FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/11 p. 30-31
  • Nouvelle-Zélande: andro iray nanan-tantara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nouvelle-Zélande: andro iray nanan-tantara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Firahalahiana kristiana
  • Ireo fototra napetraky ny Vavolombelona nahatoky
  • Ny fitahian’i Jehovah
  • Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1995
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1995
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2002
  • Fiaraha-manorina Eran-tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/11 p. 30-31

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Nouvelle-Zélande: andro iray nanan-tantara

“FALY tokoa izahay miaraka aminareo. Tsy hohadinoinay na oviana na oviana izao!”

“Tamin’ny fivoriana teokratika natrehiko rehetra, dia tsy mbola nisy nanaitra ny saiko tahaka ity.”

“Toy ny hoe mandia andro iray ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ny tena.”

Izany no sasantsasany tamin’ireo fanamarihana nataon’ny mpanatrika nasaina hitokana ireo trano vaovaon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Nouvelle-Zélande, tamin’ny 29 novambra 1986. Matoa nihetsi-po toy izany ireo mpanatrika, dia satria tena nanan-tantara io andro io. Aoka hiarahantsika mijery izay nanamarika azy.

Efa nandray anjara tamin’ny fahombiazan’io andro io ireo trano mahafinaritra notokanana. John Barr, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza ny Efitrano Fanjakana vaovao sy ireo tranon’ny sampana hafa, ho zavatra naorina “mampiseho fahaiza-mifidy zavatra, tsara tarehy, mahafinaritra (...). Ny asa vita dia mampiharihary fitandremana lehibe ny andinindininy, ny fifandrindrana. Toa mifanentana daholo ny zavatra rehetra”.

Firahalahiana kristiana

Manaraka izany, dia fahatsiaro ny fahitana ela nihetezana maro tao anatin’ny fahamarinana, izay manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana hatramin’ny ela be tokoa. Raha ny marina, dia maro tamin’izy ireny no anisan’ireo nasaina 658. Rehefa tafahaona tamin’ny namana taloha ela be izay tsy hitany hatramin’ny am-polony taona maro izy ireny, tamin’ny ankapobeny, ny fihetseham-pony dia sahala amin’ny tsapan’i Paoly fony izy tafahaona tamin’ny rahalahy tany Roma rehefa avy nanao dia lavitra: “Raha nahita azy [ireo rahalahy] Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra izy ka nahazo toky.” (Asan’ny apostoly 28:15). Ireny rahalahy ireny sy ireny anabavy ireny, ohatra amin’ny fahatokiana sy ny fiaretana — ny sasany nandeha na dia tsy salama aza — dia nampahery tokoa an’ireo izay nahita azy, ary nahatonga azy ireo ho velom-pankasitrahana.

Niavaka koa ilay andro, noho ny fianarana momba ny firahalahiana iraisam-pirenena mafana hita avy amin’izany. Mahaforona fianakaviana tsy manana sisin-tany ny Vavolombelon’i Jehovah; tsy sarotra mihitsy ny nino izany rehefa nahita ireo nasaina, avy any Aostralia, Etazonia, Kanada, Grande-Bretagne sy Taiwan, mbamin’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, Samoa sy ny nosy hafa any Pasifika Atsimo. Nisy telegrama nalefan’ny rahalahy maro tsy afaka ny ho tonga, novakina, telegrama nampita, ankoatra ny zavatra hafa, fiarahaban’ny Kolejy foibe, ny mpikambana ao amin’ny Betelan’i Brooklyn, sy ny kilasy faha-82 amin’i Gileada. Endrey izany fampaherezana tsy azo lavina ny finoan’ny tsirairay avy rehefa nahita fa rahalahy maro toy izany avy any amin’ny faritra rehetra no nihevitra ny fitokanana ilay Betela vaovao tany Nouvelle-Zélande!

Ireo fototra napetraky ny Vavolombelona nahatoky

Ny tantara mahalianan’ny fitoriana any Nouvelle-Zélande izay natao dia nanampy koa mba hampanan-tantara an’io andro io. Noho io asa io tokoa no nanjary nanorenana an’io Betela vaovao be io. (Jereo Hebreo 10:32.) Izao no nolazain’ny anankiray tamin’ireo mpandahateny: “Na dia mety ho lehibe tokoa aza ny fototr’ity Betela vaovao mahafinaritra ity, ny ‘fototra’ lehibe indrindra dia ireo napetraky ny rahalahy sy anabavy nahatoky sy tsy nitady tombontsoa ho an’ny tenany raha vao teo am-piandohan’ny taonjato.”

Taorian’izany, dia nisy fanadinadinana lehilahy sy vehivavy 11 tsy nivadika tamin’Andriamanitra; ny tontalin’ny taona niasan’izy ireo tamim-pandavan-tena dia 680. Noresahin’izy ireo ny amin’ny anankiray tamin’ireo fivoriambe voalohandohany tany Nouvelle-Zélande, tamin’ny 1913. Notsahiviny ny hamafin’ny asan’ny mpitory maharitra tany amin’ny nosy any Atsimo nandritra ireo taona 1930, ireo fahasahiranana niaraka tamin’ny fandrarana ny asa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ny nanokafana ny sampana tany Nouvelle-Zélande tamin’ny 1947, ny fahatongavan’ireo misionera voalohany avy any Gileada sy ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana voalohany tao amin’ilay tany tamin’ny 1950. Fihetseham-po nitovy no nanetsika azy ireny, voalaza tamin’izao teny izao: “Velom-pankasitrahana aoka izany izahay tonga eto sy mahita eo ambany masonay, fitomboana tsy ho noheverinay mihitsy fa ho hita teo am-panombohana!”

Ny fitahian’i Jehovah

Tsy isalasalana fa tsy hay hadinoina hatrany io 29 novambra io, indrindra fa noho ny fahatsapana fa nitarika ny asa fanorenana ny fitahian’i Jehovah ary nahatonga ny fahatanterahany. Tena nety tokoa fa ny tapany iray tamin’ny fandaharana dia nitondra ny lohateny hoe “Eo amintsika ny tanana soan’ilay Andriamanitsika”. — Nehemia 2:8.

Tsapa ny asan’ny tanana soan’i Jehovah teo amin’ireo mpanao raharaham-barotra sy manam-pahefana tao an-tanàna izay niseho ho nalemy fanahy sy tia fiaraha-miasa, ary koa teo amin’ireo mpiasa teny amin’ny toeram-panorenana, izay naneho ireo toetra kristiana. Nanao izao fanamarihana izao ny mpanao raharaha ara-barotra iray izay nitsidika ny toeram-panorenana: “Rehefa eto aho dia manana fahatsapana fiadanana sy filaminana tsy mbola tsapako mihitsy na taiza na taiza tany an-toeran-kafa.”

Niharihary ny fitahian’i Jehovah tamin’ny fahalalahan-tanan’ireo Vavolombelona tao amin’ilay tany, dia olona sahala amin’ny hafa ihany, izay nanohana ara-bola io raharaha io. Niseho koa izany tamin’ny finiavan’ireo izay nanolo-tena mba hanao ny asa. Tamin’ny fitambarany, dia mpiasa an-tsitrapo 1237 no nameno fangatahana mba ho tonga hanampy eny amin’ny toeram-panorenana, ka ny sasany dia nandeha avy any an-tany lavitra sy nianto-tena, mba handray anjara mandritra ny herinandro vitsivitsy na volana vitsivitsy tamin’ny fanorenana. Izao no nolazain’ny rahalahy iray: “Ny vanim-potoana nitondrako fanampiana teny amin’ny toeram-panorenana dia nanamarika fiolahana teo amin’ny fiainako.”

Araka ny nasongadin’ny rahalahy Barr tao amin’ny lahateny fitokanana, ireo trano vaovao dia tokony hoheverina ho “porofo azo tsapain-tanana fa efa miorina ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra”. Marina tokoa fa andro iray nanan-tantara ny 29 novambra ho an’ireo rahalahintsika any Nouvelle-Zélande. Tamin’ny farany, ny mpanatrika rehetra dia tafaray tamin-kafanam-po tamin’ny fanapahan-kevitra iray nampanantenan’izy ireo fa ‘hanohana amin’ny fomba feno ny fandaminan’i Jehovah asehon’io sampana io’.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara