FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Septambra
    • © 2012 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Tsy azo adika na alain-tahaka.

  • Mitsinjo ny Vehivavy Tokoa ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Septambra
    • Mitsinjo ny Vehivavy Tokoa ve Andriamanitra?

      “Vehivavy iray no niandohan’ny fahotana: ka izy no anton’ny hahafatesantsika rehetra.”—EKLESIASTIKA 25:23, FANDIKAN-TENY KATOLIKA.

      “Ianao no nampiditra ny devoly ho amin’izao tontolo izao. Ianao mantsy no nahita ilay hazo voarara. Ianao no nandika voalohany ny lalàn’Andriamanitra ... Ianao no nanimba ny lehilahy izay endrik’Andriamanitra, ary mora kely taminao ny nanao izany.”—TERTULLIEN, NY HAINGON’NY VEHIVAVY, TAONJATO FAHAROA.

      AVY tao amin’ny boky tsy anisan’ny Baiboly ireo teny ireo. Efa hatramin’ny ela izy ireo no nentina nanamarinana fa mety ny manavakavaka vehivavy. Mbola misy olona maka teny ao amin’ny bokim-pivavahana ihany hatramin’izao mba hampisehoana fa mety izany. Milaza izy ireo fa ny vehivavy no mahatonga ny olana mahazo ny olombelona. Nataon’Andriamanitra mba hambanin’ny lehilahy sy hohararaotiny àry ve ny vehivavy? Inona no lazain’ny Baiboly?

      Voaozon’Andriamanitra ve ny vehivavy?

      Tsia. “Ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly” no ‘voaozon’Andriamanitra.’ (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:14) Inona àry no tian’Andriamanitra holazaina tamin’ny hoe “hanjaka” amin’ny vadiny i Adama? (Genesisy 3:16) Tsy te hilaza akory izy fa mahazo manjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy. Te hilaza ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama sy Eva fotsiny izy.

      Mpanota ny olombelona ka izany no mahatonga azy hampijaly vehivavy, fa tsy hoe tian’Andriamanitra hanao izany akory izy ireo. Tsy milaza mihitsy àry ny Baiboly hoe tokony hanjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy mba hanonerana ny fahotana tany am-boalohany.—Romanina 5:12.

      Noforonin’Andriamanitra ho ambany noho ny lehilahy ve ny vehivavy?

      Tsia. Hoy ny Genesisy 1:27: ‘Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.’ Samy afaka manahaka ny toetran’Andriamanitra àry ny lehilahy sy vehivavy. Izany no namoronana azy ireo hatramin’ny voalohany. Marina fa tsy nitovy ny fihetseham-po sy ny vatan’i Adama sy Eva. Nitovy anefa ny toromarika nomena azy ireo ary nitovy zo izy ireo tamin’ilay Mpamorona azy.—Genesisy 1:28-31.

      Mandrary harona i Eva, fa i Adama kosa maka voankazo

      Noforonina ho mpanampy sy ho famenon’i Adama i Eva

      Hoy Andriamanitra talohan’ny namoronany an’i Eva: “Hanao mpanampy ho [an’i Adama] aho, ho famenony.” (Genesisy 2:18) Inona no dikan’ilay hoe ‘fameno’? Tsy midika akory izy io hoe ambany noho ny lehilahy ny vehivavy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara