FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiaraha-manompo Amin’ilay Mpiambina
    Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Janoary
    • Tokony ho 200 taona talohan’ilay zavatra hitranga, dia nanome izao baiko izao i Jehovah: “Mandehana, manendre tily; ka izay hitany no aoka holazainy.” Vaovao inona no nambaran’io mpiambina io? “[Nianjera izy! Nianjera i Babylona, NW ]! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:6, 9). Inona tokoa fa tanteraka ilay fanambarana ara-paminaniana, tamin’ny 539 al.f.i.! Nianjera i Babylona natanjaka, ka tsy ela dia afaka niverina tany an-tanindrazany ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena.

  • Fiaraha-manompo Amin’ilay Mpiambina
    Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Janoary
    • 13. a) Hafatra inona no nambaran’ilay mpiambin’i Jehovah? b) Nahoana no azo lazaina fa nianjera i Babylona Lehibe?

      13 Inona no hitan’io mpiambina io? Eto indray koa, dia nanambara toy izao ilay mpiambin’i Jehovah, dia ny kilasin’ny vavolombelony: “[Nianjera izy! Nianjera i Babylona, NW ]! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:9). Tamin’ity indray mandeha ity, taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, no nidaraboka avy teny amin’ny toeram-pahefana ambony nananany. (Jeremia 50:1-3; Apokalypsy 14:8). Tsy mahagaga raha niandoha tao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ny Ady Lehibe, araka ny niantsoana azy tamin’izany fotoana izany. Teo anivon’io Tontolo Lazaina fa Kristianina io, dia nandrehitra ny ady ireo mpitondra fivavahana tao amin’ireo andaniny roa nifanandrina, tamin’ny nampirisihany an’ireo tanora sangany indrindra tao aminy ho any an’ady. Fahafaham-baraka re izany! Tamin’ny 1919, i Babylona Lehibe dia tsy afa-nisakana ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany​—eny, tsy nahasakana azy ireo tsy ho afa-nandositra avy tamin’ny tsy fahafahana nanao na inona na inona, ary tsy nahasakana azy ireo koa tsy hanomboka fitoriana maneran-tany, izay mbola mitohy ankehitriny. (Matio 24:14). Nidika ho fianjeran’i Babylona Lehibe izany, tsy misy hafa amin’ny hoe nidika koa ho fianjeran’ilay Babylona fahiny ny nanafahana ny Isiraely tamin’ny taonjato fahenina al.f.i.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara