FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/2 p. 31
  • Mamaly Soa ny Tanora Mahatoky Iray i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mamaly Soa ny Tanora Mahatoky Iray i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampifalio ny fon’ny ray aman-dreninao
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Mitondra Vokatra ao An-tokantrano sy any An-tsekoly ny Fanaovana Fanambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Manampy ny Zanakao Hifidy an’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ahoana no fiheveranao ireo ray aman-dreninao?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/2 p. 31

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Mamaly Soa ny Tanora Mahatoky Iray i Jehovah

TENA sarobidy eo imason’i Jehovah ireo tanora mahatoky. Itỳ fanandraman-javatra manaraka hitan’ny tovolahy mahatoky iray itỳ dia tokony hampirisika ireo tanora hafa mba hitana ny tsy fivadihany eo am-panompoany an’i Jehovah.

Tany Arzantina, ny zazalahy iray 11 taona sy ny zandriny lahy dia niara-nianatra ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay tamin’ny renibeny. Avy hatrany dia nampiseho fanoherana ny ray aman-drenin’ireo zazalahy ka nandrara azy ireo tsy hankany amin’ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nandritra ny fotoana kelikely, mba hanatrehana ireo fivoriana, dia nitsoaka avy teny am-baravarankelin’ny efitrano fandroana ireo zazalahy, ka nitsambikina tao an-tokotany anatiny, ary avy teo dia nianika ny rindrina nankao amin’ny tokotanin’ilay mpifanila trano taminy, ary avy teo indray dia nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tamin’izay dia nisy olona nilaza tamin’ny renin’izy ireo fa nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nandrahona ny hikapoka azy ireo ilay reny, ary izany dia nampahatahotra ilay zandriny izay nitsahatra tsy nianatra. Nikiry anefa ilay zokiny. Nandritra ny dimy taona dia nahavita nanatrika ireo fivoriana tsy fantatry ny ray aman-dreniny izy.

Rehefa 16 taona izy, dia naniry hanohy fianarana tany amin’ny lise, dia fianarana izay tsy nisy tao amin’ilay tanàna nahabe azy. Ny naha-lavi-dray aman-dreny azy dia hanome azy fahafahana bebe kokoa hanaraka ny fahamarinana. Nanaiky ny hamela azy handeha ny ray aman-dreniny, ary nandeha tsara ny zava-drehetra nandritra ny telo volana. Avy eo ilay talen-tsekoly dia nitatitra tany amin’ny ray aman-dreniny fa ny zanak’izy ireo dia tsy nety niarahaba saina na nihira ny hiram-pirenena. Teo anatrehan’ny mpihaino, anisan’izany ny tale, ny ray aman-dreniny, mpitantsoratra iray sy mpisolovava iray ary profesora folo, dia afaka nanao fanambarana tsara dia tsara mikasika ny antony tsy nahafahany nanao ireo zavatra ireo tamim-pieritreretana madio, ilay zatovolahy. (Eksodosy 20:4, 5). Tezitra mafy ireo ray aman-dreny. Nahazo basy poleta ilay reniny, tamin’ny fikasana ny hitifitra an’ilay renibe izay noheveriny fa tompon’andraikitra. Tsy afaka nahita azy io irery mihitsy anefa izy.

Tatỳ aoriana, noho ny soso-kevitra nomen’ny naman’ilay fianakaviana, niaraka tamin’ny fankasitrahan’ilay talen-tsekoly, dia nanapa-kevitra ny handefa ilay tanora tany amin’ny hopitaly iray ho an’ny marary saina ireo ray aman-dreny, tamin’ny fiheverana fa hahatonga azy hanary ny finoany ny fitsaboana saina. Nitondra ilay zazalahy tamin’ny fiara nankany amin’ny 100 kilaometatra niala teo ny mpiasan’ilay hopitaly, ary nanindrona azy tamin’ny fatrana insuline sy fanafody hafa be dia be mandra-pahatongany tsy hahatsiaro tena. Rehefa taitra izy dia tsy nahafantatra mihitsy izay nisy azy, tsy nahafantatra na iza na iza, ary somary very tadidy. Taorian’ny fandinihana maro dia tsy afaka nahita fikorontanana ara-tsaina na inona na inona tao aminy ireo dokotera. Kanefa dia nanomboka ny fitsaboana ny tao amin’ilay hopitaly. Rehefa nahatsiaro saina ilay zazalahy dia nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah mba tsy hahafoy azy ary nangataka mafy taminy ny tanjaka mba hiaretana. Niaro azy tokoa i Jehovah, ary tamin’ny farany dia navoaka tao amin’ilay hopitaly izy.

Indray mandeha dia nanontany ilay zatovolahy ny talen-tsekoly raha toa izy ka vonona ny hiova hevitra. Rehefa namaly hoe tsia izy, dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniny ilay tale mba hamerina azy tany amin’ny hopitaly satria mbola adala kokoa noho ny teo aloha izy. Nitondra azy tany amin’ny trano fampiantranoam-bahiny iray ireo ray aman-dreny, ary nilaza tamin’ilay ramatoa tompon-trano mba hanao izay tsy handehanany any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa lasa ireo ray aman-dreny dia zavatra tsy nampoizina toy inona moa no hitan’ilay zazalahy! Vavolombelon’i Jehovah ireo tompon’ilay trano fampiantranoam-bahiny! Tamin’ny farany dia tsy nampanarahin’ireo ray aman-dreny fitsaboana saina intsony izy, satria nino mafy izy ireo fa nandainga taminy ireo dokotera. Tamin’izay fotoana izay ihany ny Fitsarana Tampony tany Arzantina dia namoaka lalàna fa tsy azo roahina amin’ny sekoly noho ny tsy fiarahabana saina ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah.

Nitondra soa ho an’io tanora nahatoky io ve izany fitsapana izany? Eny. Hoy izy: “Afaka nanao fanambarana niitatra aho tamin’ireo dokotera, profesora, mpiara-mianatra sy ray aman-dreny ary havana, raha ny marina, dia tamin’ilay tanàna iray manontolo. Efa mihamalefaka ihany ireo ray aman-dreniko ary manana fiheverana tsaratsara kokoa ny amin’ny Vavolombelona izy ireo. Rehefa mitodika ny fahazazako aho izao, dia hitako ny fomba mahatalanjona sy feno fitiavana ikarakaran’Andriamanitsika ny olona izay mitoetra ho tsy mivadika aminy. Izany dia mitovy tanteraka amin’izay nolazain’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 27:10 hoe: ‘Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.’ ”

Telo amby roapolo taona izao io zatovolahy io, manambady izy ary tena marisika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Marina tokoa fa tsy manam-petra ny hery fanohanan’i Jehovah. — Salamo 55:22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara