-
Tena Kristianina ve Izay Milaza fa Kristianina?Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Martsa
-
-
Tena Kristianina ve Izay Milaza fa Kristianina?
MILAZA ny Bokin-tsarintany Momba ny Fivavahana Kristianina Eran-tany (anglisy) fa efa ho 2 300 tapitrisa ny Kristianina eran-tany, tamin’ny 2010. Milaza koa anefa izy io fa maherin’ny 41 000 ny fivavahana misy azy ireo, ary samy manana ny fampianarany sy ny fitsipika arahiny ireo fivavahana ireo. Be dia be àry ny fivavahana milaza fa Kristianina, ka lasa mikorontan-tsaina sy diso fanantenana ny olona. Misy lasa saina hoe: ‘Tena Kristianina daholo àry ve izay milaza fa Kristianina?’
Mba hamaliana izany, dia haka ohatra aloha isika. Aoka hatao hoe nisy olona iray nosakanan’ny polisy, ka nanontaniany ny mombamomba azy. Tsy hino azy ilay polisy raha manazava fotsiny izy fa tsy manome porofo. Mila mampiseho kara-panondro, ohatra, izy. Toy izany koa fa tsy ampy raha milaza fotsiny ny olona iray hoe mino an’i Jesosy, fa mila manaporofo kosa izy fa tena Kristianina tokoa.
Taoriana kelin’ny taona 44 no nanomboka nampiasaina ny teny hoe “Kristianina.” Hoy i Lioka, mpanoratra Baiboly: “Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina.” (Asan’ny Apostoly 11:26) Hita eo fa mpianatr’i Kristy ireo nantsoina hoe Kristianina. Iza anefa izy ireo? Hoy Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy): ‘Ny mpianatr’i Jesosy dia izay mahafoy ny fiainany manontolo ho azy mandra-pahafatiny, ary tsy manantena tambiny rehefa manao izany.’ Ny tena Kristianina àry dia izay manaraka tsara ny toromarika sy ny zavatra nampianarin’i Jesosy, ary tsy manantena tambiny rehefa manao izany.
Manao izany daholo ve ireo olona be dia be milaza fa Kristianina? Misy zavatra dimy nolazain’i Jesosy fa amantarana ny tena mpanara-dia azy, ka hojerentsika ato raha tena nanao an’ireo tokoa ny Kristianina voalohany. Hojerentsika koa hoe iza amin’izay milaza fa Kristianina ankehitriny no manao an’ireo zavatra dimy ireo.
-
-
“Tsy Miala Amin’ny Teniko”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Martsa
-
-
“Tsy Miala Amin’ny Teniko”
“Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—JAONA 8:31, 32.
Inona no dikan’izany? Ilay hoe ‘tenin’i Jesosy’ eo, dia ny fampianarany. Avy amin’Andriamanitra anefa izany, satria hoy izy: “Ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.” (Jaona 12:49) Hoy koa izy tamin’io Rainy io: “Ny teninao no fahamarinana.” Matetika izy no nilaza ny tenin’Andriamanitra rehefa nampianatra. (Jaona 17:17; Matio 4:4, 7, 10) Inona àry no amantarana ny tena Kristianina? ‘Tsy miala amin’ny tenin’i Jesosy’ izy ireo, izany hoe ekeny fa ny Tenin’Andriamanitra na ny Baiboly no “fahamarinana.” Izay zavatra voalaza ao sy ny fitsipika ao ihany no inoany sy arahiny.
Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Anisan’ny Kristianina voalohany ny apostoly Paoly. Zava-dehibe taminy ny Tenin’Andriamanitra, toa an’i Jesosy ihany. Hoy mantsy izy: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Timoty 3:16) Nisy lehilahy nampianatra ny fiangonana koa tamin’izany. Tsy niala tamin’ny Tenin’Andriamanitra na ilay “teny azo antoka” izy ireo rehefa nampianatra. (Titosy 1:7, 9) Niezaka koa ny Kristianina voalohany mba tsy hino ny filozofia sy ny hevitr’ity tontolo ity, satria tsy araka ny fampianaran’i Kristy ireny.—Kolosianina 2:8.
Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Hoy ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy): ‘Tsy avy amin’ny Soratra Masina ihany ny zavatra inoan’ny Eglizy Katolika, fa avy amin’ny lovantsofina masina koa. Samy tokony hekena sy hajaina àry na ny lovantsofina masina na ny Soratra Masina.’ Hoy ny pasitera iray any Kanada, ao amin’ny gazetiboky Maclean’s: “Fa nahoana moa isika no tsy maintsy manaraka ny tenin’i Jesosy sy ny Soratra Masina, izay efa tamin’ny 2 000 taona lasa? Manana hevitra tsara be koa isika amin’izao, nefa lasa tsy misy dikany ilay izy, satria hoe tsy maintsy ampifanarahana amin’ny an’i Jesosy sy ny Baiboly.”
Hoy kosa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Izay lazain’ny Baiboly ihany no inoan’izy ireo, ary ny fitsipika ao ihany no arahiny.” Malaza ho mampiasa Baiboly koa izy ireo. Nitory tamin’ny lehilahy iray tany Kanada, ohatra, ny Vavolombelona iray. Vao saika hiteny izy hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga dia nilaza ilay lehilahy hoe: “Vao hitako fotsiny iny Baiboly iny, dia efa fantatro hoe iza ianareo.”
-
-
“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Martsa
-
-
“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”
‘Halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tsy anisan’izao tontolo izao.’—JAONA 17:14.
Inona no dikan’izany? Toa an’i Jesosy, dia tsy miady na miditra amin’ny politika ny Kristianina, satria tsy anisan’izao tontolo izao. Hoy mantsy i Jesosy: “Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Nampirisika ny mpanara-dia azy koa i Jesosy mba tsy hitovy fomba fiteny amin’ity tontolo ity na hanana toe-tsaina sy fitondran-tena raran’ny Baiboly.—Matio 20:25-27.
Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Hoy i Jonathan Dymond, mpanoratra: ‘Tsy nety nandeha niady ny Kristianina voalohany na inona na inona vokany, na halam-baraka izy, na hogadraina, na hovonoina ho faty.’ Naleon’izy ireo nampijalina toy izay hanaiky hiady. Niavaka koa izy ireo satria tsara fitondran-tena. Hoy i Petera tamin’izy ireo: “Satria tsy miara-mihazakazaka aminy intsony ho amin’izany honahonan’ny filibana izany ianareo, dia very hevitra izy ka manevateva anareo tsy misy farany.” (1 Petera 4:4) Nilaza i Will Durant, mpahay tantara, fa ‘tia fivavahana sy tsara fitondran-tena ny Kristianina ka nahasosotra an’ireo mpanompo sampy tia fahafinaretana loatra.’
Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Betsaka ny fivavahana mihevitra fa tokony handray anjara amin’ny ady ny Kristianina. Hoy, ohatra, ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Diso mihitsy ny olona iray raha tsy mandeha miady satria hoe tsy eken’ny eritreriny izany.” Nisy tatitra koa nataon’ny fikambanana iray momba ny zon’olombelona. Voalaza tao fa nisy fandripahana foko tany Rwanda, tamin’ny 1994. Nandray anjara tamin’izany ny fivavahana rehetra, “afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Hoy koa ny mpampianatra iray, momba an’ilay Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia: “Aiza ve ka dia tsy nisy mihitsy fikambanana sahy nampibaribary ny lainga fanaon’izy ireo na nanohitra ny habibiana sy famonoana nahatsiravina nataony!” Faly anefa izy rehefa avy nitsidika tranombakoka iray. Hitany tany mantsy fa tsy nilefitra mihitsy tamin’ny zavatra ninoany ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia nampijalin’ny Nazia aza.
Ary iza amin’izao no tsara fitondran-tena? Hoy ny gazety Katolika Amerikanina: “Tsy manaraka ny fampianaran’ny eglizy ny ankamaroan’ny tanora katolika, ka manao tokantranomaso sy firaisana alohan’ny fanambadiana.” Voalaza ao koa ny tenin’ny diakona iray hoe: “Ny antsasany mahery amin’ny olona atao mariazy no efa niray trano.” Milaza kosa Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) fa ‘zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ka tena harahiny tsara izany.’
-
-
“Mifankatia”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Martsa
-
-
“Mifankatia”
“Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—JAONA 13:34, 35.
Inona no dikan’izany? Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hifankatia, toy ny nitiavany azy ireo. Tena tia azy ireo tokoa i Jesosy, satria tsy nanavakavaka sady tsy nanambany vehivavy, na dia nanao izany aza ny olona tamin’izany. (Jaona 4:7-10) Tsy nanao izay hampiadana ny tenany koa izy, fa nahafoy ny fotoanany sy ny heriny mba hanampiana azy ireo. (Marka 6:30-34) Nanome ny ainy mihitsy aza i Jesosy, satria hoy izy: “Izaho no mpiandry tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondry.”—Jaona 10:11.
Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Nifampiantso hoe ‘rahalahy’ sy ‘anabavy’ izy ireo. (Filemona 1, 2) Noraisin’izy ireo tsara koa izay olona te ho anisan’ny fiangonana kristianina, na inona na inona fiaviany. Nino, ohatra, izy ireo fa “tsy misy fahasamihafana ny Jiosy sy ny Grika. Iray ihany mantsy ny Tompo izay ambonin’izy rehetra.” (Romanina 10:11, 12) “Nivarotra ny taniny sy ny fananany” koa ny mpianatr’i Jesosy tany Jerosalema, taorian’ny Pentekosta taona 33, ka “ny vola azo dia nozarainy” tamin’ireo vao avy natao batisa. Afaka nijanona tany Jerosalema ireo Kristianina vaovao ireo tamin’izay, ka “nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly.” (Asan’ny Apostoly 2:41-45) Roanjato taona latsaka taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nilaza i Tertullien fa hitan’ny olona hoe ‘tena nifankatia ny Kristianina, ary vonona ho faty ho an’ny namany mihitsy aza.’
Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Hoy i Edward Gibbon, tao amin’ny bokiny iray: “[Efa an-taonany maro ireo olona milaza fa Kristianina no] nampijaly ny Kristianina namany, ary mbola mihoatra lavitra noho ny nataon’ny tsy mpino tamin’izy ireo aza izany.” Hita tamin’ny fandinihana vao haingana tany Etazonia koa, fa be dia be ny olona manavakavaka nefa milaza fa mpivavaka, indrindra fa ny Kristianina. Tsikaritra koa fa tsy mifandray amin’ny mpiangona any amin’ny faritra iray ny mpiangona any amin’ny faritra hafa, na dia mitovy fivavahana aza izy ireo. Tsy afaka mifanampy na tsy te hifanampy mihitsy àry izy ireo, rehefa misy olana.
Iza àry ny fivavahana tena mifankatia amin’izao? Diniho izay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy rivo-doza efatra tany Floride tao anatin’ny roa volana, tamin’ny 2004. Nanara-maso ny fizarana fanampiana ny lehiben’ny Komity Mpamonjy Tra-boina, ka hitany fa hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah satria tena voalamina tsara. Nilaza àry izy fa afaka manome izay ilain’ireo Vavolombelona, raha mila fanampiana izy ireo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tra-boina koa tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, tamin’ny 1997. Nankany avy hatrany ny Vavolombelona vitsivitsy anisan’ny ekipa mpanampy tra-boina. Nitondra fanampiana avy tamin’ny Vavolombelona tany Eoropa izy ireo, ary efa nitentina 2 000 tapitrisa ariary tany ho any ilay izy. Nitondra fanafody sy sakafo ary akanjo ho an’ny mpiray finoana taminy sy ny olon-kafa izy ireo.
-
-
‘Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra’Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Martsa
-
-
‘Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra’
‘Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.’—JAONA 17:6, 26.
Inona no dikan’izany? Te hampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy ka nampiasa azy io rehefa nitory. Tsy maintsy ho nanonona ny anaran’Andriamanitra koa izy rehefa namaky ny Soratra Masina. (Lioka 4:16-21) Nampianariny hivavaka toy izao aza ny mpanara-dia azy: “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!”—Lioka 11:2.
Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Nilaza tamin’ny anti-panahy tany Jerosalema ny apostoly Petera fa naka olona “hitondra ny anarany” Andriamanitra, ka ireo no nampahafantatra ny anarany. (Asan’ny Apostoly 15:14) Nitory koa ny apostoly sy ny namany hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Asan’ny Apostoly 2:21; Romanina 10:13) Nampiasa ny anaran’Andriamanitra koa izy ireo tao amin’ny boky nosoratany. Manaporofo izany, ohatra, ny Tôsefta, ilay fitambaran-dalàna jiosy vita tamin’ny taona 300 tany ho any. Izao no voalaza ao: ‘Nodoran’ny mpanohitra ny bokin’ny mpitory ny Filazantsara sy ny bokin’ny minim [na Kristianina jiosy], izay nisy ny Anaran’Andriamanitra.’
Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Miresaka momba ny anaran’Andriamanitra ny Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara ao amin’ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Eksodosy 3:15. Izao no voalaza ao: “Nanomboka tamin’ny taonjato faha-4 tal J.K. ny Jiosy no nizatra tsy nanonona io anarana io intsony (mba tsy hanonontononana azy foana, jereo 20.7), fa nanao hoe ny TOMPO matetika, na nanolo azy tamin’ny fomba fiteny hafa toy ny hoe Ny Lanitra, ny Anarana, ny Voninahitra ets. Koa rehefa misy anarana hoe YHWHa ny rijan-teny hebreo masôretika, dia ny TOMPO no nandikana azy ato amin’ity DIEM ity.” Vao haingana koa, ohatra, ny Vatikana no nilaza tamin’ny eveka katolika hoe ‘tsy tokony hampiasaina na hotononina ilay anaran’Andriamanitra hoe Iaveh [na Jehovah] rehefa mihira sy mivavaka.’
Iza àry ankehitriny no mampiasa sy mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra? Nipetraka tany Kirghizistan i Sergey. Tamin’izy 15 taona no nahalala voalohany hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Sendra reny tamin’ny filma ilay izy. Tsy naheno olona nampiasa an’io anarana io intsony anefa izy nandritra ny folo taona teo ho eo. Nifindra tany Etazonia izy tatỳ aoriana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory tao an-tranony, ka nampiseho azy ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Faly be izy hoe hay misy mampiasa ihany ilay hoe Jehovah. Mahaliana koa fa izao no andikan’ny diksionera Webster (anglisy) ny hoe Jehovah Andriamanitra: “Ilay andriamanitra avo indrindra eken’ny Vavolombelon’i Jehovah sy hany ivavahany.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Jehovah” no andikana an’io anaran’Andriamanitra io amin’ny teny malagasy.
-
-
‘Mitory ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana’Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Martsa
-
-
‘Mitory ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana’
“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—MATIO 24:14.
Inona no dikan’izany? Nilaza i Lioka, mpanoratra Filazantsara, fa ‘nitety tanàna sy vohitra i Jesosy, ka nitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 8:1) Na i Jesosy aza niteny mihitsy hoe: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Nasainy nitety tanàna koa ny mpianany, mba hitory ny vaovao tsara. Hoy izy: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’—Asan’ny Apostoly 1:8; Lioka 10:1.
Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Tonga dia nanaraka ny tenin’i Jesosy izy ireo. ‘Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano.’ (Asan’ny Apostoly 5:42) Hoy i Neander, mpahay tantara: ‘Nanesoeso mihitsy aza i Celse, mpanoratra boky nanaratsy ny Kristianina. Nazoto nitory ny filazantsara mantsy na mpanenona volonondry io, na mpanao kiraro, na mpanao hoditra, ary na ny olona faran’izay tsotra sy tsy nahita fianarana aza.’ Hoy koa ny boky iray: ‘Tsy maintsy nitety ny faritra rehetra [ny Kristianina], ka nitory tamin’izay olona hitany, na teny an-dalambe na tao an-tanàna, na teny an-kalamanjana na tany an-tranon’olona. Nitory foana izy ireo na nandray ny olona na tsia. Nandeha hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra izy ireo.’
Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Hoy i David Watson, pasitera anglikanina: “Tsy dia zava-dehibe amin’ny eglizy ny mitory sy mampianatra, ka tsy mahagaga raha lasa tsy te hanompo an’Andriamanitra ny olona.” Niresaka momba ny Fiangonana Ara-pilazantsara sy ny Advantista ary ny fivavahana hafa koa i José Luis Pérez Guadalupe, ao amin’ilay bokiny hoe Nahoana no Mihena ny Katolika? (espaniola). Nilaza izy fa ‘tsy mba mitory isan-trano izy ireo, nefa ny Vavolombelon’i Jehovah manao an’izany foana.’
Tena marina koa ny tenin’i Jonathan Turley, manam-pahaizana, hoe: “Raha vao maheno hoe Vavolombelon’i Jehovah ny olona, dia ireo mpitory tonga tampotampoka any an-tranony no ao an-tsainy voalohany. Tsy hoe te hitaona olona fotsiny ry zareo, fa zava-dehibe aminy koa ilay izy mba hanatanjahany ny finoany.”
[Efajoro, pejy 9]
Iza no Tena Kristianina?
Iza no hitanao hoe tena Kristianina, raha jerena ireo zavatra dimy noresahin’i Jesosy tato? Na be dia be aza ny fivavahana milaza fa Kristianina, dia tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Matio 7:21) Tokony hofantarinao àry hoe iza no fivavahana manao ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe ny tena Kristianina. Tokony hiaraka amin’izy ireo koa ianao, amin’izay hahazo fitahiana mandrakizay rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Afaka manontany ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha te hahalala bebe kokoa momba an’io fanjakana io sy izay zavatra hataony.—Lioka 4:43.
-