-
“Nianjera i Babylona!”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
12. Toetra tsara inona avy no nasehon’ilay mpiambin’ny fahitan’i Isaia, ary iza no mila ireo toetra ireo amin’izao andro izao?
12 Voatery nanao tatitra àry ilay mpiambina. “Niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina;
-
-
“Nianjera i Babylona!”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Niantsoantso tamin-kerim-po, tamin’ny “feon-diona”, ilay mpiambina tao amin’ny fahitana. Nilana herim-po ny niantsoantso hafatra iray ho fanamelohana firenena nahatahotra iray toa an’i Babylona. Nisy zavatra iray hafa koa notakina—ny fiaretana. Nijanona teo amin’ny toeram-piambenany andro aman’alina ilay mpiambina, ka tsy namela ny fitandremany hihena mihitsy. Toy izany koa, ny kilasin’ny mpiambina amin’izao andro farany izao dia mila herim-po sy fiaretana. (Apokalypsy 14:12). Mila ireo toetra ireo ny Kristianina marina rehetra.
-