Toko 36
Rava Ilay Tanàna Lehibe
Fahitana 12—Apokalypsy 18:1–19:10
Foto-kevitra: Ny fianjeran’i Babylona Lehibe sy ny fandringanana azy; nambara ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny 1919 ka hatrany aorian’ny fahoriana lehibe
1. Inona no ho fanombohan’ny fahoriana lehibe?
HO TAMPOKA be sy hanaitra mafy ny fandringanana an’i Babylona Lehibe! Ho anisan’ny loza lehibe indrindra eo amin’ny tantara izany, ary ho fanombohan’ny “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.”—Matio 24:21.
2. Na maro aza ny fanjakana nifandimby, inona no mbola misy foana?
2 Efa nisy hatry ny ela ny fivavahan-diso, eny, efa hatramin’ny andron’i Nimroda lian-dra, izay nanohitra an’i Jehovah sy nampanao ny Tilikambon’i Babela. Rehefa nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ireo mpikomy, ka naeliny eran-tany izy ireo, dia nentin’ireo niaraka taminy ny fivavahan-diso avy tao Babylona. (Genesisy 10:8-10; 11:4-9) Maro ny fanjakana naorina taorian’izay, nefa rava ihany izy ireny, fa ny fivavahan-diso avy tao Babylona kosa misy foana. Niseho tamin’ny endriny maro samihafa izy io, ary niely eran-tany. Ny fitambaran’izy ireo no antsoina hoe Babylona Lehibe, ao amin’ny faminaniana. Ny Kristianisma Anarana no ampahany lehibe indrindra aminy. Nampifangaro ny fampianarany tamin’ny fivavahana avy tany Babylona ny “Kristianina” nivadi-pinoana, ka izany no nampisy ny Kristianisma Anarana. Sarotra amin’ny olona maro ny hino hoe ho ringana i Babylona Lehibe, satria efa nisy hatramin’ny taloha ela be izy io.
3. Ahoana no anamafisan’ny Apokalypsy fa ho ringana tokoa ny fivavahan-diso?
3 Mety àry raha manome tsipiriany momba ny fianjeran’i Babylona Lehibe sy izay hahatonga azy ho rava tanteraka ny Apokalypsy, mba hanamafisana fa ho ringana tokoa ny fivavahan-diso. Fanoharana roa no manazava izany. Efa hitantsika fa oharina amin’ny “mpivaro-tena lehibe” izy io, ary ireo mpitondra, izay sakaiza ratsiny teo aloha ihany no handringana azy. (Apokalypsy 17:1, 15, 16) Ho hitantsika kosa izao fa oharina amin’ny tanàna izy io, toy ilay Babylona fahiny.
Nianjera i Babylona Lehibe
4. a) Inona no hitan’i Jaona manaraka? b) Ahoana no ahafantarantsika hoe iza ilay anjely, ary nahoana no mety raha izy no manambara ny fianjeran’i Babylona Lehibe?
4 Hoy indray i Jaona: “Ary taorian’izany, dia hitako fa nisy anjely hafa iray nidina avy tany an-danitra, ary nanana fahefana lehibe izy. Ary nohazavain’ny voninahiny ny tany. Ary niantsoantso mafy izy hoe: ‘Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe.’ ” (Apokalypsy 18:1, 2a) Fanindroany izao no nandrenesan’i Jaona an’io fanambarana ataon’ny anjely io. (Jereo ny Apokalypsy 14:8.) Vao mainka misongadina izao ilay fanambarana, satria be voninahitra ilay anjely nilaza azy, ary nanazava ny tany manontolo ny voninahiny! Iza io anjely io? Nilaza i Ezekiela mpaminany tao amin’ny fahitany taloha ela be, fa ‘namirapiratra ny tany [noho ny] voninahitr’i [Jehovah].’ (Ezekiela 43:2) I Jesosy Tompo ihany no anjely manana voninahitra mamirapiratra toy ny an’i Jehovah, satria izy no “taratry ny [voninahitr’Andriamanitra], sady mampiseho tanteraka ny maha izy azy.” (Hebreo 1:3) Nanomboka nanjaka tany an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914. Mpanjaka sady Mpitsara miara-miasa amin’i Jehovah izy izao, ka mampihatra ny fahefany eo amin’ny tany. Mety àry raha izy no manambara ny fianjeran’i Babylona Lehibe.
5. a) Iza no ampiasain’ilay anjely mba hanambara ny fianjeran’i Babylona Lehibe? b) Oviana no natomboka ny fitsarana an’ireo mitonona ho “ankohonan’Andriamanitra”, ary inona no didim-pitsarana azon’ny Kristianisma Anarana?
5 Iza no ampiasain’io anjely manana fahefana lehibe io, mba hanambara izany vaovao manaitra izany? Tsy iza fa ireo sisa voahosotra, izay nafahana rehefa nianjera i Babylona Lehibe. Tena nijaly izy ireo tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918, fony babo tao amin’izy io. Tamin’ny 1918 anefa, dia nanomboka nitsara “ny ankohonan’Andriamanitra” na ireo mitonona ho Kristianina, i Jehovah Tompo sy Jesosy Kristy, ilay “Anjelin’ny fanekena [natao tamin’i Abrahama].” Notsaraina àry ny Kristianisma Anarana nivadi-pinoana tamin’izay. (Malakia 3:1; 1 Petera 4:17) Tompon’andraikitra tamin’ny famonoana olona be dia be nandritra ny Ady Lehibe I izy, sady nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah nahatoky, ary nampianatra foto-pinoana avy tany Babylona. Nomelohina àry izy, ary tsy nisy nankasitrahan’Andriamanitra koa ny fivavahana hafa anisan’i Babylona Lehibe.—Ampitahao amin’ny Isaia 13:1-9.
6. Inona no manaporofo fa nianjera i Babylona Lehibe tamin’ny 1919?
6 Nianjera àry i Babylona Lehibe tamin’ny 1919. Nafahana avy tao ny vahoakan’Andriamanitra, ary naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Toy ny hoe tao anatin’ny iray andro no nitrangan’izany. (Isaia 66:8) Nanafaka tanteraka ny vahoakany tamin’ny fivavahan-diso i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy tamin’io taona io, toy ny nanafahan’i Dariosy sy Kyrosy ny vahoakan’Andriamanitra avy tao Babylona fahiny. Tsy voagejan’izy io intsony izy ireo, sady tsy azony nosakanana tsy hanompo an’i Jehovah, sy hanambara hoe voaheloka i Babylona Lehibe ary akaiky ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra!—Isaia 45:1-4; Daniela 5:30–6:1.
7. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’i Babylona Lehibe, na dia mbola tsy ringana tamin’ny 1919 aza izy io? b) Rehefa nianjera i Babylona Lehibe tamin’ny 1919, inona no vokatr’izany teo amin’ny vahoakan’i Jehovah?
7 Tsy ringana tamin’ny 1919 i Babylona Lehibe, tsy misy hafa amin’i Babylona fahiny izay tsy rava tamin’ny 539 T.K., rehefa resin’ny tafik’i Kyrosy Persanina. Amin’i Jehovah anefa, dia efa nianjera izy io. Voaheloka izy io, ary miandry ny fandringanana azy tanteraka. Tsy afaka nangeja ny vahoakan’i Jehovah intsony àry ny fivavahan-diso. (Ampitahao amin’ny Lioka 9:59, 60.) Nafahana ireo Kristianina ireo mba hotendren’ny Tompony ho mpanompo mahatoky sy malina, ka hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. Nahazo teny fiderana izy ireo rehefa avy notsaraina, ary nirahina hanao ny asan’i Jehovah indray.—Matio 24:45-47; 25:21, 23; Asan’ny Apostoly 1:8.
8. Inona no ambaran’ilay mpiambina ao amin’ny Isaia 21:8, 9, ary iza no oharina amin’io mpiambina io ankehitriny?
8 Efa nisy mpanompon’i Jehovah hafa nasainy naminany momba izany fisehoan-javatra lehibe izany taloha ela be. Noresahin’i Isaia fa nisy mpiambina iray “niantso nanao feon-diona ... nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina.” Inona no tazan’io mpiambina be herim-po toy ny liona io, ka nambarany? “Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia [notorotoroin’i Jehovah] miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:8, 9) Oharina amin’io mpiambina io ireo sisa voahosotra ankehitriny, satria mampiasa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa, mba hanambarana fa nianjera i Babylona.
Mihena ny herin’i Babylona Lehibe
9, 10. a) Inona avy no manaporofo fa nihena ny herin’ny fivavahan-diso, nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I? b) Araka ny nolazain’ilay anjely mahery, inona no nanjo an’i Babylona Lehibe rehefa nianjera izy?
9 Resy i Babylona fahiny tamin’ny 539 T.K., ka nihanihena ny heriny ary rava tanteraka izy tamin’ny farany. Nihena be toy izany koa ny herin’ny fivavahan-diso eran-tany, nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I. Norarana, ohatra, ny Shintoisma na fivavahana tamin’ny mpanjaka tany Japon, taorian’ny Ady Lehibe II. Ny fitondrana kominista no manara-maso ny fanendrena ireo mpitondra fivavahana sy izay ataon’ireo fiangonana, any Chine. Lasa tsy miraika amin’ny fivavahana ny ankamaroan’ny olona any amin’ny tany protestanta, any Eoropa Avaratra. Nihena koa ny herin’ny Eglizy Katolika eran-tany, satria tsy mitovy hevitra ny mpiangona ao aminy, ary misara-bazana mihitsy.—Ampitahao amin’ny Marka 3:24-26.
10 Porofoin’izany rehetra izany fa ‘miharìtra ny reniranon’i Eofrata’, mba hanomanana ny fanafihana an’i Babylona Lehibe. Manamarina izany koa ny fanambaran’ny papa tamin’ny Oktobra 1986, hoe voan’ny fatiantoka be ny eglizy, ka tsy maintsy “mangata-bola indray.” (Apokalypsy 16:12) Nanomboka tamin’ny 1919 no tena niharihary fa lasa toy ny tanàna aolo i Babylona Lehibe, araka ny tenin’ilay anjely mahery hoe: “Tonga fonenan’ny demonia, sy toerana famitsahan’ny rivotra maloto rehetra [izy], ary toerana famitsahan’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina!” (Apokalypsy 18:2b) Tsy ho ela koa dia ho rava tanteraka izy io, toa an’i Babylona izay tanàna rava sisa, any Irak ankehitriny.—Jereo koa ny Jeremia 50:25-28.
11. Inona no dikan’ny hoe lasa “fonenan’ny demonia” sy ‘toerana famitsahan’ny rivotra maloto sy ny vorona maloto’ i Babylona Lehibe?
11 Azo inoana fa ny hoe “demonia” eo dia avy amin’ilay teny hebreo hoe se‘i·rimʹ, izay nadika koa hoe “osilahy”, ato amin’ity faminanian’i Isaia momba ny fianjeran’i Babylona ity: “Ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.” (Isaia 13:21) Noho izany, dia toa tsy demonia ara-bakiteny no tiana holazaina amin’ny hoe se‘i·rimʹ, fa biby lava volo mipetraka any an-tany efitra, izay mahatonga ny olona hieritreritra demonia. Rehefa rava àry i Babylona Lehibe, dia toy ny hoe misy an’ireny biby ireny ao aminy, sady feno “rivotra maloto” na misy poizina, ary misy vorona maloto. Midika izany fa maty ara-panahy izy. Tsy azon’ny olona iainana intsony ao aminy.—Ampitahao amin’ny Efesianina 2:1, 2.
12. Inona no itovian’izay manjo an’i Babylona Lehibe amin’izay voalazan’ny Jeremia toko faha-50?
12 Mitovy amin’izay nolazain’i Jeremia koa ny manjo azy. Hoy izy: “Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin’ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy ary ny olon-kendriny, hoy Jehovah. ... Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony; fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy. Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka fara-mandimby.” Tsy hahavonjy an’i Babylona Lehibe ny fanompoan-tsampy sy ny vavaka lavareny, rehefa hosazin’Andriamanitra toy ny nataony tamin’i Sodoma sy Gomora izy.—Jeremia 50:35-40.
Divay manaitra ny filan’ny nofo
13. a) Ahoana no nanasongadinan’ilay anjely mahery fa tena tafahoatra ny fivarotan-tenan’i Babylona Lehibe? b) Inona no fitondran-tena maloto fanao tany Babylona fahiny izay mbola hita ao amin’i Babylona Lehibe?
13 Nasongadin’ilay anjely mahery avy eo fa tena tafahoatra ny fivarotan-tenan’i Babylona Lehibe. Hoy izy: “Fa noho ny divain’ny fahatezeran’ny fijangajangany no nahalavo ny firenena rehetra, ary ireo mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy. Ary nanjary nanan-karena ny mpivaro-mandeha tamin’ny tany noho ny herin’ny rentiny izay efa tsy nahamenatra azy intsony.” (Apokalypsy 18:3) Midika hoe “divay manaitra ny filan’ny nofo” ilay hoe ‘divain’ny fahatezerana.’ Nampianarin’i Babylona Lehibe hanaraka fitondran-tena maloto ny firenena rehetra. Nohazavain’ilay mpahay tantara grika atao hoe Hérodote, fa nasaina nivaro-tena tao amin’ny tempoly ny zazavavy virjiny rehetra tany Babylona fahiny. Ahitana sary sokitra vetaveta sy maharikoriko koa ao amin’ny tempolin’i Angkor Wat any Kampuchéa (Kambodja). Any amin’ireo tempoly any Khajuraho (Inde) indray, dia misy sarin’ilay andriamanitra hindoa atao hoe Vishnu, voahodidina olona manao firaisana mahatsiravina. Milefitra amin’ny fijangajangana maharikoriko koa ny Kristianisma Anarana. Tamin’ny 1987 sy 1988, ohatra, dia nanjary ratsy laza ireo mpitoriteny tao amin’ny televiziona tany Etazonia, satria nisy tamin’izy ireo fantatry ny olona hoe naloto fitondran-tena. Nanjary fantatra koa fa be dia be ny mpitondra fivavahana lehilahy miray amin’ny lehilahy. Notaomin’i Babylona Lehibe hanao fijangajangana mbola ratsy kokoa noho izany anefa ny firenena rehetra.
14-16. a) Inona no manaporofo fa nijangajanga tamin’ny mpitondra ara-politika ny fivavahana tany Italia Fasista? b) Inona no nolazain’ireo evekan’ny Eglizy Katolika, rehefa nanafika an’i Abyssinie i Italia?
14 Efa hitantsika fa nitsabaka tamin’ny politika ny fivavahana, ary izay no nahatonga an’i Hitler hahazo fahefana tany Alemaina Nazia. Azo lazaina hoe fijangajangana izany fitsabahan’ny fivavahana amin’ny raharaham-pirenena izany. Nisy firenena hafa koa nijaly vokatr’izany. Tany Italia Fasista, ohatra, dia nanao sonia an’ilay Fifanekena tao Latran, i Mussolini sy ny Kardinaly Gasparri tamin’ny 11 Febroary 1929, mba ho lasa fanjakana mahaleo tena ny Tanànan’i Vatikana. Nilaza ny Papa Pio Faha-11 fa “naveriny tamin’Andriamanitra i Italia, ary naveriny tamin’i Italia Andriamanitra.” Marina ve izany? Diniho izay nitranga enin-taona taorian’izay. Notafihin’i Italia i Abyssinie (Etiopia), tamin’ny 3 Oktobra 1935, satria, hono, “tany baribarianina mbola misy fanandevozana.” Iza anefa no tena baribarianina? Nanameloka ny habibian’i Mussolini ve ny Eglizy Katolika? Nankasitraka izany ny papa na dia tsy nilaza izany mivantana aza, fa ireo evekany kosa nitso-drano an-karihary ny tafik’i Italia “tanindrazany.” Hoy i Anthony Rhodes tao amin’ilay boky hoe Vatikana Tamin’ny Andron’ny Mpitondra Jadona (anglisy):
15 “Nanoratra toy izao ny Evekan’i Udine [Italia] tao amin’ny Taratasy ho An’ny Eglizy tamin’ny 19 Oktobra [1935]: ‘Tsy izao no fotoana tokony hilazantsika hoe inona no mety sy tsy mety amin’izao raharaha izao. Tsy anjarantsika koa izany. Ny adidintsika Italianina kosa, ary indrindra isika Kristianina, dia ny manampy ny tafika mba handresy.’ Izao no nosoratan’ny Evekan’i Padoue tamin’ny 21 Oktobra: ‘Mandalo fotoan-tsarotra isika izao, ka angatahinay ianareo mba hatoky ny mpitondra antsika sy ny tafika.’ Nanamasina saina miaramila maromaro ny Evekan’i Crémone tamin’ny 24 Oktobra, ary hoy izy: ‘Hotahin’Andriamanitra anie ireto miaramila ireto any Afrika, mba hahazo tany vaovao mahavokatra ho an’i Italia, ka hitondra ny kolontsaina romanina sy ny fivavahana kristianina any. Enga anie i Italia ka ho mpitari-dalana an’izao tontolo izao indray ho amin’ny fivavahana kristianina.’ ”
16 Nanafika sy nandroba an’i Abyssinie ny tafika italianina, ary nanohana izany ny mpitondra fivavahana katolika. Afaka milaza ve izy ireo fa “afaka amin’ny ran’ny olona rehetra”, toy ny apostoly Paoly?—Asan’ny Apostoly 20:26.
17. Koa satria tsy ‘nanefy ny sabany ho fangady’ ireo mpitondra fivavahana, inona no vokatr’izany tany Espaina?
17 Ankoatra an’i Alemaina sy Italia ary Abyssinie, dia nisy firenena hafa koa niharan’ny voka-dratsin’ny fijangajangan’i Babylona Lehibe. Tsy iza izany fa i Espaina. Niezaka hampihena ny fahefan’ny Eglizy Katolika ny fanjakana demokratika tany Espaina, ka izany no anisan’ny nampipoaka ilay Ady An-trano tamin’ny 1936-1939. Nandritra ilay ady, dia nitonona ho “Jeneraly Kristianina Mitarika ny Ady Masina” i Franco, izay fasista katolika nitarika ny tolom-bahoaka. Nialany izany anarana izany tatỳ aoriana. Espaniola ana hetsiny anefa no maty tamin’ilay ady. Tombanana ho 40 000 ny olona anisan’ny Antoko Ankavia novonoin’ireo mpomba an’i Franco, fa ireo tao amin’ny Antoko Ankavia kosa namono moanina, pretra, masera, ary mpiofana ho relijiozy niisa 8 000. Nahatsiravina sy nitera-doza ilay ady an-trano, ka hita fa fahendrena ny manaraka izao tenin’i Jesosy izao: “Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.” (Matio 26:52) Voarohirohy amin’ny fandatsahan-dra be dia be ny Kristianisma Anarana, ka tena maharikoriko! Tsy ‘nanefy ny sabany ho fangady’ mihitsy ireo mpitondra fivavahana ao aminy!—Isaia 2:4.
Ireo mpivaro-mandeha
18. Iza moa ireo “mpivaro-mandeha”?
18 Iza no antsoina hoe “mpivaro-mandeha”? Tsy iza fa ireo mpanao raharaham-barotra sy mpandraharaha lehibe ary mpanao “afera” goavana. Tsy ratsy ny manao raharaham-barotra raha ara-dalàna ilay izy. Manome torohevitra tsara momba izany ny Baiboly, ka mampitandrina mba tsy hanambaka na hisoloky, na ho tia vola be, sy ny toy izany. (Ohabolana 11:1; Zakaria 7:9, 10; Jakoba 5:1-5) Ahazoan-tombony kokoa mantsy ny ‘fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.’ (1 Timoty 6:6, 17-19) Tsy manao ny marina anefa ny tontolon’i Satana. Fahita hatraiza hatraiza ny kolikoly, na amin’ny resaka fivavahana, na politika, na varotra. Resahin’ny fampitam-vaovao indraindray ny raharaha manala baraka, toy ny fivarotana fitaovam-piadiana an-tsokosoko, sy ny fanodinkodinam-bola be ataon’ny olona ambony sasany.
19. Nahoana no rariny raha misy fanamelohana an’ireo “mpivaro-mandeha” ao amin’ny Apokalypsy?
19 Maherin’ny iray tapitrisa tapitrisa dolara isan-taona ny vola lany ividianana fitaovam-piadiana, nefa olona an-jatony tapitrisa no tsy manana izay tena ilaina eo amin’ny fiainana. Tena mampalahelo izany! Na izany aza anefa dia anisan’ny andry iankinan’ny toe-karena eran-tany ny fanamboarana fitaovam-piadiana. ‘Olona 400 000 eo ho eo no miasa amin’ny indostria [mpanamboatra fiadiana] any Etazonia, ary 750 000 any Eoropa’, araka ny gazety Mpitazana (anglisy) any Londres, tamin’ny 11 Aprily 1987. Milaza koa izy io fa “manome asa sy mampidi-bola bebe kokoa hatrany ireny indostria ireny, kanefa tsy mandinika akory ireo tany mpamokatra fitaovam-piadiana hoe hahavita hiaro tena ve izy ireo raha misy manafika.” Ahazoana tombony be ny fivarotana baomba sy fitaovam-piadiana hafa eran-tany. Mety ho lasa fahavalo anefa ny firenena ivarotana izany, ka ireny baomba ireny ihany no mety handringana an’izay nivarotra azy. Ho main’ny afo natsangany izy amin’izay! Manjaka koa ny risoriso eo amin’ny varotra fitaovam-piadiana. Lazain’ny gazety Mpitazana fa any Etazonia fotsiny, dia “fitaovam-piadiana mitentina 900 tapitrisa dolara isan-taona no tsy hita popòka, ary tsy afaka manazava ny anton’izany ny foiben’ny fiarovana amerikanina [Pentagone].” Rariny raha misy fanamelohana ho an’ireo “mpivaro-mandeha” ao amin’ny Apokalypsy!
20. Inona no manaporofo fa manao ny tsy marina eo amin’ny resa-bola ny fivavahana?
20 Tena manao ny tsy marina eo amin’ny resa-bola koa ny fivavahana, araka ny tenin’ilay anjely be voninahitra. Rehefa lasa bankirompitra, ohatra, ny banky Ambrosiano any Italia tamin’ny 1982, dia voarohirohy tamin’izany i Vatikana. Naharitra taona maromaro ilay raharaha, satria tsy fantatra mihitsy hoe nankaiza ny vola. Tamin’ny Febroary 1987, dia namoaka didy ny mpitsara tao Milan mba hisamborana mpitondra fivavahana telo tao Vatikana, anisan’izany ny arseveka amerikanina iray. Nampangaina izy ireo hoe niray tsikombakomba tamin’ny fanodinkodinana ny volan’ilay banky, izay mody nataony hoe bankirompitra. Tsy neken’i Vatikana anefa ny hanolorana azy ireo tamin’ny manam-pahefana. Nofoanan’ny Fitsarana Tampony tany Italia ilay didy tamin’ny Jolay 1987, na dia maro aza no tsy nanaiky izany. Ny fifanekena tranainy iray nataon’i Vatikana sy ny fitondrana italianina no anton’ilay fanafoanana.
21. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nanao fitadiavam-bola tamin’ny fomba tsy marina i Jesosy, nefa inona no ataon’ny fivavahan-diso ankehitriny?
21 Nanao fitadiavam-bola tamin’ny fomba tsy marina toy izany ve i Jesosy? Tsia. Na trano aza tsy nananany, satria tsy mba nanana “izay hametrahany ny lohany” izy. Hoy izy tamin’ny olona ambony iray mpanankarena: “Amidio avokoa ny fanananao, ka zarao amin’ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.” Torohevitra tsara izany, satria tsy ho nanahy intsony momba ny raharaham-barotra ataony ilay olona, raha nanaraka an’izany. (Lioka 9:58; 18:22) Matetika anefa ny fivavahan-diso no miara-miasa amin’ny orinasa manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Notaterin’ny gazety iray tamin’ny 1987 ny tenin’ny tompon’andraikitra momba ny fitantanam-bola tao amin’ny arsidiosezin’i Miami, any Etazonia. Niaiky izy io fa ny eglizy dia miray antoka amin’ny orinasa samy hafa mpanamboatra fitaovam-piadiana niokleary, sy mpanao filma visa A, ary mpamokatra sigara.
“Mivoaha ao aminy, ry oloko”
22. a) Inona no nolazain’ny feo iray avy any an-danitra? b) Inona no nahafaly ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 537 T.K. sy tamin’ny 1919?
22 Miresaka lafin-javatra fanampiny izay tanteraka ankehitriny ny tenin’i Jaona manaraka. Hoy izy: “Ary nahare feo hafa avy tany an-danitra aho, nanao hoe: ‘Mivoaha ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.’ ” (Apokalypsy 18:4) Toy izany koa ny baiko nomen’i Jehovah ny vahoakany tao amin’ny faminaniana momba ny fianjeran’i Babylona fahiny. Hoy izy: “Mandosira hiala an’i Babylona.” (Jeremia 50:8, 13) Asaina mandositra koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, satria efa ho rava i Babylona Lehibe. Tena faly ny Israelita nahatoky fa afaka nandositra an’i Babylona, tamin’ny 537 T.K. Faly koa ny vahoakan’Andriamanitra fa afaka avy tao amin’i Babylona Lehibe, tamin’ny 1919. (Apokalypsy 11:11, 12) Taorian’izay, dia nisy olon-kafa an-tapitrisany koa nankatò ilay baiko.
23. Ahoana no anantitranteran’ilay feo avy an-danitra fa ilaina maika ny mandositra an’i Babylona Lehibe?
23 Tena ilaina maika ve ny mandositra an’i Babylona Lehibe, ka miala sy misaraka tanteraka amin’ireo fivavahan’ity tontolo ity? Izany tokoa, satria maharikoriko eo imason’Andriamanitra izy io, ary tokony ho toy izany koa ny fiheverantsika azy. Tsy niolakolaka mihitsy i Jehovah niantso azy io hoe ilay mpivaro-tena lehibe. Nanome fanazavana fanampiny momba io mpivaro-tena io ilay feo avy any an-danitra, nanao hoe: “Fa efa niavosa hatrany amin’ny lanitra ny fahotany, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny tsy rariny nataony. Valio araka izay nataony izy, ary avo roa heny mihitsy aza, eny, avo roa heny noho izay nataony no ataovy aminy koa. Ao amin’ny kaopy izay nasiany zava-pisotro mifangaro, dia asio zava-pisotro mifangaro avo roa heny ho azy. Araka izay nankalazany tena sy niainany tao anatin’ny renty izay efa tsy nahamenatra azy intsony, dia omeo fijaliana sy alahelo torak’izany koa izy. Fa nanao anakampo foana izy hoe: ‘Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho ary tsy mpitondratena, ka tsy halahelo mihitsy.’ Noho izany, dia ho tonga ao anatin’ny iray andro monja ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy alahelo ary mosary. Ary hodorana tanteraka amin’ny afo izy, satria mahery i Jehovah Andriamanitra, izay nitsara azy.”—Apokalypsy 18:5-8.
24. a) Tsy maintsy mandositra an’i Babylona Lehibe ny vahoakan’Andriamanitra mba tsy hiharan’ny inona? b) Miombona ota amin’i Babylona Lehibe izay tsy miala ao aminy. Inona avy izany ota izany?
24 Mahery izany teny izany! Ilaina àry ny manao zavatra. Nampirisika ny Israelita tamin’ny androny i Jeremia hoe: “Mandosira hiala an’i Babylona hianareo, ... fa izao no andro famalian’i Jehovah, Izy no hamaly azy. Mivoaha avy ao afovoany hianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy hianareo, mba tsy ho azon’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah.” (Jeremia 51:6, 45) Asain’ilay feo avy any an-danitra mandositra an’i Babylona Lehibe koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, mba tsy hiharan’ny loza hanjo azy. Azo lazaina ho loza efa mihatra ankehitriny ny fanambarana ny fanamelohan’i Jehovah an’ity tontolo ity, anisan’izany i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 8:1–9:21; 16:1-21) Tsy maintsy misaraka amin’ny fivavahan-diso ny vahoakan’Andriamanitra, raha tsy te hiharan’izany loza izany, ka hiaraka ho faty aminy amin’ny farany. Toy ny hoe miombona ota aminy izay mbola mijanona ao aminy, ka ho meloka tahaka azy noho ny fijangajangana ara-panahy sy ny fandatsahana ny ‘ran’izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.’—Apokalypsy 18:24; ampitahao amin’ny Efesianina 5:11; 1 Timoty 5:22.
25. Ahoana no nivoahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy tao amin’i Babylona fahiny?
25 Ahoana no ivoahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao amin’i Babylona Lehibe? Tsy maintsy niala tao an-tanànan’i Babylona ny Jiosy fahiny, ka niverina tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy izay ihany anefa. Hoy i Isaia momba azy ireo: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.” (Isaia 52:11) Tsy maintsy nialany koa àry ny fanao maloto rehetran’ny fivavahana tao Babylona, izay nety ho nandoto ny fivavahany tamin’i Jehovah.
