Miharihary fa “tanteraka” ilay “fatorana mampiray”, dia ny fitiavana
1. Mahay manamboatra inona moa Jehovah, ary amin’ny heviny ahoana ny fianakaviana rehetra no mahazo anarana avy aminy?
JEHOVAH, ilay Andriamanitra Tsitoha, dia mahay manamboatra “fatorana mampiray” izay mety haharitra foana. Na dia eto an-tany aza, dia mety ho mafy tokoa ny fatoram-pianakaviana. Lazaina momba an’i Jehovah Andriamanitra anefa fa izy no “Ray, Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana”. (Efesiana 3:14, 15.) Hatramin’ny safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa patriarka, dia avy amin’io lehilahy nahatoky io izay nankasitrahan’Andriamanitra sy noheveriny fa mendrika ny ho tafita velona miaraka amin’ny ankohonany tamin’io safodrano io izay nitelina an’izao tontolo izao. Noho izany antony izany, dia noho Noa no nahazoan’ny fianakaviana tsirairay eto an-tany anarana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia noho izy no mahavelona azy ka noho izany dia ahafahany mitondra anarana. Taloha, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanome anarana ho an’ny olona sasany teto an-tany, nefa tsy nanome anarana mivantana ho an’ireo fianakavian’olombelona ny tenany. Nefa, raha tsy nisy azy Mpamorona ny aina eo amin’izao rehetra izao, dia tsy ho afaka ny ho tonga eo amin’ny fahavelomana mihitsy izy ireny ka hitondra anarana. — Genesisy 5:1, 2, 32.
2. Ahoana moa no nahatongavan’izay nikomy tamin’ny fianakavian’Andriamanitra ho rain’ny fianakaviana iray, ary inona no fanontaniana mety raha apetraka amin’ny tena?
2 Nisaraka tamin’ny fianakavian’ny Ray any an-danitra eo amin’izao rehetra izao ny olombelona. Ny nanosika azy ireny hanao izany dia zavaboary iray mahery noho ny olombelona izay nikomy tamin’ny anjely fianakavian’Andriamanitra tany an-danitra, dia mpikomy nantsoina taty aoriana hoe Satana Devoly. Tamin’ny fanangonana ireo mpiandany taminy nanodidina azy tany an-danitra, Satana dia azo lazaina hoe tonga ray, nefa tsy ny fitiavana akory no mampiray ny mpianakaviny. Indray mandeha, Jesosy Kristy, ilay nalaza indrindra tamin’ny mpianakavin’i Jehovah nahatoky teo amin’izao rehetra izao, dia nanambara toy izao tamin’ireo fahavalony jiosy: “Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty (...). Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao (Jaona 8:42, 44). Amin’izany, ny tsirairay avy dia afaka manontany tena toy izao ankehitriny: Araka an’io toetra mampiavaka io, iza moa no ‘rainao’?
3. Tamin’ny ahoana moa no niova ny toeran’i Satana nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany? Vavaka inona moa no tokony hovaliana indrindra ho an’izay rehetra mifikitra amim-pahatokiana amin’ny fandaminan’Andriamanitra?
3 Taorian’ny nikomiany, Satana Devoly dia noroahina tsy ho eo amin’ny fianakavian’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Taty aoriana, ireo demonia izay teo ambany fahefan’izy rainy dia nanao toy izany koa. Tao amin’ny saha Edena, Satana dia niseho tamin’ny olombelona tamin’ny naha-Mpaka fanahy ary, na dia taorian’izany aza, dia azony natao ny nivezivezy tetsy sy teroa teto an-tany mba hampiely hevitra tao anatin’ny faharatsiany sy ny fanoherany ny fahamarinana (Joba 1:7; 2:2). Nefa amin’izao andro izao, hatramin’ny nitrangan’ilay “ady” voalaza mialoha taorian’ny nahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra indrindra, izany hoe taorian’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” tamin’ny 1914 indrindra, Satana Devoly sy ireo demoniany dia noroahina avy any an-danitra sy nazera ho ety akaikin’ny tany. Hatramin’izay, ny fifampikasohana mivantana amin’ireo anjely any an-danitra rehetra dia nandrarana azy tsy hatao. Tsy ho afaka hiditra any an-danitra misy anjely intsony mihitsy izy ireny. Takatsika àry ny haromotan’i Satana rehetra rehefa mamely ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao sy ireo mpikambana mahatoky ao (Apokalypsy 12:1-12; Lioka 21:24, MN). Ankehitriny àry, tsy mbola nisy toy izany mihitsy, no tokony hovaliana ny vavaka voasoratra ao amin’ny Kolosiana 1:2 nataon’ny apostoly Paoly tamim-pitiavana ho an’ireo eto an-tany izay mifikitra amim-pahatokiana hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah. Toy izao izany: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika.” Io vavaka io izay mangataka ny hanjakan’ny fiadanana eo amin’ireo kristiana dia tsy mety ho voavaly raha tsy miray saina izy ireo. Ny fiadanana dia mitaky fifandrindrana eo anivon’ny fandaminana hita mason’ilay Andriamanitra manome fiadanana; mitaky fifanarahana eo amin’ireo mpikambana ao aminy izany.
4. Afaka ny ho velom-pankasitrahana ny Andriamaniny noho ny inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tokony hanohy handeha ao amin’inona izy ireo?
4 Noho ny fahatsapany fa ny fandaminany dia miavaka amin’ny firaisan-tsainy sy ny fiadanana aterak’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka manahaka ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Kolosia izay namporisihana mba ‘hisaotra ny Ray, Izay nampahamendrika azy ireo hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava’. (Kolosiana 1:12.) Ilaina ny h anohizantsika handeha ao anatin’ny fahazavana mitombo, ary amin’izao “andro farany” amin’ny fandehan-javatra ankehitriny izao dia ilaina ny hanaovana fiezahana manokana mba hahatonga ho “mendrika” foana ny hahazo fahazavana mitombo sy ny loza, na inona izany na inona, izay homena antsika ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao. — II Timoty 3:1.
Tafaray ho ‘andiany iray ihany’
5. Avy aiza moa ny Vavolombelon’i Jehovah na dia ao aza ny antony mety hampisaraka rehetra, nefa nahoana no tafaray hatrany ny “andiany iray” tarihin’ny “mpiandry iray ihany”?
5 Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia nalaina avy amin’ny fianakavian’olombelona betsaka lavitra tsy toy ny tamin’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Izy ireny àry dia olona avy amin’ny firazanana rehetra, ny volon-koditra rehetra. Izany zava-misy izany izay mendrika ny homarihina dia mety ho antony mampisaraka eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy izany ho hita. Miaiky izy ireny fa, na inona na inona firazanany, volon-kodiny, fiteniny, fireneny na laharany ara-tsosialy, dia iray ihany ny loharano nahazoany ny fahavelomana sy anovozany ny fahazavan’ny fahamarinana. Amin’izy ireny, amin’izao andro izao dia mbola misy sisa amin’ny kristiana nateraky ny fanahy izay manana fanantenana ny ho any an-danitra, eo anilan’ny “olona betsaka” kristiana nantsoin’i Jesosy Kristy Mpiandry tsara hoe ‘ondriny hafa’. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9-17; Matio 25:31-46.) Tsy niharihary fa diso akory ny faminanian’i Jesosy Kristy efa hatramin’ny ela; nilaza toy izao anefa io faminaniana io: “Ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” Nasehon’ilay Mpiandry tsara ny fahaizany lehibe dia lehibe mba hanaovana izay hahatonga ny mpianany rehetra, ny ‘ondriny’ izay tia fiadanana, ho ‘andiany iray ihany’ foana na dia tsy mitovy aza ny fanantenana. Tafaray daholo izy rehetra ka tia ny ‘Mpiandry iray ihany’ izay, noho ny fitiavana, dia nanolotra ny ain’olombelona nananany ho azy rehetra ireo, ary tsy mivadika aminy hatrany ireo.
6. Nahoana moa ireo anisan’ny sisa manana fanantenana ny ho any an-danitra no tsy nifady ny fampitana tamin’ny “ondry hafa” ireo fahamarinana araka ny Baiboly nahakasika azy ireo?
6 Ny “fahamarinana” araka ny Baiboly tian’ny ondry rehetra aoka izany amin’izao andro izao dia manome toerana lehibe ho an’ny paradisa, dia fanantenana velomin’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay tsy mitsahatra ny mitombo. Noho izany antony izany, ireo anisan’ny sisa ara-panahy izay tia ny “fahamarinana” feno ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy be fialonana ka hitana ho azy ireo ihany izay rehetra mety hahasoa an’ireny “ondry hafa” ireny. Mifanohitra amin’izany, amim-pitiavana, dia nampahafantariny naneran-tany izany fanantenana mahatalanjona ny ho eto an-tany izany, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1935. Fantatr’ireo anisan’izany sisa izany fa ankehitriny izy dia miaina amin’ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.” (Asa. 3:21.) Ho azy ireo, ny fanambarana izany fahamarinana izany dia anisan’ny lovany, “lovan’ny olona masina ao amin’ny fahazavana”. Raha vao teo am-piandohan’ny nivoahany tamin’ny jolay 1879, Ny Tilikambo Fiambenana dia natao fiasan’Andriamanitra mba hamelomana indray io fanantenana kanto ny amin’ny paradisa atolotra ny olona navotana rehetra io. Ny zavatra voasoratra hafa navoakan’ny Fikambanana Watch Tower dia miara-manamarina sy manamafy an’io fanantenana io, loharanon’ny fifaliana lehibe dia lehibe ho an’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay mba maneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany ireo anisan’izany sisa izany kosa.
7. Tamin’ny 1935, fanantenana inona, hafa noho ny azy, moa no nampahafantarin’ny sisa voahosotra tamim-pitiavana, ary nahoana no navelany hatao batisa ny kristiana nanana izany fanantenana izany?
7 Hatreo amin’ny lohataonan’ny 1935, ny vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah sy vita batisa dia namelona finoana marina ny “fanantenana iray” natolotra azy ireo ao amin’ny Efesiana 4:4-6 izay amakiantsika toy izao: “Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra”. Nefa tamin’io taona nanan-tantara tamin’ny 1935 io, tao amin’ny fivoriambe tany Washington, ny “vahoaka maro be” voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17 (Fandikan-teny Synodale) dia fantatra ho ny “ondry hafa” an’ilay Mpiandry tsara resahina ao amin’ny Jaona 10:16. Ny sisa nitafy hosotra, nifikitra mafy tamin’ny “fanantenana iray”, dia fanantenana mbola manan-kery foana, dia mifaly be dia be mandray izany fanazavana mitombo ny amin’ny Soratra Masina izany ka mikely aina amin’ny fo rehetra hanangona ireny “ondry hafa” ireny. Ireo anisan’ny sisa dia tsy nahatsapa hoe ny “ondry hafa” dia nisalovana tamin’ny ‘batisa iray’ tamin’ny filatsahana mba hatao batisa koa tao amin’ny rano, satria, sahala amin’ny azy ireo, ny batisan’ny “ondry hafa” dia mariky ny fanolorana ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. Ny fitiavana izay notafiny dia nitatra izao ka nitarika azy ireny handray ny ‘ondry hafan’ilay’ hany Mpiandry azy ireo.
8. Inona moa no fitiavana teo amin’olona roa teo amin’ny Israely fahiny, azo ampitahaina amin’izay misy eo amin’ireo kilasy roa amin’ny “andiany iray”?
8 Ny “ondry” amin’ilay “andiany iray” tarihin’i Jesosy Kristy, ilay Davida Lehibe, dia nampitombo sy nanamafy ny fifankatiavan’izy ireo. Izany fatorana mampiray izany dia azo ampitahaina amin’ny fitiavana tsy azo ravana sy tsy mety simba nananan’i Davida, avy amin’ny fokon’i Joda, voahosotra mba ho tonga mpanjaka, tamin’ilay sakaizany tsy nitady tombontsoa ho an’ny tenany, dia Jonatana, zanak’i Saoly mpanjaka teo amin’ny fiandrianana (II Samoela 1:25-27). Taloha kelin’ny fisarahan’izy ireo tanteraka, “Jonatana (dia) nampianiana an’i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy”. (I Samoela 20:17.) Rehefa reny ny nahafatesan’i Jonatana sy ny rainy tany an’ady, dia namorona hira mampiseho alahelo Davida, ka nilaza toy izao ny tonony navesa-danja indrindra: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.” (II Samoela 1:26). Ny fitiavan’izy ireo nifamaly dia ‘fatorana nampiray tanteraka’. Ny fahafatesana ihany no nampisaraka azy ireo.
9. Iza moa no tandindon’ny “ondry hafa”, ary ahoana no hahatafasaraka an’ireo kilasy roa amin’ny farany nefa tsy hihena ny fifankatiavan’izy ireo?
9 Jonatana dia tandindon’ny “ondry hafa” amin’izao andro izao. Indray andro ho avy any, aorian’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Hara-Magedona, ny kilasin’i Jonatana izay ho tafita velona amin’io ady io, dia ho tafasaraka amin’ny sisa amin’ny kilasin’i Davida (Apokalypsy 16:14, 16). Ny hahatonga izany fotsiny dia satria ireo anisan’ny sisa malala dia hoentina amin’ny alalan’ny fahafatesana. Ho toy ny hoe “hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny tompo any amin’ny habakabaka” izy ireny, ary izany dia amin’ny fananganana azy avy hatrany ao amin’ny fanahy (esprit) (I Tesaloniana 4:17). Mbola ho tia an’ireo “ondry hafa” ho navelany eto an-tany ihany anefa izy ireo. Raha ny marina, dia haneho ny fitiavany azy ireo amin’ny fomba mbola mahery kokoa ihany izy.
“Ny fitiavana no lehibe”
10, 11. Nahoana moa no milaza ny 1 Korintiana 13:13 fa tsy lehibe toy ny fitiavana ny finoana sy ny fanantenana?
10 Izany dia mampahatsiahy antsika ny teny namaranan’i Paoly ny filazalazany mahafinaritra ny amin’ny fitiavana, izay hita ao amin’ny I Korintiana toko 13. Toy izao izany: “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” (I Korintiana 13:13). Ahoana izany? Aoka hojerentsika aloha izay lazain’ny Hebreo 11:1 hoe: “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” Raiso ny ohatra ny amin’i Abrahama. Nasehony ny finoany an’i Jehovah Andriamanitra sy ny heriny hanangana ny maty. Nandrasany tamim-pahatokiana ny zavatra izay tsy hitany tamin’ny farany. Toy izany koa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho ny finoana lalina an’Andriamanitra, dia manantena zavatra mbola tsy hitany izy ireo; miandry izy. Amin’ny fotoana mety, rehefa ela ny ela ka ho hitany ‘ny zavatra antenainy’, ny finoany sy ny fanantenany ny amin’izany dia hitsahatra satria hanjary ho zavatra tena izy. Izany no asehon’i Paoly rehefa nanoratra toy izao izy ao amin’ny Romana 8:24, 25:
11 “Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany? Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.”
12. Amin’ny heviny ahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no nahita “ny fampodiana ny zavatra rehetra” resahina ao amin’ny Asa. 3:21? Araka ny fandehan’ny fotoana, dia zavatra inona avy no hitsahatra, nefa kosa toetra tsara inona no haharitra?
12 Toy izany koa, nanomboka tamin’ny 1919, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahita teto an-tany “ny fanarenana ny zavatra rehetra noresahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny masina taloha”. Hitany ny fandaminana hita mason’i Jehovah tafarina avy amin’ny famelezana mahafatin’ny Ady Lehibe Voalohany sy voaorina indray. Nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra indray tao anatin’ny paradisa ara-panahy teto an-tany izy (Isaia toko 35). Nafahana tamin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izy (Apokalypsy 18:1-4). Faminaniana maro be ao amin’ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, no tanteraka na eo an-dalam-pahatanterahana. Araka izany, ny finoana sy ny fanantenana mifototra amin’ny zavatra inoana araka ny Baiboly dia manatratra ny tarigetrany ka rehefa ho nahatratra ny zava-kendreny izy ireo dia samy hitsahatra. Nefa toy izany koa ve ny fitiavana? Tsia, mitoetra izy ary hitoetra mandrakizay. Raha madiva ho montsamontsana izao tontolo izao ankehitriny ary efa ho levona ny zavatra mahaforona azy noho ny hafanana mihoapampana, dia tsy tapaka ny “fatorana mampiray” miorina amin’ny fitiavana avy amin’Andriamanitra. Hita fa tsy nahasimbana izany fitiavana an’Andriamanitra sy ny fandaminana ankasitrahany izany, nefa koa ny fitiavana mampiray ny sisa amin’ny “ondry vitsy” sy ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” izay raisiny amin-kafanam-po. Miharihary fa “tanteraka” izy io. Ny fitiavana amin’ny maha-“fatorana” dia vokatry ny fanahin’Andriamanitra.
13. Nahoana moa no tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana?
13 Fampisehoana velona ny fitiavana mihitsy Andriamanitra, ary noho izy tsy mety maty, dia tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana. Tena ara-drariny tokoa no ilazana hoe: “Andriamanitra, dia fitiavana.”
14. Inona moa no fahamarinana azo averina raha ny amin’ny hery mampirain’ny fitiavana?
14 Raha ny amin’ny hery mampirain’ny fitiavana, dia azo atao ny mamerimberina sy manitatra izao fahamarinana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny I Jaona 4:8, 16 izao: “Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.”
15. Inona moa no antony nanosika an’Andriamanitra fony izy namorona ny olombelona, ary nahoana ny olona no afaka ny ho velom-pankasitrahana noho izany ka hamaly ho vokany?
15 Ny fitiavana àry no nanosika an’Andriamanitra hamorona ny olombelona voalohany teto an-tany. Milaza toy izao ny Genesisy 1:27 ny amin’izany famoronana izany: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Tsy hoe satria ny lehilahy voalohany dia nahazo tena nanana bika azo nampitahaina tamin’ny an’Andriamanitra, fa ny Mpamorona azy dia nanome azy toetra nananan’ny tenany, dia toetra ara-tsaina sy ara-panahy ary toe-po izay nampiavaka ny olombelona tamin’ireo zavaboary ambany eto an-tany. Io zavaboary olombelona io àry, nomena be toy izany, dia afaka nankamamy ny fitiavan’ny Mpamorona azy sy nandray tamin’ny fomba tsara izany fitiavana izany, toy ny zanaka amin’ny rainy. Teo amin’izy ireo dia nisy fatoram-pianakaviana izay niseho tamin’ny fifampiresahana tsy tapaka na dia tsy hitan’ny mason’ny zanany teto an-tany aza ilay Ray, satria tsy misy mihitsy olona afaka mahita an’Andriamanitra ka mbola velona ihany. Taty aoriana dia notononin’i Jehovah tamin’i Mosesy izany fahamarinana izany tamin’ny filazana taminy hoe: “Tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.” (Eksodosy 33:20). Tsy niova hatrany io fitsipika io, satria rehetra afaka taonjato dimy ambin’ny folo taty aoriana, dia nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny kristiana ny apostoly Jaona: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy.” — Jaona 1:18.
16. Ahoana no namalian’ny apostoly Jaona sy ny mpianatra hafa ny fitiavan-dray nasehon’Andriamanitra, ary ahoana no nihariharian’ny “fatorana mampiray” ho tanteraka, na ho an’ny sisa voahosotra na ho an’ny “ondry hafa”?
16 Noho izy zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy, ny apostoly Jaona dia nitana ny fifandraisam-pianakaviana tamin’i Jehovah sy Jesosy Kristy, “ilay andriamanitra zanakalahy tokana”. Jaona sy ireo rahalahiny kristiana dia namaly ny firaiketam-pon-dray nasehon’Andriamanitra tamin’ny fanehoana taminy fitiavan’ny zanaka, ho valiny. Izany fitiavana izany dia ‘fatorana nampiray’ azy ireo sy ny Rainy any an-danitra tsy hita maso. Nohamafisiny koa ny firaisan-tsaina nisy teo amin’ireny nateraky ny fanahy ireny izay zanaka ara-panahin’Andriamanitra, nefa koa mpirahalahy sy mpianadahy kristiana. Tsapantsika amin’izao andro izao fa izany “fatorana mampiray izany dia niharihary fa “tanteraka”, satria ireo anisan’ny sisa voahosotra dia mifamatotra tsy misaraka amin’ny maha-mpivavaka sy vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra. Izany fitiavana izany dia miaro azy ireny ao anatin’ny fianakavian’Andriamanitra sy ny fikambanana kristiana. Mety koa ny hanamarihana fa ireo mpivavaka hafa ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, ireo rahalahiny anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’i Kristy, dia maneho fitiavana tsy hay ravana toy izany izay mampiray tanteraka tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Enga anie isika ho afaka hanana toky lalina sahala amin’ny apostoly Paoly izay niaiky fa “na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”! — Romana 8:38, 39.
Ahoana no havalinao?
□ Amin’ny heviny ahoana moa no hoe ahazoan’ny fianakaviana rehetra ny anarany avy amin’Andriamanitra?
□ Amin’ny ahoana izany no mahakasika ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana?
□ Tandindon’iza moa Jonatana?
□ Nahoana moa ny fitiavana no lehibe noho ny finoana sy ny fanantenana?
□ Ahoana no ampiraisan’ny fitiavana antsika amin’Andriamanitra?