FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/3 p. 30
  • Tadidinao ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Korbana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Namonjy ny Codex Sinaïticus izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/3 p. 30

Tadidinao ve?

Novakinao tamim-pitandremana ve ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo raha tadidinao ny hevitra vitsivitsy voalaza eto ambany?

◻ Inona no loharanon’ny tena fahasambarana?

Hoy i Jesosy: “Sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany” (Lioka 11:28). Nasehony àry fa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pahatokiana no ahitana ny tena fahasambarana. — 15/11/88, pejy faha-8.

◻ Manonòna fomba iray hahatoherana ny hafetsena sy ny fitak’i Satana.

Mba hahatoherana an’i Satana, dia tokony handini-tena isika. Moa ve isika manana fahalemena mety hohararaotin’i Satana na efa hararaotiny? Ohatra, moa ve isika mirona tsy hihevitra afa-tsy ny tenantsika? Tiantsika foana ve ny ho voalohany? Raha mahafantatra ny tenantsika isika, dia afaka miala amin’izany kileman-toetra izany, raha manetry tena. Amin’ny fanaovana toy izany, dia tsy hanome toerana ho an’i Satana isika. — 1/12/88, pejy faha-15, 16.

◻ Inona moa ny marika an’ohatra apetaky ny ‘lehilahy mitafy rongony’ nasehon’ny tandindona eo amin’ny olona tonga ‘ondry hafan’i Kristy (Ezekiela 9:2-4; Jaona 10:16)?

Ny “marika” dia ny porofo fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ireny “ondry” ireny, natao batisa ary nitafy ny toetra kristiana. — 15/12/88, pejy faha-14.

◻ Inona no tian’ny apostoly Petera holazaina rehefa nanambara izy fa tokony ‘hifankatia fatratra amin’ny fo’ isika? (1 Petera 1:22.)

Ny hevitry ny mpamaritra matoanteny nadika hoe “fatratra”, amin’ny ara-bakiteny, dia hoe “amin’ny fomba mitatra”. Mitaky fiezahana ny fitiavana tokony hifanehoan’ny kristiana. Tokony hitarintsika, hohalehibeazintsika ny fontsika mba hisokafany ho an’olona tsy tsapantsika ho manintona antsika avy hatrany. — 1/1/89, pejy faha-12.

◻ Ny amin’ny tempoly inona moa no resahina ao amin’ny Apokalypsy 11:1, ary oviana no nanomboka nisy izy io?

Izany dia ny tempoly ara-panahy lehibe, ka ny Masina indrindra aminy dia ny toerana onenan’i Jehovah any an-danitra. Nanomboka nisy izany tamin’ny taona 29, fony Jesosy nohosorana ho mpisoronabe (Hebreo 3:1; 10:5). — 15/1/89, pejy faha-12.

◻ Inona moa ny Kodeksa Sinaïticus, ary inona no maha-zava-dehibe azy?

Ny Kodeksa Sinaïticus dia mirakitra ny Soratra grika kristiana manontolo sy tapany amin’ny Soratra hebreo nadika ho amin’ny teny grika. Efa hatramin’ny taonjato 16 fara fahakeliny no nisian’izy io ary mahaforona tapany tena lehibe amin’ny lisitry ny soratanana amin’ny Baiboly ankehitriny izy io. — 15/1/89, pejy faha-30, 31.

◻ Inona moa no tokony hatao mba hahasambatra tanteraka ao anatin’ny faritry ny fanambadiana?

Tokony hanome toerana ho an’Andriamanitra ao anatin’ny fanambadiany ny mpivady, ka izany no hanome fahafahampo amin’izay ilainy ara-panahy ary hanamafy orina ny fanambadiany (Mpitoriteny 4:12; Matio 5:3, MN ). — 1/2/89, pejy faha-16.

◻ Inona moa “ny fiadanan’Andriamanitra” resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipiana 4:7?

Izany fiadanana izany dia ny filaminana sy ny fahatoniana avy amin’Andriamanitra, na dia ao anatin’ny toe-piainana sarotra indrindra aza. Avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy ny fahazoantsika antoka fa mahazo sitraka aminy isika. — 1/2/89, pejy faha-30.

◻ Amin’ny fanaovana inona moa no ahatongavana ho olona ankasitrahan’i Jehovah?

Amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy amin’ny batisa no mety hahatongavan’ny olona tsy tanteraka iray ho ‘olona ankasitrahan’Andriamanitra’ (Lioka 2:14). — 15/2/89, pejy faha-11.

◻ Amin’ny fomba ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany tsy ampy taona nanota, na dia tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina mba hahatongavana ho mpitory tsy vita batisa aza izy, na voaroaka?

Toy ny anohizan’ny ray aman-dreny manome sakafo sy fitafiana ary fialofana ho an’ny zanany, dia tokony hanohy hampianatra azy sy hifehy azy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo. Afaka miara-mianatra aminy manokana ao anatin’ny faritry ny fianaram-pianakaviana izy ireo. — 15/2/89, pejy faha-20.

◻ Ahoana moa no nanafoanan’ny lovantsofina jiosy ny didin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Eksodosy 20:12, dia didy mibaiko ny zanaka hanaja ny ray aman-dreniny?

Azon’ny olona iray natao ny nanaiky hanome any aoriana any ny fananany manokana ho an’ny tempoly tamin’ny fanambarana izany ho “korbana”, teny milaza “fanatitra ho an’Andriamanitra”. (Marka 7:11.) Azony natao tamin’izay ny mbola ho tompon’ny fananany “korbana” ihany, sady tsy nety nampandray soa ny ray aman-dreniny tamin’izany. — 1/3/89, pejy faha-4, 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara