Sekoly vaovao iray!
Ity lahatsoratra ity dia famintinana ireo fanamarihana farany nataon’ny prezidàn’ny fandaharana tamin’ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-82 amin’i Gileada.
HATRAMIN’NY nanombohany tamin’ny febroary 1943, ny Sekolin’i Gileada, naorin’ny Fikambanana Watchtower, dia nampiofana ho amin’ny asa misionera, minisitra kristiana 6 000 mahery. Efapolo taona mahery izao no nisian’ny misionera nirahina ho any an-tany hafa, ka tao amin’ny tany am-polony maro, dia izy ireny no voalohany nanao fanambarana feno ny amin’ilay Fanjakana. Rehefa heverina amin’izay rehetra notanterahin’i Jehovah, dia azo antoka fa mifaly ny olon’Andriamanitra mahita fahatanterahan’ny faminaniana miavaka iray.
Ao amin’ny bokiny, ao amin’ny toko faha-49, andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-12 tokoa, Isaia mpaminany dia nanambara ny fanafahana ireo olona tia ny rariny voatana ho babon’i “Babylona Lehibe”. Tamin’ny alalan’ny kilasin’ireo mpanompony voahosotra teto an-tany, Jehovah dia nampahafantatra antsika izao baiko izao: ‘Lazao amin’ny mpifatotra hoe: Mivoaha, ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dàlana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy (...). Indreo tonga avy lavitra ireto.’ Re ve io baiko io? Eny, satria ana hetsiny maro ny olona tso-po tonga avy any amin’ny faritra rehetra, niharihary ho noana ny fahamarinana, liana ny hofahanana sy hohazavain’ny Tenin’Andriamanitra, maniry ny hahita ny fanafahana ara-panahy avy ao “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:5.) Ankehitriny, eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, dia mandray soa amin’ny sakafo ara-panahy be dia be izy ireny.
Fitomboana lehibe
Tany antenatenan’ireo taona 1940, dia tany any Amerika latina sy ny ranomasin’i Antilles no anisan’ireo voalohany nandray misionera niofana tany Gileada. Koa satria vitsy dia vitsy ny mpitory, dia sarotra ny nanao fanambarana feno. Ohatra, tamin’ny 1944, rehefa tonga ireo misionera voalohany, dia 25 monja ny isan’ny mpitory tao Porto Rico, 181 monja tany Costa Rica, ary 2 431 tany Meksika. Kanefa, arakaraka ny nivoahan’ireo olona noana ny fahamarinana avy ao amin’ny fahamaizinana ara-panahy ka nikatsahan’izy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nanomboka nitory tamin-jotom-po izy ireo ka tonga mpitory maharitra ny sasany. Nanjary mendrika ny handray andraikitra hafa ireo rahalahy. Ahoana ny amin’izao andro izao? Ao Porto Rico, ny isan’ny mpitory miasa dia 21 943, izany hoe avo efatra heny noho ny ao amin’ireo tany roa ambin’ny folo any Antilles izay nanome filazana asa tamin’ny 1947. Any Costa Rica, ny isan’ny mpitory dia betsaka noho ny hita nanerana an’i Amerika afovoany, efapolo taona talohan’izay. Tamin’ny janoary teo, Meksika dia nilaza tampon’isa vaovao amin’ny mpitory maherin’ny 206 000, saika ny tontalin’ny hita naneran-tany, tany amin’ny efapolo taona lasa.
Toy izany koa any Amerika Atsimo. Tamin’ny 1947, ireo mpitory tany Argentine izay nandray ireo misionera voalohany dia 790. Amin’izao andro izao izy ireny dia 63 613, avo 26 heny noho ny tontalin’ny mpitory nanerana an’i Amerika Atsimo afa-tsy Brésil, izany hoe tany roa ambin’ny folo, efapolo taona lasa izay. Fa raha ny amin’i Brésil, rehefa nanorim-ponenana tany ireo misionera voalohany tamin’ny 1945, dia mpitory 394 monja no nandray anjara tamin’ny fanaovana fanambarana. Naharitra anefa izy ireo, ary ankehitriny i Brésil dia nihoatra ny fetra amin’ny mpitory 200 000, ka izany dia mampiseho avo 80 heny mahery noho ny isan’ny mpitory niasa tamin’ny 1947 nanerana an’i Amerika Atsimo. Nisy tany hafa koa tao amin’io kontinanta io nanamarika fitomboana isa mahagaga.
Raha todihina ny any amin’ny Farany Atsinanana, dia ananana koa ny porofon’ny fitahian’i Jehovah izay, noho ny hafatra manafaka momba ny fahamarinana, dia namoaka avy amin’ny maizina, olona an’arivony maro. Rehefa tonga tany Japon ireo misionera tamin’ny 1949, dia niaraka tamin’ny mpitory valo monja. Tao amin’ireo tany aziatika nanome filazana asa, efapolo taona lasa izay, dia 475 ny isan’ny mpitory tamin’ny fitambarany. Amin’izao andro izao, dia 116 272 izy ireny, any Japon fotsiny.
Tany Pasifika Atsimo, dia roa monja ny isan’ny sampana hatreo amin’ny 1959. Noho ny mpitory izay nifindra toerana avy any Aostralia mba hanompo ao amin’izay nilana izany indrindra ary noho ny fiezahan’ny mpitory hafa tao amin’ny kongregasiona mbamin’ny misionera vitsivitsy, dia afaka nahatratra olona an’arivony maro ny vaovao tsara tao amin’ny nosy maro. Io faritra eo amin’izao tontolo izao io dia nampiana sampana enina.
Mahavariana koa ny fitomboan’ny asa any Afrika. Ireo tany 17 nitoriana tamin’ny 1947 dia nahitana mpitory 24 896 tamin’ny fitambarany. Noho ireo misionera anefa, ny vaovao tsara dia niely haingana ary olona ana hetsiny maro no nitady an’i Jehovah sy ny rariny. Amin’izao andro izao, any Nigéria fotsiny, dia efa ho 130 000 ny isan’ny Vavolombelona manambara ilay Fanjakana amin-jotom-po.
Tsy isalasalana mihitsy fa ny Tenin’i Jehovah, teny fahamarinana misy vokany manafaka, dia mahatanteraka izay sitrany. Azo antoka fa mahomby izany eo amin’izay nanirahany azy (Isaia 55:10, 11). Rehefa be dia be tokoa ny vokatra ankehitriny, dia mbola izany Teny izany ihany koa no manome toky antsika fa haniraka mpiandry mahay betsaka kokoa Jehovah (jereo Jeremia 23:4). Tsapan’ny Kolejy foibe tsy mbola nisy toy izany mihitsy fa mitombo ny filana lehilahy mahay sy afaka hiantsoroka andraikitra ao amin’ireo kongregasiona mbamin’ny sampan’ny Fikambanana samy hafa. Ho amin’izany, dia nataony ny fandaharana nokendrena hanomezana izany zavatra ilaina izany.
Ny Sekolin’ny fampiofanana ho amin’ny fanompoana
Ianareo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-82 amin’i Gileada, ary ianareo rehetra izay niara-nandany taminay ity andro mampandroso tokoa ity, dia ho faly hahare fa amin’ny fararanon’ny 1987 dia hotokanana ny sekoly vaovao iray. Hantsoina hoe Sekolin’ny fampiofanana ho amin’ny fanompoana izy io ary hiankina amin’ny Sekolin’i Gileada ka noho izany dia handray rahalahy avy any amin’ny tany hafa. Ireo fianarana voalohany dia omanina hatao amin’ny 1 oktobra 1987 any Pittsburgh, ao amin’ny fanjakan’i Pennsylvanie (Etazonia) ao amin’ny toerana niandohan’ny asan’ny Fikambanana Watch Tower indrindra. Rehefa vita izany fitohitohizam-pianarana voalohany izany, dia hisy hafa koa hatao mitovy elanelana any amin’ny tanàna samy hafa any Etazonia.
Mba hahavoaray azy ao, ireo rahalahy dia tokony hahafeno fepetra araka ny Baiboly hentitra. Amin’ny voalohany io fampiofanana io dia hatokana ho an’ny loholona sy mpikarakara momba ny asa mpitovo ary salama tsara. Raha mpitory maharitra izy ireny, dia vao mainka tsara. Ireo rahalahy hasaina hanaraka io fianarana io dia tokony hanana faniriana ny hanompo, aorian’ny fampiofanana azy, any amin’ny faritra rehetra amin’ny gilaoby ilàna izany. Tokony hananan’izy ireny ny toe-tsain’Isaia izay nanolo-tena an-tsitrapo hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Ianareo misionera avy amin’ny kilasy faha-82, sahala amin’ireo misionera efa manompo any amin’ny tany maherin’ny zato harahinareo, dia azonareo atao ny manantena hahita, rehefa tonga ny fotoana, rahalahy hafa hiaraka aminareo mba hiara-miantsoroka ny asa, rehefa ho avy nahazo fiofanana izy ireny.
Nanomana fandaharana vaovao tanteraka izahay ho amin’io Sekoly fampiofanana ho amin’ny fanompoana io. Naorina izy io mba hampiofanana rahalahy mahay izay, amin’ny maha-loholona na mpikarakara momba ny asa, dia nahazo fanandraman-javatra teo amin’ny lafin’ny fandaminana eo anivon’ireo kongregasiona.
Ilaina ny fandrosoana
Taorian’ny andro firavoravoana tamin’ny Pentekosta taona 33, ny kongregasiona kristiana dia nikely aina tamim-paharisihana mba hanitatra ny vaovao tsara tany Jerosalema, nanerana an’i Jodia sy Samaria avy eo, tatỳ aoriana, hatrany amin’ireo faritra lavitra indrindra amin’ny tany (Asan’ny apostoly 1:8). Tany amin’ny taona 60 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny apostoly Paoly, mpanoka-dalana ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara teo amin’ireo firenena, dia nanoratra izao teny izao ho an’ny Kolosiana: “Ny fanantenana (...) efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinan’ny filazantsara, izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’izao tontolo izao koa.” Avy eo dia nanampy teny izy fa ireo namany kristiana dia tsy tokony ‘hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara, izay efa reny sady notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’. — Kolosiana 1:5, 6, 23.
Tao anatin’ny fotoana azo lazaina hoe fohy, ireo kristiana voalohany dia nampiely ny vaovao tsara hatraiza hatraiza. Koa satria nampitombo Jehovah, dia nitombo be dia be ny isan’ny mpianatra. Nilaina àry ny lehilahy mahay maro kokoa mba hampianatra ny kongregasiona sy hiandry ny andian’ondry. Timoty dia mpiandraikitra tanora nanana izany andraikitra izany. Ho amin’inona no namporisihan’ny apostoly Paoly azy? Mba hanao izay hahampy fahaizana azy foana. “Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany hianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. (...) Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.” (I Timoty 4:6-8). Izany dia ho zava-dehibe kokoa noho ny fampifantohana ny fiezahan’ny tena amin’ny tombontsoa na ny zava-kendrena manokana, na ny fampiasana ny tena aza. Mba hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoany, Timoty dia tokony hitandrina tsara ny tenany sy ny fampianarany.
Ianareo izay vao avy niofana ho misionera, dia vao nomen’ny mpiandraikitra mahay mampianatra fanomezana ara-panahy mahafinaritra. Izao isika dia manokana fandaharam-pampianarana sarobidy hafa iray ho an’ireo rahalahy mahay izay manana fanandraman-javatra hafa raha ny amin’ny fiantsorohana andraikitra ao anatin’ny kongregasiona iray. Hampiofanina izy ireny amin’ny fikendrena ny fitiavam-pivavahana, ka izany dia hanampy azy ireny hanana fijery tsara ny zavatra ary hanome azy fomba hifantohana amin’izay noresahin’i Paoly tamin’i Timoty tamin’izao teny izao: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana. (...) Tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — I Timoty 4:12, 13, 15.
Amin’izao andro izao toy ny hita tamin’i Timoty, ireny rahalahy ireny, anisan’izany ny lehilahy tanora, izay voatendry hanana andraikitra ao anatin’ny kongregasiona, dia tokony hahatsapa fa tokony haharihariny amin’ny rehetra ny fandrosoany, satria mety ny fotoana ary mihafohy. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hasehon’izy ireny amin’ny fony rehetra fa takany ireo fitsipik’Andriamanitra ka tena vonona izy ireny ny hiahy ireo tombontsoa ara-panahy, ary hahay hanaiky tombontsoam-panompoana hafa. — Filipiana 2:20, 21.
Ny amin’ny hoe ampiasain’i Jehovah antsika ao anatin’ny fandaminany, na aiza na aiza, dia tena tombontsoa tokoa rehefa tsapa fa tena ilaina izany amin’izao ambaratongam-piainana ahatanterahan’ny fikasany izao. Velom-pankasitrahana azy tokoa isika, dia izy Mpiandry lehibe antsika sy Jesosy Kristy, Mpiandry tsara, izay nanome amin’ny fotoana mety an’io fandaharana vaovao io, dia ny Sekolin’ny fampiofanana ho amin’ny fanompoana.