FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/97 p. 7
  • Moa ve Ianao Vavolombelona Manontolo Andro?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve Ianao Vavolombelona Manontolo Andro?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Hadinoina Ireo Manompo Manontolo Andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Asa inona no hofidinao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hitoriana ny vaovao tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 10/97 p. 7

Moa ve Ianao Vavolombelona Manontolo Andro?

1 Hamaly hoe eny an’io fanontaniana io ve ianao? Na dia tsy ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena rehetra aza no afaka manao ny fanompoana manontolo andro, tsy araka ny antonona ve ny hanantenana fa isika rehetra dia tokony hihevitra ny tenantsika ho toy ny Vavolombelony manontolo andro? Azo antoka fa tokony ho izany no izy.

2 Tsy mety ny hoe Kristiana tapa-potoana. Nilaza toy izao momba ny Rainy i Jesosy: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” (Jaona 8:29). I Paoly, izay nitovy hevitra tamin’izany, dia nampirisika antsika mba ‘hanao izany rehetra izany ho voninahitr’Andriamanitra’. (1 Kor. 10:31). Noho izany, isika rehetra dia tokony hihevitra ny tenantsika ho Vavolombelon’i Jehovah manontolo andro. Ny fiheverantsika ny tenantsika ho toy izany dia hitaona antsika ho amin’ny tsara amin’ny asa rehetra ataontsika.

3 Diniho ny porofo: Ny fisehoantsika ivelany sy ny resaka ataontsika, ary ny fitondran-tenantsika dia afaka milaza amin’ny olona fa tena Vavolombelon’i Jehovah tokoa isika. Takatsika ny ilana hanana fisehoana ivelany maotina, sy resaka mahasoa ary fitondran-tena mety, na rahoviana na rahoviana isika no manao ny fanompoana eny amin’ny saha na manatrika ireo fivoriana kristiana. Kanefa, na mandeha any am-pianarana isika, na miasa any am-piasana, na miala voly, ny zava-drehetra momba antsika dia tokony hanome porofo fa miaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika marin’i Jehovah isika.

4 Hoy i Jesosy: “Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. (...) Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:14-16). Tokony ho marina izany amin’ny zavatra rehetra ataontsika sy amin’ny fotoana rehetra. Raha toa ka hitantsika fa miahotra isika hanao fanambarana noho ny toerana ahitana antsika na ny zavatra ataontsika, dia mila manontany tena isika hoe: ‘Moa ve aho manompo an’i Jehovah tapa-potoana sa manontolo andro?’ Enga anie isika tsy handà na oviana na oviana ny fahafahana hiresaka amin’ny hafa momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

5 Tadidio fa manome voninahitra sy mampifaly an’i Jehovah isika raha afaka mamaly ilay fanontaniana hoe “Moa ve ianao Vavolombelona manontolo andro?”, amin’ny “Eny!” manakoako.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara