FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/4 p. 14-15
  • “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Mitahy ny mpihazona tsy fivadihana any Chypre Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Mikarakara Antsika Foana i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/4 p. 14-15

“Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao”

NANOME toky an’i Jeremia tanora Jehovah Mpanjaka Tompo fa hanao azy ho “tanàna mimanda, sy andry vy, ary manda varahina” amin’izay rehetra mitady hanimba azy. Amin’izao andro izao koa, Andriamanitra dia manome antoka toy izany, ho antsika Vavolombelon’i Jehovah. Eny, azo antoka fa, eo ambany fitarihan’i Satana, dia ‘hiady amintsika ireny’, fa tsy hahaleo. “Momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” — Jeremia 1:18, 19.

Any amin’ireo vohitra mitokan’ireo nosy Salomon, dia amin’ny fanaovana vy very ny ainy no idiran’ny vahiny, indrindra moa fa raha hoe hitondra fivavahana vaovao izy ireo. Izany no nampianarin’ny fanandraman-javatra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah roa mpitory maharitra manokana. Misy tantsaha miseho ho mandrahona manambana azy ireo amin’ny tsipìkany. Nahazo baiko hitifitra izy ireo. Nihahenjana ny toe-javatra, raha nisalovana tampoka ny lahiantitra iray, tamin’ny filazana hoe: “Hitsidika ahy ireo, fa aza manisy ratsy azy.” Teo anatrehan’ny fahagagan’ny mponina, no nitarihany azy ireo ho any aminy. Nandre firesahana ny amin’ny Vavolombelona io lehilahy io; nandray ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany àry izy ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Avy hatrany izy dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana. Amin’izao fotoana izao, dia azon’ny Vavolombelona atao ny mitory amim-pahalalahana tanteraka ao amin’io faritra io, velom-pankasitrahana noho ny fanafahana voalohany nataon’i Jehovah.

Maro no nafahana satria fantatra ho Vavolombelon’i Jehovah. Koa satria mitory isan-trano izy ireo, ny olona dia manjary mahafantatra azy ireo sy ny fahitan’izy ireo ny raharaha miseho ankehitriny. Tao amin’ny tanàna kely iray tany Pérou, dia nisy mpampihorohoro niampanga ny mponina ho namadika azy ireo. Nangoniny avokoa ireo lehilahy ary nalahany hotifirina. (Tamin’ny fitrangan-javatra nitovy tamin’izany, no nandringanana mponin’ny vohitra manontolo.) Kanefa tamin’izay fotoana izay, ny iray tamin’ireo mpampihorohoro no nahafantatra Vavolombelona iray ary nilaza tamin’ny mpandringana hoe: “Tsy isan’ireo ity lehilahy ity. Fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka ireny olona ireny tsy mba mitsabaka amin’ny politika.” Nafahana ilay rahalahy. Tsy isalasalana fa miaro ny azy Jehovah.

Araka ny filazana avy any amin’ny nosy Chypre, ny Eglizy ortodoksa grika dia mirongatra amim-pirehetana hanakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mizara taratasy mivalona manely fiampangana maro be manohitra ny Vavolombelon’i Jehovah io Eglizy io ary misakana ireo ondriny mba tsy hanao ady hevitra amin’izy ireo mihitsy. Nisy mihitsy aza teolojiana sasany naka fotoana hitsidihana olona nianatra niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanakivy azy tsy hanohy. Tany Pafo, toerana izay nandresen’i Paoly sy Barnabasy fanoherana nitovy tamin’izany fahiny, no nitrangan’ny tarehin-javatra karazan’izany (Asan’ny apostoly 13:6-12). Nandraman’ny pretra teolojiana iray noresena lahatra hampitsahatra ny fandinihana ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona telo samy hafa. Samy nangataka rahalahy iray avy izy mba hanampy azy amin’ny fiadian-kevitra amin’ilay teolojiana. Ho vokatr’izany dia samy mafana fo izao izy telo eo anilan’ireo Vavolombelona. Fa raha ny amin’ilay pretra kosa, dia nihiaka toy izao izy: ‘Tsy hiady hevitra na oviana na oviana intsony amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho!’

Tao amin’ny tanàna iray, dia nisy pretra tonga hatramin’ny fikapohana ny Vavolombelona nandritra ny fitorian’izy ireo isan-trano. Zavatra tena nahagaga, fa nisy rivo-doza namely an’io tanàna io andro vitsivitsy tatỳ aoriana ary nandrava tafontrano maro. Izao no nambaran’ny mponina sasany: ‘Nosazin’Andriamanitra isika satria nanisy ratsy ny Vavolombelon’i Jehovah ireo pretra.’ Mbola raisin’ireo olona tso-po ho ao aminy ihany ireo rahalahintsika, ao amin’io vohitra io. Indray andro raha teo am-panolorana ireo gazety faramparany tamin’ny lehilahy iray tsara fikasa ny rahalahy iray, no indro nandalo ny iray tamin’ireo pretra namely ny Vavolombelona ary nilaza tamin’ilay rahalahy mba hamela ‘ny ondriny’ hipetraka tsara. Namaly toy izao ilay lehilahy: ‘Ampy fahalehibeazana mba hahalala izay hataoko aho.’ Araka izany, dia tsy nahaleo ny Vavolombelona na tamin’ny fomba iray na tamin’ny hafa ny klerjy; nifotitra taminy ny asany, ary mitombo mandrakariva ny olona miandany amin’i Jehovah.

Tao amin’ny tanàna iray atsy Afrika afovoany rotidrotehin’ny ady, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray dia nosakanan’ny miaramila mba hanaovana ny fisavana mahazatra. Nahita hokianina tamin’ny taratasy iray nentin’ilay mpiandraikitra izy ireo; koa nentin’izy ireo tany amin’ny foiben’ny paositry ny polisy izay nikaravasiana sy nampijalijalian’ny polisy telo azy izy. Na dia tsy nisy fiampangana hanoherana azy aza ary tsy nisy fitsarana natao akory dia nohazonina nandritra ny herintaona izy. Nandritra ny enim-bolana, no nijanonany tao amin’ny fonja hipoka niaraka tamin’ny mpigadra 40. Kely dia kely aoka izany ilay efitrano ka voatery nifandimby no natory isaky ny adiny telo. Tamin’ny fotoana sisa, dia voatery mitsangana izy ireo. Nandritra ny fotoana naha-tao ilay rahalahintsika, dia mpigadra 137 no maty, ary izy no nasaina niandraikitra ny fanaovana ny vatan’izy ireny tao anaty gony mba halevina.

Nitoetra ho matanjaka ara-panahy hatrany io mpiandraikitra ny fizaran-tany io tamin’ny fandaniana fotoana betsaka nanaovana fanambarana tamin’ireo mpigadra hafa. Araka ny filazana asany, dia nandany ora 30 isam-bolana izy ary nitarika fampianarana Baiboly efatra tao am-pigadrana. Ny iray tamin’ireo lehilahy niara-nianatra taminy aza dia efa nanomboka nitory manodidina azy. Na dia teo aza ny fisedrana rehetra nihatra tamin’io rahalahy io, Jehovah dia nikarakara azy. Ity no torohevitra omen’io mpiandraikitra io: “Raha lasa any an-tranomaizina ianao, apetraho eo an-tanan’i Jehovah fotsiny ny zava-drehetra. Miantehera aminy. Matokia azy. Aza be fanahiana loatra. Mitoera ho mahatoky.”

Tao amin’ny faritra iray any Zimbabwe, dia voaroaka avy any an-tsekoliny ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nandray anjara tamin’ny fombafomba ara-politika. Tsy faly tamin’izany, ireo andian-jiolahim-boto ka nandoro ny tranon-dray aman-dreniny ary nanimba ny vokatra. Nisy fianakavian’ny Vavolombelona voatery nandositra mba hamonjy ny ainy, ka nandao ny biby fiompiny sy ny fananana hafa. Kanefa, dia nampiakarina teo amin’ny lehibe indrindra amin’ny fitsaram-panjakana ilay raharaha, ka nekeny ny hiverenan’ireny fianakaviana ireny tamin’ny tranony. Naverina taminy ny biby fiompiny, ary nandray fepetra ny fitondram-panjakana hanonitra amin’ireo rahalahy izay veriny. Ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa ny fisehoan’ny ‘fahefana lehibe’ amin’izany fomba izany ho ‘mpanompon’Andriamanitra hahatsara’. (Romana 13:1-4.) Nanome fanambarana tsara dia tsara ireny fitrangan-javatra rehetra ireny, ary maneho fahalianana mafy ny hafatr’ilay Fanjakana izao ny mponina ao amin’ilay tany. Niaiky tamim-pahamarinana toy izao ny rahalahy iray: ‘Fantatray fa azon’i Jehovah atao ny mampitranga izany karazan-toe-javatra izany mba hanaovana fanambarana ho an’ny anarany.’

Tamin’ny taom-piasana lasa, dia notahin’i Jehovah ny asa any Malawi. Any amin’ireo faritra misy mponina tena be fankahalana sisa ny Vavolombelona no ampitahorina. Izany no ahariharin’izao tatitra manaraka izao: “Manjaka ny fahatoniana, any amin’ny tapany lehibe indrindra amin’ilay tany. Kanefa tao amin’ny kongregasiona iray, dia nisy fianakaviana Vavolombelona roa nahita famelezana tamim-pahatezeran’ny fihetsiketsehan’ny tanora. Nahazo famelezana mafy tamin’ny lohany ny filoham-pianakaviana iray ka tsy nahatsiaro tena nandritra ny adiny efatra. Taorian’izany dia nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy; ny polisy nisahan-draharaha tamin’izay koa dia mbola namely azy, izy sy ireo nentina niaraka taminy. Tato aoriana kely anefa dia anjaran’ny polisy hafa indray no nisahan-draharaha. Io kosa dia tsara. Nafahany ireo rahalahy ary nampodiny tany aminy. Nisaotra an’i Jehovah noho izany fanafahana tsy nampoizina izany izy ireo. Voaporofo tato aoriana fa izany fitrangan-javatra ratsy izany dia avy tamin’ny famporisihan’ny havana akaiky sasany nanana lolom-po manokana. Nampahery ny isan’ny mpanatrika ny fahatsiarovana tamin’ity taona ity teto amin’ny taninay. Nisy 23 476 izahay. Io tarehimarika io dia mampiseho fa mbola misy olona manana fon’ny ondry tokony hampiana mba ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy eto Malawi.”

Avy any amin’ny tany iray any Eoropa Atsinanana no naharaisanay ity taratasy feno fankasitrahana ity: “Velom-pankasitrahana izahay amin’ny fahafahana mitana fifandraisana akaiky amin’ny Kolejy foibe noho ny fitaovana rehetra ampiasain’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Mamela anay hahatakatra izany fa, amin’ny alalan’ny Zanany sy ny anjely rehetra, ny Raintsika any an-danitra dia eo am-panangonana ireo ondriny amin’izao andro izao, ka afaka mitondra ny anjara kelinay amin’izany asa izany izahay. Tena tombontsoa lehibe tokoa izany. Nitahy ny fiezahanay tamin’ny fanomezana fitomboana ny Raintsika. Izany fitahiana izany dia miseho amin’ny fotoana bebe kokoa hatrany lany amin’ny fitoriana, mpitory maharitra mpanampy bebe kokoa mitory amin-jotom-po ny vaovao tsara, ary be dia be tsy mbola nisy toy izany ny fitambaran’ny boky nampindramina na nozaraina.

Avo faneno sy mazava ny anjomaran’ny Jobily amin’ny andro ankehitriny. Asehon’ny tabilao eo aloha ny fomba namalian’ny Vavolombelon’i Jehovah izany antso izany tany amin’ny faritra rehetra amin’ny tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara