FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 24 p. 62-p. 63 feh. 7
  • Nitory Nanerana An’i Galilia i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitory Nanerana An’i Galilia i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana i Jesosy no tonga teto an-tany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Kapernaomy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • A7-D Ny Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany—Fanompoana Nataon’i Jesosy Tany Galilia (Fizarana 1)
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 24 p. 62-p. 63 feh. 7
Hitan’i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona ihany i Jesosy

TOKO 24

Nitory Nanerana An’i Galilia i Jesosy

MATIO 4:23-25 MARKA 1:35-39 LIOKA 4:42, 43

  • NITETY AN’I GALILIA NIARAKA TAMIN’NY MPIANANY EFATRA I JESOSY

  • LASA BE MPAHALALA NY FITORIANA SY NY FAHAGAGANA NATAON’I JESOSY

Be atao i Jesosy sy ny mpianany efa-dahy tao Kapernaomy. Nentin’ny mponina nankeo amin’i Jesosy ny marary mba hositraniny, tamin’ny hariva. Zara raha afaka nitokana izy.

Nifoha maraina be i Jesosy ny ampitson’iny, raha mbola maizina ny andro. Nankany amin’ny toerana mitokana izy mba hivavaka tamin’ny Rainy. Fotoana fohy ihany anefa izy no afaka nijanona irery tany. Rehefa hitan’i “Simona sy ireo niaraka taminy” mantsy fa tsy teo izy, dia nandeha nitady azy izy ireo. I Petera angamba no nitarika azy ireo satria vahininy i Jesosy.—Marka 1:36; Lioka 4:38.

Hoy i Petera rehefa hitan’izy ireo i Jesosy: “Mitady anao ny olona rehetra.” (Marka 1:37) Tsy mahagaga raha tsy tian’ny mponin’i Kapernaomy handeha i Jesosy. Tena tian’ny olona ny zavatra nataony, ka nataon’izy ireo izay “tsy hialany teo amin’izy ireo.” (Lioka 4:42) Ny hanao fanasitranana mahagaga ve anefa no tena nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany? Tao amin’io tanàna io ihany ve izy no tokony hanao ny fanompoany? Inona no nolazainy momba izany?

Manondro tanàna iray eo akaiky eo i Jesosy sady miresaka amin’i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Andao isika ho any an-toeran-kafa, ho any amin’ny tanàna manodidina, mba hitoriako any koa, fa izany no nahatongavako.” Nilaza tamin’ny olona te hitazona azy mihitsy izy hoe: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.”—Marka 1:38; Lioka 4:43.

Ny hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Hanamasina ny anaran’ny Rainy io Fanjakana io ary hamaha tanteraka ny olana mahazo ny olombelona. Noporofoin’i Jesosy tamin’ireo fanasitranana mahagaga nataony fa Andriamanitra no naniraka azy. Nanao fahagagana koa i Mosesy taonjato maro talohan’izay, mba hanaporofoana fa irak’Andriamanitra izy.—Eksodosy 4:1-9, 30, 31.

Niala tao Kapernaomy àry i Jesosy mba hitory tany amin’ny tanàna hafa. Niaraka taminy ny mpianany efatra, dia i Petera sy Andrea rahalahiny, ary i Jaona sy Jakoba rahalahiny. Notaomin’i Jesosy hitety tanàna mba hiara-mitory aminy izy ireo, herinandro talohan’izay. Izy ireo no voalohany nanao izany.

Tena nahomby ny fitorian’i Jesosy sy ny mpianany efatra tao Galilia, ka niely hatraiza hatraiza ny momba an’i Jesosy. “Niely nanerana an’i Syria ny lazany”, izany hoe hatrany amin’ilay faritra nisy an’ireo tanàna folo nantsoina hoe Dekapolisy ka hatrany ampitan’ny Reniranon’i Jordana. (Matio 4:24, 25) Nisy vahoaka be nanaraka an’i Jesosy sy ny mpianany avy tany amin’ireo faritra ireo sy avy tany Jodia. Maro no nitondra marary tany amin’i Jesosy mba hositraniny. Nanome fahafaham-po azy ireo izy, ka nanasitrana ny marary sy namoaka demonia.

  • Inona no nataon’i Jesosy vao maraina be, ny ampitson’ilay niasany mafy tao Kapernaomy?

  • Nahoana i Jesosy no nirahina tetỳ an-tany, ary nahoana izy no nanao fahagagana?

  • Iza avy no niara-nitory tamin’i Jesosy tany Galilia, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona rehefa nahita ny zavatra nataony?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara