FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Aza Manaiky Hiray Zioga Amin’ny Tsy Mpino”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Oktobra
    • “Aza Manaiky Hiray Zioga Amin’ny Tsy Mpino”

      MIARA-MIASA tany ilay rameva sy omby hitanao eto. Mijaly izy ireo, satria ampiraisina amin’ny zioga natao ho an’ny biby roa mitovy habe sy tanjaka. Miahy ny biby mpitondra entana toy ireo Andriamanitra, ka niteny toy izao tamin’ny Israelita: “Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.” (Deoteronomia 22:10) Nihatra tamin’ny omby sy rameva koa io toro lalana io.

      Tsy nampijaly ny bibiny toy izany ny tantsaha mazàna. Mety ho nampiray zioga izay biby nananany anefa izy, rehefa tsy nanana omby roa. Izany no nataon’ilay tantsaha niaina tamin’ny taonjato faha-19, hita eo amin’ny sary. Tsy mitovy habe sy lanja ireo biby ireo, ka tsy maintsy miady mafy ilay malemy kokoa, mba hanarahana ny dian’ilay matanjaka kokoa. Ilay matanjaka kosa dia tsy maintsy mitondra entana mavesatra kokoa noho ilay malemy.

      Nampiasa fanoharana momba ny zioga tsy antonona, ny apostoly Paoly, mba hampianarana antsika lesona lehibe iray. Hoy izy: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?” (2 Korintianina 6:14) Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina hiray zioga tsy antonona amin’olon-kafa?

      Izany no izy, raha olona tsy manaiky ny zavatra inoany no fidiny ho vady. Hanahirana ny fanambadiana toy izany, satria tsy hitovy hevitra amin’ireo raharaha lehibe izy mivady.

      Rehefa namorona ny fanambadiana i Jehovah, dia nataony “vady sahaza”, na fameno ho an’ny lehilahy ny vehivavy. (Genesisy 2:18) Nilaza koa Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany, fa ‘namana’ ny vady. (Malakia 2:14) Tian’ny Mpamorona antsika hiara-miasa ny mpivady mba hanatratra zava-kendrena mitovy eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, sy hifampizara ireo andraikitra, ary samy handray soa amin’izany.

      Asehon’ny Kristianina fa manaja ny torohevitry ny Raintsika any an-danitra izy, raha manambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Hampiray saina ny mpivady izany, sady hitondra dera sy voninahitra ho an’Andriamanitra. Ho “tena mpiray zioga” izy ireo, eo am-panompoany azy.​—Filipianina 4:3.

  • Tianao ve ny Hotsidihina?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Oktobra
    • Tianao ve ny Hotsidihina?

      Na dia eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza, dia afaka ny ho sambatra ianao, raha mianatra ny Baiboly ka mahalala an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany momba ny olombelona. Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny, na fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tranonao, dia manorata any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, B.P. 116, 105 Ivato, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara