tamin’izy ireo aho fa ho avy any amin’ny birao araka ny nampanantenaiko. Nanaiky àry izy ireo. Na manao ahoana na manao ahoana dia nila io asa io izy ireo. Taty aoriana dia naka mpiombona antoka hafa aho mba tsy handaniako afa-tsy roa andro fotsiny tany amin’ny birao.
Namelona tao am-poko ho zava-kendrena ny ho tonga mpitory maharitra (mpitory manontolo andro) alohan’ireo zanako aho. Raha ny marina, ireo zanako efatra dia nandray anjara tamin’io asa io; ny roa tamin’ireo zanako vavy aza dia nanompo tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maromaro. Dimy ambin’ny folo taona ny zanako farany raha nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra aho.
Ny fanompoana tany amin’ireo faritany izay nilàna izany bebe kokoa
Tokony ho tamin’ny fotoana izay nahatongavako ho mpitory maharitra dia nangataka tamin’ny Fikambanana watchtower aho mba hanondro ahy ny toerana ilàna mpitory ilay Fanjakana betsaka indrindra. Notarihina ho any Stroudsburg, any Pensylvannie izahay mianakavy, tanàna somary akaikin’ny toeram-piasako mba hahafahako mandany roa andro any New York sy manokana ny sisa amin’ny herinandro ho an’ny fitoriana. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona valo tao East Stroudsburg rah niorim-ponenana tao izahay. Roapolo taona taty aoriana, dia nahitana kongregasiona niroborobo voaforon’ireo nanananay tombontsoa nampiana ho tonga kristiana amin’ny ankabeazany tao.
Rehefa niorina tsara io fitambaran’olona io ka tsy nila intsony ny fanampianay, dia takatray fa tonga ny fotoana hitadiavana sahan’asa vaovao izay mahamaika kokoa ny ilàna mpitory. Nanipy hevitra taminay ny amin’ny faritany iray akaikin’i New York, dia i Hackettstown, any New Jersey, ny Fandaminana. Tsy ela taorian’izay, dia nisy kongregasiona voalohany, avy eo faharoa, niforona tao.
Indray andro, tao amin’io tanàna io, ny lehilahy iray izay nitononako dia nanontany ahy hoe: “Aiza isika ho hipetraka, ato anatiny sa ao ivelany?” Azonao alaina sary an-tsaina ny fahatairako. Fantatro, fa taloha kelin’izay, tany Californie, dia niresaka tamin’ny anabavy anankiray nandritra ny ora maromaro izy. Vao voalohany tamin’izay no nandrenesany ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilay anabavy izay faly be noho ny fahalianana nasehony dia nangataka taminy hoe: “Rehefa mody any aminao ianao, nahoana no tsy mihaino ny Vavolombelona tonga hitsidika anao?”
“Ninoako àry fa nandefa anao izy”, hoy ny fanazavan’ilay lehilahy. Raha ny marina dia kisendrasendra fotsiny no naha-teo ahy, nandritra ny fitoriako mahazatra isan-trano. Ankehitriny io lehilahy io dia loholona ao amin’ny kongregasionany. Ny vadiny sy ireo zanany vavy roa kosa dia mpitory maharitra.
Injeniera amin’ny fiderana an’i Jehovah
Teo amin’ny faran’ireo taona telopolo, Joseph Rutherford, izay prezidàn’ny Fikambanana watch Tower tamin’izany fotoana izany dia nangataka ahy mba hanao ny planin’ny trano iray izay mety hampiasaina mba hialofan’ny mpianakavin’ny Betela raha ohatra ka hitarika ny famindrana azy ny fanenjehana mahery vaika iray. Tsy noeritreretinay velively fa io trano tany Ithaca, tao amin’ny Fanjakan’i New York, io, aty aoriana. dia hialofan’ny Sekolin’i Gileada, sekoly izay ny zava-kendreny dia ny hampiofana misionera hanatanteraka ny asa fanompoany any an-tany hafa.
Mba hanatrehana ireo fanafarana tsy mitsaha-mitombo an’ireo zavatra vita an-tsoratra araka ny Baiboly dia nilaina foana ny hanitarana ireo fanontam-pirintin’ny Fikambanana watchtower. Noho izany, tamin’ny 1950, dia nisy trano fanampin’ny Betela naorina ary fanontam-pirinty vaovao natokana ho amin’ny famoahana Baiboly sy boky araka ny Baiboly. Nanana tombontsoa tamin’ny famoronana planin’ireo trano roa ireo aho. Kanefa tsy ho voafetra amin’ireo tranon’ny Fikambanana tany Brooklyn fotsiny ny fanitarana. Tapaka ny hampiasana ihany koa, tanin’ny Fandaminana teo akaikin’ny toeram-piompiany, any avaratra kokoan’ny Fanjakan’i New York. Avy eo koa, dia natolotra ahy ny fandraisana anjara amin’ny famolavolana ny planin’ireo fanorenana ireo.
Tamin’ny 1972, taorian’ny roapolo taona lany tamin’ny asan’ny mpitory maharitra, dia niharatsy ny fahasalaman’ny vadiko, hany ka sahirana izy niteny sy namindra. Voatery niala tamin’ny asan’ny mpitory maharitra àry aho. Na izany aza, dia tsy niova ny zava-kendrena teo amin’ny fiainako: hanompo an’i Jehovah Andriamanitra mandrakizay. Miezaka mandray anjara isan’andro amin’ny asa fitoriana aho. Ankehitriny, amin’ny faharoa amby valopolo taonako, dia mbola saika salama tsara foana aho.
Ny lazan’izao tontolo izao mifanohitra amin’ny fiderana an’i Jehovah
Mifanohitra amin’izay natahoran’ireo mpiombona antoka tamiko dia tsy nanimba ny asako ny nametrahako ny tombontsoan’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany. Marina tokoa fa nomena ahy ny fahafahana nandray anjara tamin’ny famoronana planin’ny tsangambato lehibe maro fanta-daza toy ny “Porte de l’Ouest” (“Gateway Arch”) any Saint Louis, any Missouri, ny Lapan’ny Tanànan’i Toronto, ny Madison Square Garden any New York ary trano lehibe maro hafa koa, na tany Etazonia izay na tany an-tany hafa. Kanefa tsy nikatsaka voninahitra tamin’ny asako maha-injeniera ahy aho fa takatro fa ara-panahy ny tena voninahitra (Filipiana 3:7, 8). Fa raha ny amin’ireo talenta vitsivitsy izay mety hananantsika, dia azontsika izy ireny satria ny Mpamorona antsika lehibe nanao antsika araka ny endriny.—Genesisy 1:26, 27.
Ho foana tsy nisy heviny aoka izany ny fiainako raha nijanona ho tsy mpino an’Andriamanitra aho! Izany tokoa no voasoratra ao amin’ny Salamo 14:1 (MN): “Ny adala manao anakampo hoe: ‘Tsy misy Jehovah.” Mahatsiaro fahasambarana lalina aho notarihina ho amin’ny zava-kendrena mendrika io anarana io, izay manome fahafahampo sy fiainana mandrakizay. Ary raha mamita amim-pahatokiana ny fiainako eto an-tany aho, dia fantatro fa hahita ny Mpamorona mifanatrika aho, kanefa nisalasala ny amin’ny fisiany fahiny.
[Teny notsongaina, pejy 14]
‘Ny Andriamanitra fitiavana iray dia tsy afaka hampijaly ireo fanahy any amin’ny afobe’, hoy ny nohazavainy taminay. Voatery milaza aho fa nahatsiaro ho voasintona ho amin’io Andriamanitra io.
[Teny notsongaina, pejy 15]
Mifanohitra amin’izay natahoran’ireo mpiombona antoka tamiko, dia tsy nanimba ny asako ny nametrahako ny tombontsoan’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany.