-
“Nianjera i Babylona!”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
8. Araka ilay faminaniana, nanao ahoana ny fihetsiky ny Babylonianina, na dia efa teo ivelan’ireo manda aza ny fahavalony?
8 Rehefa tonga ny haizina tamin’io alina nitondra loza io, dia lavitra ny sain’ny Babylonianina ny hoe horohoro. Roanjato taona mialoha, dia efa naminany i Isaia hoe: “Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona”. (Isaia 21:5a). Eny, nanao fanasam-be i Belsazara, ilay mpanjaka nizahozaho. Nalamina ny toerana hipetrahan’ireo mpanolo-tsainy arivo, sy ireo vadiny sy vady tsindranony maro be. (Daniela 5:1, 2). Fantatr’ireo mpanao fety fa nisy tafika teo ivelan’ireo mandany, nefa nino izy ireo fa tsy nety resy ny tanànany. Ireo rindriny natevim-be sy hady voriny lalina dia toa nahatonga azy io ho tsy nety ho azo; ireo andriamaniny maro be dia nahatonga izany ho tsy azo noeritreretina. Koa aoka ‘hihinana sy hisotro’! Nanjary mamo i Belsazara, ary tsy izy irery angamba. Toa domelina ireo manamboninahitra ambony, satria nilaina notairina, araka ny asehon’ireo teny ara-paminanian’i Isaia manaraka.
9. Nahoana no nanjary nilaina ny ‘nanosotra ny ampinga’?
9 “Mitsangàna, hianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!” (Isaia 21:5b). Tampoka teo, dia tapaka ilay lanonana. Tsy maintsy nitsangana ireo andriana. Nampanantsoina i Daniela, ilay mpaminany efa be taona, izay nahita ny nandatsahan’i Jehovah horohoro nitovy tamin’izay nolazain’i Isaia, tamin’i Belsazara, ilay mpanjaka babylonianina. Latsaka tao anatin’ny fisafotofotoana ireo mpanolo-tsain’ilay mpanjaka, rehefa novakin’ireo tafika nitambatry ny Medianina sy ny Persanina ary ny Elamita, ireo fiarovan’ilay tanàna. Nianjera avy hatrany i Babylona! Inona anefa no hevitry ny hoe “hosory ny ampinga”? Indraindray ny Baiboly dia miantso ny mpanjakan’ny firenena iray hoe ny ampingany, satria izy no mpiaro an’ilay tany.b (Salamo 89:18). Koa azo inoana àry fa naminany ny amin’ny hilana mpanjaka vaovao iray io andinin-teny ao amin’ny Isaia io. Nahoana? Satria “tamin’io alina io ihany”, dia novonoina i Belsazara. Noho izany, dia nilaina ny ‘nanosotra ny ampinga’, na nanendry mpanjaka vaovao iray.—Daniela 5:1-9, 30.
-
-
“Nianjera i Babylona!”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
b Mpanazava ny Baiboly maro no mihevitra fa ny teny hoe “hosory ny ampinga” dia manondro ilay fanaon’ny miaramila fahiny nanisy diloilo ireo ampinga hoditra, talohan’ny ady, mba hampisolifatra fotsiny ny ankamaroan’ireo famelezana. Na dia mety ho azo ekena aza izany hevitra izany, dia tokony homarihina fa tamin’ny alina nianjeran’ilay tanàna, dia zara raha nanana fotoana hiadiana ireo Babylonianina, mainka moa fa mba hiomanana ho amin’ny ady, tamin’ny fanosorana menaka ny ampingany!
-