26. Ahoana no nankatoavan’ny Kristianina tany Korinto ilay baiko hoe: ‘Mivoaha eo aminy ianareo, ary aza mikasika intsony izay maloto’?
26 Nanonona ny tenin’i Isaia ny apostoly Paoly tamin’izy nanoratra ho an’ny Korintianina hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? ... ‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto.’ ” Tsy voatery niala tao Korinto ny Kristianina mba hankatoavana an’io baiko io. Tsy nankany amin’ireo tempolin’ny fivavahan-diso kosa izy ireo, ary tsy nanaraka ny fanao maloton’ny mpanompo sampy. Tamin’ny 1919, dia nanomboka nandositra an’i Babylona Lehibe toy izany koa ny vahoakan’Andriamanitra, ka niala tanteraka tamin’ny fampianaran-diso ary nanadio ny tenany ho afaka tamin’ny fanao maloto. Lasa vahoaka voadio àry izy ireo, ka afaka nanompo an’Andriamanitra.—2 Korintianina 6:14-17; 1 Jaona 3:3.
27. Inona no itovian’ny fanamelohana an’i Babylona fahiny sy Babylona Lehibe?
27 Resy i Babylona fahiny, ary lasa tanàna aolo tamin’ny farany, ho saziny noho ny fahotany, satria ‘nahatakatra ny lanitra ny helony.’ (Jeremia 51:9) “Efa niavosa hatrany amin’ny lanitra” koa ny fahotan’i Babylona Lehibe, ka hitan’i Jehovah. Meloka izy fa manao ny tsy rariny, manompo sampy, maloto fitondran-tena, mampahory, mangalatra, ary mamono olona. Valin’izay nataon’i Babylona fahiny tamin’ny tempolin’i Jehovah sy ny tena mpivavaka taminy, ny nianjerany. (Jeremia 50:8, 14; 51:11, 35, 36) Valin’izay nataon’i Babylona Lehibe tamin’ny tena mpivavaka amin’i Jehovah koa ny fianjerany sy ny fandringanana azy. Ny fandravana azy tanteraka no ho fiandohan’ny “andro famalian’Andriamanitsika.”—Isaia 34:8-10; 61:2; Jeremia 50:28.
28. Inona no fitsipika harahin’i Jehovah mba hampiharana ny rariny rehefa handringana an’i Babylona Lehibe izy, ary nahoana?
28 Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy maintsy nanonitra avo roa heny, fara fahakeliny, ny Israelita iray raha tratra nangalatra. (Eksodosy 21:37; 22:3, 6, 8) Izany koa no fitsipika harahin’i Jehovah, mba hampiharana ny rariny rehefa handringana an’i Babylona Lehibe izy. Avo roa heny noho izay nataony no hovaliana aminy. Tsy hamindrana fo izy satria tsy namindra fo tamin’ireo nampahoriny. Nivelona tamin’ny fananan’ny olona izy mba hiainany ao anatin’ny “renty izay efa tsy nahamenatra azy intsony.” Hijaly sy halahelo anefa izy. Nihevitra ny tanànany ho voaro tanteraka i Babylona fahiny, ka nirehareha hoe: “Tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan-anaka.” (Isaia 47:8, 9, 11) Mahatsiaro ho voaro koa i Babylona Lehibe. Ho ringana tampoka toy ny “ao anatin’ny iray andro monja” anefa izy, satria “mahery” i Jehovah izay namoaka izany didim-pitsarana izany!
[Efajoro, pejy 263]
‘Nijangajanga Taminy Ireo Mpanjaka’
Tany am-piandohan’ny taonjato faha-19, dia nisy mpivarotra avy tany Eoropa nampiditra an-tsokosoko ôpiôma be dia be tany Chine. Niezaka hampitsahatra ny fivarotana an’io zava-mahadomelina io ny manam-pahefana sinoa tamin’ny Martsa 1839, ka nalainy ny vata 20 000 feno ôpiôma tratra tany amin’ny mpivarotra britanika. Vokatr’izany, dia niharatsy ny fifandraisan’i Grande-Bretagne sy Chine, ary nisy misionera protestanta nampirisika an’i Grande-Bretagne hiady tamin’i Chine. Hoy ny sasany tamin’izy ireo:
“Mahafaly ahy izao tsy fifanarahana izao. Mety ho tezitra mantsy ny fitondrana anglisy, ka [hampiasa azy ireo Andriamanitra mba] hanesorana amin-kery izay misakana ny fidiran’ny filazantsaran’i Kristy any Chine.”—Henrietta Shuck, misionera batista.
Farany, dia nipoaka ilay ady, izay nantsoina hoe Adin’ny Ôpiôma. Nisy misionera nampirisika mafy an’i Grande-Bretagne hoe:
“Voatery manatsoaka hevitra aho fa tsy resaka ôpiôma na raharahan’ny Anglisy izao, fa fitondran’Andriamanitra mihitsy. Tiany hampiasaina mantsy ny haratsiam-panahin’ny olombelona, mba hanatanterahana ny fikasany hamindra fo amin’i Chine. Amin’izay dia tsy ho voasakana intsony ny fidirana any.”—Peter Parker, misionera kongregasionalista.
Hoy koa ilay misionera kongregasionalista atao hoe Samuel Williams: “Mahatalanjona ny fitondran’Andriamanitra ny zava-drehetra, ary azontsika antoka fa Ilay nilaza hoe tonga mba hitondra sabatra eto an-tany, dia tonga tokoa mba handringana haingana ny fahavalony sy hanorina ny fanjakany. Havadiny, havadiny izany, mandra-panomeny fahefana an’ilay Andrianan’ny Fiadanana.”
Hoy ny misionera Lewis Shuck momba ilay fandripahana an’ireo Sinoa: “Amiko izany ... dia fanesoran’ny Tompo mivantana ireo zavatra tsy misy dikany, izay misakana ny fandrosoan’ny Fahamarinana avy Amin’Andriamanitra.”
Hoy koa ilay misionera kongregasionalista atao hoe Elijah Bridgman: “Matetika Andriamanitra no nampiasa fanjakana mahery mba hanomanana ny lalana ho an’ny Fanjakany. ... Olombelona no mpanatanteraka izany amin’izao fotoana miavaka izao, fa avy amin’Andriamanitra kosa ny hery. I Angletera no ampiasain’ilay mpanjakan’ny firenena rehetra, mba hanasazy sy hampietry an’i Chine.”—Nalaina avy tao amin’ilay lahatsoratra nosoratan’i Stuart Creighton Miller hoe “Tanjona sy Fomba Hahatratrarana Izany”, 1974, navoaka tao amin’ny Asa Misionera any Chine sy Amerika (Famakafakana natontan’i John Fairbank).
[Efajoro, pejy 264]
“Nanjary Nanan-karena ny Mpivaro-mandeha”
“Teo anelanelan’ny 1929 sy ny fanombohan’ny Ady Lehibe II, dia nampiasa ny vola sy ny mpiasan’i Vatikana i [Bernadino] Nogara [tompon’andraikitry ny fitantanana ny volan’i Vatikana]. Nampiasainy tamin’ny fandraharahana isan-karazany tao Italia izany, toy ny fifandraisana an-telefaonina, banky, fampisamboram-bola, lalamby kely, famokarana herinaratra, fitaovam-pambolena, simenitra, ary kofehy. Nahazoana tombony be ny maro tamin’ireo.”
“Nalain’i Nogara ny orinasa maromaro, toy ny La Società Italiana della Viscosa, La Supertessile, La Società Meridionale Industrie Tessili, ary La Cisaraion. Nakambany ho orinasa iray ireo, ka nomeny anarana hoe CISA-Viscosa, ary nasainy notantanan’ny Andriana Francesco Maria Oddasso, izay lahika anisan’ny natokisan’i Vatikana indrindra. Avy eo dia nataon’i Nogara izay hahatonga an’ilay orinasa vaovao ho tafiditra ao amin’ny SNIA-Viscosa, izay orinasa lehibe indrindra mpanao lamba tany Italia. Vao mainka nahaliana an’i Vatikana ny orinasa SNIA-Viscosa. I Vatikana mihitsy tamin’ny farany no nitantana azy io, matoa ny Andriana Oddasso no lasa prezidà lefitra.
“Tafiditra teo amin’ny sehatry ny fanaovan-damba àry i Nogara. Tafiditra teo amin’ny sehatra hafa koa izy, satria mahitahita. Io lehilahy tsy tia tena io ... angamba no namelona ny toe-karen’i Italia mihoatra noho ny mpandraharaha hafa tany Italia. ... Tsy vitan’i Benito Mussolini mihitsy ny nanitatra ny fanjakan’i Italia araka ny nofinofiny, kanefa nanampy an’i Vatikana sy Bernadino Nogara kosa izy, mba hanjakan’i Italia [teo amin’ny lafiny ara-toe-karena].”—Ny Fanjakan’i Vatikana, nosoratan’i Nino Lo Bello, pejy 71-73.
Izany dia ohatra iray monja mampiseho fa miara-miasa akaiky ireo “mpivaro-mandeha” sy Babylona Lehibe. Tsy mahagaga raha halahelo ireo mpivarotra ireo, rehefa tsy ho eo intsony ilay mpanao raharaham-barotra miaraka aminy!
[Sary, pejy 259]
Rehefa niely eran-tany ny olona, dia nentiny niaraka taminy ny fivavahana avy tao Babylona
[Sary, pejy 261]
Toy ny mpiambina ireo voahosotra ka manambara fa efa nianjera i Babylona
[Sary, pejy 266]
Rava i Babylona fahiny, ka midika izany fa ho rava koa i Babylona Lehibe