FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/12 p. 29
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiekena ny trosan-drany
  • Tsy fahampiana pretra
  • Ilay vahaolana tanteraka
  • Iza moa i Babylona Lehibe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Alahelo sy Fifaliana fa Rava i Babylona
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Nahoana no misy antokom-pivavahana vaovao maro be toy izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Babylona Lehibe — Ny fandravana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/12 p. 29

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fiekena ny trosan-drany

“Niantso ilay ady [Ady Lehibe faharoa] ho ady masina isika ary nandefa olona tany amin’ny saha fiadiana”, hoy ny fieken’i Shingen Hosokawa, ilay sekretera jeneralin’ny Biraon’ny Tempolin’ny antokom-pivavahana bodista Otani an’ny Tany Tena Madio any Japana. “Tsy maintsy tototry ny henatra eo anatrehan’i Bouddha masina isika.” Tamin’ny “Fotoam-pivavahana ho Fahatsiarovana ny maty an’ady rehetra” vao haingana, 45 taona taorian’ny faran’ny Ady Lehibe faharoa, ilay antokom-pivavahana misy mpino maherin’ny dimy tapitrisa, dia niaiky ny andraikiny ho “niara-niasa an-tsitrapo tamin’ny [fiezahana natao tamin’ny ady] Ady Lehibe faharoa.” “Tsy mbola nisy mihitsy laharana bodista nentim-paharazana nanambara mazava tsara toy izany ny andraikiny manokana tamin’ny ady teo amin’ny fombafombam-pivavahana iray”, hoy ny nomarihin’ny Asahi Shimbun.

Kanefa, moa ve tsy fivavahana betsaka lavitra no tokony “ho tototry ny henatra” noho ny nampirisihana lehilahy tanora maro handeha an’ady? Araka ny Firaketana Kodansha any Japana, dia saika ny antokom-pivavahana bodista, “kristiana”, ary shinto rehetra tany Japana, no nahaforona Fivondronana ara-pivavahana iray tamin’ny 1941 “mba hanomezana fiarovana ara-panahy ho an’ilay firenena tamin’ny fotoan’ny ady.”

Raha manondro ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso ho “Babylona Lehibe” ny Baiboly dia tsy mahagaga raha milaza hoe: “Ary teo anatiny no nahitana ny ran’(...)izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”. (Apokalypsy 18:2, 24) Moa ve i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome aina ny olombelona, hampamoaka ireo mpivavaka ireo noho ny trosan-drany? Io toko ao amin’ny Apokalypsy io ihany no milazalaza an-tsary izay hitranga amin’i Babylona Lehibe, amin’ny fanambarana hoe: “Ary nisy anjely mahery anankiray nambeta vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.” — Apokalypsy 18:21.

Tsy fahampiana pretra

Ireo antokom-pivavahana bodista any Japana dia sahiran-tsaina noho ny zava-manahirana momba ny tempoly nilaozana. Ny mpifanolobodirindrina amin’ireny tempoly tsy misy pretra mipetraka ireny dia manohitra ny fipetrapetrahan’ny mpirenireny ao amin’ny tempoly ary koa ny loza amin’ny fipoahan’ny hain-trano. Ny antokom-pivavahana bodista Myoshinji Zen dia nanapa-kevitra fa hikarakara ilay zava-manahirana na amin’ny fivarotana ny tempoly na amin’ny fanakambanana azy ireny amin’ireo mifanakaiky aminy. Maherin’ny 20% amin’ireo tempoly 3 500 an’ny antokom-pivavahana Myoshinji manerana an’i Japana no tsy manana pretra mipetraka na karakarain’ny pretra avy amin’ny tempoly mifanakaiky aminy.

Nahoana no misy ny toe-javatra ratsy toy izany? “Mahita fahasahiranana ilay antokom-pivavahana amin’ny fitadiavana mpandimby an’ireo pretra nisotro ronono”, hoy ny fanazavan’ny The Daily Yomiuri, “ary toherin’ny pretra tanora ny fametrahana azy ao amin’ny tempoly any amin’ny faritra vitsy mponina.” Nanandrana nampiofana mpiasa misotro ronono ho pretra ilay antokom-pivavahana nefa dia nafoiny sahady ilay tetikasa. Na dia milaza aza ny Myoshinji fa “tsy izao no vanim-potoana ilazana fa porofon’ny tanjaka ny isan’ny tempoly misy”, dia tsy azo lavina fa mihena ny herin’izy ireo.

Mahaliana fa ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia manambara mialoha fa ny ranon’i Eofrata, izay ipetrahan’ny fandehan-javatra ara-pivavahana maneran-tany — “Babylona Lehibe” — dia ho “ritra”. (Apokalypsy 16:12; 18:2, 9, 11) Mampiseho inona moa ireo rano? “Ny rano efa hitanao (...) dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 17:15) Ny fandritana ireo “rano”, na mpanohana, dia miseho mazava any amin’ny tapany atsinanana amin’ny fanjakan’i Babylona Lehibe.

Ilay vahaolana tanteraka

“Ireo fandrahonana mananontanona atrehintsika izao (...) dia mihamahery aoka izany ka raha tsy misy asa atomboka izao mba handrodanana izany, dia hitarika amin’ny fomba tsy azo sakanana ho amin’ny toe-draharaha ara-toekarena lafo be amin’ny fomba tsy azo ovana izany ary ho amin’ny firodanan’ny fikambanana ara-tsôsialy sy ara-politika”, hoy ny Worldwatch Institute, miorina any Washington, D.C., Etazonia. Tamin’ny taon-dasa, ny tatitra isan-taonan’io fikambanana io dia nampitandrina fa ny onjan-kafanana mahafaty, ny hain-tany, ary ny tondra-drano dia vao santatra fotsiny ny amin’ireo loza ratsy kokoa mbola hianjady amin’ny tany izay efa voavely matetika. Ny faritra kendrena ao amin’ilay tatitra mba hokarakaraina avy hatrany dia mahatafiditra ny famerana ny isan’ny mponina, fitrandrahana angôvo, fambolena hazo indray, ary fisorohana ny mosary. Milaza anefa io fikambanana io fa ilaina tsy misy hataka andro ny ‘drafitra iraisam-pirenena’ sy ‘ny fiovana lalina eo amin’ny fitondrantena mampiavaka ny ankamaroan’ny olona’ mba hahazoana vokatra azo antoka.

Afaka manantena ny hahita drafitra iraisam-pirenena izay hitondra fiovana lalina amin’izao androntsika izao ve isika? Eny, nefa tsy amin’ny alalan’ny fiezahan’olombelona na antokon’olona na iza na iza. Fa nahoana? Satria nanoratra toy izao ny mpaminany Jeremia an-jatony taona maro lasa izay: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Mampanantena kosa ny Baiboly fa Jehovah Andriamanitra dia “hanimba izay manimba ny tany” ary “handamina ny zava-drehetra” ho tombontsoan’ny mponina amin’ny tany. — Jeremia 10:23; Apokalypsy 11:18; Mika 4:3, 4, MN.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara