FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/10 p. 3
  • Jesosy Kristy — Andriamanitra, olona, sa angano?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jesosy Kristy — Andriamanitra, olona, sa angano?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Inona no Marina Momba An’i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Iza moa i Jesosy Kristy?
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/10 p. 3

Jesosy Kristy — Andriamanitra, olona, sa angano?

NY TEATIRA an-kira ‘rock’ iray nomanina tao Broadway (New York) tamin’ny 1971, dia nahatonga ady hevitra, satria niresaka foto-kevitra iray ara-pivavahana. Kanefa toa tsy dia niadian-kevitra loatra noho ny maha-izy mihitsy an’ilay olona manana anjara lehibe tamin’io teatira io, ny foto-keviny.

Ny anankiray tamin’ireo hira nalaza indrindra tamin’io fampisehoana io dia nilaza hoe: “Ry Jesosy Kristy Mpanan-talenta ambony ô, ianao marina ve ilay resahiny?” Inona moa no nolazaina momba an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana? Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanontany izany ny mpianany, ka nahazo valin-teny samihafa izy (Matio 16:13, 14). Ankehitriny, 2 000 taona atỳ aoriana, dia mbola fototry ny fiadian-kevitra foana ny maha-izy an’i Jesosy.

Zava-dehibe tokoa ve ny hahalalana hoe iza moa i Jesosy? Amin’ny ahoana izany no mahakasika antsika? Marina fa taloha dia nisy olo-malaza nanova ny fizotry ny Tantara ka mahakasika antsika rehetra izany, na dia tamin’ny fomba tsy mivantana fotsiny aza. Ankehitriny anefa rehefa nanjavona izy ireny, ary na manao ahoana na manao ahoana asany tamin’ny lasa, dia tsy afaka hanalava velively ny fahefany amin’ny alalan’ny asa atao amin’izao andro izao izy ireny.

Raha ny amin’i Jesosy Kristy kosa, dia miseho amin’ny endriny hafa tanteraka ny fisehoan-javatra. Olona an-tapitrisany maro no mino, sady marim-pototra ny finoany, fa Jesosy dia teny velona foana, tsy toy ny olona iray eto an-tany intsony akory, fa amin’ny maha-fanahy (esprit) mahery any amin’ny faritra any an-danitra. Ny asany, indrindra amin’izao taonjato faha-20 izao, dia manana fiatraikany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona. Ambonin’izany, ny fahefana ampihariny amintsika dia tsy fahefana aorian’ny nahafatesany fotsiny. Izany dia mahafaoka koa izay ataony ankehitriny sy izay hotanterahiny amin’ny ho avy mba hahasambatra antsika.

Aoka hiverenantsika ny foto-kevitra resahintsika: Jesosy Kristy — Andriamanitra, olona sa angano? Ahoana ny hevitrao ny amin’izany? Raha angano fotsiny izany Jesosy izany, dia tsy mety ho Andriamanitra na olona izy. Koa tsy ilaina akory raha izany ny hikarohana lavidavitra kokoa. Mifanohitra amin’izany, azo antoka fa ho liana tokoa isika hahalala an’i Jesosy raha fantatsika fa mbola velona foana izy sady nahazo fahefana avy amin’Andriamanitra hanome soa maharitra ho an’ny olombelona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara