30 MARTSA–5 APRILY 2026
HIRA 76 Hoatran’ny Ahoana Moa?
Hainao Tsara ve ny Miresaka ny Fahamarinana?
‘Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah.’—SAL. 31:5.
HEVITRA HODINIHINA
Tokony ho haintsika tsara ny miresaka ny fahamarinana mba handray soa ny hafa.
1. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah isika?
“AHOANA no nahitanao ny fahamarinana?” Izany no anisan’ny anontaniantsika raha sambany isika vao mihaona amin’ny mpiara-manompo iray. Hamaly ny sasany hoe “notezaina tao amin’ny fahamarinana” izy. Ny hafa indray mety hiteny hoe vao haingana izy no “nahalala ny fahamarinana.” Hita amin’ireo valin-teny ireo hoe misy vokany be eo amin’ny fiainantsika ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Fantatsika mantsy fa tsy ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah mihitsy isika raha tsy mampiseho hoe tiantsika ny fahamarinana sady ampiharintsika eo amin’ny fiainana. Tafiditra amin’izany ny hoe milaza sy manao ny marina.—Sal. 15:1-3.
2. a) Inona no nampiavaka an’i Jesosy? b) Inona no ho vokatry ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy eo amin’ny olona?
2 Nilaza ny marina foana i Jesosy. Na ny fahavalony aza niaiky hoe nilaza ny marina foana izy na dia tsy ho tian’ny olona aza ny zavatra lazainy. (Mat. 22:16) Hoatran’ny ahoana ny vokatry ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy? Hoy izy: “Tonga aho hampisaraka ny zanakalahy sy ny rainy, ny zanakavavy sy ny reniny, ary ny vinantovavy sy ny rafozambaviny.” (Mat. 10:35) Tsy hoe tian’i Jesosy hanohitra ny hafatra notorin’izy sy ny mpanara-dia azy akory ny olona, fa nilaza ny zavatra hitranga izy. (Mat. 23:37) Fantany hoe hizara roa ny olona rehefa maheno ny hafatra notoriny. Ho tia fahamarinana ny sasany, fa ny hafa kosa tsy ho tia.—2 Tes. 2:9-11.
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Miezaka milaza ny marina hoatran’i Jesosy foana isika, na dia mety tsy ho tian’ny olona aza isika vokatr’izany. Mitory sy mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa isika, na ho tezitra amintsika aza ny olona sasany. Midika ve izany hoe mety foana ny fomba ilazantsika ny fahamarinana sy ny fotoana ilazantsika an’izany? Tsia! Hojerentsika aloha hoe: Aiza no ahitantsika ny fahamarinana? Hamaly an’ireto isika avy eo: Nahoana isika no miresaka ny fahamarinana? Ahoana no hilazana azy, ary rahoviana? Hanampy antsika hahay hitory kokoa ny fahamarinana ny valin’ireo, izany hoe hanampy antsika hahay handanjalanja sy hahay hifidy ny fotoana mety.
AIZA NO AHITANTSIKA NY FAHAMARINANA?
4. Nahoana isika no milaza hoe avy amin’i Jehovah ny fahamarinana?
4 Avy amin’i Jehovah ny fahamarinana. Marina daholo izay lazainy. Marina, ohatra, ny zavatra lazainy momba ny mety sy ny tsy mety. (Sal. 19:9; 119:142, 151) Tanteraka daholo koa izay lazainy momba ny hoavy. (Isaia 55:10, 11) Tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy izy. (Nom. 23:19) Tsy mahay mandainga mantsy i Jehovah! (Heb. 6:18) Tsy mahagaga àry raha antsoina hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” izy.—Sal. 31:5.
5. Nahoana no tsy sarotra amintsika ny mahafantatra an’Andriamanitra? Hazavao. (Asan’ny Apostoly 17:27)
5 Misy milaza fa tsy misy izany Jehovah izany, ary na misy aza izy dia sarotra amintsika ny mahafantatra azy. Tsy marina anefa izany. Be dia be ny porofo manodidina antsika hoe misy izy. (Rom. 1:20) Rehefa niresaka tamin’ireo Grika nahita fianarana tany Atena ny apostoly Paoly, dia nilaza hoe tian’Andriamanitra “hahita azy” isika, ary “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:27.) Raha ny marina aza, dia taomin’i Jehovah hanatona azy ny olona manetry tena mitady ny fahamarinana.—Jaona 6:44.
6. Inona ny fahamarinana sasany resahin’ny Baiboly, ary nahoana no mahafaly anao ny mahafantatra azy ireny?
6 Anisan’ny manampy antsika hahafantatra an’i Jehovah ny fianarana Baiboly. Notarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ireo lehilahy nanoratra azy io. (2 Pet. 1:20, 21) Marina daholo àry ny zavatra resahin’ny Baiboly sady azo itokisana. Afaka matoky, ohatra, isika hoe marina izay lazain’izy io momba ny niandohan’ny fiainana sy izao rehetra izao. (Gen. 1:1, 26) Azo inoana koa izay resahiny momba ny hoe nahoana isika no lasa mpanota sy mijaly be ary maty. (Rom. 5:12; 6:23) Anisan’ny resahin’ny Baiboly koa ny hoe hampiasa ny Zanany i Jehovah mba hanafoana ny zava-dratsy rehetra nataon’i Satana, ilay “rain’ny lainga.” Matoky tanteraka an’izany isika. (Jaona 8:44; Rom. 16:20) Azo antoka koa ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hanala ny faharatsiana i Jesosy, hanangana ny maty, hamerina ny tany ho paradisa, ary hanampy antsika ho lasa lavorary. (Jaona 11:25, 26; 1 Jaona 3:8) Tena tombontsoa be no omen’i Jehovah antsika! Ampianariny ny fahamarinana isika ary omeny tombontsoa hampianatra an’izany amin’ny hafa.—Mat. 28:19, 20.
NAHOANA ISIKA NO MIRESAKA NY FAHAMARINANA?
7-8. Zava-dehibe ve ny antony ilazantsika ny marina? Manomeza ohatra. (Marka 3:11, 12) (Jereo koa ny sary.)
7 Hitantsika teo hoe tsy maintsy milaza ny marina isika, raha te ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah. Tsy ampy anefa izany raha te hampifaly azy isika. Zava-dehibe amin’i Jehovah koa ny antony ilazantsika ny marina. Diniho izay nitranga nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. (Vakio ny Marka 3:11, 12.) Nisy vahoaka be nanodidina azy tamin’izy nitory teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Nisy olona nisy demonia niankohoka teo anatrehany sady niantsoantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra!” Nahoana ireo demonia ireo no nilaza ny marina momba an’i Jesosy? Amin’izay angamba ny olona hatoky an-dry zareo, dia avy eo tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Nilaza ny marina ireo demonia ireo, fa antony ratsy no nanaovany an’izany. Tsy voafitaka anefa i Jesosy sady tsy faly tamin’ny zavatra nataon-dry zareo. Nandidy an-dry zareo mihitsy aza izy mba tsy hitory momba azy.
8 Inona no ianarantsika avy amin’io fitantarana io? Zava-dehibe amin’i Jehovah ny antony ilazantsika ny marina. Tena tokony ho antony tsara àry no ampianarantsika ny fahamarinana. I Jehovah koa no omentsika voninahitra fa tsy ny tenantsika!—Mat. 5:16; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 14:12-15.
Iza no asongadinao rehefa mampianatra ny fahamarinana ianao? (Fehintsoratra 7-8)
9. Inona no tokony hitandremantsika, ary nahoana?
9 Rahoviana koa isika no mila mitandrina mba tsy hitady voninahitra ho an’ny tenantsika? Andeha hatao hoe nisy tsiambaratelo noresahin’ny rahalahy iray manana andraikitra tamintsika. Noresahintsika tamin’ny hafa anefa ilay izy. Raha lasa hitan’ilay olona niresahantsika hoe marina ilay zavatra nolazaintsika, dia mety ho gaga izy sady hieritreritra hoe be dia be angamba ny tsiambaratelo fantatsika. Mety ho lasa hanajanaja be antsika izy, fa Andriamanitra kosa tsy ho faly. (Ohab. 11:13) Nahoana? Satria tsy vitan’ny hoe namoaka tsiambaratelo isika, fa ratsy koa ny antony nandrisika antsika hilaza ny marina.
AHOANA NO HIRESAHANTSIKA NY FAHAMARINANA?
10. Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe teny “mahafinaritra”? (Kolosianina 4:6)
10 Vakio ny Kolosianina 4:6. Nampahatsiahy ny Kristianina tany Kolosia ny apostoly Paoly hoe tokony ‘hahafinaritra foana’ ny teny lazain-dry zareo. Inona no dikan’izany? Ilay teny grika nampiasaina eto dia midika hoe tokony hahasoa ny mpihaino ny teny lazaintsika sady hanintona ary hampiseho hoe tsara fanahy isika.
11-12. Nahoana isika no tokony hitandrina rehefa mampianatra ny fahamarinana? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)
11 Tokony hanao teny mahafinaritra isika rehefa mampianatra ny fahamarinana, araka ny torohevitr’i Paoly. Ny Baiboly rahateo milaza hoe hoatran’ny sabatra maranitra ny fahamarinana ao amin’izy io, ka mahavita manavaka an’izay miseho etỳ ivelany sy ny any am-po. Midika koa izany hoe afaka mampiharihary ny tena any am-pontsika sy ny antony anaovantsika zavatra ny Baiboly. (Heb. 4:12) Raha tsy haintsika tsara anefa ny mampiasa azy io, dia mety hanafintohina ny hafa izany sady hiteraka adihevitra tsy amin’antony. Ahoana no mety hitrangan’izany?
12 Eritrereto hoe mihaona amin’ny lehilahy iray tso-po ianao eny amin’ny fanompoana. Mivavaka tsy tapaka amin’ny sary izy, ary tia mankalaza Krismasy sy Paka izy sy ny fianakaviany. Mety hasehonao azy avy ao amin’ny Baiboly hoe hadalana ny mivavaka amin’ny sarivongana tsy mananaina, ary mety hanaporofo koa ianao hoe fetin’ny mpanompo sampy ny Krismasy sy ny Paka. (Isaia 44:14-20; 2 Kor. 6:14-17) Zavatra marina aloha no lazainao e! Raha tonga dia izany anefa no resahinao rehefa mitory aminy, dia ho hita hoe tsy mahay mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ianao.
Inona no tokony hataontsika mba ho haintsika ny mampianatra ny fahamarinana? (Fehintsoratra 11-12)a
13. Ahoana no hahatonga ny tenintsika ho mamy sira?
13 Nilaza tamin’ireo olona nanoratany koa i Paoly hoe tokony ho mamy sira ny tenin’izy ireo. Tsy te hilaza akory izy hoe mila manova ny fahamarinana isika na hanafina azy io. Nampirisika antsika kosa izy mba hanao teny “mamy” rehefa miresaka ny fahamarinana, amin’izay misy ‘tsirony’ amin’ny mpihaino ilay izy. (Joba 12:11) Mety ho sarotra aloha izany e! Rehefa mahandro sakafo mantsy isika, dia mety hieritreritra hoe rehefa matsiro amintsika ilay izy dia matsiro amin’ny hafa koa. Mety hieritreritra koa isika hoe ho tian’ny hafa ny fomba firesatsika. Tsy voatery ho izany anefa. Mivantambantam-piteny, ohatra, ny olona any amin’ny kolontsaina sasany na dia be taona noho izy aza ilay olona iresahany. Tsy azo ekena na manafintohina mihitsy anefa izany any amin’ny kolontsaina hafa. Nilaza i Paoly fa tsy maintsy mamantatra an’izay ‘tokony havalintsika ny olona tsirairay’ isika. Mila ataontsika mamy sira àry izay lazaintsika nefa tsy miankina amin’izay tiantsika na amin’ny kolontsaintsika, fa araka izay mety amin’ny olona mihaino antsika.
RAHOVIANA ISIKA NO HIRESAKA NY FAHAMARINANA?
14. Nampianarin’i Jesosy ny mpianany daholo ve izay rehetra fantany, tamin’izy tetỳ an-tany? Hazavao.
14 Nilaza teny mahafinaritra tamin’ny mpanara-dia azy foana i Jesosy. Tsara fanahy koa izy dia nampianatra an-dry zareo zavatra be dia be. (Mar. 6:34) Mbola betsaka anefa ny zavatra nila nianaran-dry zareo. Na izany aza, dia tsy niezaka nampianatra an-dry zareo an’izay rehetra fantany i Jesosy. Hainy hoe voafetra ny zavatra azon’izy ireo nianarana, ary mbola tsy fotoana nianaran’izy ireo fahamarinana sasany tamin’izay. Nilaza mihitsy aza izy hoe tsy ho zakan-dry zareo ireny fahamarinana ireny. (Jaona 16:12) Inona no ianarantsika avy amin’izany?
15. Tsy maintsy indray ampianarintsika ny mpianatra Baiboly daholo ve izay rehetra fantatsika? Hazavao. (Ohabolana 25:11) (Jereo koa ny sary.)
15 Hita avy amin’ny ohatr’i Jesosy fa ny hoe mahafantatra ny fahamarinana akory tsy midika hoe mila ampianarintsika ny olona indray mandeha daholo izay rehetra fantatsika. Ahoana àry no hanahafantsika azy? Tsy maintsy mieritreritra ny zavatra iainan’ilay olona isika. Eritrereto indray ilay lehilahy tia mankalaza Krismasy sy Paka noresahintsika teo. Fantatsika hoe avy amin’ny fanompoan-tsampy ireo fety ireo ary tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Ahoana anefa raha herinandro na tapa-bolana alohan’ny Krismasy isika no manomboka mampianatra Baiboly azy? Manao teny mahafinaritra ve isika raha asehontsika azy izay lazain’ny Baiboly momba ny fetin’ny mpanompo sampy, ary manantena isika hoe tonga dia tsy hankalaza Krismasy intsony izy? Marina aloha hoe misy mpianatra tonga dia mampihatra an’izay ianarany. Mila fotoana kokoa anefa ny hafa mba hanitsiana ny toe-tsainy sy ny fanaony. Manampy ny mpianatra Baiboly handroso isika raha lazaintsika aminy ny zavatra tokony ho fantany amin’ny fotoana mety aminy, izany hoe amin’ny fotoana ahazakany an’izany.—Vakio ny Ohabolana 25:11.
Tahafo i Jesosy rehefa hanapa-kevitra hoe rahoviana no hiresaka ny fahamarinana ary inona avy no holazaina (Fehintsoratra 15)
16. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra Baiboly mba ‘tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy’?
16 Tena mahafaly antsika ny manampy ny olona hahafantatra ny marina momba an’i Jehovah. Inona àry no azonao atao mba hanampiana an-dry zareo ‘tsy hiala amin’ny fahamarinana’ mihitsy? Miezaha foana ho modely. (3 Jaona 3, 4) Asehoy amin’ny fiainanao hoe mino ny fampanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao. Miezaha mba ho antony tsara no mahatonga anao hilaza ny marina. Rehefa mampianatra ny fahamarinana ianao, dia miezaha hanao teny mahafinaritra sy amin-katsaram-panahy, ary amin’ny fotoana mety. I Jehovah foana no omeo voninahitra. Raha manao an’izany ianao, dia ho hita hoe tena mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana.
HIRA 160 “Vaovao Tsara”!
a FANAZAVANA SARY: Asehon’ny sary voalohany hoe hitan’ilay rahalahy ilay hazo noely ao an-tranon’ilay lehilahy itoriany. Asehony azy ilay lahatsoratra miresaka hoe avy amin’ny mpanompo sampy ny Krismasy. Hita eo amin’ny sary faharoa indray hoe mampiseho lahatsoratra momba ny raim-pianakaviana amin’ilay lehilahy itoriany ilay rahalahy. Iza amin’ireo no mahomby kokoa?