Fanamarihana Ambany Pejy
c Hoy ny Commentary on the Old Testament, nataon’i C. F. Keil sy i F. Delitzsch: “Mifarana eto ny kabarin’ilay mpaminany. Misy faritra banga eo anelanelan’ny and. 9 sy 10, ka mampiseho fa mizara ho roa ilay soratra eto. Io fomba fanamarihana fizarana lehibe na kely io, na amin’ny famelana faritra banga izany, na amin’ny fanapahana ilay andalana, dia tranainy kokoa noho ny fampiasana teboka sy mari-tsindrimpeo eo amin’ny zanatsoratra, ary miorina amin’ny fomba mahazatra iray nisy hatramin’ny fahagolan-tany.”