Rehefa Mifanohitra Amin’ny Fahamarinana ny Lovantsofina
MAMPIDI-DOZA — RANO TSY AZO SOTROINA. Mety ho zatra mahita fampitandremana toy izany isika. Any amin’ny faritra maro dia mitandrina ny amin’izay sotroiny ny olona, satria fantany fa voapoizin’izay nantsoina hoe “famosaviana” amin’ny fandotoana feno poizina ny tahirin-drano sasany. Vokatr’io fandotoana io, hoy ny tatitra navoaka momba ny fandinihana iray, dia tsy “mpamelona sy mpiaro ny aina” ny rano, fa manjary “mpampita otrikaretina sy (...) mpandoto simika” kosa. — Water Pollution.
Fandotoana ireo ranon’ny fahamarinana
Tahaka ny tahirin-drano voaloto ireo lovantsofina mifanohitra amin’ny fahamarinana. Isika dia mety hifikitra mafy tsy amim-pahalalana amin’ireo lovantsofina — fanazavana, fomba fiheverana, zavatra inoana, na fanao nampitaina avy tamin’ny taranaka iray ho amin’ny taranaka manaraka — izay voaloton’ny “famosaviana” amin’ny hevitra sy filozofia diso, mamitaka, raha ny marina. Tsy misy hafa amin’ny rano voaloto izy ireny ka mety hiteraka fahavoazana tsy tambo holazaina — dia fahavoazana ara-panahy.
Na dia mihevitra aza isika fa mifototra amin’ny Baiboly ny zavatra inoantsika ara-pivavahana avy amin’ny lovantsofina, dia tokony haka fotoana handinihana azy ireny amim-pitandremana isika rehetra. Tadidio fa rehefa nifikitra tamin’ny zavatra ninoana araka ny lovantsofina tamin’ny androny i Martin Luther ka nanameloka an’i Copernic, dia nino izy fa nanana ny fanohanan’ny Baiboly. Kanefa, i Luther dia tsy nanaraka ilay ohatra tsara dia tsara navelan’ireo Beriana fahiny, izay ‘tsara toe-panahy tamin’ny fandinihana tamim-pitandremana ny Soratra Masina, na marina izany, na tsia’. — Asan’ny Apostoly 17:10, 11.
Hevero ny fahavoazana naterak’ireo zavatra ninoana araka ny lovantsofina, teo amin’ny Jiosy sasany tamin’ny andron’i Jesosy. Nino tamin-kafanam-po izy ireo fa marina ireo lovantsofiny. Rehefa nanohitra izy ireo fa tsy nitandrina ireo lovantsofina ny mpianatr’i Jesosy, dia nihaika azy ireo tamin’izao fanontaniana izao i Jesosy: “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny [lovantsofinareo, NW ]?” (Matio 15:1-3). Inona no tsy nety? Nampahafantatra ilay zava-manahirana i Jesosy rehefa nanonona ireo tenin’i Isaia mpaminany toy izao: “Koa foana ny ivavahan’ireo [amin’Andriamanitra], raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.” — Matio 15:9, izahay no manao sora-mandry; Isaia 29:13.
Eny, ireo fahamarinana izay avy tamin’Andriamanitra dia nosoloan’izy ireo hevitra izay avy tamin’ny olombelona na, ny mbola ratsy kokoa mihitsy aza, izay avy tamin’ny demonia. Ohatra, hoy ny fanazavan’ny Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy faha-506: “Ireo Fariseo tamin’izany fotoana izany dia nampianatra fa raha vantany vao nanambara ireo fananany ho ‘korbana’, na fanomezana natokana ho an’Andriamanitra, ny olona iray, dia tsy afaka nampiasa azy ireny izy mba hanomezana fahafaham-po izay nilain’ny ray aman-dreniny, na nanao ahoana na nanao ahoana ny nety ho fahantran’izy ireo, na dia afaka nampiasa ny fananana toy ireny aza ny tenany mandra-pahafatiny, raha nifidy ny hanao izany izy.” Nisy vokany ratsy teo amin’ny Jiosy tamin’ny lafiny ara-panahy ny fahendren’olombelona izay nandoto ireo ranon’ny fahamarinana. Ny ankamaroany dia nanda mihitsy aza an’ilay Mesia nantenainy hatramin’ny ela.
Manampy ilay fandotoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
Natao izay hisian’ny fahavoazana ara-panahy nitovy tamin’izany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Olona maro nihambo ho mpanara-dia azy no niantso ny lovantsofina ho fahefana hanohanana ireo fampianarana vaovao. Araka ny Cyclopedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i McClintock sy i Strong, dia nino ny sasany nolazaina fa Kristiana fa ny lovantsofina toy izany dia “fampianarana noraisin’ireo fiangonana kristiana voalohany avy tamin’ny vavan’ireo apostoly, nampitaina nanomboka tamin’ny vanim-potoana apostolika, ary notahirizina ho madio hatramin’ny andron’izy ireo”. — Izahay no manao sora-mandry.
Raha ny tena izy, dia maro amin’ireny lovantsofina ireny no hevitra maloto sy diso. Araka ny fanazavan’ilay Cyclopedia, ireny filozofia vaovao ireny dia “tsy vitan’ny hoe tsy nifanaraka tamin’ireo lovantsofina hafa, fa tsy nifanaraka koa tamin’ireo asa soratry ny apostoly mihitsy izay teo am-pelatanan’izy ireo”. Tsy hoe tsy nampoizina tanteraka izany. Efa nampitandrina ireo Kristiana toy izao ny apostoly Paoly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny [lovantsofin’olombelona, NW ], araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:8.
Amin’izao andro izao koa, dia zavatra inoana araka ny lovantsofina maro no ‘tsy mifanaraka amin’ireo asa soratry ny apostoly mihitsy’. Ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanapoizina ireo ranon’ny fahamarinana tamin’ireo hevitra maro be ara-tsindrimandrin’ny demonia, toy ny Trinite, ny afobe mirehitra, ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy (âme) olombelona, ny fanindrahindram-pirenena, sy ny fanompoan-tsampy.a (1 Timoty 4:1-3). Porofoin’ny tantara ny aretina ara-panahy nahatratra ny olona lasa rembin’ny fampianarana araka ny demonia izay nanjary fampianarana araka ny lovantsofina ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. — Ampitahao amin’ny Isaia 1:4-7.
Ny fandotoana toy izany ny fahamarinana, raha ny marina, dia nitranga nanomboka tamin’ny fiandohan’ny olombelona. Nanohy ilay fanaovan-javatra natombony tany Edena, dia ny fanapoizinana ny sain’ny olona tamin’ny lainga sy fitaka, i Satana. (Jaona 8:44; 2 Korintiana 11:3). Arakaraka ny nielezan’ny fianakavian’olombelona nanerana ny tany manontolo nanaraka ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia nanjary niharam-pahavoazana noho ny fanapoizinana an-kitsirano an’ireo fitahirizam-pahalalan’olombelona tamin’ireo filozofia sy hevitra ara-tsindrimandrin’ny demonia, ny olona avy tamin’ny kolontsaina rehetra.
Vokatry ny fandotoana ara-panahy
Inona no fahavoazana mety hateraky ny fandotoana ara-panahy toy izany? Afaka mampitaha izany amin’ireo vokatry ny rano voaloto eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana isika. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Olona tokony ho 200 tapitrisa no voan’ny schistosomiase (bilariziozy) [takilodrano, izay miteraka anémie (tsy fahampian-dra), mahatonga ho tsy metimety, miteraka fahasalamana ratsy ankapobe sy fahafatesana mihitsy aza], ateraky ny rano voaloto eo amin’ny hoditra. Olona 500 tapitrisa no voan’ny trachome, iray amin’ireo antony lehibe mahatonga fahajambana noho ny rano natao hisasana, maloto. (...) Roa arivo tapitrisa eo ho eo amin’ny taranak’olombelona no tsy manana rano fisotro azo antoka.” (Our Country, the Planet). Olona an-tapitrisany maro no nalemy ara-panahy, jamba ara-panahy, sy maty ara-panahy mihitsy aza, vokatry ny fanarahana lovantsofina notampohana fampianaran-diso, araka ny demonia. — 1 Korintiana 10:20, 21; 2 Korintiana 4:3, 4.
Ohatra, nasafotofoto ny sain’ny olona maro, na nohajambaina izy ireo, raha ny amin’ny fifandraisana eo amin’i Jesosy Kristy sy i Jehovah Andriamanitra Rainy. Nanjary fanao teo amin’ny sasany izay nihambo ho Kristiana ny fanesorana ny anarana masin’Andriamanitra hoe Jehovah avy ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. Hoy i George Howard ao amin’ny Journal of Biblical Literature: “Io fanesorana ny Tetragrama io, araka ny hevitray, dia niteraka fisafotofotoana tao an-tsain’ireo Kristiana jentilisa tany am-boalohany raha ny amin’ny fifandraisana eo amin’ny ‘Andriamanitra Tompo’ sy i ‘Kristy Tompo’.”
Hevero koa ny fisafotofotoana sy ny finoanoam-poana ary ny tahotra ateraky ny lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina hoe tsy mety maty ny fanahy (âme) olombelona. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4.) Firifiry akory no andevozin’ny fivavahana amin’ny razana na miaina ao anatin’ny tahotra tsy an-kijanona sao hiverina hanisy ratsy azy ireo ny maty? Io zavatra inoana io dia nampirisika ny olona hamono ny tenany sy ny olon-kafa mihitsy aza.
Japoney maro no mihevitra fa, eo amin’ny fahafatesana, dia hihaona any ankoatra ny fanahin’izy ireo. Noho izany, ny ray aman-dreny sasany izay namono tena dia nihevitra fa tsara indrindra ny hamonoana ny zanany koa. Hoy ny fanazavan’ny An English Dictionary of Japanese Ways of Thinking: “Any Japon, dia tsy melohina foana ny famonoan-tena, fa matetika heverina ho fomba azo ekena mba hialan-tsiny noho ny fahadisoana lehibe nataon’ny tena (...). Na dia ireo famonoan-tenan’ny fianakaviana aza dia azo inoana fa hotantaraina amin’ny teny mampiseho fangorahana.”
Tsapao ireo lovantsofina
Rehefa heverina ireo loza tafiditra amin’ny fanarahana an-jamba ireo zavatra inoana sy fanao araka ny lovantsofina, inona no tokony hataontsika? Teo amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, dia nanome izao torohevitra izao an’ireo Kristiana tahaka azy ny apostoly Jaona: “Ry malala, aza mino ny [fitenenana ara-tsindrimandry, NW ] rehetra, fa [tsapao ireo fitenenana ara-tsindrimandry, NW ] [tsy misy hafa amin’ny itsapanao ny rano raha madio], na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 4:1; jereo koa ny 1 Tesaloniana 5:21.) Ahoana no ahafantaranao raha manimba ny lovantsofina iray? Mila karazana fahefana, fari-pitsipika amaritana izay madio, ianao mba hitsapana izay inoanao.
Ny Baiboly izany fahefana izany. Hoy i Jesosy Kristy: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Hoy koa izy: “Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23). Amin’ny fampiasana ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia mahazo ireo rano madion’ny fahamarinana ianao fa tsy ireo rano maloton’ny filozofian’olombelona sy araka ny demonia. — Jaona 8:31, 32; 2 Timoty 3:16.
Tadidio fa na dia zavatra mandoto bitika aza dia afaka miteraka vokany mahatahotra. Indraindray dia lasa ny taona maro alohan’ny hipoiran’ireo vokany. “Ny rano maloto”, hoy i Shridath Ramphal, prezidàn’ny World Conservation Union taloha, “dia nanjary ny mpamono mampidi-doza indrindra eo amin’izao tontolo izao. Fara fahakeliny, dia olona dimy arivo sy roa alina no maty isan’andro noho ny fampiasana azy io.” Vao mainka mampidi-doza kokoa ireo lovantsofina voaloto ara-panahy.
Manana herim-po hanafa-tena amin’ireo zavatra inoana araka ny lovantsofina izay mety ho narahinao nandritra ny taona maro ve ianao, raha toa ka hita fa mifanohitra amin’ny fahamarinana izy ireny? Araho ireo fampitandremana. Arovy ny tenanao sy ny fianakavianao amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa mifanaraka amin’ny Teny fahamarinana madion’Andriamanitra ireo lovantsofina arahinao. — Salamo 19:8-11; Ohabolana 14:15; Asan’ny Apostoly 17:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina mba hanaporofoana fa tsy miorina amin’ny Baiboly ny fampianarana toy ireo. Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania io boky io.
[Sary, pejy 7]
Tahaka ny renirano madio, tsy misy loto ny Teny fahamarinan’Andriamanitra